Manana Finoana Tahaka ny An’i Abrahama ve Ianao?
“Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” — LIOKA 18:8.
1. Nahoana no sarotra ny mihazona finoana matanjaka amin’izao andro izao?
TSY mora ny mihazona finoana matanjaka amin’izao andro izao. Mampihatra fanerena mafy amin’ny Kristianina izao tontolo izao mba hampivily ny sainy tsy ho amin’ny zavatra ara-panahy. (Lioka 21:34; 1 Jaona 2:15, 16). Kristianina maro no tsy maintsy miady mafy mba ho tafavoaka velona eo anoloan’ny ady, ny loza aman’antambo, ny aretina, na ny hanoanana. (Lioka 21:10, 11). Manjaka ny kolontsaina tsy tia fivavahana, any amin’ny firenena maromaro, hany ka na iza na iza miaina mifanaraka amin’ny finoany, dia heverina ho tsy misaina, ho mafana fo tafahoatra mihitsy aza. Ankoatra izany, dia Kristianina maro no enjehina noho ny finoany. (Matio 24:9). Azo antoka fa mety tokoa izao fanontaniana napetrak’i Jesosy izao, efa ho 2 000 taona lasa izay: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” — Lioka 18:8.
2. a) Nahoana no tena ilain’ny Kristianina ny finoana matanjaka? b) Ny oha-pinoan’iza no tsara hoheverintsika?
2 Raha ny marina anefa, dia tena ilaina ny finoana matanjaka raha tiantsika ny hahita fahombiazana eo amin’ny fiainana ankehitriny sy hahazo ilay fiainana mandrakizay nampanantenaina amin’ny hoavy. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, rehefa nanonona ny tenin’i Jehovah tamin’i Habakoka: “ ‘Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana;’ fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko. (...) Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka [amin’Andriamanitra]”. (Hebreo 10:38–11:6; Habakoka 2:4). Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao”. (1 Timoty 6:12). Ahoana àry no hananana finoana tsy mety levona? Eo am-pieritreretantsika io fanontaniana io, dia tsara ny handinihantsika ny lehilahy iray velona tokony ho 4 000 taona lasa izay. Mbola omena hasina foana ny finoan’izany lehilahy izany ao amin’ny fivavahana telo lehibe, dia ny Silamo sy ny Jodaisma ary ny Kristianisma. I Abrahama io lehilahy io. Nahoana no niavaka aoka izany ny finoany? Afaka manahaka azy ve isika amin’izao andro izao?
Fankatoavana ny toromarik’Andriamanitra
3, 4. Nahoana no nentin’i Tera nifindra avy tao Ora nankany Harana ny fianakaviany?
3 Aloha be ny firesahana voalohany an’i Abrahama (nantsoina tany am-boalohany hoe Abrama) ao amin’ny Baiboly. Izao no vakintsika ao amin’ny Genesisy 11:26: “I Tera (...) niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana”. Nipetraka tao Oran’ny Kaldeana, izay tanàna niroborobo ara-toe-karena tany atsimon’i Mezopotamia, ry Tera mianakavy. Tsy nijanona tao anefa izy ireo. “Tera nitondra an’i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’i Harana, ary Saray [Saraha] vinantoni-vavy, vadin’i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.” (Genesisy 11:31). Nentin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nifindra nankany Harana koa ny fianakaviany. (Genesisy 24:10, 15; 28:1, 2; 29:4). Nahoana anefa i Tera no niala tao Ora, izay niroborobo ara-toe-karena, ka nifindra nankany Harana, izay lavitra be avy teo?
4 Nanazava ny anton’io fifindra-monina hafa kely nataon’ny fianakavian’i Tera io i Stefana, lehilahy nahatoky, tokony ho 2 000 taona tatỳ aorian’i Abrahama. Nandaha-teny teo anatrehan’ny Synedriona jiosy izy tamin’izay, ka hoy izy: “Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana, ka nanao taminy hoe: ‘Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao’. Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana”. (Asan’ny Apostoly 7:2-4). Nanaiky ny sitrapon’i Jehovah mahakasika an’i Abrahama i Tera, rehefa nentiny nifindra nankany Harana ny ankohonany.
