FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 15/12 p. 7-11
  • Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no hahatonga antsika ho olona tsy mivadika?
  • Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?
  • Ahoana raha nivadika tamin’i Jehovah ny olona iray?
  • Nahoana Ianao no Tsy Tokony Hivadika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Aza Mivadika Mihitsy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Mampifalia ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Aza Mivadika Mihitsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 15/12 p. 7-11

Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?

“Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.”—JOBA 27:5.

1, 2. Inona no toetra tokony hiezahantsika hananana, ary inona no fanontaniana hodinihintsika?

ANDEHA hatao hoe mandinika ny planin’ny trano iray ianao. Hitanao hoe tena mety aminareo mianakavy ilay trano. Efa azonao an-tsaina sahady fa hahasoa anareo ny mipetraka ao. Azo antoka anefa fa tsy handraisan-tsoa ilay planina, raha tsy miezaka manorina an’ilay trano ianareo, mipetraka ao, ary mikojakoja tsara azy io.

2 Mety hihevitra koa isika fa tena ilaina ny tsy fivadihana, ary handray soa isika sy ny mpianakavintsika raha manana an’io toetra io. Tsy handray soa mihitsy anefa isika raha tsy miezaka manana an’io toetra io, ary avy eo mitandrina mba tsy hamoy izany. Tsy mora ny manorina trano amin’izao andro izao. (Lioka 14:28, 29) Tsy mora koa ny hoe lasa olona tsy mivadika, fa mitaky fotoana sy ezaka be. Tsy ho very maina anefa izany. Ahoana àry no hahatonga antsika ho olona tsy mivadika? Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy? Inona no azon’ny olona iray atao, raha nivadika tamin’i Jehovah izy?

Ahoana no hahatonga antsika ho olona tsy mivadika?

3, 4. a) Ahoana no anampian’Andriamanitra antsika tsy hivadika? b) Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny tsy hivadika toa an’i Jesosy?

3 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa avelan’i Jehovah hisafidy isika na hivadika aminy na tsia. Mety tsy ho haintsika anefa izay tokony hatao, mba hahatonga antsika ho olona tsy mivadika. Soa ihany fa mampianatra antsika ny fomba hananana an’io toetra tsara io i Jehovah, ary manome ny fanahiny masina mba hanampiana antsika hampihatra ny fampianarany. (Lioka 11:13) Miaro ny fifandraisantsika aminy koa izy, raha miezaka ny tsy hivadika isika.—Ohab. 2:7.

4 Naniraka an’i Jesosy Zanany tetỳ an-tany i Jehovah, mba hampianarana antsika tsy hivadika. Nankatò an’Andriamanitra foana izy, ary “tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany.” (Fil. 2:8) Nankatò ny Rainy foana i Jesosy, na dia mafy taminy aza izany indraindray. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Tokony hanontany tena àry isika tsirairay hoe: ‘Tia mankatò toa an’i Jesosy ve aho?’ Ho lasa olona tsy mivadika isika, raha mankatò an’Andriamanitra hatrany noho ny fitiavana azy. Tokony hankatò foana isika, amin’ny lafin-javatra samihafa eo amin’ny fiainana. Andeha isika handinika sasany amin’izany.

5, 6. a) Ahoana no nanantitranteran’i Davida fa zava-dehibe ny tsy fivadihana, na dia tsy misy olona mahita aza isika? b) Inona no mety hitarika ny Kristianina hivadika amin’i Jehovah rehefa irery izy?

5 Mila mankatò an’i Jehovah isika, na dia tsy misy olona mahita antsika aza. Nanantitrantitra izany i Davida. (Vakio ny Salamo 101:2.) Matetika i Davida no niaraka tamin’ny olona, noho izy mpanjaka. Imbetsaka izy no niaraka tamin’olona an-jatony, na an’arivony mihitsy. (Ampitahao amin’ny Salamo 26:12.) Zava-dehibe ny anehoana tsy fivadihana amin’ny fotoana toy ireny, satria tokony ho modely ho an’ny vahoaka ny mpanjaka. (Deot. 17:18, 19) Fantatr’i Davida anefa fa tokony tsy hivadika amin’Andriamanitra koa izy, na dia irery ‘ao an-tranony’ aza. Ary ahoana ny amintsika?

