Nampianatra Anay ho Tia An’Andriamanitra ny Ray Aman-dreninay
NOTANTARAIN’I ELIZABETH TRACY
Nanery an’i Dada sy i Neny hivoaka ny fiara ireto lehilahy nitam-piadiana, izay efa nitarika andian-jiolahy hanafika anay, taloha kelin’izao. Navela irery teo amin’ny seza tao aoriana izaho sy ny rahavaviko, ka nanontany tena izahay raha mbola hifankahita indray tamin’ny ray aman-dreninay. Inona no nitarika ho amin’io zavatra niainana nahatahotra tamin’ny 1941, tany akaikin’i Selma, any Alabama, any Etazonia, io? Ary inona no nidiran’ny fampianarana azonay tamin’ny ray aman-dreninay tamin’izany?
NY RAIKO, i Dewey Fountain, dia notezain’ny havany, tany amin’ny toeram-pambolena iray tany Texas, taorian’ny nahafatesan’ny ray aman-dreniny, raha mbola vao zaza izy. Nandeha niasa tao amin’ny toerana fitrandrahana solitany izy, tatỳ aoriana. Nanambady an’i Winnie, tovovavy tsara tarehy avy any Texas, izy, fony izy 23 taona, tamin’ny 1922, ary nanomboka nanao fandaharana mialoha mba hilamindamina amin’izay sy hanam-pianakaviana.
Nanorina trano tao amin’ny faritra be hazo naniry, tsy lavitra an’ilay tanàna kely atao hoe Garrison, any atsinanan’i Texas, izy. Namboly zavatra isan-karazany tao izy, anisan’izany ny landihazo sy ny katsaka. Niompy biby isan-karazany koa izy. Tatỳ aoriana, dia teraka izahay ankizy: i Dewey zanany tamin’ny May 1924, i Edwena tamin’ny Desambra 1925, ary mba tonga koa aho tamin’ny Jona 1929.
Nandre ny fahamarinana ara-baiboly
Nihevitra ny tenany ho efa nahazo ny hevitry ny Baiboly i Dada sy i Neny, satria anisan’ny mpivavaka tao amin’ny Fiangonan’i Kristy izy ireo. Tamin’ny 1932 anefa, dia nametraka ny boky Délivrance sy Gouvernement, boky navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, tamin’i Monroe Fountain, rahalahin’i Dada, i G. W. Cook. Dodona i Monroe hizara tamin’ny ray aman-dreniko izay nianarany, hany ka tonga matetika tao aminay izy, nandritra ny fotoam-pisakafoana maraina, namaky lahatsoratra avy tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana, ary avy eo dia nanadino “tsy nahy” ilay gazety tao aminay. Hamaky azy io i Dada sy i Neny taorian’izay.
Indray alahady maraina, dia nanasa an’i Dada i Dadatoa Monroe ho any an-tranon’ny mpiray tanàna iray, mba hianatra Baiboly. Nanome toky azy izy fa ho afaka hamaly ny fanontaniany rehetra avy ao amin’ny Baiboly Atoa Cook. Nony tafaverina avy tany amin’ilay fianarana i Dada, dia nilaza tamim-pientanentanana tamin’ny fianakaviana hoe: “Voavaly avokoa ny fanontaniako ary mbola nahazo fanazavana fanampiny aza aho! Noheveriko ho fantatro daholo lahy ny zava-drehetra, kanjo rehefa nanomboka nanazava ny amin’ny afobe, ny fanahy [âme], ny fikasan’Andriamanitra mahakasika ny tany, ary ny fomba hanatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra izany Atoa Cook, dia nanomboka tsapako fa, raha ny marina, dia tsy nahalala na inona na inona mahakasika ny Baiboly aho!”