5. Taiza no nalehan’i Abrahama rehefa maty ny rainy? Nahoana?
5 Nanorim-ponenana tao amin’ilay tanànany vaovao ny fianakavian’i Tera. Taona maro tatỳ aoriana, fony niresaka ny amin’ny hoe “tanin-drazako” i Abrahama, dia ny faritr’i Harana, fa tsy i Ora, no tiany holazaina. (Genesisy 24:4). Tsy ho fonenana maharitra ho an’i Abrahama anefa i Harana. Araka ny voalazan’i Stefana, “rehefa maty ny rain[’i Abrahama], dia nafindran’Andriamanitra niala teo izy hankatỳ amin’ny tany izay onenanareo ankehitriny”. (Asan’ny Apostoly 7:4). Nankato ny toromarik’i Jehovah i Abrahama, niaraka tamin’i Lota, ka nita ny Ony Eofrata nankany amin’ny tany Kanana.a
6. Inona no fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Abrahama?
6 Nahoana i Jehovah no nandidy an’i Abrahama hifindra tany Kanana? Noho ny fikasan’Andriamanitra ny amin’io lehilahy nahatoky io. Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 12:1-3). Ho rain’ny firenena lehibe iray izay hahazo ny fiarovan’i Jehovah sy ny tany Kanana i Abrahama. Fampanantenana kanto re izany! Tsy maintsy nanao fiovana goavana teo amin’ny fiainany anefa i Abrahama mba handovana io tany io.
7. Tsy maintsy vonona hanao fiovana inona avy i Abrahama mba handovany ilay tany nampanantenain’i Jehovah?
7 Rehefa nandao an’i Ora i Abrahama, dia nandao tanàna iray niroborobo ara-toe-karena, ary azo inoana koa fa nandao ny havan-drainy akaiky. Samy niantoka filaminana ireo tamin’izany andron’ny patriarika izany. Rehefa nandao an’i Harana izy, dia nisaraka tamin’ny ankohonan-drainy, anisan’izany ny fianakavian’i Nahora rahalahiny, ary nifindra nankany amin’ny tany tsy fantatra. Tsy nitady fiarovana tao anatin’ny mandan’ny tanàna iray izy, tany Kanana. Fa nahoana? Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama, fotoana fohy taorian’ny nidirany tao amin’io tany io: “Miaingà hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ny lavany sy any amin’ny sakany; fa homeko anao izy.” (Genesisy 13:17). Nanaraka ireo toromarika ireo i Abrahama, izay 75 taona, sy i Saraha vadiny, izay 65 taona. “Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day”. — Hebreo 11:9; Genesisy 12:4.
Finoana tahaka ny an’i Abrahama amin’izao andro izao
8. Rehefa heverina ny ohatra navelan’i Abrahama sy ny vavolombelona hafa fahiny, inona no tokony hambolentsika?
8 Voatonona ho anisan’ireo “vavolombelona maro be (...) toy ny rahona” talohan’ny andro kristianina, ao amin’ny Hebreo toko faha-11, i Abrahama sy ny fianakaviany. Nihevitra ny finoan’ireny mpanompon’Andriamanitra tany am-boalohany ireny i Paoly, ka nampirisika ny Kristianina mba “hanaisotra izay rehetra mitambesatra (...) mbamin’ny ota [ny tsy fahampiam-pinoana] izay malaky mahazo antsika”. (Hebreo 12:1). Eny, mety ‘halaky hahazo antsika’ ny tsy fahampiam-pinoana. Tamin’ny andron’i Paoly sy amin’izao androntsika izao anefa, ny Kristianina marina dia afaka namboly finoana matanjaka tahaka ny an’i Abrahama sy ny hafa tamin’ny andro fahiny. Niresaka ny amin’ny tenany sy ny Kristianina namany i Paoly nanao hoe: “Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” — Hebreo 10:39.
