Loha Hevitra ato Anatiny
6-12 AOGOSITRA 2018
3 “Tsy Anisan’ity Tontolo ity ny Fanjakako”
13-19 AOGOSITRA 2018
8 Enga Anie Isika Rehetra ho Tafaray Tahaka An’i Jehovah sy Jesosy
Nisara-bazana ny olona tamin’ny andron’i Jesosy noho ny politika sy ny saranga ary ny firazanana. Ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra roa ireo hoe ahoana no nampianaran’i Kristy ny mpanara-dia azy mba ho tafaray fa tsy hanavakavaka. Ho hitantsika koa hoe manampy antsika tsy hanavakavaka ny modely navelan’izy ireo. Misara-bazana koa mantsy ny tontolo misy antsika.
13 Tahaka Izay Izy Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah!
20-26 AOGOSITRA 2018
16 Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Toro Lalan’i Jehovah
Mila ampiofanina ny feon’ny fieritreretantsika mba ho azo ianteherana. Nanome lalàna sy toro lalana i Jehovah mba hahavitantsika an’izany sy hahatonga antsika hitovy fomba fihevitra aminy. Horesahina ao amin’io lahatsoratra io ny fomba ampiharana ny toro lalan’ny Baiboly.
27 AOGOSITRA–2 SEPTAMBRA 2018
21 ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’ mba Hahazo Voninahitra i Jehovah
Nampirisika ny mpanara-dia azy hampamirapiratra ny fahazavany i Jesosy mba hahazo voninahitra i Jehovah. Ho hitanao ao amin’io lahatsoratra io izay azo atao mba hanaovana an’izany bebe kokoa.
26 Tantaram-piainana: Nisy Nampahery Foana Aho Rehefa Nanana Olana