Loha Hevitra ato Anatiny
15 Septambra 2012
© 2012 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Tsy azo adika na alain-tahaka.
Gazety Fianarana
LAHATSORATRA HIANARANA NY HERINANDRON’NY:
22-28 OKTOBRA 2012
Ahoana no Fomba Hifaranan’ity Tontolo Ity?
PEJY 3 • HIRA: 133, 132
29 OKTOBRA 2012–4 NOVAMBRA 2012
Hanjaka ny Fiadanana Mandritra ny Arivo Taona sy Aorian’izay!
5-11 NOVAMBRA 2012
Manàna Faharetana toa An’i Jehovah sy Jesosy
12-18 NOVAMBRA 2012
“Tsy Fantatrareo na ny Andro na ny Ora”
19-25 NOVAMBRA 2012
Fotoam-pifaliana ho An’ny Vahoakan’i Jehovah ny Fivoriambe
PEJY 28 • HIRA: 119, 118
ZAVA-KENDREN’NY LAHATSORATRA FIANARANA
LAHATSORATRA FIANARANA 1, 2 PEJY 3-12
Hisy zavatra lehibe hitranga tsy ho ela. Hiresaka zavatra lehibe folo tokony hotadidintsika ireo lahatsoratra ireo. Ny dimy momba ny fandravana ny tontolon’i Satana, ary ny dimy mbola hitranga any amin’ny tontolo vaovao.
LAHATSORATRA FIANARANA 3 PEJY 18-22
Efa tsy andrintsika ny hifaranan’ity tontolo ratsy ity sy ny hahatongavan’ny Paradisa. Na vao amam-bolana isika no niandry izany na efa an-taonany maro, nahoana isika no mila manana faharetana? Hanampy antsika hanana faharetana io lahatsoratra io.
LAHATSORATRA FIANARANA 4 PEJY 23-27
Maniry mafy ny hifaranan’ity tontolo ratsy ity ny vahoakan’i Jehovah rehetra. Horesahina ao amin’io lahatsoratra io fa mandray soa isika rehefa tsy mahafantatra ny andro sy ny ora hahatongavan’ny farany.
LAHATSORATRA FIANARANA 5 PEJY 28-32
Anisan’ny fandaharana lehibe amin’ny fivavahana marina foana ny fivoriambe hatramin’izay. Hodinihina ao amin’io lahatsoratra io ny fivoriambe niavaka sasany fahiny sy ankehitriny. Hodinihina ao koa hoe inona no fitahiana azontsika rehefa manatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra.
HO HITANAO ATO KOA
13 Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah Ireo Sekoly Ara-baiboly
FONONY: Miezaka mitory amin’ny olona rehetra ny mpitory any Philippines. Mitory amin’ny lehilahy iray mitaingina môtô izy ireo eto, any amin’ny faritra avaratr’i Luzon
PHILIPPINES
MPITORY
177 635
MPISAVA LALANA MAHARITRA
29 699
ISAN’NY NATAO BATISA TAMIN’NY 2011
8 586
ISAN’NY FITENY ANAOVANA FANDIKAN-TENY
21