9, 10. Inona no porofo fa maro amin’izao andro izao no manana finoana tahaka ny an’i Abrahama?
9 Marina fa efa niova izao tontolo izao hatramin’ny andron’i Abrahama, nefa mbola manompo ilay “Andriamanitr’i Abrahama” ihany isika, ary tsy miova izy. (Asan’ny Apostoly 3:13; Malakia 3:6). Mendrika ny hotolorana fanompoam-pivavahana i Jehovah amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny andron’i Abrahama ihany. (Apokalypsy 4:11). Olona maro no manolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah, ary tahaka an’i Abrahama, dia manao izay fiovana rehetra ilaina eo amin’ny fiainany izy ireo mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Tamin’ny taon-dasa, dia nisy 316 092 nampiseho ampahibemaso ny fanoloran-tenany, tamin’ny fanekeny hatao batisa tao anaty rano ‘tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina’. — Matio 28:19.
10 Tsy voatery nandeha lavitra tany ivelan’ny taniny ny ankamaroan’ireny Kristianina vaovao ireny mba hanaovana ny fanoloran-tenany. Amin’ny heviny ara-panahy anefa, dia nandeha lavitra ny ankamaroan’izy ireny. Raiso ho ohatra, i Elsie, atsy Maorisy, izay mpanao ody ratsy taloha. Natahoran’ny olona rehetra izy. Nanao fandaharana ny mpisava lalana manokana iray mba hampianarana Baiboly ny zanakavavin’i Elsie, ary izany dia nanokatra ny lalana ho an’i Elsie mba “hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava”. (Asan’ny Apostoly 26:18). Rehefa nahita ny fahalianan’ny zanany vavy i Elsie, dia nanaiky hianatra Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Natao intelo isan-kerinandro ny fianarany, satria nila fampaherezana tsy an-kijanona izy. Tsy nitondra fahasambarana ho azy ny nanaovany ny asan’ny maizina, ary nahita olana maro ny tenany manokana. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia vitany ilay dia lavitra niala tamin’ny demonisma ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Rehefa tonga hitady ny fanampiany ny olona, dia nohazavainy fa i Jehovah irery ihany no afaka miaro azy ireo amin’ny ratsy. Vavolombelona vita batisa i Elsie ankehitriny, ary olona 14 amin’ny fianakaviany sy ny olom-pantany no nanaiky ny fahamarinana.
11. Vonona hanao fanitsiana inona avy ireo izay manolo-tena ho an’i Jehovah?
11 Tsy voatery nanao fiovana goavana toy izany ny ankamaroan’ireo nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra tamin’ny taon-dasa. Maty ara-panahy anefa izy rehetra ireny no nanjary velona ara-panahy ankehitriny. (Efesiana 2:1). Na dia mbola eto amin’izao tontolo izao aza ny tenany, dia tsy naman’izy io intsony izy ireo. (Jaona 17:15, 16). Sahala amin’ny Kristianina voahosotra izay “mizaka ny zo maha-mponin’ny lanitra”, dia toy ny “vahiny sy mpivahiny” izy ireo. (Filipianina 3:20, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; 1 Petera 2:11). Nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy ireo, satria ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy no tena nanosika azy. (Matio 22:37-39). Tsy manatratra zava-kendrena mampiseho fitiavan-tena sy fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo izy ireo, no sady tsy mahatsiaro ho mila mahavita zavatra eto amin’ity tontolo ity. Mibanjina ny “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” kosa izy ireo, araka ny nampanantenaina azy. — 2 Petera 3:13; 2 Korintiana 4:18.
12. Inona no tatitra momba ny asa tamin’ny taon-dasa izay manome porofo fa mahita “finoana etỳ ambonin’ny tany” i Jesosy mandritra ny fanatrehany?
