FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w06 15/10 p. 8-11
  • Karazana Harena Hafa any Guinée

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Karazana Harena Hafa any Guinée
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Lohatenikely
  • Karazana harena hafa
  • Hafarana ireo karazana harena hafa
  • Manao fiovana ireo “irin’ny firenena”
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
w06 15/10 p. 8-11

Karazana Harena Hafa any Guinée

NANAO vivery ny ainy ireo mpikaroka tany vaovao, nandritra ny taona maro, mba hitadiavana harena. Nafana fo ny sasany ary tonga hatrany Guinée, atsy Afrika Andrefana. Nahita harena tokoa izy ireo tany. Be diamondra sy volamena, vy ary karazana baoksita tena tsara (fangalana alminiôma) mantsy any. Ahitana karazana harena hafa koa anefa any amin’io tany misy mponina sivy tapitrisa mahery io.

Inona izany? Ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky, antsoin’ny Hagay 2:7 hoe: “Izay irin’ny firenena rehetra.” Maro no mihevitra azy ireo ho sarobidy. Zava-dehibe amin’ny olona any mantsy ny fivavahana, na dia vitsy aza ny olona mitonona ho Kristianina.

Karazana harena hafa

Ilaina ny ezaka mafy rehefa mihady lalina mba hahazoana harena any ambanin’ny tany. Toy izany koa fa mila miezaka mafy ny Kristianina rehefa manompo, mba hahazoana karazana harena hafa. Tany afovoan-tany no nisy nitory momba ilay Fanjakana voalohany tany Guinée, taoriana kelin’ny 1950. Tsy tonga tany Conakry renivohitra izany raha tsy taoriana kelin’ny 1960. Misy Vavolombelon’i Jehovah 900 eo ho eo, ary fiangonana sy antoko-mpitory 21, izao any Guinée.

Tamin’ny 1987 no tonga tany ny misionera, ary niara-niasa tamin’ilay fiangonana iray tao Conakry. Maherin’ny 20 izao ny misionera any, ary ao an-drenivohitra sy any afovoan-tany no misy azy ireo. Be zotom-po izy ireo, ka mampahery ireo fiangonana sy miara-manompo amin’ny Vavolombelona eo an-toerana.

Diniho ny ohatr’i Luc, mipetraka any Conakry. Nahafaly azy ny nampianatra Baiboly an’i Albert, dokotera tanora. Nitady ny fahamarinana i Albert ka nitety fiangonana maro, sady nifandray tamin’ny fanahy ratsy. Nanao peratra avy tany amin’ny mpanao fanafody izy, ary nomen’izy io toky fa hanatsara ny vintany ilay peratra. Diso fanantenana imbetsaka anefa i Albert rehefa nikaroka ny fivavahana marina. Nariany ilay peratra ary nivavaka izy hoe: “Andriamanitra ô! Raha misy ianao, dia ataovy izay hahafantarako sy hanompoako anao. Raha tsy izany dia hanao izay tiako fotsiny aho.” Namangy ny anabaviny izy taoriana kelin’izay, ary reny ny zanak’anabaviny niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia nifanao fotoana tamin’i Luc i Albert, mba hianatra Baiboly.

Nahafaly an’i Luc ny nandeha an-tongotra dimy kilaometatra mahery isan-kerinandro, mba hampianarana Baiboly an’i Albert. Tsy dia nahita fianarana firy i Luc, fa nahavita fianarana tany amin’ny oniversite kosa i Albert. Tena nampiaiky volana an’i Albert anefa ny finoana matanjaka nananan’i Luc, sy ny fahaizany mampihatra ny fahalalany ny Soratra Masina. Faly be mihitsy i Albert rehefa nahafantatra, fa tsy i Jehovah no mahatonga ny olona hijaly. Mikasa hamarana ny fijaliana rehetra manjo ny olona kosa aza Andriamanitra, sady hanao ny tany ho paradisa. (Salamo 37:9-11) Nanohina ny fon’i Albert ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, sy ny fitondran-tena tsaran’ireo Vavolombelona teo anivon’ny fiangonana.

