Loha Hevitra ato Anatiny
15 Martsa 2013
© 2013 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Tsy azo adika na alain-tahaka.
LAHATSORATRA HIANARANA NY HERINANDRON’NY:
29 APRILY 2013–5 MEY 2013
Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah
6-12 MEY 2013
Manana “Fo Mahalala” An’i Jehovah ve Ianao?
13-19 MEY 2013
Inona no Tokony Hataon’ireo “Mahalala An’Andriamanitra”?
20-26 MEY 2013
27 MEY 2013–2 JONA 2013
LAHATSORATRA FIANARANA
▪ Tsy Misy na Inona na Inona Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah
Manao hazakazaka hahazoana fiainana ny Kristianina. Nandova ota anefa isika, ka mety ho tafintohina. Handinika sakana dimy isika amin’io lahatsoratra io, ary hijery izay azontsika atao mba tsy ho voasakan’izy ireny ka tsy handresy.
▪ Manana “Fo Mahalala” An’i Jehovah ve Ianao?
Miresaka betsaka momba ny fo ny bokin’i Jeremia. Ho hitantsika ao amin’io lahatsoratra io ny atao hoe “tsy voafora fo”, sy hoe ahoana no mety hahatonga ny Kristianina hanana fo toy izany. Ho hita ao koa hoe inona no hanampy antsika hanana “fo mahalala” an’i Jehovah.—Jer. 9:26; 24:7.
▪ Inona no Tokony Hataon’ireo “Mahalala An’Andriamanitra”?
Horesahina ao amin’io lahatsoratra io hoe: Inona no dingana manampy antsika hahalala an’Andriamanitra sy ho fantany? Inona no tokony hatao mba handrosoana ara-panahy foana, ary nahoana isika no mila manao izany?
▪ Jehovah no Fonenantsika
Mankahala antsika ity tontolo ity, nefa tsy tokony hatahotra isika. Ho hitantsika ao amin’io lahatsoratra io hoe inona no hanampy antsika hahazo an’ilay fiarovana azo antoka indrindra, dia i Jehovah Andriamanitra.
▪ Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah
Hohazavaina ao amin’io lahatsoratra io hoe: Inona no dikan’ny hoe mitondra ny anaran’i Jehovah sy mandeha amin’ny anarany? Ary ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo tsy manaja ny anarany?
HO HITANAO ATO KOA
18 Mahazo Fampaherezana Isika ka Mampahery ny Hafa
29 I Josèphe Tokoa ve no Nanoratra Azy Io?
FONONY: Misy torapasika lava be sy nosy maro any Failandy. Ahitana farihy an’arivony koa any, indrindra fa any amin’ny faritra afovoany sy atsinanana. Mampiasa sambo ny mpanitatra faritany sasany any rehefa manompo
FAILANDY
MPONINA:
5 375 276
ISAN’NY MPITORY:
Mpitory 1 isaky ny mponina 283
MPISAVA LALANA:
1 824