Toeram-pihaonana nahafinaritra ny olona ny tranonay tamin’izany. Tonga namangy sy nitsidika ireo havana aman-tsakaiza, nanamboatra vatomamy karamelina sy poa-katsaka nohamamina, ary niara-nihira narahin’ny piano notendren’i Neny. Tsikelikely, ireny fisehoan-javatra ireny dia nosoloana fiaraha-midinika foto-kevitra ara-baiboly. Na dia tsy azonay ankizy avokoa aza ny zavatra niaraha-nidinika, ny fitiavana lalina an’Andriamanitra sy ny Baiboly nananan’ireo ray aman-dreninay kosa dia tena niharihary taminay, ka nahatonga ny tsirairay avy taminay ankizy hampitombo fitiavana an’Andriamanitra sy ny Teniny tsy nisy hafa tamin’izany.
Nisy fianakaviana hafa koa nanokatra ny varavarany ho an’ny fiaraha-midinika ara-baiboly isan-kerinandro, izay niompana matetika tamin’ny foto-kevitra iray tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka farany indrindra. Rehefa tany amin’ny fianakaviana tao amin’ny tanànan’i Appleby sy i Nacogdoches, tsy lavitra teo, no nanaovana ny fivoriana, dia nanao taingim-be tao anatin’ny Ford A, fiaranay, izahay, mba handehanana tany, na ratsy na tsara ny andro.
Nampihatra izay nianarany izy ireo
Tsy ela ny ray aman-dreninay dia nahatakatra ny ilana hanaovan-javatra. Nitaky ny hilazana tamin’ny hafa izay zavatra nianarana ny fitiavana an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:35). Kanefa zava-tsarotra izany hanao dingana hanambara ampahibemaso ny finoan’ny tena izany, indrindra ho an’ny ray aman-dreninay, izay sady saro-kenatra no olona tsotsotra. Na dia izany aza, ny fitiavany an’Andriamanitra dia nanosika azy, ary izany dia nanampy azy hampianatra anay hametraka fitokisana tanteraka amin’i Jehovah. Toy izao no nanambaran’i Dada izany: “Mamokatra mpitory avy ao amin’ny tantsaha i Jehovah!” Tamin’ny 1933, dia nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah i Dada sy i Neny, tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, tao amin’ny kamory iray akaikin’i Henderson, any Texas.
Tany am-piandohan’ny taona 1935, dia nanoratra ho an’ny Fikambanana Watch Tower i Dada ary nametraka fanontaniana maromaro mahakasika ny fiainana mandrakizay. (Jaona 14:2; 2 Timoty 2:11, 12; Apokalypsy 14:1, 3; 20:6). I Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana tamin’izany, no namaly mivantana ny taratasiny. Tsy namaly ireo fanontaniany ny Anadahy Rutherford, fa nanasa an’i Dada kosa izy mba hanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, D.C., ny volana May.
‘Aiza no hahafahako ho any?’, hoy ny eritreritr’i Dada. ‘Mpamboly manana velaran-tany 26 hektara voavoly legioma izahay. Tsy maintsy hakarina ireo vokatra ireo ary hoentina any an-tsena, amin’io fotoana io mihitsy.’ Taoriana kelin’izay anefa, dia nisy tondra-drano izay nifaoka ireo antom-pialan-tsininy — voly, fefy, ary tetezana. Noho izany, dia niaraka tamin’ireo Vavolombelona hafa izahay, nitaingina aotobisin-tsekoly nohofana izay nitondra anay tany amin’ny 1 600 kilaometatra tany avaratratsinanana, tany amin’ilay fivoriambe.
Nientam-po i Dada sy i Neny nihaino, tany amin’ilay fivoriambe, ny fanazavana mazava ny amin’ny famantarana ny “olona betsaka”, izay ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:9, 14). Tonga antony nanosika an’i Dada sy i Neny, nandritra ny androm-piainany sisa, ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, ary nampirisika anay ankizy izy ireo mba ‘hihazona ny tena fiainana’, izay nidika ho anay, fiainana tsy hanam-pahataperana eto an-tany homen’i Jehovah. (1 Timoty 6:19; Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4). Na dia vao dimy taona monja aza aho tamin’izay, dia tena faly tokoa niaraka tamin’ny fianakaviako tamin’io fisehoan-javatra nahafinaritra io.
Rehefa tafaverina avy tany amin’ny fivoriambe ny fianakaviana dia namboly indray, ary tatỳ aoriana dia nampiaka-bokatra be, mbola tsy nisy toy izany, izahay. Tsy isalasalana fa izany dia nanampy an’i Dada sy i Neny hiaiky fa tsy ho very maina na oviana na oviana akory ny fametrahana fitokisana tanteraka amin’i Jehovah. Nanomboka nanao asa fitoriana tamin’ny endriny manokana izy ireo, ary samy nanaiky ny handany 52 ora isam-bolana avy teo amin’ny fanompoana. Ary ankoatra izany, rehefa tonga ny fotoam-pambolena nanaraka, dia tapitra namidin’izy ireo avokoa ny zavatra rehetra! Nampanamboatra tranofiara 6 metatra ny lavany ary 2,40 metatra ny sakany i Dada, hipetrahanay dimy mianaka, ary nividy Ford vaovao be nisy varavarana roa izy mba hitarihana azy io. Nanao toy izany koa i Dadatoa Monroe, ary nifindra tao anaty tranofiara koa izy sy ny fianakaviany.
Nampianatra anay ny fahamarinana
Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, araka ny niantsoana ny fanompoana manontolo andro, i Dada sy i Neny, tamin’ny Oktobra 1936. Nanomboka nitory tany amin’ny faritra atsinanan’i Texas izahay mianakavy, dia faritra izay mahalana vao nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nandritra ny herintaona teo ho eo no nifindrafindranay toerana; tamin’ny ankapobeny anefa, dia nahafinaritra anay tokoa izany fiainana izany. Nampianatra anay, tamin’ny teny sy ny ohatra, i Dada sy i Neny mba hanahafanay ireo Kristianina tany am-boalohany, izay nahafoy tena hampita ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny hafa.
Niaiky tanteraka ny reninay izahay ankizy noho ireo sorona nataony tamin’ny famoizana ny tranony. Nisy zavatra iray tsy nisaraka taminy anefa, dia ny milina fanjairany. Nahatsara zavatra koa izany. Noho izy mpanjaitra nahay, dia niankajo tsara foana izahay. Nanana akanjo vaovao sy nanendrika anay foana izahay isaky ny tonga ny fivoriambe.
Tsaroako tsara ny nahatongavan’i Herman G. Henschel teo amin’ny faritra nisy anay, niaraka tamin’ny fianakaviany, tao anaty kamiao iray nisy fanamafisam-peo an’ny Fikambanana Watch Tower. Najanony teo amin’ny faritra iray be olona ilay kamiao, dia nalefany ny kapila nisy lahateny fohy, ary avy eo dia nanao fitsidihana manokana ireo olona izy ireo, mba hanome fanazavana fanampiny. Nahafaly an’i Dewey zanany ny fiarahana tamin’ny zanakalahin’i Herman, i Milton, izay 16 taona teo ho eo tamin’izany. Ankehitriny, i Milton dia prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower.
Natao batisa i Edwena tamin’ny fivoriambe tany Columbus, Ohio, tamin’ny 1937, ary nomena tombontsoa ho mpisava lalana manokana i Dada sy i Neny. Tamin’izany fotoana izany, io asa io dia nitaky ny handaniana, fara fahakeliny, 200 ora isam-bolana teny amin’ny saha fitoriana. Raha mitodika ny lasa aho, dia takatro fa tena nanampy ahy hanohana ny vadiko teo amin’ireo asa kristianina nanendrena azy ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Neny.
Rehefa fianakaviana iray no fampianarana Baiboly azon’i Dada, dia nitondra anay ankizy izy mba ho ohatra tsara ho an’ny zanak’io fianakaviana io. Nasainy nitady sy namaky ireo andinin-teny izahay, ary nasainy namaly fanontaniana fototra sasantsasany. Ho vokany, dia maro tamin’ireny ankizy niara-nianatra taminay ireny no tonga mpanompon’i Jehovah mahatoky, hatramin’izao andro izao. Marina tokoa fa nisy fototra mafy koa naorina mba hanohizanay ho tia an’Andriamanitra.
Rehefa nihalehibe i Dewey zanany, dia hitany fa sarotra ny niaina tao amin’ny efitra tery dia tery, niaraka tamin’ny zandrivavy roa. Noho izany, tamin’ny 1940, dia nifidy ny handeha izy ary nanomboka nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa iray. Nanambady an’i Audrey Barron izy rehefa nandeha ny fotoana. Nampianarin’ny ray aman-dreninay zavatra maro koa àry i Audrey, ary tonga tiany tokoa i Dada sy i Neny. Niara-nipetraka taminay nandritra ny fotoana kelikely tao amin’ny tranofiaranay tery dia tery izy, rehefa nigadra noho ny fialanalanany kristianina i Dewey vadiny tamin’ny 1944.
Tany amin’ny fivoriambe lehibe tany Saint Louis, Missouri, tamin’ny 1941, dia niresaka nivantana tamin’ny ankizy 5 ka hatramin’ny 18 taona, izay nasaina nipetraka teo amin’ny toerana manokana teny aloha, ny Anadahy Rutherford. Nihaino ny feony tony sady mazava izahay sy i Edwena; toy ny ray be fitiavana iray mampianatra ny zanany any an-trano izy. Nampirisika ireo ray aman-dreny toy izao izy: “Ankehitriny dia nanangona ny vahoaka nanaovany fanekena ho eo anoloany i Kristy Jesosy, ary amin’ny teny faran’izay mampiaiky no ilazany amin’izy ireo mba hampianatra ny zanany ao amin’ny lalan’ny fahamarinana.” Nanampy teny toy izao izy: “Hazòny ao an-trano izy ireo ary ampianaro ny fahamarinana!” Soa ihany fa izany no nataon’ny ray aman-dreninay!
Tamin’io fivoriambe io no nahazoanay ilay bokikely vaovao hoe Jehovah’s Servants Defended (Niaro Tena ny Mpanompon’i Jehovah), izay nandinihana indray ireo ady ara-pitsarana, nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fandresena, ka anisan’izany ilay tao amin’ny Fitsarana Tampony any Etazonia. Nanaovan’i Dada fianaram-pianakavianay izy io. Tsy azonay an-tsaina mihitsy fa izany dia nanomana anay hiatrika ny zava-nitranga, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, tao Selma, any Alabama.
Ny zavatra nataon’ny andian-jiolahy tao Selma
Ny marainan’io zavatra niainana nahatahotra io, dia nandefa taratasy nitovy tany amin’ny shérif sy tany amin’ny ben’ny tanàna ary tany amin’ny lehiben’ny polisin’i Selma i Dada, taratasy izay nilazalaza ny zonay ara-dalàna hanohy ny fanompoanay eo ambany fiarovan’ny lalàna. Na izany aza, dia nanapa-kevitra ny handroaka anay hiala ny tanàna izy ireo.
Tamin’ny faran’ny tolakandro, dia indreto lehilahy dimy nitam-piadiana tonga tao amin’ny tranofiaranay, ary nisambotra an’i Neny sy ny rahavaviko ary izaho ho takalon’aina. Nanao sava hao ny tao anaty tranofiara izy ireo, nikaroka izay nety hahazoana hiampanga anay. Tany ivelany i Dada, ary nobaikoin’izy ireo izy mba hampitambatra ny tranofiara amin’ny aotomobilina, sady nambanan’izy ireo basy ihany izy tamin’izany. Tsy natahotra mihitsy aho tamin’izay fotoana izay. Ohatra ny nampihomehy ireto lehilahy nieritreritra anay ho nampidi-doza, hany ka nikakakaka nihomehy izaho sy ny rahavaviko. Nobanjinin’i Dada anefa izahay ka nangina.
Rehefa vonona ny hanainga izahay, dia notadiavin’ireo lehilahy ireo hiaraka tamin’izy ireo tao anaty fiarany izahay sy i Edwena. Tsy nilefitra i Dada. “Tsy hanaiky izany aho na ho faty eto aza!”, hoy izy. Taorian’ny fifanazavana, dia navela handeha niaraka ny fianakavianay, narahin’ireo lehilahy nitam-piadiana tamin’ny fiarany. Rehefa tokony ho 25 kilaometatra tafavoaka ny tanàna, dia nasain’izy ireo najanona teo amoron-dalana ny fiaranay ary nasainy nivoaka i Dada sy i Neny. Nifandimby nanandrana nandresy lahatra azy mivady ireo lehilahy ireo: “Ajanony any io fivavahanareo io. Miverena any amin’ny toeram-pambolena ary tezao tsara ny zanakareo vavy!” Niezaka nanjohy hevitra tamin’izy ireo i Dada, kanefa tsy nisy vokany.
Farany dia niteny toy izao ny lehilahy iray: “Mandehana, ary raha mbola miverina atỳ amin’ny Faritanin’i Dallas ianareo, dia hotaperinay ny ainareo!”
Nanohy ny dianay nandritra ny ora maromaro izahay, velombelona sy tafaray indray, ary avy teo dia nijanona mba hatory. Efa noraisinay ny nomeraon’ny fiaran’izy ireo. Nanao tatitra haingana tany amin’ny Fikambanana Watch Tower i Dada, ary volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia fantatra ary nosamborina ireo lehilahy ireo.
Ho any amin’ny Sekolin’i Gileada ho an’ny misionera
Naharay fanasana i Edwena, tamin’ny 1946, mba hanatrika ny kilasy faha-7-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tany South Lansing any New York. Ny toetra tsarany dia nolazalazain’i Albert Schroeder, iray tamin’ireo mpampianatra, tamin’i Bill Elrod namany, niara-nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana taminy teo aloha ary nanompo tao amin’ny Betela, ny Foibe Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ao Brooklyn, any New York.a Nampifankahalalaina i Edwena sy i Bill, ary herintaona teo ho eo taorian’ny nahazoan’i Edwena ny diplaomany avy tamin’ny kilasin’i Gileada, dia nivady izy roa. Nanohy nanao ny fanompoana manontolo andro izy roa nandritra ny taona maro, tafiditra tamin’izany ny dimy taona niarahany nanompo tao amin’ny Betela. Avy eo, indray andron’ny taona 1959, dia nilaza tamin’ny kilasy faha-34-n’i Gileada ny Anadahy Schroeder fa ny sakaiza malalany dia tonga raim-pianakaviana: niteraka kambana mianadahy.
Fony aho niara-nanompo tamin’ny ray aman-dreniko tany Meridian, any Mississippi, tamin’ny faramparan’ny 1947, dia samy nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-11-n’i Gileada izahay telo mianaka. Tena gaga izahay, satria araka ireo zavatra takina, dia mbola kely loatra aho ary efa antitra loatra i Dada sy i Neny. Kanefa nisy zavatra naningana natao, ka nahazo izany tombontsoa ho an’izay tsy mendrika akory izany izahay, dia ny fianarana ambony ara-baiboly.
Fanompoan’ny misionera niaraka tamin’ny ray aman-dreniko
I Kolombia, atỳ Amerika Atsimo, no toerana nanendrena anay ho misionera. Tsy tonga tany Bogotá, tao amin’ny tranon’ny misionera, izay efa nisy misionera telo hafa nipetraka anefa izahay, raha tsy tamin’ny Desambra 1949, herintaona mahery taorian’ny nizarana ny diplaomanay. Saika nihevitra i Dada tamin’ny voalohany fa ho mora kokoa ny hampianatra ireo olona hiteny anglisy, toy izay izy no hianatra hiteny espaniola! Tena nisedra anay tokoa izany, kanefa endrey ny haben’ireo fitahiana azo! Tsy ampy zato ny isan’ny Vavolombelona tany Kolombia tamin’ny 1949, kanefa ankehitriny dia mahery lavitra ny 100 000 izany!
Taorian’ny dimy taona nanompoana tao Bogotá, dia nalefa tany amin’ny tanànan’i Cali i Dada sy i Neny. Nandritra izany fotoana izany, tamin’ny 1952, dia nanambady aho, nanambady an’i Robert Tracy, izay misionera koa tany Kolombia.b Nijanona tany Kolombia izahay hatramin’ny 1982, taona izay nahavoatendry anay ho eto Meksika, toerana izay anompoanay hatramin’izao. Tamin’ny 1968, dia voatery niverina tany Etazonia tamin’ny farany ny ray aman-dreniko mba hahazo fikarakarana ara-pitsaboana. Rehefa salama indray izy, dia nanohy ny asan’ny mpisava lalana manokana tany akaikin’i Mobile, any Alabama.
Fikarakarana ny ray aman-dreninay
Rehefa nandeha ireo taona, dia nihaosa tsimoramora teny i Dada sy i Neny, ka nila fanohanana sy fiheverana bebe kokoa hatrany. Araka ny fangatahany, dia notendrena hanompo tany akaikin-dry Bill sy Edwena tany Athens, any Alabama, izy ireo. Tatỳ aoriana dia nihevitra i Dewey zanany, ilay anadahinay, fa ho fahendrena raha mipetraka tsy mifanalavitra, any Caroline Atsimo, ny fianakaviana. Noho izany dia nitondra ny fianakaviany nifindra tany Greenwood i Bill, niaraka tamin’i Dada sy i Neny. Izany fanamboaran-javatra feno fitiavana natao izany dia nahatonga anay sy i Robert ho afaka hanohy ny fanompoan’ny misionera tany Kolombia, tamin’ny fahafantarana fa voakarakara tsara ireo ray aman-dreniko.
Avy eo, tamin’ny 1985, dia tapaka lalan-dra i Dada, ary izany dia nahatonga azy ho tsy afa-niteny sy ho raikitra teo am-pandriana. Nanao fivoriam-pianakaviana izahay mba handinihana ny fomba tsara indrindra hikarakarana ny ray aman-dreninay. Tapaka tamin’izany fa i Audrey no ho mpikarakara voalohany an’i Dada, ary izaho sy i Robert kosa dia hanampy be dia be amin’ny alalan’ny fandefasana taratasy isan-kerinandro, mitantara ireo zavatra hita mampahery, ary amin’ny fitsidihana matetika araka izay azo atao.
Mbola velombelona ato an-tsaiko ny fitsidihako farany an’i Dada. Tsy afaka nanonona tamin’ny fomba ara-dalàna ireo teny izy, kanefa nony nambaranay taminy fa hiverina ho atỳ Meksika izahay, dia nanao fiezahana be, niaraka tamin’ny fihetseham-po, izy, mba hanambarana singan-teny iray hoe: “Adios!” (Veloma!, amin’ny teny espaniola). Tamin’izany fomba izany no nahafantaranay fa, tao am-pony, dia nanohana ny fanapahan-kevitray hanohy ny asa misionera nanendrena anay izy. Nodimandry tamin’ny Jolay 1987 izy, ary maty koa i Neny, sivy volana tatỳ aoriana.
Ny taratasy iray voaraiko avy tamin’ilay rahavaviko efa maty vady, dia mamintina tsara ny fankasitrahan’ny tsirairay aminay ny ray aman-dreninay. “Lalaiko tokoa ny lovako kristianina sarobidy, ary tsy nisy mihitsy fotoana, na dia iray segondra aza, niheverako fa ho sambatra kokoa aho raha toa ka nifidy fomba hafa hitaizana antsika ny ray aman-drenintsika. Ny oha-pinoana matanjaka sy ny fahafoizan-tena ary ny fitokisana tanteraka an’i Jehovah nananany, dia nanampy ahy hiatrika ireo fotoam-pahaketrahana teo amin’ny fiainako.” Namarana ny taratasiny toy izao i Edwena: “Misaotra an’i Jehovah aho noho ny ray aman-drenintsika izay, tamin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra, dia nampiseho tamintsika ny fahasambarana mety ho azontsika raha manorina ny fiainantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be fitiavana, isika.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1988, pejy faha-11-12.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 Jona 1961, pejy faha-171-172.
[Sary, pejy 22, 23]
Ny fianakaviana Fountain: (avy any ankavia miankavanana) Dewey, Edwena, Winnie, Elizabeth, Dewey zanany; ankavanana: Elizabeth sy Dewey zanany eo ambony “capot”-n’ilay kamiao nisy fanamafisam-peo an’i Henschel (1937); ambany, ankavanana: Elizabeth, 16 taona, nanao fitoriana tamin’ny alalan’ny takelaka misy soratra