12 Rehefa nifindra nankany Kanana i Abrahama, dia irery izy mianakavy tany, ary i Jehovah no hany nanohana sy niaro azy. Tsy irery velively anefa ireo Kristianina vao vita batisa niisa 316 092 ireo. Manohana sy miaro azy amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Abrahama. (Ohabolana 18:10). Ankoatra izany anefa, dia manohana azy ireo izy amin’ny alalan’ny “firenena” iray feno faharisihana maneran-tany, izay manana vahoaka maro kokoa noho ny an’ny firenena sasany eto an-tany amin’izao andro izao. (Isaia 66:8). Nahatratra tampon’isa 5 888 650 ny vahoakan’io firenena io tamin’ny taon-dasa. Noporofoin’izy ireo ny fananany finoana miasa, tamin’ny firesahany tamin’ny mpiara-belona aminy momba ny fampanantenan’Andriamanitra. (Marka 13:10). Mahazendana fa 1 186 666 708 ora no lanin’izy ireo tamin’io asa io, tamin’ny fiezahana hahita olona liana. Vokatr’izany, dia fampianarana Baiboly 4 302 852 no notarihina tamin’ny olon-kafa naniry hamboly finoana. Mbola porofon’ny zotom-pony koa ny nisian’ny 698 781 tamin’io “firenena” io nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, na manontolo andro izany, na nandritra ny iray volana na mihoatra. (Hita eo amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-15 ireo tsipiriany momba ny asa vitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taon-dasa.) Io tatitra miavaka io no porofo velona izay mamaly hoe eny an’ilay fanontanian’i Jesosy hoe: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?”
Mahatoky na dia eo aza ny fitsapana
13, 14. Lazalazao ny zava-tsarotra sasantsasany natrehin’i Abrahama sy ny fianakaviany tany Kanana.
13 Matetika no tojo zava-tsarotra i Abrahama sy ny ankohonany tany Kanana. Indray mandeha, fara fahakeliny, dia nisy mosary mafy tany Kanana, ka nanery azy hidina tany Ejipta. Ankoatra izany, dia samy nitady haka an’i Saraha, vadin’i Abrahama, ny mpanapaka an’i Ejipta sy ny mpanapaka an’i Gerara (tany akaikin’i Gaza). (Genesisy 12:10-20; 20:1-18). Teo koa ny fifandiran’ny mpiandry ombin’i Abrahama sy ny mpiandry ombin’i Lota, ka niteraka fisarahan’ny roa tonta. Tsy tia tena i Abrahama fa namela an’i Lota hifidy voalohany ny tany tiany haleha. Nifidy ny honina tao amin’ny Distrikan’i Jordana, izay hita ho lonaka sy kanto sahala amin’i Edena, i Lota. — Genesisy 13:5-13.
14 Avy eo dia tratran’ny ady iray i Lota. Niady teo amin’ny Lohasahan’i Sidima ny mpanjakan’i Elama avy lavitra nomban’ny mpiray dina taminy, sy ireo mpanjakan’ny tanàna dimy. Naharesy an’ireo mpanjaka teo an-toerana ireo mpanjaka vahiny ka naka babo be dia be, anisan’izany i Lota sy ny fananany. Rehefa ren’i Abrahama izay nitranga, dia tsy nanan-tahotra izy fa nanenjika ireo mpanjaka vahiny ka afaka nampody an’i Lota sy ny ankohonany, ary koa ny fananan’ireo mpanjaka teo an-toerana. (Genesisy 14:1-16). Tsy izany anefa no zavatra ratsy indrindra nodiavin’i Lota tany Kanana. Nisy antony nahatonga azy hanorim-ponenana tao Sodoma, na dia nalaza tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena aza ilay tanàna.b (2 Petera 2:6-8). Rehefa nampiomanin’ny anjely roa i Lota fa horavana ilay tanàna, dia niara-nandositra tamin’ny vady aman-janany izy. Tsy niraharaha ny toromarika mazava nomen’ny anjely anefa ny vadin’i Lota, ka voalevina tao anatin’ny sira, ho vokatr’izany. Voatery nipetraka elaela tao anaty zohy iray tao Zoara niaraka tamin’ny zanany roa vavy, i Lota. (Genesisy 19:1-30). Tsy maintsy ho nampikorontan-tsaina mafy an’i Abrahama ireo fisehoan-javatra ireo, indrindra fa noho i Lota anisan’ny ankohonan’i Abrahama no nahatonga azy tany Kanana.