Tsy maintsy tefena tsara anefa ny diamondra avy notrandrahana raha tiana hamirapiratra tsara. Toy izany koa fa nila nanaisotra ireo toetra ratsiny i Albert, mba hanarahana ny fitsipika marin’Andriamanitra. Tsy nankany amin’ilay mpanao fanafody sy tsy niloka intsony izy, ary tsy mamo intsony koa. Mafy taminy kokoa ny niala tamin’ny sigara, nefa vitany izany rehefa nitalaho mafy ny fanampian’i Jehovah izy. Enim-bolana tatỳ aoriana, dia nisoratra ara-dalàna izy sy ilay vehivavy niaraka taminy. Nanomboka nianatra Baiboly ilay vadiny, ary samy mpanompon’i Jehovah vita batisa izao izy roa.

Karazana diamondra hafa koa i Martin. Nanomboka nianatra Baiboly tany Guéckédou izy, tamin’izy 15 taona. Katolika ny ray aman-dreniny, ary tsy namela azy hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nosimban’izy ireo ny boky sy gazetin’i Martin, noveleziny izy, ary noroahiny hiala ny trano. Vao mainka anefa nampitombo ny fitiavan’i Martin ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny fanoherana, tsy misy hafa amin’ny karbonina izay lasa diamondra rehefa tena voatsindry mafy be. Nihanalefaka ny ray aman-dreniny rehefa nandeha ny fotoana, ka nody indray izy. Inona no nampiova azy ireo? Hitany fa samy hafa be ny fitondran-tenan’i Martin sy ny zandriny. Nihatsy laitra tenenina mantsy ireo zandrin’i Martin, sady naloto fitondran-tena. Niaiky ny rainy fa nitondra soa ho an’i Martin ilay finoany vaovao, ka noraisiny tsara tao an-trano ireo Vavolombelona. Misaotra an’ireo rahalahy imbetsaka koa ny reniny, noho izay rehetra nataon’izy ireo mba hanampiana an-janany. Natao batisa i Martin tamin’izy 18 taona, ary nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana izy tatỳ aoriana. Mpisava lalana manokana izy izao.

Hafarana ireo karazana harena hafa

Aondrana ny ankamaroan’ny harena voajanaharin’i Guinée. “Hafarana” kosa ireo karazana harena hafa. Maro ny olona avy any amin’ny tany afrikanina hafa mifindra monina any, noho ny olana ara-toe-karena, na noho ny ady mahatsiravina sy maharitra any amin’ny taniny.

Efa 12 taona izao, ohatra, no nahatongavan’i Ernestine tany Guinée. Avy any Cameroun izy. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nanatrika fivoriana nandritra ny taona maro izy, nefa mbola tsy vita batisa. Latsa-dranomaso izy rehefa nijery an’ireo natao batisa, tamin’ny fivoriamben’ny faritra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2003. Nanenjika be azy ny eritreriny, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Efa 51 taona aho izao, ary mbola tsy nisy zavatra tsara nataoko ho anao mihitsy. Te hanompo anao aho.” Nanao zavatra izy avy eo mba hanatratrarana ilay tanjona nolazainy tao amin’ny vavaka, dia ny hanompo an’Andriamanitra. Nohazavainy tamin’ilay lehilahy niara-nipetraka taminy, fa tsy afaka miaraka intsony izy ireo raha tsy misoratra ara-dalàna. Nanaiky ilay rangahy. Natao batisa i Ernestine tamin’ny Novambra 2004, ka ranomasom-pifaliana no nameno ny tavany.

