22 Martsa 2008—Ilay Andro Tokony Hotsarovana
Nampandalovin’i Jesosy teo amin’ny apostoliny ny mofo tsy nisy lalivay sy ny divay mena, ny alina talohan’ny hahafatesany. Hoy koa izy tamin’izy ireo: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—Lioka 22:19.
Mifanitsy amin’ny asabotsy 22 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny fitsingerenan’io fotoan-dehibe io amin’ity taona ity. Hivory ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany amin’io alina io, mba hankalaza ny Fahatsiarovana, araka ny nandidian’i Jesosy azy. Asaina amim-pitiavana ianao mba hiaraka amin’izy ireo. Mba anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao ny ora marina sy ny toerana hanaovana io fivoriana manokana io.