15. Na dia teo aza ireo olana natrehin’i Abrahama fony izy nitoetra an-day tao amin’ny tany iray tsy fantany, eritreritra tsy tsara inona no niharihary fa nohalaviriny?
15 Efa mba nanontany tena ve i Abrahama raha tokony ho nijanona tao Ora izy sy i Lota ka ho nilamin-tsaina teo anivon’ny havan-drainy akaiky, na tokony ho nijanona tao Harana niaraka tamin’i Nahora rahalahiny? Moa ve izy efa mba naniry ny hanorim-ponenana tao amin’ny tanàna nimanda iray nanome fiarovana, toy izay hitoetra an-day? Nety ho nisalasala ve izy raha fahendrena ny nanaovany sorona tamin’ny naha mpirenireny azy tao amin’ny tany iray tsy fantany? Hoy ny nomarihin’ny apostoly Paoly, rehefa niresaka ny amin’i Abrahama sy ny fianakaviany: “Raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.” (Hebreo 11:15). Tsy niverina anefa izy ireo. Tsy nahakivy azy ny zava-tsarotra nodiaviny, ka nijanona tany amin’izay tian’i Jehovah hitoerany izy ireo.
Fiaretana amin’izao andro izao
16, 17. a) Zava-tsarotra inona avy no atrehin’ny Kristianina maro amin’izao andro izao? b) Toe-tsaina tsara inona no ananan’ny Kristianina? Nahoana?
16 Hita amin’ny Kristianina amin’izao andro izao koa ny fiaretana toy izany. Na dia loharanom-pifaliana lehibe ho an’ny Kristianina marina aza ny fanompoana an’Andriamanitra, dia tsy mora akory ny fiainany amin’izao andro farany izao. Na dia ao amin’ny paradisa ara-panahy aza izy ireo, dia iharan’ny fanerena ara-bola toy ireo mpiara-belona aminy ihany. (Isaia 11:6-9). Kristianina tsy manan-tsiny maro no niharam-pahavoazana tao anatin’ny adin’ireo firenena, ary ny sasany nanjary nahantra fadiranovana, na dia tsy nisy fahadisoany akory aza. Ankoatra izany, dia mahita olana izy ireo satria vitsy an’isa tsy tiam-bahoaka. Atrehin’izy ireo any amin’ny tany maro ny tsy firaikan’ny olona mihitsy amin’ny vaovao tsara torin’izy ireo. Iharan’ny fanafihana mamitak’ireo izay ‘misaina fampahoriana araka ny lalàna’ sy “manameloka ny ra marina” izy ireo any amin’ny tany hafa. (Salamo 94:20, 21, fanamarihana ambany pejy). Misy tany tsy anafihana ny Kristianina, ary ideran’ny sasany azy noho ny fari-pitsipiny ambony. Na dia any amin’ireo tany ireo aza anefa, dia tsapany fa hafa noho ny mpiara-mianatra na ny mpiara-miasa aminy izy ireo, mitovitovy amin’i Abrahama ihany, izay nitoetra an-day, fa tsy an-tanàna toy ny ankamaroan’ny olona nanodidina azy. Eny, tsy mora ny miaina eo anivon’izao tontolo izao, kanefa ‘tsy namany’. — Jaona 17:14.
17 Moa àry ve isika manenina fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra? Irintsika ve ny ho nijanona ho naman’izao tontolo izao, ka ho tahaka ny olona hafa rehetra? Moa ve isika mitaraina noho ireo sorona nataontsika teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Sanatria! Tsy manembona ny lasa isika. Takatsika kosa fa tsy tena misy vidiny ny zavatra nety ho nataontsika sorona, na inona izany na inona, raha oharina amin’ny fitahiana azontsika ankehitriny sy ireo mbola ho azontsika amin’ny hoavy. (Lioka 9:62; Filipiana 3:8). Ankoatra izany, moa ve sambatra ny olona eo amin’izao tontolo izao? Raha ny marina, dia eo am-pitadiavana valim-panontaniana efa azontsika ny ankamaroan’izy ireo. Mahita fahoriana izy ireo, satria tsy manaraka ny tari-dalana arahintsika izay nomen’Andriamanitra ao amin’ny pejin’ny Baiboly. (Salamo 119:105). Ary maro amin’izy ireo no maniry mafy ilay karazana fisakaizana kristianina sy fiarahana mahafinaritra misy eo amintsika sy ny mpiray finoana amintsika. — Salamo 133:1; Kolosiana 3:14.
18. Inona, amin’ny farany, no ho vokatry ny fampisehoan’ny Kristianina herim-po tahaka ny an’i Abrahama?
18 Marina fa tsy maintsy ho be herim-po isika indraindray, sahala amin’i Abrahama fony izy nanenjika an’ireo namabo an’i Lota, nefa rehefa be herim-po isika, dia tahin’i Jehovah amin’ny farany. Ohatra, nanjary latsa-paka lalina ny fankahalana any Irlandy Avaratra noho ny herisetra ifanaovan’ny sekta samy hafa, ary mitaky herim-po ny tsy fombana ny atsy na ny aroa. Nanaraka izao tenin’i Jehovah tamin’i Josoa izao anefa ny Kristianina mahatoky: “Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.” (Josoa 1:9; Salamo 27:14). Nahatonga azy ireo hohajain’ny olona ny fijoroany tsy amin-tahotra hatramin’ny taona maro, ary afaka mitory amin-kalalahana eo anivon’ny antokon’olona rehetra ao amin’io tany io izy ireo ankehitriny.
19. Aiza no mahasambatra ny Kristianina, ary inona, amin’ny farany, no antenainy amin-toky rehefa manaraka ny toromarik’i Jehovah izy ireo?
19 Tsy tokony hisalasalantsika mihitsy ny amin’izao: Na inona na inona toe-javatra atrehintsika, dia hanome voninahitra an’i Jehovah sy hitondra soa maharitra ho antsika izany amin’ny farany, raha manaraka ny toromarik’i Jehovah isika. Na dia eo aza ireo zava-tsarotra sy sorona, dia tsy misy toerana hatakalontsika ny fanompoana an’i Jehovah, izay ankafizantsika ny fiarahana amin’ny rahalahintsika kristianina sy iandrasantsika amin-toky ny hoavy mandrakizay nampanantenain’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo inoana fa natsangan’i Abrahama ho zanany i Lota, zana-drahalahiny, rehefa maty ny rain’i Lota, rahalahin’i Abrahama. — Genesisy 11:27, 28; 12:5.
b Nisy nanipy hevitra hoe nanorim-ponenana tao amin’ny tanàna iray i Lota mba hahazo fiarovana bebe kokoa, rehefa avy nobaboin’ireo mpanjaka efatra izy.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana no tena ilaina ny finoana matanjaka?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Abrahama fa nanana finoana natanjaka izy?
◻ Amin’ny ahoana no arahina fiovana eo amin’ny fiainan’ny tena ny fanoloran-tena?
◻ Nahoana no sambatra isika manompo an’Andriamanitra, na dia eo aza ny olana mety hatrehintsika?
[Sary, pejy 7]
Vonona hanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany i Abrahama mba handovana ilay tany nampanantenaina
[Sary, pejy 9]
Asehon’ny porofo fa mahita “finoana etỳ ambonin’ny tany” i Jesosy mandritra ny fanatrehany