An’arivony ny mpitsoa-ponenana avy any Liberia sy Sierra Leone nampiantranoin’i Guinée, tao anatin’ny folo taona mahery teo ho eo izay. Nisy mpanompon’i Jehovah an-jatony tamin’izy ireo. Nanao izay hisian’ny fivoriana tsy tapaka sy ny fitoriana ireo rahalahy, taoriana kelin’ny nahatongavany tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nanorina Efitrano Fanjakana koa izy ireo. Lasa mpanompon’i Jehovah ny olona sasany tao amin’ny toby, anisan’izany i Isaac. Afaka niverina tamin’ny asany taloha tao amin’ny orinasa lehibe iray tany Liberia izy, taorian’ny batisany. Naleony anefa nijanona tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tao Lainé, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy. Hoy izy: “Tsy mila miera amin’ny mpampiasa aho izao rehefa hanatrika fivoriana na fivoriambe. Afaka manompo tsara an’i Jehovah aho.” Vavolombelona 150 no ao amin’io toby misy mpitsoa-ponenana 30 000, lavitra ny tanàn-dehibe io. Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tao, tamin’ny Desambra 2003. Nahafinaritra fa 591 ny mpanatrika, 12 no natao batisa, ary 9 ny marenina nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny tenin’ny tanana. Nankasitrahan’ireo rahalahy tokoa ny ezaka natao mba hampisy an’iny fandaharana tena tsara avy amin’i Jehovah iny.

Manao fiovana ireo “irin’ny firenena”

Toa tsy misy na inona na inona mahasakana an’ireo mpikaroka volamena sy diamondra. Miezaka mandresy ny zavatra rehetra misakana azy tsy hanompo an’i Jehovah koa ireo vaovao, ary mahafaly ny mahita izany. Diniho ny tantaran’i Zainab.

Nataon’ny olona andevo i Zainab, tamin’izy 13 taona. Avy any amin’ny firenena hafa atsy Afrika Andrefana izy no nentina tany Guinée. Tamin’izy 20 taona no nandre voalohany ny hafatra ao amin’ny Baiboly, ary tsy andriny ny hampiharana izay nianarany.

Sarotra taminy ny nanatrika fivoriana kristianina. Tena tiany anefa izany ka tapa-kevitra ny handeha foana izy. (Hebreo 10:24, 25) Afeniny any ivelan’ny trano ny bokiny mba ho mora alaina rehefa handeha hivory izy. Novelezin’ny “tompony” imbetsaka izy, rehefa nanatrika fivoriana.

Niova ny zava-nisy, tatỳ aoriana, ka tsy andevo intsony i Zainab. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra avy hatrany izy, ka afaka nandroso haingana. Tsy nanaiky hanao asa iray be karama izy, satria tsy ho afaka hivory raha izany. Tiany foana mantsy ny hahazo fampianarana tsara avy ao amin’ny Soratra Masina. Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy, ary lasa mpitory. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ary natao batisa tao anaty rano. Nanao mpisava lalana mpanampy avy hatrany izy taorian’izay, ary nangataka hanao mpisava lalana maharitra, enim-bolana tatỳ aoriana.

Hoy ny olona liana iray, rehefa avy nanatrika fivoriana vitsivitsy: “Tsy tsapako mihitsy hoe mahantra aho rehefa atỳ am-pivoriana.” Ny harenan’i Guinée fotsiny no mahaliana ny olona maro. Mazoto mikaroka an’ilay karazana harena hafa kosa ireo tia an’i Jehovah. Manaraka ny fivavahana marina amin’i Jehovah tokoa ankehitriny ireo “irin’ny firenena rehetra”!

[Efajoro, pejy 8]

GUINÉE - 2005

Tampon’isan’ny Vavolombelona: 883

Fampianarana Baiboly: 1 710

Mpanatrika ny Fahatsiarovana: 3 255

[Sarintany, pejy 8]

(Jereo ny gazety)

GUINÉE

Conakry

SIERRA LEONE

LIBERIA

[Sary, pejy 9]

Albert sy Luc

[Sary, pejy 9]

Efitrano Fanjakana any Conakry

[Sary, pejy 10]

Ernestine

[Sary, pejy 10]

Martin

[Sary, pejy 10]

Zainab

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

USAID

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara