Mitaky Zavatra Be Loatra Amintsika ve i Jehovah?
“Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” — MIKA 6:8.
1. Inona no mety ho antony tsy anompoan’ny sasany an’i Jehovah?
MITAKY zavatra amin’ny vahoakany i Jehovah. Rehefa avy namaky ireo teny voatonona etsy ambony avy ao amin’ny faminanian’i Mika anefa ianao, dia mety hanatsoaka hevitra tokoa hoe araka ny antonony ny zavatra takin’Andriamanitra. Na izany aza, dia olona maro no tsy manompo an’ilay Mpamorona Lehibe antsika, ary nitsahatra tsy nanompo azy ny sasany izay nanompo azy taloha. Fa nahoana? Satria mihevitra izy ireo fa mitaky zavatra be loatra amintsika Andriamanitra. Izany tokoa ve no izy? Sa ny fihetsiky ny olona iray manoloana izay takin’i Jehovah no mety ho olana? Manampy antsika hahatakatra izany ny fandinihana zava-nitranga iray ara-tantara.
2. Iza moa i Namàna, ary inona no nasain’ny mpaminanin’i Jehovah nataony?
2 Voan’ny habokana i Namàna, komandin’ny miaramila syrianina. Notoroana hevitra anefa izy fa nisy mpaminanin’i Jehovah ho afaka hanasitrana azy tany amin’ny firenen’ny Isiraely. Koa nanao ilay dia lavitra nankany amin’ny tanin’ny Isiraely àry i Namàna sy ireo mpanompony, ary tonga teo amin’ny tranon’i Elisa mpaminanin’Andriamanitra, tamin’ny farany. Tsy nivoaka ny trano mba hiarahaba an’io mpitsidika azy nanan-kaja io anefa i Elisa, fa naniraka mpanompo iray kosa hilaza tamin’i Namàna hoe: “Mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio hianao.” — 2 Mpanjaka 5:10.
3. Nahoana i Namàna tamin’ny voalohany no tsy nanaiky hanao izay notakin’i Jehovah?
3 Raha nanao ilay zavatra notakina taminy, nolazain’ilay mpaminanin’Andriamanitra, i Namàna, dia ho sitrana tamin’ny aretina maharikoriko iray. Noho izany, nitaky zavatra be loatra taminy ve i Jehovah? Tsy dia izany loatra. Na izany aza, dia tsy nety nanao izay notakin’i Jehovah i Namàna. “Tsy tsara noho ny ranon’ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin’i Damaskosy?”, hoy izy nilaza ny tsy fanekeny. “Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho ka hadio?” Tamin’izay, dia lasa tamin-katezerana i Namàna. — 2 Mpanjaka 5:12.
4, 5. a) Inona no valisoan’i Namàna noho ny nankatoavany, ary nanao ahoana ny fihetsiny rehefa nahazo izany valisoa izany? b) Inona no hodinihintsika izao?
4 Inona marina no olana teo amin’i Namàna? Tsy hoe sarotra be akory ilay zavatra notakina, ka hoe tsy azo notanterahina. Nilaza tamim-pahaiza-mandanjalanja toy izao ireo mpanompon’i Namàna: “Na dia zavatra lehibe aza no nasain’ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio hianao?” (2 Mpanjaka 5:13). Ny fihetsik’i Namàna no olana. Nihevitra izy fa tsy nentina tamim-pahamendrehana araka ny tokony ho izy, ary nasaina nanao zavatra toa noheveriny ho tsy nandaitra sy nampietry azy. Nanaraka ilay torohevitra voalanjalanja nomen’ny mpanompony anefa i Namàna, ka nisitrika impito tao amin’ny Ony Jordana. Alao sary an-tsaina ny hafaliany, rehefa ‘tonga tahaka ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy’! Feno fankasitrahana izy. Ankoatra izany, dia nilaza izy fa nanomboka hatreo, dia tsy hivavaka amin’andriamani-kafa, fa amin’i Jehovah irery ihany. — 2 Mpanjaka 5:14-17.
5 Nandritra ny tantaran’olombelona manontolo, dia notakin’i Jehovah ny hanarahan’ny olona fitsipika samihafa. Manasa anao izahay handinika ny maromaro amin’izy ireny. Eo am-pandinihanao azy ireny, dia manontania tena hoe ho nanao ahoana ny fihetsikao, raha notakin’i Jehovah ny hanaovanao ireny zavatra ireny. Hodinihintsika any aoriana kokoa izay takin’i Jehovah amintsika, amin’izao andro izao.
Izay notakin’i Jehovah tamin’ny lasa
6. Inona no nasaina nataon’ny mpivady olombelona voalohany, ary ho nanao ahoana ny fihetsikao raha nahazo ireo toromarika ireo?
6 Nomen’i Jehovah toromarika ny mpivady olombelona voalohany, i Adama sy i Eva, mba hitaiza zanaka sy hiasa ny tany ary hanjaka amin’ny biby. Voatahy koa ralehilahy sy ny vadiny, satria nahazo fonenana malalaka iray toy ny zaridaina. (Genesisy 1:27, 28; 2:9-15). Nisy fameperana anefa. Tsy tokony hihinana tamin’ny hazo iray tamin’ireo hazo fihinam-boa maro tao amin’ny saha Edena, izy ireo. (Genesisy 2:16, 17). Tsy fitakiana zavatra be loatra izany, sa tsy izany? Tsy ho nahafaly anao ve ny nanatontosa asa toy izany, tamin’ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra? Na dia nisy mpaka fanahy aza niseho tao amin’ilay saha, tsy ho nolavinao ve ny hevitra narosony? Ary tsy ho nekenao ve fa nanan-jo hanisy ilay fameperana tsotra i Jehovah? — Genesisy 3:1-5.
7. a) Inona no asa nanendrena an’i Noa, ary tojo fanoherana nanao ahoana izy? b) Ahoana no fiheveranao izay nasain’i Jehovah nataon’i Noa?
7 Tatỳ aoriana, dia nasain’i Jehovah nanorina sambo fiara iray natao hitsimbinana aina, mandritra ny safo-drano maneran-tany iray, i Noa. Rehefa heverina ny hagoavan’ilay sambo fiara, dia tsy mora ilay asa, ary azo inoana fa tojo fanesoana sy fanoherana be dia be i Noa, teo am-panatontosana ilay izy. Na izany aza, dia endrey ny tombontsoa nananany afaka namonjy ny ankohonany, tsy resahina intsony ireo biby maro be! (Genesisy 6:1-8, 14-16; Hebreo 11:7; 2 Petera 2:5). Raha notendrena hanao asa toy izany ianao, ho niezaka mafy hanatontosa izany ve ianao? Sa ho nanatsoaka hevitra ianao fa nitaky zavatra be loatra taminao i Jehovah?
8. Inona no nasaina nataon’i Abrahama, ary inona no naseho an’ohatra, ho vokatry ny nanekeny hanao izany?
8 Nasain’Andriamanitra nanao zavatra tena sarotra i Abrahama, rehefa nilazany hoe: “Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra odorana”. (Genesisy 22:2). Efa nampanantena i Jehovah fa hanan-taranaka i Isaka, izay mbola tsy nanan-janaka tamin’izay fotoana izay. Koa notsapaina àry ny finoan’i Abrahama ny fahaizan’Andriamanitra hamelona indray an’i Isaka. Notsimbinin’Andriamanitra ny ain’i Isaka, rehefa iny handeha hanao sorona an’ilay tovolahy iny i Abrahama. Nasehon’izany zava-nitranga izany an’ohatra ny hanoloran’Andriamanitra ny Zanany ho an’ny taranak’olombelona, sy ny hananganany azy amin’ny maty aorian’izay. — Genesisy 17:19; 22:9-18; Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 2:23, 24, 29-32; Hebreo 11:17-19.
9. Nahoana i Jehovah no tsy nitaky zavatra be loatra tamin’i Abrahama?
9 Mety hisy hihevitra fa nitaky zavatra be loatra tamin’i Abrahama i Jehovah Andriamanitra. Izany tokoa anefa ve no izy? Tena tsy maneho fitiavana tokoa ve ny Mpamorona antsika, izay afaka manangana ny maty, raha mitaky amintsika ny hankatoavana azy, na dia hiafara amin’ny fatoriana vetivety ao amin’ny fahafatesana aza izany? Tsy nihevitra toy izany i Jesosy Kristy sy ireo mpanara-dia azy tany am-boalohany. Vonona ny hiaritra fampijaliana ara-batana izy ireo, eny, hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza, mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 10:11, 17, 18; Asan’ny Apostoly 5:40-42; 21:13). Raha mitaky izany ny tarehin-javatra, ho vonona ny hanao toy izany koa ve ianao? Diniho ny sasany tamin’ireo zavatra notakin’i Jehovah tamin’ireo izay nanaiky ny ho vahoakany.
Ny lalàn’i Jehovah ho an’ny Isiraely
10. Iza no nampanantena fa hanao izay rehetra notakin’i Jehovah, ary inona no nomeny azy ireo?
10 Nitombo ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka zanany sy i Jakoba, na Isiraely, zafikeliny, ka nahaforona ny firenen’ny Isiraely. Nanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta i Jehovah. (Genesisy 32:29; 46:1-3; 2 Samoela 7:23, 24). Tsy ela taorian’izay, dia nampanantena ny Isiraelita fa hanao izay rehetra notakin’Andriamanitra taminy. Hoy izy ireo: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” (Eksodosy 19:8). Nifanaraka tamin’ny fanirian’ny Isiraelita ny hofehezin’i Jehovah, dia nomeny lalàna maherin’ny 600, anisan’izany ny Didy Folo, ilay firenena. Nanjary fantatra fotsiny hoe ny Lalàna, tatỳ aoriana, ireo lalàn’Andriamanitra nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ireo. — Ezra 7:6; Lioka 10:25-27; Jaona 1:17.
11. Inona no iray tamin’ny zava-nokendren’ny Lalàna, ary inona avy no fitsipika sasany natao hanatanterahana izany zava-nokendrena izany?
11 Iray tamin’ireo zava-nokendren’ny Lalàna ny hiarovana ny Isiraelita, tamin’ny alalan’ireo fitsipika mahasoa, izay nifehy ny raharaha toy ny fitsipi-pitondran-tena momba ny lahy sy ny vavy, ny fandraharahana ara-barotra, sy ny fiahiana ny ankizy. (Eksodosy 20:14; Levitikosy 18:6-18, 22-24; 19:35, 36; Deoteronomia 6:6-9). Nisy fitsipika nomena ny amin’ny fomba tokony hitondrana ny mpiara-belona sy ny bibin’ny tena. (Levitikosy 19:18; Deoteronomia 22:4, 10). Nanampy tamin’ny fiarovana ilay vahoaka teo amin’ny lafiny ara-panahy, ireo zavatra notakina nifandray tamin’ny andro firavoravoana fanao isan-taona sy ny fiaraha-mivory ho amin’ny fanompoam-pivavahana. — Levitikosy 23:1-43; Deoteronomia 31:10-13.
12. Inona no zava-nokendrena lehibe tamin’ny Lalàna?
12 Nomarihin’ny apostoly Paoly ny zava-nokendrena lehibe iray tamin’ny Lalàna, rehefa nanoratra izy hoe: “Nanampy mba hampiharihariana ny fahadisoana izy io, mandra-pahatongan’ilay taranaka [Kristy] nanaovana ny fampanantenana”. (Galatiana 3:19, NW ). Nampahatsiahy an’ireo Isiraelita ny Lalàna fa tsy lavorary izy ireo. Araka ny lôjika àry raha nila sorona lavorary, izay afaka nanaisotra tanteraka ny fahotany, izy ireo. (Hebreo 10:1-4). Koa nokendrena hanomanana ny olona hanaiky an’i Jesosy, ilay Mesia, na Kristy, àry, ny Lalàna. Izao no nosoratan’i Paoly: “Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.” — Galatiana 3:24.
Navesatra ve ny lalàn’i Jehovah?
13. a) Ahoana no niheveran’ny olombelona tsy lavorary ny Lalàna, ary nahoana? b) Tena navesatra tokoa ve ny Lalàna?
13 Na dia ‘masina sady marina no tsara’ aza ny Lalàna, dia noheverin’ny maro ho navesatra. (Romana 7:12). Koa satria tonga lafatra ny Lalàna, dia tsy afaka nanatratra ny fari-pitsipiny ambony, ny Isiraelita. (Salamo 19:7). Izany no antony niantsoan’ny apostoly Petera azy io hoe “zioga (...) izay tsy zakan’ny razantsika na isika ho entina”. (Asan’ny Apostoly 15:10). Mazava ho azy fa tsy navesatra akory ny Lalàna, ary nitondra soa ho an’ny olona ny fankatoavana azy io.
