Loha Hevitra ato Anatiny
15 Novambra 2013
© 2013 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
LAHATSORATRA HIANARANA NY HERINANDRON’NY:
30 DESAMBRA 2013–5 JANOARY 2014
“Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”
6-12 JANOARY 2014
Inona no Hanampy Antsika ho “Vonona Hiandry” Foana?
PEJY 10 • HIRA: 119, 32
13-19 JANOARY 2014
Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny
20-26 JANOARY 2014
Ankatoavy Ireo Mpiandry Notendren’i Jehovah
PEJY 21 • HIRA: 125, 122
27 JANOARY 2014–2 FEBROARY 2014
LAHATSORATRA FIANARANA
▪ “Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”
Efa madiva hifarana ny tontolon’i Satana, ka tsy tokony hatoritory eo amin’ny lafiny ara-panahy isika. Hazavain’io lahatsoratra io fa manampy antsika amin’izany ny vavaka.
▪ Inona no Hanampy Antsika ho “Vonona Hiandry” Foana?
Ho hitantsika ao amin’io lahatsoratra io hoe: Inona no ianarantsika avy amin’i Mika mpaminany, ka hanampy antsika hanam-paharetana? Ahoana no hahalalantsika fa tonga ny fotoana handringanan’i Jehovah an’ity tontolo ity? Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka ny faharetany isika?
▪ Mpiandry Fito sy Andriana Valo Ankehitriny
Andraisantsika lesona ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nanafihan’i Sankeriba an’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Hezekia. Natao indrindra ho an’ireo mpiandry eo anivon’ny fiangonana io lahatsoratra io.
▪ Ankatoavy Ireo Mpiandry Notendren’i Jehovah
▪ Ry Anti-panahy, Tahafo Ireo Mpiandry Lehibe Indrindra
Resahin’ny lahatsoratra voalohany ny fomba itondran’i Jehovah sy Jesosy ny andian’ondry sy izay tokony hataon’ireo ondry. Hazavain’ny lahatsoratra faharoa ny toe-tsaina tokony hananan’ireo mpiandry lefitra na ny anti-panahy, rehefa mikarakara ny ondry izy ireo.
HO HITANAO ATO KOA
8 Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?
FONONY: Fitoriana eny an-dalana eo amin’ny gara any Tokyo. Olona 2 800 000 mahery isan’andro no mivezivezy mankao Tokyo, noho ny asany. Miezaka mitory amin’ireo tsy tratra an-trano ny mpitory any
JAPON
MPONINA:
126 536 000
SALANISAN’NY MPITORY:
216 692
MPISAVA LALANA:
65 245