Sambatra na dia Enjehina Aza
“Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko.”—MATIO 5:11.
1. Inona no toky nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, mahakasika ny fahasambarana sy ny fanenjehana?
NAMPITANDRINA ny apostoliny i Jesosy, rehefa naniraka azy ireo hitory, fa hisy hanohitra izy ireo. Hoy izy: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.” (Matio 10:5-18, 22) Nanome toky ny apostoly sy ny olon-kafa anefa i Jesosy talohan’io, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, fa tsy voatery hampihena ny fahasambarana tsapan’izy ireo izany fanenjehana izany. Nampifandraisin’i Jesosy mihitsy aza ny fahasambarana sy ny fanenjehana ny Kristianina! Nahoana no sambatra ny olona enjehina?
Mijaly noho ny fahamarinana
2. Inona no fijaliana mahasambatra, araka ny tenin’i Jesosy sy ny apostoly Petera?
2 Izao no fahasambarana fahavalo nolazain’i Jesosy: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:10) Tsy tsara ny mijaly. Hoy ny apostoly Petera: “Fa inona moa no fahamendrehanareo raha manota ianareo ka mahazo tahamaina, ary miaritra an’izany? Fa raha manao ny tsara kosa ianareo ka mijaly noho izany, nefa miaritra, dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” Hoy koa izy avy eo: “Aoka anefa tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona. Fa raha misy mijaly, satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany.” (1 Petera 2:20; 4:15, 16) Mahasambatra ny mijaly, araka ny tenin’i Jesosy, raha ny fanarahana ny fahamarinana no mahatonga izany.
3. a) Inona no dikan’ny hoe enjehina noho ny fahamarinana? b) Inona no vokatry ny fanenjehana teo amin’ny Kristianina voalohany?
3 Manaraka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny didiny ny olona manao ny marina. Ny hoe mijaly noho ny fahamarinana àry, dia midika hoe mijaly satria manohitra ny fanerena handika ny fitsipik’Andriamanitra. Nenjehin’ny mpitondra fivavahana jiosy ny apostoly, satria tsy nanaiky ny tsy hitory amin’ny anaran’i Jesosy intsony. (Asan’ny Apostoly 4:18-20; 5:27-29, 40) Nampihena ny fifalian’izy ireo, na nampijanona ny fitoriany ve izany? Tsy izany mihitsy! “Niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarany izany. Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.” (Asan’ny Apostoly 5:41, 42) Nahafaly azy ireo ilay fanenjehana, sady vao mainka nampahazoto azy hitory. Nenjehin’ny Romanina koa ny Kristianina voalohany, taorian’izay, satria tsy nety nivavaka tamin’ny emperora.
4. Inona no anisan’ny antony anenjehana ny Kristianina?
4 Enjehina ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, satria tsy mety mitsahatra mitory “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.” (Matio 24:14) Rarana ny fivoriany, nefa aleon’izy ireo mijaly, toy izay tsy hanaraka ny didin’ny Baiboly mba hiara-mivory. (Hebreo 10:24, 25) Enjehina izy ireo satria tsy mety mitsabaka amin’ny raharahan’izao tontolo izao, na mampiasa ra amin’ny fomba ratsy. (Jaona 17:14; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Mahatsapa fiadanana sy fahasambarana lehibe anefa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, noho izy ireo mijoro amin’ny fahamarinana.—1 Petera 3:14.
Alam-baraka noho ny amin’i Kristy
5. Inona no antony lehibe anenjehana ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny?
5 Miresaka momba ny fanenjehana koa ilay fahasambarana fahasivy noresahin’i Jesosy tao amin’ilay toriteniny. Hoy izy: “Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko.” (Matio 5:11) Ny antony lehibe anenjehana ny vahoakan’i Jehovah, dia noho izy ireo tsy anisan’ity tontolo ratsy ity. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Hoy koa ny apostoly Petera: “Koa satria tsy miara-mihazakazaka aminy intsony ho amin’izany honahonan’ny filibana izany ianareo, dia very hevitra izy ka manevateva anareo tsy misy farany.”—1 Petera 4:4.
6. a) Nahoana no alam-baraka sy enjehina ny sisa sy ireo namany? b) Mampihena ny fahasambarantsika ve izany?
6 Efa hitantsika fa nenjehina ny Kristianina voalohany, satria tsy nety nitsahatra nitory tamin’ny anaran’i Jesosy. Naniraka ny mpianany toy izao i Kristy: “Ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Nazoto nanatanteraka izany ny sisa mahatoky amin’ny rahalahin’i Kristy, ampian’ny “vahoaka be”, namany tsy mivadika. (Apokalypsy 7:9) Noho izany, dia iadian’i Satana “ireo zanany sisa [zanak’ilay “vehivavy”, na ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra], izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.” (Apokalypsy 12:9, 17) Efa mpanjakan’ilay Fanjakana izy izao, ary handringana ny fitondran’olombelona, mba hahatongavan’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra. (Daniela 2:44; 2 Petera 3:13) Mitory momba izany isika Vavolombelon’i Jehovah, ka alam-baraka sy enjehina. Mahatsiaro ho sambatra anefa isika, satria mijaly noho ny anaran’i Kristy.—1 Petera 4:14.
7, 8. Inona avy no lainga nolazain’ny mpanohitra mahakasika ny Kristianina voalohany?
7 Nilaza i Jesosy fa tokony hahatsiaro ho sambatra ny mpianany, na dia ‘amoronan’ny olona lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao’ aza, noho ny aminy. (Matio 5:11) Izany no nitranga tamin’ny Kristianina voalohany. Nogadraina tany Roma ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 59-61. Nilaza toy izao momba ny Kristianina àry ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’izany: “Raha ny amin’io sekta io, dia tena fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza izy io.” (Asan’ny Apostoly 28:22) Nampangaina ho “manakorontana ny tany onenana” sy “manohitra ny didin’i Kaisara i Paoly sy Silasy.”—Asan’ny Apostoly 17:6, 7.
8 Izao no nolazain’i K. Latourette, mpahay tantara, momba ny Kristianina tamin’ny andron’ny Fanjakana Romanina: “Niovaova ny fiampangana. Nolazaina ho tsy mino an’Andriamanitra ny Kristianina, satria tsy nety nankalaza fetin’ny mpanompo sampy. Tsy nanao ny fanaon’ny fiaraha-monina (fetin’ny mpanompo sampy, fialam-bolin’ny vahoaka...) tamin’ny ankapobeny izy ireo, ka nolazaina fa mpankahala olona. ... Nolazaina fa niara-nivory tamin’ny alina ny lehilahy sy vehivavy ... ka nanaram-po tamin’ny firaisana avy eo. ... Ny mpino ihany no nanatrika [ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy], ka nisy tsaho niely hoe nanao sorona ankizy foana izy ireo, ary nihinana ny nofo sy nisotro ny ran’izy ireny.” Tsy nety nivavaka tamin’ny emperora koa ny Kristianina voalohany, ka nolazaina fa fahavalon’ny Fitondrana.
9. Ahoana no nataon’ny Kristianina voalohany, rehefa nendrikendrehina izy ireo, ary inona no zava-misy ankehitriny?
9 Tsy nanakana ny Kristianina voalohany tsy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izany fanendrikendrehana izany. Afaka nitory ny “vaovao tsara” i Paoly tamin’ny taona 60-61, ary ‘nahavokatra sy nitombo eran’izao tontolo izao’ izy io, sady “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra.” (Kolosianina 1:5, 6, 23) Mitranga koa izany ankehitriny. Endrikendrehina toy ny Kristianina voalohany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandroso be anefa ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana ankehitriny, ary tena sambatra ireo mandray anjara amin’izany.
Faly satria enjehina toy ireo mpaminany
10, 11. a) Ahoana no namaranan’i Jesosy ny fanazavany momba ny zavatra fahasivy mahasambatra? b) Nahoana no nenjehina ireo mpaminany? Manomeza ohatra.
10 Izao no namaranan’i Jesosy ny fanazavany momba ny zavatra fahasivy mahasambatra: “Mifalia ... fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.” (Matio 5:12) Tsy noraisina tsara sy nenjehina matetika, ireo mpaminany nalefan’i Jehovah teo amin’ny Israely tsy nahatoky. (Jeremia 7:25, 26) Nanamarina izany ny apostoly Paoly, ka nilaza hoe: “Inona koa no holazaiko? Fa tsy ho ampy ny fotoanako hitantarana ... ny mpaminany hafa, izay nanam-pinoana ka ... nesoina sy nokaravasina rehefa niharam-pitsapana, ary tsy izany ihany fa nofatorana sy natao am-ponja koa.”—Hebreo 11:32-38.
11 Maro ny mpaminanin’i Jehovah novonoina tamin’ny sabatra, tamin’ny andron’i Ahaba, mpanjaka ratsy fanahy, sy Jezebela vadiny. (1 Mpanjaka 18:4, 13; 19:10) Nogadraina tamin’ny boloky hazo i Jeremia mpaminany, ary nalefa tao anaty lavadrano feno fotaka avy eo. (Jeremia 20:1, 2; 38:6) Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela mpaminany. (Daniela 6:17, 18) Nenjehina ireny mpaminany rehetra talohan’ny andro kristianina ireny, satria niaro ny fivavahana madio tamin’i Jehovah. Maro ny mpaminany nenjehin’ny mpitondra fivavahana jiosy. Nantsoin’i Jesosy hoe “zanak’ireo namono ny mpaminany” ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo.—Matio 23:31.
12. Nahoana no raisintsika Vavolombelon’i Jehovah ho tombontsoa ny enjehina toy ny mpaminany fahiny?
12 Enjehina matetika isika Vavolombelon’i Jehovah, satria mazoto mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ampangain’ny fahavalo ho “manery ny olona hiova finoana” isika. Fantatsika anefa fa nampangaina toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah nahatoky fahiny. (Jeremia 11:21; 20:8, 11) Raisintsika ho tombontsoa ny mijaly, noho ny antony mitovy amin’ny an’ireo mpaminany nahatoky fahiny. Hoy i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahy, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, no halainareo ho modely amin’ny fiaretana fahoriana sy ny faharetana. Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra.”—Jakoba 5:10, 11.
Antony lehibe mahasambatra
13. a) Nahoana isika no tsy kivy noho ny fanenjehana? b) Inona no manampy antsika tsy hivadika, ary manaporofo inona izany?
13 Tsy kivy noho ny fanenjehana isika, fa vao mainka aza mahery rehefa mieritreritra hoe manara-dia an’ireo mpaminany sy ny Kristianina voalohany, ary Kristy Jesosy mihitsy. (1 Petera 2:21) Tena mahafaly antsika ny teny ao amin’ny Soratra Masina, toy ireto tenin’ny apostoly Petera ireto: “Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany. Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy, satria mitoetra aminareo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.” (1 Petera 4:12, 14) Efa hitantsika fa tsy ho vitantsika ny tsy hivadika eo anatrehan’ny fanenjehana, raha tsy eo amintsika sy manatanjaka antsika ny fanahin’i Jehovah. Porofon’ny fitahian’i Jehovah antsika ny fanohanan’ny fanahy masina, ary tena mahasambatra antsika izany.—Salamo 5:12; Filipianina 1:27-29.
14. Inona avy no antony mahafaly antsika, rehefa enjehina noho ny fahamarinana isika?
14 Mahasambatra antsika koa ny fanoherana sy fanenjehana, satria manaporofo izany fa tena Kristianina isika, sady mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Henjehina koa izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Tena sambatra isika, rehefa mieritreritra fa vao mainka mamaly ny fiampangan’i Satana, ny tsy fivadihantsika ao anaty fitsapana. Nilaza mantsy izy fa fitiavan-tena no antony anompoan’ny zavaboary rehetra an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:3, 4) Faly isika, satria mandray anjara, na dia kely ihany aza, amin’ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra.—Ohabolana 27:11.
Miravoravoa fatratra noho ilay valisoa
15, 16. a) Inona no antony nolazain’i Jesosy fa tokony ‘hifaliantsika sy hiravoravoantsika fatratra’? b) Inona no valisoa any an-danitra ho an’ny Kristianina voahosotra, ary inona kosa no valisoan’ny “ondry hafa”?
15 Nanome antony hafa mahafaly i Jesosy, rehefa haratsina sy enjehina toy ny mpaminany fahiny isika. Hoy izy, tamin’ny faran’ilay zavatra fahasivy mahasambatra: “Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra.” (Matio 5:12) Hoy ny apostoly Paoly: “Fahafatesana no karama omen’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Fiainana tokoa no ‘fanomezana lehibe’, nefa tsy toy ny karama tokony homena antsika izany, fa fanomezana maimaim-poana kosa. Nolazain’i Jesosy fa “any an-danitra” ilay valisoa, noho izy io avy amin’i Jehovah.
16 Mahazo “satroboninahitry ny fiainana” ny voahosotra, izany hoe hiaraka amin’i Kristy any an-danitra, sady tsy ho faty mihitsy. (Jakoba 1:12, 17) Manantena hahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany kosa ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16; Apokalypsy 21:3-5) Tsy toy ny karama tsy maintsy omena ilay “valisoa”, na ny ho any an-danitra na ny ho eto an-tany. Noho ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” asehon’i Jehovah kosa no ahazoan’ny voahosotra sy ny “ondry hafa” ny valisoany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hiteny hoe: “Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana tsy hay lazaina!”—2 Korintianina 9:14, 15.
17. Nahoana no afaka ny ho sambatra isika rehefa enjehina, ka ‘hiravoravo fatratra’?
17 Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina ny apostoly Paoly, rehefa nadiva henjehin’ny Emperora Néron tamin-kabibiana ny sasany taminy: “Aoka koa isika hifaly ao anatin’ny fahoriana, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga fiaretana, ny fiaretana indray mahatonga fankasitrahan’Andriamanitra, ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga fanantenana, ary ny fanantenana tsy mba mitondra fahadisoam-panantenana.” Hoy koa izy: “Mifalia amin’ny fanantenana. Miareta fahoriana.” (Romanina 5:3-5; 12:12) Na manantena ho any an-danitra isika na ho eto an-tany, dia lehibe lavitra noho izay zavatra tokony ho azontsika ny valisoantsika, rehefa tsy mivadika isika na dia enjehina aza. Tsy omby tratra ny hafaliantsika noho ilay fanantenana hiaina mandrakizay, mba hanompo sy hidera an’i Jehovah, Raintsika be fitiavana, eo ambany fitondran’i Jesosy Kristy mpanjakantsika. ‘Miravoravo fatratra’ tokoa isika.
18. Inona no ampoizina hataon’ireo firenena, arakaraka ny anatonan’ny farany, ary inona no hataon’i Jehovah?
18 Nenjehina na mbola enjehina ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany sasany. Nampitandrina ny Kristianina toy izao i Jesosy, tao amin’ny faminaniana momba ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9) Ataon’i Satana izay hankahalan’ny firenena ny vahoakan’Andriamanitra, arakaraka ny anatonan’ny farany. (Ezekiela 38:10-12, 14-16) Midika izany fa efa hanao zavatra i Jehovah. “Hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:23) Hanamasina ny anarany lehibe i Jehovah amin’izay, sady hampitsahatra ny fanenjehana ny vahoakany. Ho “sambatra izay olona miaritra hatrany.”—Jakoba 1:12.
19. Inona no tokony hataontsika eo am-piandrasana ilay “andron’i Jehovah”?
19 Aoka isika hifaly, rehefa mihamanatona hatrany ilay “andron’i Jehovah”, satria “natao mendrika ny ho afa-baraka” noho ny anaran’i Jesosy isika. (2 Petera 3:10-13; Asan’ny Apostoly 5:41) Aoka isika ‘tsy hitsahatra hampianatra sy hitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy’ sy ny Fanjakany, toy ny Kristianina voalohany, sady miandry ny valisoantsika ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 5:42; Jakoba 5:11.
Famerenana
• Inona no dikan’ny hoe mijaly noho ny fahamarinana?
• Inona no vokatry ny fanenjehana teo amin’ny Kristianina voalohany?
• Nahoana no azo lazaina fa enjehina toy ny mpaminany fahiny ny Vavolombelon’i Jehovah?
• Nahoana isika no afaka ‘mifaly sy miravoravo fatratra’ noho isika enjehina?
[Sary, pejy 16, 17]
“Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny”
[Sary nahazoan-dalana]
Mpitory any am-ponja: Chicago Herald-American