6 Hoy i Davida ao amin’ny Salamo 101:3: “Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.” Mety hahita zava-poana isika ankehitriny, indrindra rehefa irery. Maro no sendra an’izany rehefa mampiasa Internet. Mora alaim-panahy hijery sary manaitra ny filan’ny nofo sy sary vetaveta isika. Mankatò an’Andriamanitra ve anefa isika raha mijery izany? Izy mantsy no nampanoratra an’i Davida an’ireo teny ao amin’ny Salamo ireo. Misy vokany ratsy ny sary vetaveta, satria mahatonga ny olona iray hanana fanirian-dratsy tsy voafehy. Manimba ny feon’ny fieritreretana sy ny tokantrano koa izy io, ary tsy mampisy hasina an’ireo manao azy sy mijery azy.—Ohab. 4:23; 2 Kor. 7:1; 1 Tes. 4:3-5.

7. Inona no toro lalana manampy antsika tsy hivadika rehefa irery isika?

7 Tsy irery na oviana na oviana ny mpanompon’i Jehovah. Manara-maso antsika amim-pitiavana mantsy ilay Raintsika. (Vakio ny Salamo 11:4.) Tena faly i Jehovah, rehefa mahita anao manohitra fakam-panahy! Manaraka ilay fampitandremana tian’i Jesosy hampitaina ao amin’ny Matio 5:28 ianao, rehefa manao izany. Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny tsy hijery sary izay mety hitarika anao hanota. Aza afoy amin’ny fijerena sary vetaveta ny tsy fivadihanao!

8, 9. a) Inona no toe-javatra nety ho nitarika an’i Daniela sy ireo namany hivadika? b) Ahoana no azon’ny tanora atao mba hampifaliana an’i Jehovah sy ny Kristianina hafa?

8 Tsy mivadika koa isika, raha mankatò an’i Jehovah, rehefa miaraka amin’ireo olona tsy manompo azy. Eritrereto ny amin’i Daniela sy ireo namany telo lahy. Nalefa babo tany Babylona izy ireo, fony mbola tanora. Olona tsy nahalala firy na tsy nahalala mihitsy an’i Jehovah no niara-nonina taminy. Noterena hihinana hanim-py, izay tsy navelan’Andriamanitra hohanina, izy efa-dahy. Nety ho nahita antony maro tsy hankatoavana ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. Tsy hahita ny zavatra ataony rahateo ny ray aman-dreniny sy ny mpisorona ary ny olon-dehibe israelita hafa. Iza anefa no hahita izany? Jehovah. Tsy nivadika àry izy ireo, fa nankatò foana na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany.—Dan. 1:3-9.

9 Tsy mivadika toy izany koa ny tanora Vavolombelona maro ankehitriny. Manaraka ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo, ka tsy manaiky hotaomin’ny hafa hanao ratsy. Mankatò an’i Jehovah ianareo tanora, rehefa tsy manaiky hidoroka zava-mahadomelina, na hampiasa herisetra, na hiteny ratsy, na hijangajanga, na hanao zava-dratsy hafa. Asehonareo amin’izany fa tsy mivadika amin’i Jehovah ianareo. Mahasoa anareo izany sady mampifaly an’i Jehovah sy ny Kristianina hafa!—Sal. 110:3.

10. a) Inona no fiheveran-diso ananan’ny tanora sasany momba ny fijangajangana, ka mahatonga azy ireo hivadika amin’i Jehovah? b) Ahoana no ampisehoantsika fa olona tsy mivadika isika?

10 Tokony hankatò ny lalàn’i Jehovah koa ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mifandray. Fantatsika fa mandrara ny fijangajangana ny Baiboly. Mety hanjary hilefitra amin-javatra ratsy anefa ny olona iray efa mpankatò. Misy, ohatra, tanora manao firaisana amin’ny vava, na amin’ny lava-pitombenana, na mitsapatsapa ny filahiana na fivavian’ny namany mba hahazoana fahafinaretana. Tsy ratsy, hono, izany satria tsy toy ny firaisana mahazatra. Hadinon’ireny tanora ireny, na tsy raharahainy, fa mahafaoka an’ireo fanao rehetra ireo ilay teny hoe fijangajangana ao amin’ny Baiboly, ary mety hahavoaroaka ny fanaovana izany.a Tsy eritreretiny akory aza fa zava-dehibe ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra. Miezaka ny tsy hivadika isika, ka tsy tokony hitady fialan-tsiny mba hanaovan-dratsy. Tsy tokony hinia hanao zavatra tsy mety isika noho ny fiheverana fa tsy mahavoasazy ilay izy. Tsy ny tahotra sazy avy amin’ny fiangonana ihany no tokony hisakana antsika tsy hanao ratsy. Tokony hanao izay hahafaly an’i Jehovah isika, fa tsy hanao zavatra mampalahelo azy. Hanalavitra ny fanaovan-dratsy isika, na dia ireo tsy raran’ny lalàn’Andriamanitra mivantana aza. ‘Handositra ny fijangajangana’ isika. (1 Kor. 6:18) Hasehontsika amin’izany, fa olona tena tsy mivadika isika.

Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?

11. Nahoana no tena ilaina ny mankatò foana? Hazavao amin’ny ohatra.

11 Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, raha mankatò azy foana. Mety tsy hisy dikany loatra ny fankatoavana indray mandeha monja. Rehefa mankatò foana anefa isika, dia hanjary hiharihary hoe olona tsy mivadika. Indro misy ohatra: Mety tsy hisy dikany ny biriky iray. Rehefa arafitra tsara anefa ny biriky maromaro, dia mahavita trano tsara tarehy. Raha mankatò foana koa isika, dia tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy.—Lioka 16:10.

12. Inona no mampiseho fa ohatra tsara tamin’ny tsy fivadihana i Davida, na dia niaritra fampahoriana sy tsy rariny aza?

12 Vao mainka hiharihary hoe tsy mivadika isika, raha miaritra zava-tsarotra, na fampahoriana, na tsy rariny. Diniho izay nitranga tamin’i Davida. Nenjehin’i Saoly Mpanjaka izy, tamin’izy mbola tovolahy. I Saoly no tokony ho solon-tenan’i Jehovah tamin’izany. Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony anefa izy, fa i Davida indray no nankasitrahany. Velom-pialonana àry i Saoly. Mbola mpanjaka foana anefa izy nandritra ny fotoana kelikely, ary ny tafik’Israely no nentiny nanenjika an’i Davida. Navelan’i Jehovah hitohy nandritra ny taona vitsivitsy izany tsy rariny izany. Tezitra tamin’Andriamanitra ve i Davida? Nihevitra ve izy fa tsy nisy antony tokony hiaretana? Tsia. Tena nanaja an’i Saoly, izay voahosotr’Andriamanitra, izy, ka tsy nety nanisy ratsy azy na dia afaka nanao izany aza.—1 Sam. 24:2-7.

13. Inona no hanampy antsika tsy hivadika, rehefa misy olona manao zavatra mampalahelo antsika?

13 Tena ohatra tsara ho antsika i Davida! Olona tsy lavorary no miara-manompo amintsika eo anivon’ny fiangonana, ary mety hanisy ratsy antsika ny iray aminy, na mety hivadika amin’Andriamanitra mihitsy. Mandray fitahiana isika ankehitriny, satria tsy atahorana hivadika ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany. (Isaia 54:17) Ahoana anefa no hataontsika, raha misy mpiara-manompo mandiso fanantenana na manao zavatra mampalahelo antsika? Mety hanjary hivadika amin’i Jehovah isika, raha mitahiry lolompo. Tsy tokony ho tezitra amin’Andriamanitra anefa isika, na hivadika aminy, satria hoe nanisy ratsy antsika ny olona iray. (Sal. 119:165) Tsy hivadika isika raha miaritra foana, na dia rehefa misy fitsapana aza.

14. Inona no ataon’ny olona tsy mivadika, rehefa misy ovana ny fomba fiasan’ny fandaminana, na ahitsy ny fampianarantsika?

14 Tsy tokony ho zatra manakiana koa isika, raha tsy te hivadika amin’i Jehovah. Miharihary noho ny hatramin’izay ny fitahian’i Jehovah ny vahoakany. Tena misandratra ny fivavahana marina ankehitriny. (Isaia 2:2-4) Raha nahitsy ny fanazavana ny andinin-teny sasany, na ny fomba fiasa eo anivon’ny fandaminana, dia tokony hanaiky izany isika. Faly isika satria miharihary fa mbola mihamamiratra hatrany ny hazavana ara-panahy. (Ohab. 4:18) Raha sarotra amintsika ny mahatakatra an’ilay fanovana, dia mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Tokony hankatò foana anefa isika ka tsy hivadika, na elaela aza ilay izy vao mazava amintsika.

Ahoana raha nivadika tamin’i Jehovah ny olona iray?

15. Miankina amin’iza no hahatonga ny olona iray hivadika na tsia?

15 Mampieritreritra izany fanontaniana izany. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa tena ilaina ny tsy fivadihana. Hifandray tsara amin’i Jehovah isika amin’izay ary hanana fanantenana. Izao anefa no tadidio: Ianao ihany no afaka manapa-kevitra na hivadika na tsia. Tsy misy olona afaka manao izany eo amin’ny toeranao. Takatr’i Joba tsara izany, ka hoy izy: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.” (Joba 27:5) Raha mandray fanapahan-kevitra toy izany ianao, sady mifandray akaiky amin’i Jehovah foana, dia tsy hivadika mihitsy.—Jak. 4:8.

16, 17. a) Inona no tsy tokony hataon’ny olona iray, raha nanao fahotana lehibe izy? b) Inona kosa no tokony hataony?

16 Misy ihany anefa ireo mivadika amin’i Jehovah. Zatra nanao fahotana lehibe ny Kristianina sasany, na dia tamin’ny andron’ny apostoly aza. Raha nanao toa azy ireo ianao, inona no vahaolana? Andeha aloha hojerentsika izay tsy tokony hataonao. Matetika ny olona no manafina ny zavatra tsy mety ataony, amin’ny ray aman-dreniny, na mpiara-manompo, na anti-panahy. Izao anefa no lazain’ny Baiboly: “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.” (Ohab. 28:13) Diso hevitra ireo mitady hanafina ny fahotany, satria tsy misy zavatra azo afenina amin’Andriamanitra. (Vakio ny Hebreo 4:13.) Misy mihitsy aza miseho ho manompo an’i Jehovah, nefa manao zava-dratsy any ambadika. Mivadika amin’i Jehovah ny olona toy izany. Tsy mankasitraka ny fanompoana ataon’ny olona manafina ny fahotany i Jehovah. Mahatezitra azy ny olona mihatsaravelatsihy.—Ohab. 21:27; Isaia 1:11-16.

17 Milaza ny Baiboly fa tokony hitady fanampiana any amin’ny anti-panahy kristianina ny olona iray, raha nanao fahotana lehibe. Efa nanao fandaharana i Jehovah mba hanampiana an’ireo marary ara-panahy. (Vakio ny Jakoba 5:14.) Aza avela hisakana anao tsy hitady fanampiana ny tahotra ny hahazo sazy na fanitsiana. Raha marary mafy ny olona iray, tsy hanaiky hotsaboina ve izy, satria hoe matahotra tsindrona na fandidiana? Azo antoka fa hitsabo tena izy, satria mihelina ihany ilay fanaintainana.—Heb. 12:11.

