Fisehoan-javatra Tsy Hay Hadinoina Tany Frantsa
“TSY EKENAY NY TANÀNAN’I JEHOVAH!” Izany no nambaran’ireo peta-drindrina narantiranty eran’ny tanàna. “Ndao Isika Rehetra Hanohitra Ilay Tetik’asan’i Jehovah”, hoy ny fampirisihan’ny vondron’olona mpanohitra iray. An-jatony maro ara-bakiteny ireo lahatsoratra an-gazety niresaka momba ilay raharaha, ka nahatonga azy io ho fanta-poko fanta-pirenena. Nisy fanangonan-tsonia natao, ary tsy toko tsy forohana, eny, maherin’ny antsasa-tapitrisa ireo trakitra niresaka ny amin’ilay tetik’asa, ka ireny no nameno ireo boaty fandatsahana taratasy teo an-toerana. Fa inona loatra moa izany tetik’asa nampisahotaka ny tanànan’i Louviers, any avaratrandrefan’i Frantsa izany, satria tanàna nilamina izy io raha tsy izany? Ny fikasana hanorina biraon’ny sampana sy toeram-ponenana vaovao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Jehovah no mampitombo
Tany amin’ny faran’ny taonjato faha-19 no efa nanombohan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa. Ny toerana voalohany fanatobiana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly dia nisokatra tamin’ny 1905, tany Beauvène, any atsimon’i Frantsa, ary nisy birao kely niasa tao Paris, nanomboka tamin’ny 1919. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao Paris ny biraon’ny sampana iray, tamin’ny 1930, ary ny taona nanaraka an’io, dia nanomboka nipetraka tao amin’ny trano Betela iray tany Enghien-les-Bains, any avaratr’i Paris, ireo mpiasa tao amin’ny birao. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nifindra tany Paris ny fianakavian’ny Betela, ary tamin’ny 1959, ny sampana dia nafindra tao amin’ny trano iray misy rihana efatra, tany Boulogne-Billancourt, any amin’ny faritra andrefana manamorona ny renivohitra.
Noho ny fitaran’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, dia nafindra tany Louviers, any amin’ny 100 kilaometatra any andrefan’i Paris, ny trano fanontam-pirinty sy fandefasana entana, tamin’ny 1973. Mbola nijanona tao Boulogne-Billancourt ihany anefa ireo birao. Rehefa nitombo anefa ny isan’ny mpitory tany Frantsa, dia tsy antonona ilay trano tao Louviers, na dia teo aza ny fanitarana natao tamin’ny 1978 sy tamin’ny 1985. Notapahina àry ny hevitra fa hisy fanitarana hatao ka hampiarahina ao amin’ny toerana iray avokoa ny fianakavian’ny Betela manontolo. Tsy ny rehetra no nankasitraka an’io tetik’asa io, araka ny noresahina terỳ am-piandohana. Na dia teo aza izany fanoherana izany, dia nisy tany iray hita, iray kilaometatra sy sasany monja avy teo amin’ilay fanontam-pirinty. Asa mafy nandritra ny enin-taona no nanaraka izany, ary tamin’ny farany, taorian’ny 23 taona nisarahan-toerana, dia tafaray ao Louviers ny fianakavian’ny Betela manontolo, tamin’ny Aogositra 1996.
Hafaliana tsy omby tratra àry ny an’ny vahoaka sambatra iray nahitana olona 1 187, anisan’izany ireo mpikambana 300 amin’ny fianakavian’ny Betelan’i Frantsa, sy solontena 329 avy tamin’ny sampana 42 hafa, rehefa vory lanona izy ireo tamin’ny asabotsy 15 Novambra 1997, mba hihaino ny lahateny fitokanana nataon’ny Rahalahy Lloyd Barry, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Kanefa, noho io fitokanana io natao tao anatin’ny fanoherana, sy noho ny fanendrikendrehana naharitra nataon’ny fampahalalam-baovao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Frantsa, dia noheverina fa tokony ho afaka handray anjara amin’ny fankalazana an’io fandresena io ny Vavolombelona frantsay rehetra. Noho izany, tamin’ny alahady 16 Novambra, dia nisy fivoriana manokana iray nitondra ny foto-kevitra hoe “Mitoera Hatrany ao Amin’ny Fitiavan’i Kristy”, natao tao amin’ilay Foibe Fampirantiana ao Villepinte, any avaratr’i Paris. Nasaina avokoa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra any Frantsa, niaraka tamin’ireo Vavolombelona miteny frantsay any Belzika sy Soisa, ary koa ny kongregasiona sasany tany Alemaina, Grande-Bretagne, Holandy, sy Luxembourg.
Fivoriana iray nanan-tantara
Enim-bolana mialoha dia efa natomboka ny fanomanana ilay fivoriana. Avy eo, tapa-bolana monja talohan’ilay fitokanana, dia nitokona ny mpitondra fiara vaventy tany Frantsa, ka nanakana ireo lalana lehibe sy ny famatsiana solika. Ho voatitra ara-potoana ve ireo seza sy fitaovana hafa? Hanakana ireo rahalahy tsy ho tonga ve ireo sakana natao teny amin’ny lalana? Velom-bolo ny rehetra fa herinandro dia tapitra ilay fitokonana, ka azo nifamoivoizana indray ny lalana. Tamin’ny zoma takariva, talohan’ilay faran’ny herinandro hanaovana ny fitokanana, dia kamiao 38 no nanatitra seza 84 000 tao amin’ireo efitrano malalaka roa nohofana ho amin’ilay fotoan-dehibe. Rahalahy sy anabavy maherin’ny 800 no niasa mafy nandritra ny alina ka hatramin’ny asabotsy maraina tamin’ny sivy ora sy sasany, mba hametraka ny seza sy ny lampihazo sy ny fanamafisam-peo, ary efijery (écran) vidéo goavana sivy.
Tamin’ny alahady maraina tamin’ny enina ora, dia nosokafana ireo varavarana, ary nanomboka niditra ny olona. Lamasinina nohofana manokana niisa 17 tamin’ny fitambarany, no nitondra Vavolombelona maherin’ny 13 000 nankao amin’ilay renivohitra. Rahalahy sy anabavy teo an-toerana maherin’ny 200 no tonga tany amin’ireo gara mba hitsena ireo nanao dia lavitra, ka nanao antokony nanaraka azy ireny ho any amin’ny toerana hanaovana ilay fivoriambe. Nilaza ny anabavy iray fa nahatonga azy ireo “hahatsiaro tena ho milamin-tsaina sy falifaly” izany fandaharana feno fitiavana izany.
Nandeha fiaramanidina na fiara kosa ny hafa mba hahatongavana tao Paris. Ny ankamaroany anefa dia nandeha fiarabe niisa 953, fa ny Vavolombelona avy ao amin’ny faritr’i Paris kosa, dia nampiasa fitateram-bahoaka mba handehanana tany amin’ilay Foibe Fampirantiana. Maro no efa nandeha nandritra ny alina na nandao ny tranony vao maraina be, kanefa dia voamarika fa nientanentana erỳ izy ireny hamonjy io fivoriana io. Antsoantsom-pifaliana sy fifamihinana mafana no nanamarika ny fihaonan’ireo mpinamana tsy nifankahita nandritra ny taona maro. Ireo akanjo marevaka fanaon’ny tany samy hafa dia nahatonga ilay vahoaka miramirana ho toy ny vahoaka iraisam-pirenena. Tsy isalasalana fa zavatra tsy fahita firy no nitranga.
Tamin’ny fotoana nanombohan’ny fandaharana tamin’ny folo ora maraina, dia efa feno daholo ny seza, kanefa olona an-jatony maro no tonga isa-minitra. Izay rehetra nojeren’ny maso, dia nahitana endrik’olona nitsikitsiky. An’arivony maro no nijoro na nipetraka tamin’ilay gorodona simenitra. Nampiseho ilay toe-tsaina navohitry ny loha hevitr’ilay fivoriambe ny tanora maro ka nitsangana tamim-pitiavana mba hahafahan’ny zokiolona hipetraka. “Faly tokoa izahay nanome ny toeranay ho an’ireo rahalahy sy anabavy izay tsy fantatray akory, nefa tianay fatratra!”, hoy ny nosoratan’ny mpivady iray. Maro no nampiseho fihetsika feno fahafoizan-tena faran’izay tsara, ka nilaza hoe: “Nanampy tamin’ny fametrahana seza nandritra ny zoma alina izahay, kanefa dia nijoro tontolo andro teo akaikin’izy ireny. Ny naha teo anay fotsiny anefa, dia nahatonga anay ho feno fankasitrahana an’i Jehovah.”
Na dia vizana na tsy nahazo aina tsara aza ireo solontena, dia nanongilan-tsofina tamin’ireo tatitra avy tany amin’ny tany hafa, sy tamin’ireo lahateny nataon’i Lloyd Barry sy i Daniel Sydlik, izay anisan’ny Fitambara-mpitantana koa. Ny Rahalahy Barry dia namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Manome Hery Be i Jehovah”, ary nasongadiny tamin’ny fomba voafaritra tsara ny fomba nitahian’i Jehovah ny vahoakany, tamin’ny nanomezany fitomboana na dia teo aza ny fisedrana samihafa. Ny lahatenin’ny Rahalahy Sydlik dia nitondra ny lohateny hoe: “Sambatra ny Firenena Izay Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny”. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ireo lahateny roa ireo, rehefa dinihina ny fanoherana atrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa amin’izao fotoana izao. Nasehon’ny Rahalahy Sydlik fa tsy miankina amin’ny anton-javatra ivelany ny tena fahasambarana, fa miankina amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy amin’ny fihetsitsika manoloana ny fiainana. Tehaka nirefodrefotra no nasetrin’ny mpanatrika ilay fanontaniany hoe: “Sambatra ve ianareo?”
Nanoratra toy izao, tatỳ aoriana, ny anabavy iray efa “namoy ny fifaliany”: “Takatro tampoka teo fa azoko atao ny ho sambatra. Tany amin’ny tsy izy no nanaovako ezaka, ary tamin’ny alalan’iny lahateny iny, dia nasehon’i Jehovah tamiko fa nila niova aho.” Hoy ny rahalahy iray: “Izao dia ta hanao ady mafy aho mba hampifaliana ny fon’i Jehovah. Tsy avelako hisy na inona na inona hanaisotra ilay fifaliana nanomboka tsapako ato anatiko lalina ato.”
Teo am-pifaranan’ilay fivoriana, dia nafana fo aoka izany ilay mpitari-draharaha nanambara fa nisy 95 888 ny isan’ny mpanatrika — ny fivoriana lehibe indrindra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa hatramin’izay!
Taorian’ny hira famaranana, izay nohirain’ny maro tamin-dranomasom-pifaliana, sy ny vavaka famaranana, dia nanainga hamonjy fodiana ireo rahalahy, izay sady faly no nalahelo. Tsikaritry ny hafa fa rivo-piainana nahafinaritra sy feno fisakaizana no tao amin’ilay fivoriana. Nisy teny fankasitrahana maro nataon’ireo mpamily fiarabe, mahakasika ny fihetsik’ireo solontena. Nahatalanjona azy ireo ihany koa ilay fahaiza-mandamin-javatra, satria tao anatin’ny adiny roa, dia afaka nandao ilay Foibe Fampirantiana ireo fiarabe rehetra niisa 953, kanefa tsy nikatso na dia kely akory aza ny fifamoivoizana! Tena nankasitrahan’ireo mpiasan’ny lalamby sy ny fitateram-bahoaka koa ny fitondran-tenan’ireo solontena. Resadresaka nahafinaritra maro no nanaraka izany, ary nisy fanambarana tsara natao.
“Tany lonaka an’efitra”
Nampirisika an’ireo Kristianina namany toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara (...), mifananara (...), mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25). Azo antoka fa loharanom-pampaherezana lehibe ho an’ny rehetra iny fivoriana manokana iny, “tany lonaka an’efitra”, araka ny nilazan’ny anabavy iray azy. “Velombelona sy nahazo fampaherezana ary nohatanjahina izahay niala teo, ka tapa-kevitra tsy nisy toy izany mba hifaly amin’ny fanompoana an’i Jehovah”, hoy ny nosoratan’ireo rahalahy avy tamin’ny sampan’i Togo. “Ireo izay kivy dia falifaly nandeha nody”, hoy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray. “Nahazo fampirisihana sy nohatanjahina ireo rahalahy”, hoy ny iray hafa. Voatosika hanoratra toy izao ny mpivady iray: “Mbola tsy nahatsiaro ho akaiky dia akaiky ny fandaminan’i Jehovah toy izao mihitsy izahay.”
“Ny tongotro mijoro eo amin’ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’i Jehovah”, hoy ny nambaran’ny mpanao salamo. (Salamo 26:12). Ny fivoriana kristianina toy ireny dia mahatonga ny rehetra hahay hamindra tsara indray ara-panahy, manoloana ireo vato misakana. “Na inona na inona fahoriana midona”, hoy ny fanamafisan’ny anabavy iray, “ireny fotoana tsy fahita firy ireny dia voasoritra lalina ato am-ponay ary ho ao mandrakariva mba hankahery anay.” Mitovy amin’izany ihany, dia nanoratra toy izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Rehefa hisy fotoan-tsarotra hitranga, dia hanampy anay hiatrika azy ireny ny fahatsiarovana an’iny santatry ny Paradisa iny.”
“Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah”, hoy ny fampirisihan’ny Salamo 96:7. Tsy isalasalana fa fandresena miezinezina ho an’i Jehovah ny fitokanana ny tranon’ny sampana vaovao tany Frantsa. Izy irery ihany no afaka nanatanteraka ilay tetik’asa, tao anatin’izany fanoherana feno fahatapahan-kevitra sy miely patrana izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa dia tapa-kevitra tsy misy toy izany ny ‘hitoetra ao amin’ny fitiavan’i Kristy’ sy ‘hampamirapiratra ny fahazavany’. (Jaona 15:9; Matio 5:16). Ireo rehetra nanatrika ilay fandaharam-pitokanana dia miombom-pihetseham-po tanteraka amin’ny mpanao salamo, manao hoe: “Avy tamin’i Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika.” — Salamo 118:23.
[Sary, pejy 26]
Daniel Sydlik
[Sary, pejy 26]
Lloyd Barry
[Sary, pejy 26]
Olona niisa 95 888 no nanatrika ilay fandaharana manokana tao amin’ilay Foibe Fampirantiana ao Villepinte
[Sary, pejy 28]
An’arivony maro tamin’ireo mpanatrika no nijoro na nipetraka tamin’ny tany mba hihaino