Maro no Mitonona ho Manam-pinoana
“MAHAFINARITRA i Jesosy! Mahatalanjona tsotra izao izy!”, hoy ny hiakan’ny vehivavy mpivavaka iray any Brezila. Tsy azo lavina tokoa ny herin’ny anaran’i Jesosy. Nisy olona vonona ny hijaly sy ho faty ho azy teo amin’ny tantara manontolo.
Nitory tao Jerosalema ‘tamin’ny anaran’i Jesosy’ ny apostoly Petera sy Jaona. Nosamborina sy nokapohina izy ireo noho ny nanaovany izany. Na dia izany aza, dia “niala teo anatrehan’ny Synedriona [izy ireo], sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany”. — Asan’ny Apostoly 5:28, 41.
Kristianina hafa iray tamin’ny taonjato voalohany, izay nihevitra ho sarobidy ny anaran’i Jesosy, i Antipasy. Nantsoin’i Jesosy hoe “martiorako (...), izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana”, izy ao amin’ny Apokalypsy, boky farany ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 2:13). Tsy nety nanda ny finoany an’i Kristy i Antipasy mbamin’ny Kristianina hafa tao Pergamosy. Nitana mafy ny anaran’i Jesosy i Antipasy na dia namoizany ny ainy aza izany!
Tokony ho 50 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 155 am.f.i., dia niatrika fitsapana nitovy tamin’izany i Polycarpe, lehilahy iray nitonona ho Kristianina. Nodidiana hiteny ratsy an’i Kristy izy. Toy izao no navaliny: “Efa 86 taona izao no nanompoako Azy, ary mbola tsy nanisy ratsy ahy izy. Koa ahoana no hahafahako hiteny ratsy ny Mpanjakako izay namonjy ahy?” Noho ny tsy fetezany handa an’i Kristy dia nodorana velona teo amin’ny tsato-kazo i Polycarpe.
Vonon-ko faty mba hanamafisana ny fanambarany momba an’i Kristy ireo apostoly sy i Antipasy ary ny hafa! Ahoana ny amin’ny olona amin’izao androntsika izao?
Ny anaran’i Jesosy amin’izao andro izao
Mbola miteraka fihetseham-po mafy hatrany ny anaran’i Jesosy. Any Amerika Latina, dia nahatratra ny fara tampony tato anatin’ireo folo taona farany ny fitomboan’ny isan’ireo fiangonana mitonona ho mino an’i Jesosy. Manana fiangonana pentekotista na dia ny vohitra kely indrindra aza. Nandritra izany fotoana izany, dia nitombo koa ny fitaomana ara-politika nananan’ireny fiangonana ireny. Ao amin’ny Antenimieram-pirenen’i Brezila, ohatra, dia toerana 31 no lasan’ny mpikambana amin’ireny fiangonana ireny.
I Jesosy koa no ifantohan’ny fihetsiketsehana vaovao iray ara-pivavahana any Etazonia. Miantso ny tenany hoe Mpitana Fampanantenana ireo mpanaraka azy io. Araka ny tatitra navoakan’ny gazetiboky Time tamin’ny 1997, ny mpanatrika ny fivorian’izy ireo izay 4 200 tamin’ny 1991 dia nitombo ho 1,1 tapitrisa tamin’ny 1996. Misy an’izao ny iray amin’ny hira fideran’izy ireo: “Fandresena anie ho ao amin’i Jesosy, ilay Mpamonjy ahy mandrakizay”.
Tsy hoe tsara avokoa anefa ny fihetseham-po rehetra nofohazin’ny anaran’i Jesosy. Matetika dia nisy ady natao tamin’ny anarany. Naripaka ny Jiosy, novonoina ny mpanompo sampy, nampijalijalina sy notapahina rantsambatana ary nodorana velona teo amin’ny tsato-kazo ireo olona nanana hevitra hafa, izany rehetra izany, tamin’ny anaran’i Jesosy. Ary vao haingana kokoa, dia nanjary nalaza ratsy ny fanaovana ny fitoriana ny filazantsara ho fakana tombony. Izany rehetra izany dia fampiasana amin’ny fomba ratsy sy maharikoriko ny anaran’i Jesosy sy izay tena asehon’io anarana io!
Ankoatra izany, dia mampipoitra fanontaniana sasany tsara homarihina izany: Inona no tafiditra amin’ny hoe mino ny anaran’i Jesosy? Ary ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah io foto-kevitra io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.