14. Inona avy no ohatra sasantsasany mampiseho fa nanatanteraka zava-nokendrena tena nahasoa ho an’ny Isiraelita ny Lalàna?
14 Teo ambanin’ny Lalàna, ohatra, dia tsy naiditra am-ponja ny mpangalatra, kanefa tsy maintsy niasa izy, mba hanonerany avo roa heny na mihoatra ny zavatra nangalariny. Tsy maty antoka àry ilay olona nangalarana, ary tsy enta-mavesatra napetraka tamin’ny olona nazoto niasa ny fanohanana ara-bola ny fonja. (Eksodosy 21:37; 22:2, 3, 6). Voarara ny sakafo tsy azo antoka. Mety hitondra aretina trichinose (ateraky ny kankana manify) ny henan-kisoa, raha tsy nandrahoina ho masaka tsara, ary mety hitondra aretina tularémie (pesta mpahazo ny biby mpikiky) ny henam-bitro. (Levitikosy 11:4-12). Toy izany koa fa nanome fiarovana ny Lalàna, izay nandrara ny fikasihana fatim-biby. Raha nisy nikasika fatin’olona, dia tsy maintsy nisasa sy nanasa ny akanjony izy. (Levitikosy 11:31-36; Nomery 19:11-22). Tsy maintsy nalevina ny diky, ho fiarovana ny olona tamin’ny fielezan’ny mikraoba. Tsy fantatry ny mpahay siansa akory anefa ny fisian’ny mikraoba, raha tsy vao tato anatin’ireo taonjato faramparany. — Deoteronomia 23:14.
15. Inona no hita ho enta-mavesatra ho an’ny Isiraelita?
15 Tsy nitaky zavatra be loatra tamin’ny vahoaka ny Lalàna. Tsy toy izany anefa ireo lehilahy izay niantsoroka ny anjara asan’ny mpilaza ny hevitry ny Lalàna. Momba ireo fitsipika napetrak’izy ireo, dia nanao fanamarihana toy izao ilay hoe A Dictionary of the Bible, natontan’i James Hastings: ‘Nasiana fitsipika madinika maro be mifampidipiditra, niaraka tamin’ny didy tsirairay ao amin’ny Baiboly. (...) Nisy ezaka natao, araka izany, mba hampidirana tao anatin’ny fifehezan’ny Lalàna ny toe-javatra azo nosaintsainina rehetra, ary mba hifehezana, tamin’ny fomba lôjika tsy nisy antra, ny lafiny manontolo amin’ny fitondran-tenan’ny olombelona, tamin’ny alalan’ny fitsipika henjana. (...) Nampanginina ny feon’ny fieritreretana; nofoanana ny hery velon’ny tenin’Andriamanitra, no sady nototofana fitsipika ivelany tsy toko tsy forohana.’
16. Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo fitsipika sy lovantsofina navesatra naorin’ireo mpitarika ara-pivavahana?
16 Nomelohin’i Jesosy Kristy ireo mpitarika ara-pivavahana, izay nametraka fitsipika tsy toko tsy forohana. Hoy izy: “Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” (Matio 23:2, 4). Nohazavain’i Jesosy fa ‘nanafoana ny tenin’Andriamanitra’, ireo fitsipika sy lovantsofina navesatra naorin’izy ireo, anisan’izany ireo fomba fidiovana be pitsiny. (Marka 7:1-13; Matio 23:13, 24-26). Na dia talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany aza anefa, dia nampiseho tamin’ny fomba diso izay tena notakin’i Jehovah marina, ireo mpampianatra ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely.
Izay tena takin’i Jehovah marina
17. Nahoana i Jehovah no tsy faly tamin’ireo fanatitra dorana nomen’ny Isiraelita tsy nahatoky?
17 Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra odorana sy ny saboran’ny zanak’omby mifahy Aho, ary tsy sitrako ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.” (Isaia 1:10, 11). Nahoana Andriamanitra no tsy faly tamin’ireo fanatitra izay notakin’ny tenany ihany tao amin’ny Lalàna? (Levitikosy 1:1–4:35). Satria tsy nanaja azy ny vahoaka. Noho izany, dia nanarina toy izao izy ireo: “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena.” (Isaia 1:16, 17). Moa ve izany tsy manampy antsika hahatakatra izay irin’i Jehovah hataon’ny mpanompony?
18. Inona marina no notakin’i Jehovah tamin’ny Isiraelita?
18 Nasehon’i Jesosy izay tena irin’Andriamanitra marina. Nasehony izany, rehefa nanontaniana izy hoe: “Didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?” Hoy ny navaliny: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’. Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.” (Matio 22:36-40; Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:4-6). Nilaza hevitra mitovy amin’izany koa i Mosesy, rehefa nanontany hoe: “Inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny?” — Deoteronomia 10:12, 13; 15:7, 8.
19. Ahoana no niezahan’ireo Isiraelita hiseho ho masina, nefa inona no nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo?
19 Na dia nanao ratsy aza ireo Isiraelita, dia naniry hiseho ho masina. Nanomboka nifady hanina matetika izy ireo, na dia tsy nitaky fifadian-kanina afa-tsy tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona aza ny Lalàna. (Levitikosy 16:30, 31). Niteny mafy azy ireo toy izao anefa i Jehovah: “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin’ny namanao hianao?” — Isaia 58:3-7.
20. Notenenin’i Jesosy mafy ny amin’ny inona ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana?
20 Ny olana teo amin’ireo Isiraelita nihevi-tena ho marina ireo, dia toy ny an’ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana, izay nilazan’i Jesosy hoe: “Mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.” (Matio 23:23; Levitikosy 27:30). Moa ve ny tenin’i Jesosy tsy manampy antsika hahatakatra izay tena irin’i Jehovah marina hataontsika?
21. Ahoana no namintinan’i Mika mpaminany izay takin’i Jehovah amintsika sy izay tsy takiny amintsika?
21 Mba hanazavana izay takin’i Jehovah amintsika sy izay tsy takiny amintsika, dia nanontany toy izao i Mika mpaminanin’Andriamanitra: “Inona no ho entiko manatona an’i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra Izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra odorana sy ny ombilahy kely iray taona va aho? Ho sitrak’i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny fanahiko? Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” — Mika 6:6-8.
22. Inona indrindra no nirin’i Jehovah hataon’ireo teo ambanin’ny Lalàna?
22 Koa inona indrindra àry no notakin’i Jehovah tamin’ireo niaina teo ambanin’ny Lalàna? Mazava ho azy fa tokony ho tia an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Ankoatra izany, dia hoy ny apostoly Paoly: “Tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.” (Galatiana 5:14). Nilaza toy izany koa tamin’ny Kristianina tany Roma i Paoly, nanao hoe: “Izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. (...) Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.” — Romana 13:8-10.
Tsy be loatra ilay zavatra takina
23, 24. a) Nahoana no tsy tokony hoheverintsika ho be loatra na oviana na oviana ny zavatra takin’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika manaraka?
23 Tsy miaiky volana ve isika fa Andriamanitra be fitiavana sy be fiheverana ary be famindram-po i Jehovah? Tonga teto an-tany i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana, mba hanandratra ny fitiavan’Andriamanitra, izany hoe mba hampahafantatra ny olona fa sarobidy eo imason’i Jehovah tokoa izy ireo. Nanazava an’ohatra ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra i Jesosy, ka hoy izy momba ny tsintsina tsy nisy vidiny firy: “Tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.” Koa izao no fanatsoahan-keviny: “Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29-31). Azo antoka fa tsy tokony hoheverintsika ho be loatra na oviana na oviana izay rehetra takin’ny Andriamanitra be fitiavana toy izany!
24 Inona anefa no takin’Andriamanitra amintsika amin’izao andro izao? Ary nahoana ny sasany no toa mihevitra fa mitaky zavatra be loatra Andriamanitra? Amin’ny fandinihana ireo fanontaniana ireo, dia tokony ho afaka hahita isika hoe nahoana no tombontsoa mahatalanjona ny manao izay rehetra takin’i Jehovah.
Hainao Valiana Ve?
◻ Nahoana ny olona sasany no mety tsy hanaiky hanompo an’i Jehovah?
◻ Inona avy no zavatra samihafa notakin’i Jehovah tao anatin’ny taonjato maro nifandimby?
◻ Inona avy no zava-nokendrena notanterahin’ny Lalàna?
◻ Nahoana no tsy be loatra ny zavatra takin’i Jehovah amintsika?
[Sary, pejy 18]
Nahatonga ny fanompoam-pivavahana ho enta-mavesatra, ireo fitsipika nataon’olombelona, toy ny fomba fidiovana be pitsiny