18, 19. a) Nahoana ny tantaran’i Davida no manaporofo fa mety ho tafarina ihany ny olona nivadika? b) Inona no fanapahan-kevitrao?

18 Mety mbola ho tafarina ihany ve ny olona nivadika? Diniho indray ny tantaran’i Davida. Nanao fahotana lehibe izy. Nitsiriritra ny vadin’ny lehilahy iray izy, nijangajanga tamin’ilay vehivavy, ary nampamono an’ilay lehilahy. Tsy hisy hieritreritra mihitsy tamin’izay hoe olona tsy mivadika i Davida. Tsy nisy vahaolana intsony ve? Nila nofaizina mafy i Davida, ary nosazin’i Jehovah tokoa izy. Namindra fo taminy anefa i Jehovah, tatỳ aoriana, satria tena nibebaka izy. Nandray lesona avy tamin’ilay famaizana i Davida. Nankatò an’Andriamanitra foana izy tatỳ aoriana, ka lasa olona tsy mivadika indray. Hita tamin’ny fiainan’i Davida fa marina ny voalazan’ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Inona no vokany rehefa nanaiky famaizana i Davida? Diniho izay nolazain’i Jehovah momba an’i Davida, rehefa niresaka tamin’i Solomona izy. (Vakio ny 1 Mpanjaka 9:4.) Olona tsy mivadika no ahatsiarovan’Andriamanitra an’i Davida. Raha tena mibebaka ny olona iray, dia azon’i Jehovah atao ny manadio ny fahotany, na dia lehibe aza izany.—Isaia 1:18.

19 Ho lasa olona tsy mivadika ianao, raha mankatò an’Andriamanitra noho ny fitiavana. Aza mivadika mihitsy fa miareta fitsapana. Ary raha sanatria ka nanao fahotana lehibe ianao, dia mibebaha. Toetra tena tsara tokoa ny tsy fivadihana! Enga anie isika rehetra ka ho tapa-kevitra toa an’i Davida, izay nilaza hoe: “Fa izaho kosa tsy mba hivadika.”—Sal. 26:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2004, pejy 13, fehintsoratra 15.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no hahatonga anao ho olona tsy mivadika?

• Inona no hanampy anao tsy hivadika mihitsy?

• Inona no azon’ny olona iray atao, raha nivadika tamin’i Jehovah izy?

[Efajoro, pejy 8]

‘TENA MENDRI-PIDERANA IZAO’

Vehivavy iray bevohoka dimy volana no nilaza an’ireo teny ireo, satria nisy olon-tsy fantatra nanao ny marina sy tsara fanahy taminy. Hadinony tao amin’ny toerana iray fialana hetaheta ny poketrany, ary efa ora maro tatỳ aoriana vao tsaroany. Nisy vola 2 000 dolara (Ar 3 250 000 teo ho eo) tao, nefa tsy mpitondra vola be toy izany izy. Hoy izy tatỳ aoriana, tamin’ny mpanao gazety: “Tena kivy be aho.” Hitan’ny tovovavy iray ilay poketra, ary nitady ny tompony avy hatrany izy. Tsy hitany anefa ny tompony, ka nankany amin’ny paositry ny polisy izy, ary izy ireo no nahita ny toerana nisy an’ilay vehivavy bevohoka. Hoy ilay vehivavy: “Tena mendri-piderana ny zavatra toy izao.” Nahoana io tovovavy io no nanao ezaka be toy izany mba hamerenana an’ilay vola? Voalaza tao amin’ny gazety fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka “io fivavahana nitaizana azy io no nampianatra azy hanao ny marina.”

[Sary, pejy 9]

Afaka ny tsy hivadika ny tanora rehefa iharam-pitsapana

[Sary, pejy 10]

Nivadika tamin’i Jehovah i Davida, nefa tafarina ihany tatỳ aoriana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara