FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w07 15/6 p. 12-14
  • Ilay Asa Goavana Nataon’i Ernst Glück

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Asa Goavana Nataon’i Ernst Glück
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Niomana handika teny
  • Niasa sy niandry nandritra ny taona maro
  • Ny asa nataony farany
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Olona An-tapitrisany Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ahoana no Iresahan’i Jehovah Amintsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Baiboly Mazava Tsara sy Manohina ny Fo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
w07 15/6 p. 12-14

Ilay Asa Goavana Nataon’i Ernst Glück

NANAO asa tena sarotra i Ernst Glück, 300 taona mahery lasa izay, ary vitsy ny lehilahy sahy nanao toy izany. Nanapa-kevitra izy fa handika ny Baiboly amin’ny fiteny mbola tsy hainy.

Teraka tao Wettin i Glück tamin’ny taona 1654 tany ho any. Tanàna kely tsy lavitra an’i Halle, any Alemaina, izy io. Pasitera loteranina ny rainy, ary mpivavaka be ny tao an-tranony, ka lasa tia fivavahana izy. Nahavita ny fianarany teolojia tany Alemaina izy, rehefa feno 21 taona, ary nifindra tany Letonia. Tsy dia nandia fianarana ny ankamaroan’ny mponina tany tamin’izany. Vitsy koa ny boky tamin’ny fiteny letonianina. Hoy i Glück: ‘Tsy nanana Baiboly ny fiangonana letonianina. Izany no lesoka voalohany tsikaritro tamin’izaho vao tonga. Nianiana tamin’Andriamanitra àry aho fa hianatra ny fiteny letonianina ary tsy maintsy mahafehy tsara azy io.’ Tapa-kevitra i Glück fa hamoaka Baiboly amin’io fiteny io ho an’ny mponin’i Letonia.

Niomana handika teny

Nantsoina hoe Livonia ilay toerana nipetrahan’i Glück tamin’izany, ary teo ambany fifehezan’i Soeda. I Johannes Fischer no nisolo tena ny mpanjakan’i Soeda tao. Te hampisondrotra ny fari-pahaizan’ny mponina izy, sady nitady hangoron-karena. Noresahin’i Glück taminy fa mikasa handika ny Baiboly amin’ny fiteny letonianina izy. Nanana fanontam-pirinty tao Riga renivohitra i Fischer. Ho afaka hampisondrotra ny fari-pahaizan’ny mponina izy, sady nanantena hahazo tombony betsaka, raha manao pirinty an’ilay Baiboly amin’ny fiteny letonianina. Nangataka alalana tamin’i Charles Faha-11, mpanjakan’i Soeda àry izy, mba hanaiky ny handikana an’ilay Baiboly. Nanaiky ny mpanjaka, ary namatsy vola an’ilay tetikasa. Tamin’ny 31 Aogositra 1681 izy no namoaka didy nanome alalana fa azo atomboka ilay asa fandikan-teny.

Efa teo am-piomanana i Glück tamin’izany. Alemà izy, ka afaka nampiasa ny Baiboly alemà nataon’i Martin Luther, rehefa handika ny Baiboly ho amin’ny teny letonianina. Te hamoaka dikan-teny faran’izay tsara anefa izy, ka nihevitra fa mila mandika avy amin’ny Baiboly tany am-boalohany, izany hoe avy amin’ny teny hebreo sy grika. Tsy nahay tsara an’ireo fiteny ireo izy, ka nankany Hambourg any Alemaina, mba hianatra an’izany. Nisy pretra letonianina atao hoe Jānis Reiters tany, ary azo inoana fa izy io no nanampy azy hianatra ny teny letonianina sy ny teny grika nanoratana ny Baiboly.

Niasa sy niandry nandritra ny taona maro

Nody tany Letonia i Glück ary lasa pasitera, rehefa tapitra ny fianarany an’ireo fiteny ireo, tamin’ny 1680. Nanomboka ny fandikan-teniny izy, tsy ela taorian’izay. Voatendry ho pasiteran’ilay fiangonana lehibe tao Alūksne izy tamin’ny 1683, ary tany izy no tena nandika an’ilay Baiboly.

Tsy nisy teny letonianina nilazana ny hevitra sy teny maro tao amin’ny Baiboly, tamin’izany andro izany. Nampiasa teny alemà vitsivitsy àry i Glück tao amin’ilay fandikan-teniny. Nanao araka izay fara heriny anefa izy, mba hamoahana tsara ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny teny letonianina. Miaiky ny manam-pahaizana fa faran’izay tsara ilay fandikan-teny nataony. Namorona teny sasany mihitsy aza i Glück, ary maro amin’ireny no mbola fampiasan’ny Letonianina hatramin’izao. Anisan’izany ny teny letonianina hilazana ny hoe “ohatra”, “fanasambe”, “goavam-be”, “mitsikilo”, ary “mijoro ho vavolombelona.”

Nanao tatitra tsy tapaka momba ny fandroson’ilay asa tamin’ny mpanjakan’i Soeda i Johannes Fischer. Hita tao amin’ny taratasy nalefany tany, fa nahavita nandika ny Testamenta Vaovao i Glück tamin’ny 1683. Tamin’ny 1689 kosa no vitany ny Baiboly manontolo. Valo taona monja no nanaovany an’ilay asa goavana.a Elaela vao navoaka ilay Baiboly letonianina. Tamin’ny 1694 mantsy vao neken’ny fanjakana ny hizarana azy io tamin’ny besinimaro. Tonga tamin’ny tanjona niriny ihany i Glück tamin’ny farany.

Mihevitra ny mpahay tantara sasany fa mety tsy ho i Glück irery no nandika an’ilay Baiboly. Azo antoka aloha fa nampiasa an’ilay Baiboly nadikan’i Luther izy. Efa voadika tamin’ny teny letonianina koa ny ampahany sasany tamin’ny Baiboly, ka azo inoana fa nisy teny sasany tao amin’izy ireny nampidiriny tao amin’ilay fandikan-teniny. Ampahany kely amin’ilay Baiboly nadikany fotsiny anefa ireny. Nisy mpandika teny hafa àry ve nanampy azy? Nisy olona iray tokoa nanampy an’i Glück tamin’izy nandika teny, ary nisy olon-kafa nanitsy ny tsipelin-teny sy nitsara ny asany. Toa tsy nandika teny anefa ireo olona ireo. Azo inoana àry fa i Glück irery no nandika teny.

Nanomboka nivoatra be ny soratra letonianina, noho ilay fandikan-teny nataon’i Glück. Nitondra vokany lehibe kokoa anefa izy io. Ela ny ela ka afaka namaky ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fiteniny ny mponin’i Letonia, sady afaka nandray ny fampianarana manome fiainana raketin’izy io. Tsy manadino ny soa nataon’i Ernst Glück ho azy izy ireo. Efa 300 taona mahery izao ny mponin’i Alūksne no mikarakara hazo oaka roa antsoina hoe Glika ozoli, na hazo oakan’i Glück. Namboly azy ireo i Glück mba ho fahatsiarovana an’ilay Baiboly letonianina. Misy tranombakoka kely ahitana Baiboly amin’ny dikan-teny samihafa ao Alūksne, ary hita ao koa ilay Baibolin’i Glück anisan’ny natao pirinty voalohany. Hita eo amin’ny sary fanevan’ny tanànan’i Alūksne ny sarin’io Baiboly io sy ny taona 1689, nahavitan’i Glück ny asany.

Ny asa nataony farany

Nanomboka nianatra teny rosianina i Glück, tsy ela taorian’ny niverenany tany Letonia. Nanoratra izy tamin’ny 1699 fa nanomboka nandika ny Baiboly tamin’io fiteny io. Nanoratra koa izy tamin’ny 1702, fa nanomboka nanao fanitsiana tao amin’ilay Baiboly letonianina. Tsy mora toy ny taloha intsony anefa ny toe-javatra, ka nananosarotra ny fandikana ny Baiboly. Nanjary nisy ady mantsy tany Letonia, taorian’ny taona maro nisian’ny fandriampahalemana. Nandresy an’i Soeda i Rosia tamin’ny 1702, ary nandray ny fahefana tao Alūksne. Noroahina nankany Rosia i Glück sy ny vady aman-janany.b Very tao anatin’izany fisafotofotoana izany ireo taratasy nanoratan’i Glück an’ilay Baiboly letonianina vaovao sy ilay Baiboly nadikany tamin’ny fiteny rosianina. Maty tany Moscou izy tamin’ny 1705.

Zava-tsarobidy be tokoa no very tamin’izay. Mbola mandray soa amin’ilay fandikan-teny voalohany nataon’i Glück anefa izay rehetra mamaky ny Baiboly letonianina ankehitriny.

Maro ny olona nandika ny Baiboly amin’ny fiteny fampiasan’ny sarambabem-bahoaka, ankoatra an’i Ernst Glück. Vokatry ny asa goavana nataon’izy ireo, dia saika misy amin’ny fiteny rehetra fampiasan’ny olona eran-tany ny Tenin’Andriamanitra, hany ka afaka mamaky azy io sy mahafantatra ny fahamarinana sarobidy raketiny izy ireo. Tsy mitsahatra mampahafantatra ny momba azy amin’ny olona hatraiza hatraiza tokoa i Jehovah, amin’ny alalan’ny Baiboly izay misy amin’ny fiteny 2 000 mahery.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manam-pahaizana 47 kosa anefa no niasa mafy nandritra ny fito taona, vao nahavita ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy), tamin’ny 1611.

b Mbola velona ilay zanany vavy natsangany taorian’izay. Nanambady an’i Pierre Lehibe, mpanjakan’i Rosia izy io. Lasa mpanjakavavin’i Rosia izy io ary nantsoina hoe Catherine I, rehefa maty i Pierre tamin’ny 1725.

[Sary, pejy 13]

Ilay Baiboly nadikan’i Glück

[Sary, pejy 14]

Mampianatra Baiboly ao amin’ilay tanàna nandikan’i Glück azy io ny Vavolombelon’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara