Rehefa Manjary Mandray Tsara ny Fo Vato
TAMIN’NY 1989, NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ETO POLONINA dia nekena ho fikambanana ara-pivavahana ara-dalàna. Nafahana miandalana ireo Vavolombelona natao am-ponja noho ny tsy fomban’ny Kristianina ny atsy na ny aroa, ka nisy voafonja maro izay naniry mafy hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly taminy, nilaozany. Intỳ misy tatitra ny amin’ny fomba iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah manampy ireo nanana fo vato taloha mba handray tsara ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, tao amin’ny iray amin’ireny fonja ireny.
AO WOŁÓW, tanàna iray misy mponina 12 000 any atsimoandrefan’i Polonina, dia misy fonja iray 200 taona, izay ihazonana ny sasany amin’ireo mpanao heloka bevava ratsy indrindra eto Polonina. Hatramin’ny fotoana nanekena tamin’ny fomba ofisialy ny asany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miezaka mitondra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ireo voafonja ao, ary ataony amin-kafanam-po lehibe izany.
Ny taratasy iray navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny Febroary 1990 ho an’ireo lehiben’ny fonja rehetra eto Polonina no nanamora ny raharaha. Nanoro hevitra azy ireo ilay taratasy mba tsy “ho sarotiny” raha nisy voafonja naniry handray ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, na hihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifankahalala tsara tamin’ireo voafonja maro izay mafy loha tao, ny Vavolombelona izay ny sasany taminy dia nandany taona maro tao amin’ny fonjan’i Wołów. Niantehitra tamin’i Jehovah anefa izy ireo mba hitahy ny ezaka nataony mba hamela ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly hanalefaka ny fo vaton’ireo voafonja hafa.
Fanombohana ilay asa
“Sarotra ny nanomboka ilay fandaharana”, hoy ny Rahalahy Czesław, avy ao amin’ny tanànan’i Wrocław, any amin’ny 40 kilaometatra eo ho eo, izay nahazo lalana hitsidika ny fonja ao Wołów. “Resaka lava be imbetsaka nifanaovana tamin’ireo tompon’andraikitry ny fonja no nilaina mba hampiekena azy ireo fa hahasoa ny voafonja ireo ‘fotoam-pivavahanay’.”
Mba hanasarotana ilay raharaha, hoy ny tsaroan’i Pawe, mpiara-miasa tamin’i Czesław, dia “nanantitrantitra ny manam-pahefana ambony iray fa nampiasain’ny voafonja ho fialan-tsiny mba hahazoana tombony ara-nofo fotsiny ny fotoam-pivavahana”. Rehefa niseho mba hatao batisa anefa ny telo tamin’ireo mpanao heloka bevava natahorana taloha, tamin’ny 1991, dia niova fihetsika ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja ka nihatsara ny fiaraha-miasa.
“Nanomboka nanao fanambarana tamin’ireo voafonja sy ny fianakaviany izay tonga namangy azy ireo tao am-ponja, ary ny mpiasan’ny fonja izahay”, hoy ny nohazavain’i Czesław. “Avy eo dia navela hitory ny vaovao tsara isaky ny efitra ao amin’ilay fonja izahay. Zavatra faran’izay naningana izany. Farany, rehefa nahita ireo olona liana voalohany izahay, dia navela hampiasa efitrano kely iray mba hitarihana fampianarana Baiboly sy hanaovana fivoriana kristianina.” Eny, nosokafan’i Jehovah ny lalana mankany amin’ireo voafonja nanana fo vato.
Fandaharam-pampianarana nandaitra
Tsy ela dia hita fa kely loatra izany efitrano kely izany. Koa satria samy nandray anjara tamin’ilay asa fitoriana na ireo voafonja efa vita batisa, na ireo rahalahy avy any ivelany, dia nahatratra 50 ny voafonja nanomboka nanatrika ireo fivoriana. “Tao no nanaovanay ny fivoriana rehetra nandritra ny telo taona mahery, ary nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana isan-kerinandro ny voafonja”, hoy ny fanazavan’ny loholona iray eo an-toerana. Koa tamin’ny May 1995 àry, dia nomena efitrano lehibe kokoa izy ireo mba hampiasainy.
Ahoana no amaritan’ireo rahalahy tompon’andraikitra hoe iza no afaka mankany amin’ireo fivoriana atao ao am-ponja? “Manana lisitr’ireo voafonja izay mampiseho fahalianana amim-pahatsorana amin’ny fahamarinana izahay”, hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Czesław sy Zdzisław. “Raha tsy mandroso na manapatapaka fivoriana tsy misy antony marim-pototra ny voafonja iray, ka mampiseho amin’izany ny tsy fahampiam-pankasitrahana an’ilay fandaharana, dia vonoinay tsy ho eo amin’ny lisitra ny anarany ary ilazana ny lehiben’ny fonja [mpitantana].”
Mampianatra an’ireo voafonja ny fomba fanomanana tsara ny fivoriana sy ny fampiasana ny zavatra vita an-tsoratra amin’ny fomba mandaitra koa ireo rahalahy, mandritra ny fampianarana Baiboly ataon’izy ireo. Araka izany, rehefa tonga any amin’ny fivoriana ireo voafonja, dia efa nanomana tsara ka tsy misalasala mandray anjara. Manome valin-teny mampahery izy ireo, mampiasa amim-pahakingana ny Baiboliny, ary mampihatra ny torohevitra amin’ny tenany ihany, amin’ny fampidirana matetika ao amin’ny valin-teniny ny fanamarihana toy ny hoe: ‘Hitako fa izao na izao no tsy maintsy ataoko.’
“Amin’ny fitambarany, dia fampianarana Baiboly 20 no tarihina ao amin’ny fonjan’i Wołów. Ny valo amin’ireo dia tarihin’ny mpitory voafonja telo”, hoy ny mpitan-tsoratry ny kôngregasiôna. Nahazo vokatra tsara koa izy ireo rehefa nitory isaky ny efitra tao am-ponja sy nandritra ny fitsangantsanganany teny an-tokotany. Tao anatin’ny folo volana, ohatra, nanomboka tamin’ny Septambra 1993 ka hatramin’ny Jona 1994, dia nizara boky 235, sy bokikely efa ho 300 ary gazety 1 700 izy ireo. Tsy ela izay dia nangataka fampianarana Baiboly ny roa amin’ireo tompon’andraikitry ny fonja.
Mitondra fifaliana ireo fivoriambe manokana iray andro
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampiana zavatra hafa, izany hoe fivoriambe manokana iray andro, ilay fandaharam-pampianarana tao amin’io fonja io. Ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy rahalahy ampy fahaizana hafa no nanolotra, tao amin’ny kianja mitafon’ny fonja, ireo tapany lehibe amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny fandaharana amin’ny fivoriambe manokana iray andro. Natao tamin’ny Oktobra 1993 ny fivoriambe manokana iray andro voalohany. Voafonja 50 no nanatrika, ary “fianakaviana iray manontolo, anisan’izany ny zaza amam-behivavy no tonga avy any Wrocław”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Słowo Polskie, ka nahatratra 139 ny tontalin’ny isan’ny mpanatrika. Ny fiatoana tamin’ny fandaharan’ny fivoriambe dia nanome fahafahana handray ny sakafo nomanin’ireo anabavy ary koa fotoana ho an’ny fiarahana kristianina tsara dia tsara.
Fivoriambe manokana iray andro fito hafa no efa natao hatramin’izay, ary tsy ireo tao amin’ny fonja ihany no nandray soa fa ireo tany ivelany koa. Rehefa nitsidika voafonja iray taloha tao Wołów izay mipetraka any an-tanàna ankehitriny, ny anabavy Vavolombelona iray, dia tsy nandray tsara io lehilahy io tamin’ny voalohany. Rehefa nilazana anefa izy fa lasa Vavolombelona ny voafonja iray voatondro mazava, dia tsy nino izy ka niloa-bava hoe: “Lasa Vavolombelona ve ilay mpamono olona iny izao?” Nanaiky fampianarana Baiboly io lehilahy io ho vokatr’izany.
Fiovana mahatalanjona no hita
Tena nanalefaka ny fo vaton’ireo voafonja ve io fandaharam-pampianarana natao tamin’ny ambaratonga lehibe io? Aoka izy ireo no hilaza ny tantarany.
“Tsy mba nahalala izay ray aman-dreniko mihitsy aho, satria nariany fony mbola kely, ary faran’izay nangirifiry tamiko ny tsy fisian’ilay fahatsapana hoe tiana”, hoy ny fieken’i Zdzisław, izay lehilahy misaina. “Aloha be teo amin’ny fiainako aho dia efa voarohirohy tamin’ny heloka bevava, ary farany dia namono olona mihitsy. Nanosika ahy hieritreritra ny hamono tena ny fahatsapana ho meloka, ary nitady tamim-pamoizam-po ny tena fanantenana aho. Avy eo, tamin’ny 1987, dia nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana aho. Tao no nahafantarako ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay. Rehefa takatro fa mbola nisy fanantenana, dia nailiko ilay hevitra hoe hamono tena ary nanomboka nianatra Baiboly aho. Fantatro izao ny dikan’ny hoe fitiavana avy amin’i Jehovah sy avy amin’ireo rahalahy.” Nanomboka tamin’ny 1993, dia mpanampy amin’ny fanompoana sady mpisava lalana mpanampy io mpamono olona taloha io, ary tonga mpisava lalana maharitra izy tamin’ny taon-dasa.
I Tomasz indray kosa dia nanaiky fampianarana Baiboly avy hatrany. “Tsy dingana natao tamim-pahatsoram-po anefa ilay izy”, hoy ny fiekeny. “Nianatra aho satria fotsiny te hoderaina rehefa nanazava tamin’ny hafa ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy noraharahaiko firy ny fahamarinana ara-baiboly. Indray andro, dia nanapa-kevitra ny handeha tany amin’ny fivoriana kristianina iray aho. Nandray tsara ahy ireo voafonja efa vita batisa. Takatro fa tsy ny fiezahana hampideradera fahalalana no tokony himasoako, fa ny fanalefahana ny fo vatoko sy ny fanovana ny saiko.” Nanomboka nitafy ny toetra kristianina vaovao, i Tomasz. (Efesiana 4:22-24). Vavolombelona vita fanoloran-tena sy batisa izy amin’izao fotoana izao, ary mahita fahafinaretana eo am-pitoriana isaky ny efitra ao am-ponja.
Fanerena avy amin’ireo namana taloha
Niharam-panerena mafy avy amin’ireo namana taloha tao am-ponja sy avy amin’ny tompon’andraikitra ao, ireo izay nianatra ny fahamarinana ara-baiboly tao am-ponja. Toy izao no tsaroan’ny iray tamin’izy ireny: “Natao fihomehezana sy nesoina tsy an-kijanona aho. Notadidiko foana anefa ny teny mampahery nataon’ireo rahalahy. ‘Mivavaha hatrany amin’i Jehovah’, hoy izy ireo tamiko. ‘Vakio ny Baibolinao dia hahatsapa fiadanana anaty ianao.’ Tena nanampy izany.”
“Tsy nitsitsy fanamarihana feno fanomezan-tsiny naharary natao hamelezana ahy ireo mpiara-migadra tamiko”, hoy i Ryszard, rahalahy tomady efa vita batisa. “ ‘Mandehana any amin’izay fivorian’ialahy any ialahy, fa aza mitady hisehoseho eo hoe ialahy no tsara kokoa, mazava?’, hoy izy ireo nampitandrina ahy. Voatery niaritra izany aho, rehefa nanao fiovana teo amin’ny fiainako noho ny fampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Nakorontany ambony ambany ny fandrianako, natsipitsipiny ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nananako, ary nosavoritahiny ny faritra nisy ahy. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hahazoana hery hifehy tena, ary avy eo dia lasa nandamina moramora ireo entana. Nitsahatra ny famelezana rehefa afaka fotoana kelikely.”
“Rehefa hitan’ireo mpiara-migadra fa nandray fanapahan-kevitra hentitra hanompo an’i Jehovah izahay”, hoy ny fitantaran’ny voafonja efa vita batisa hafa, “dia naka endriny hafa ilay fanerena. Izao no azo inoana fa holazainy: ‘Tadidio fa tsy tokony hisotro toaka na hifoka sigara na handainga intsony ialahy isany an.’ Manampy mba hifehy tena, ka hanilika haingana izay mety ho faharatsiam-pitondran-tena na fahazarana manandevo, io karazana fanerena io. Manampy mba hamboly ireo vokatry ny fanahy koa izy io.” — Galatiana 5:22, 23.
Tonga mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena
Noho ny fanomezan-dalana avy amin’ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja, dia natao tao amin’ilay kianja mitafo ny batisa voalohany, tamin’ny lohataonan’ny 1991. I Zdzisław no ilay mpilatsaka falifaly. Voafonja 12 no nanatrika, ary rahalahy sy anabavy 21 avy any ivelany no tonga tamin’io fotoana io. Nisy vokany nampahery teo amin’ireo voafonja ilay fivoriana. Nanao fandrosoana niavaka aoka izany ny maromaro tamin’izy ireo, hany ka voafonja roa hafa no naroboka, tamin’ny faramparan’io taona io ihany. Roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1993, dia nisy batisa indroa natao, ka voafonja fito hafa no nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah!
Toy izao ny fanamarihan’ny Wieczór Wrocławia, gazety mivoaka isan’andro eo an-toerana, rehefa nanao tatitra momba ilay batisa natao tamin’ny Desambra izy: “Mirohotra mankany amin’ny kianja mitafo ny olona, miarahaba ny rehetra ary mifandray tanana aminy. Tsy misy vahiny eto na dia olona iray aza. Mahaforona fianakaviam-be iray izy ireo, miray saina sy fomba fiaina ary tafaray ao amin’ny fanompoana an’ilay hany Andriamanitra, dia i Jehovah.” Olona 135, anisan’izany ny voafonja 50, no nahaforona an’io “fianakaviam-be iray” io, tamin’izay fotoana izay. Andeha isika hiaraka amin’ny sasany amin’izy ireo.
I Jerzy, izay vita batisa tamin’ny Jona, dia mitantara toy izao: “Na dia nifandray kely tamin’ny fahamarinana ara-baiboly ihany aza aho taona maro lasa izay, dia tena fo vato marina tokoa no tato anatiko. Fisolokiana, fisarahana tamin’ny vadiko voalohany, firaisana tsy ara-dalàna tamin’i Krystyna, fananana zanaka iray tany ivelan’ny fanambadiana, ary fiverenana matetika tany am-ponja — izany no fiainako.” Rehefa hitany ny fomba nahatongavan’ny mpanao heloka bevava mafy fo hafa ho Vavolombelona, fony izy ireo mbola tao am-ponja, dia nanomboka nanontany tena toy izao izy: ‘Tsy mba afaka ny ho tonga lehilahy tsaratsara kokoa ihany koa ve aho?’ Nangataka fampianarana Baiboly izy ary nanomboka namonjy fivoriana. Tonga anefa ny tena fiolahana teo amin’ny fiainany rehefa fantany tamin’ny mpampanoa lalàna fa lasa Vavolombelon’i Jehovah i Krystyna, telo taona talohan’izay. “Tena talanjona aho!”, hoy i Jerzy. “Hoy aho anakampo: ‘Dia mba ahoana ny amiko? Inona no hataoko?’ Takatro fa tsy maintsy nandamina ny fiainako aho, raha tiako ny hahazo sitraka tamin’i Jehovah.” Vokatr’izany dia nisy fihaonana nahafaly tamin’izy sy i Krystyna ary i Marzena, ilay zanakavavin’izy ireo 11 taona, tao am-ponja. Tsy ela dia nosoratana ara-dalàna ny fanambadian’izy ireo. Na dia mbola any am-ponja aza i Jerzy ary mbola tojo ny soa sy ny ratsy, dia nampiana-tena hahay baiko moana izy ka afaka manampy voafonja marenina.
Fony i Mirosław tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra dia efa voarohirohy sahady tamin’ny fanaovana heloka bevava izy. Nitsiriritra be izay nataon’ireo namany izy, ka tsy ela dia nanomboka nanao toa azy ireny koa. Maro ny olona norobainy na nodarohany. Tany am-ponja no niafarany avy eo. “Rehefa tany am-ponja aho, dia nitodika tany amin’ny pretra mba hahazoana fanampiana”, hoy ny fieken’i Mirosław. “Diso fanantenana tanteraka anefa aho, koa tapa-kevitra ny hamono tena tamin’ny fihinanana poizina.” Tamin’ilay andro nikasany hamarana ny fiainany iny indrindra, dia nafindra tao amin’ny efitra iray hafa izy. Tao no nahitany gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray izay niresaka momba ny zava-kendren’ny fiainana. “Ilay fanazavana tsotra sady mazava no hita fa tena nilaiko indrindra”, hoy ny teny nanampiny. “Naniry ny ho velona aho izao! Koa nivavaka tamin’i Jehovah aho ary nangataka fampianarana Baiboly tamin’ny Vavolombelona.” Nandroso haingana izy tamin’ny fianarany Baiboly ka natao batisa tamin’ny 1991. Mpisava lalana mpanampy ao am-ponja izy izao, ary manana tombontsoa hitory isaky ny efitrano ao.
Voafonja 15 amin’ny fitambarany no efa vita batisa, hatramin’izao. Mahatratra efa ho 260 taona amin’ny fitambarany ny sazin’izy ireo. Nafahana talohan’ny nahataperan’ny saziny, ny sasany. Nisy voafonja iray nahazo fampihenana ho 10 taona, ny saziny 25 taona. Ary maromaro tamin’ireo naneho fahalianana fony izy tany am-ponja no lasa Vavolombelona vita batisa taorian’ny nanafahana azy. Fanampin’izany, dia misy efatra hafa mbola ao am-ponja, miomana ho amin’ny batisa.
Eken’ny manam-pahefana ao am-ponja
“Tena hita miharihary ny fiovam-pihetsik’ireo voafonja”, hoy ny tatitra iray nataon’ny fonja. “Maro no tsy mifoka sigara intsony, ary madio foana ny efitra ipetrahan’izy ireo. Hita miharihary eo amin’ny voafonja maro izany fiovam-pitondran-tena izany.”
Nanao tatitra ny gazety Życie Warszawy fa ny mpitantana ny fonja ao Wołów dia nanaiky fa “hendry ireo voafonja niova finoana; tsy manome fahasahiranana an’ireo mpiambina fonja izy ireo”. Nomarihin’ilay lahatsoratra koa ankoatra izany, fa tafaray tsara eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy miverina amin’ny fanaovana heloka bevava intsony ireo izay nafahana talohan’ny nahataperan’ny saziny.
Ary ahoana ny hevitry ny lehiben’ny fonja? “Faran’izay faniry sady mahasoa ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ity fonja ity”, hoy izy. Miaiky ilay lehiben’ny fonja fa “mandritra ny fianarany Baiboly [miaraka amin’ny Vavolombelona], dia miova ny zavatra heverin’ireo voafonja ho sarobidy sy ny fari-pitsipika arahiny. Ary izany no manome azy hery vaovao mitari-dalana eo amin’ny fiainana. Voalanjalanja sy feno fahalalam-pomba ny fitondran-tenany. Mpiasa mazoto izy ireo, ka saiky tsy miteraka zava-manahirana.” Mazava ho azy fa mahafaly an’ireo Vavolombelona izay miara-miasa amin’ny voafonja ao amin’ny fonjan’i Wołów, izany fanamarihana tsara avy amin’ireo manam-pahefana izany.
Takatr’ireo Vavolombelona mpitsidika amin’ny fomba feno ilay tenin’i Jesosy manao hoe: ‘Fantatro ny ondriko, sady fantany aho. Hihaino ny feoko izy, ary ho tonga andiany iray, sady iray ihany ny mpiandry.’ (Jaona 10:14, 16). Na dia ireo rindrin’ny fonja aza dia tsy mahasakana an’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, tsy hanangona ireo olona toy ny ondry. Velom-pankasitrahana ny Vavolombelona eto Wołów noho ny tombontsoany afaka mandray anjara amin’io fanompoana mahafaly io. Ary miantehitra amin’i Jehovah izy ireo mba hanohy hitahy ny fanampiana an’ireo fo vato maro kokoa hatrany ka handraisany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Matio 24:14.
[Efajoro, pejy 27]
Olana Mahazo ny “Olon-dehibe Mbola Zaza”
“Rehefa avy notanana am-ponja nandritra ny fotoana sasantsasany ny olona iray, dia matetika no tsy fantany intsony izany atao hoe miaina ao anatin’ny fahafahana, na hoe manana ny fiainany manokana izany”, hoy ny fanamarihan’ireo Vavolombelona miasa ao amin’ny fonjan’i Wołów. “Ny zavatra hitanay indrindra indrindra dia ny ‘olana mahazo ny olon-dehibe mbola zaza’, izany hoe olona iray tsy mahay mikarakara tena intsony rehefa tafavoaka ao am-ponja. Noho izany dia mihoatra noho ny fampianarana azy ny fahamarinana ara-baiboly fotsiny ny anjara asan’ny kôngregasiôna. Tokony hanomana azy ho tonga anisan’ny fiaraha-monina izahay, ka hampitandrina azy ny amin’ireo loza sy fakam-panahy vaovao mety ho hitany. Mitandrina izahay mba tsy hiaro azy tafahoatra nefa, tsy maintsy manampy azy koa mba hanana fiaingana vaovao eo amin’ny fiainana.”