Fampakaram-bady Tena Hafa Kely
ANY avaratr’i Mozambika dia misy lohasaha lonaka iray, voahodidin’ny tendrombohitra mahafinaritra — ny sasany vatoina, ny hafa feno zavamaniry mandrobona. Ao no misy ny tanànan’i Fíngoè. Amin’ny alina mazavan’ny ririnina, dia manjelanjelatra ny kintana amin’ny lanitra, ary mangoratsaka aoka izany ny volana, ka manazava an’ireo trano tafo bozak’ireo mponina ao an-tanàna. Tao anatin’izany toe-javatra izany no nitrangan’ny fampakaram-bady manokana iray.
Olona an-jatony maro no nandeha an-tongotra nandritra ny ora maro, sy andro maromaro mihitsy aza, mba hanatrehana io fisehoan-javatra manokana io. Ny sasany namakivaky faritra foana sy mampidi-doza, fonenan’ireo hyènes sy liona ary elefanta. Ankoatra ny entana manokana, dia nitondra akoho sy osy ary legioma ny mpitsidika maro. Rehefa tonga tao amin’ilay tanàna izy ireo, dia nandeha tamin’ny toerana an-kalamanjana iray, izay ampiasaina matetika ho amin’ireo fivoriambe kristianina. Na dia reraka noho ilay dia aza izy ireo, dia faly, ka nahitana taratry ny fiandrasana amim-pahadodonana izay hitranga avy eo ny tarehiny feno tsiky.
Iza ireo hanambady? Maro be izy ireo! Eny, mpivady tsy voafetra ny isany. Tsy nandray anjara tamin’ny fampakaram-bady itambaram-be manaitaitra vetivety akory izy ireo. Mifanohitra amin’izany fa mpivady tso-po sy nanana antony nanosika tsara izy ireo. Teo aloha dia tsy afaka nanoratra ny fanambadiany izy ireo, satria nipetraka tany amin’ny faritra lavitra ny birao fisoratana. Ireo mpivady rehetra ireo dia nanjary nahafantatra ny fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana, rehefa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianaran’izy ireo fa tokony hivady araka ny lalàn’ilay tany izy ireo, mba hampifaliana ny Mpamorona azy ireo, dia ilay Loharanon’ny fanambadiana. Izany dia toa an’i Josefa sy i Maria indrindra, izay nanaiky ny fitakiana ny hisoratana anarana, tokony ho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. — Lioka 2:1-5.
Fiomanana ho amin’ilay fisehoan-javatra
Nanapa-kevitra ny hitondra fanampiana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Mozambika. Voalohany, dia nohatonina ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Atitany tao Maputo, renivohitr’ilay tany, mba hamantarana ny fomba fiasa takin’ny lalàna. Avy eo dia nifandray tamin’ireo manam-pahefana teo an-toerana ireo misionera tany amin’ny renivohitry ny faritanin’i Tete, mba handrindrana tsara kokoa ny fandaharana. Nisy daty iray noferana mba handehanan’ireo misionera sy nôtera ary ireo manam-pahefana avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Kara-panondro, ho any amin’ny tanànan’i Fíngoè. Tetsy an-danin’izany dia nandefa taratasy fanazavana, nanome toromarika ho an’ireo kongregasiona rehetra voakasik’izany koa ny biraon’ny sampana. Na ireo Vavolombelona, na ireo manam-pahefana teo an-toerana, dia samy niandrandra tamim-pahadodonana an’io fisehoan-javatra manokana io avokoa.
Tamin’ny alahady 18 May 1997, dia tonga tao Fíngoè ny misionera telo, niaraka tamin’ireo manam-pahefana. Nanomanan’ireo manam-pahefana teo an-toerana filasiana mampiadana teo anilan’ny tranom-panjakana ireo manam-pahefana mpitsidika. Tena niaiky volana aoka izany noho ny fahaiza-mandray vahinin’ireo Vavolombelon’i Jehovah anefa ireo manam-pahefana mpitsidika, hany ka naleon’izy ireo niara-nipetraka tamin’ireo misionera tao amin’ny trano falafa natao maimaika. Gaga izy ireo nahafantatra fa loholona ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana ny iray tamin’ireo mpahandro, ary koa fa anisan’ireo mpiasa an-tsitrapo nanao ireo raharaha heverina ho ambany mba hanomanana an’ilay fampakaram-bady, ny mpiandraikitra mpitety faritany iray. Voamarik’izy ireo koa ny fahavononan’ireo misionera hiara-miasa. Tsy nitaraina ireo misionera, fa nipetraka tamin’ny trano falafa tsotra iray ary nampiasa zinga kely rehefa nandro. Mbola tsy nahita fifamatorana akaiky teo amin’ny olona tena samy hafa fiaviana toy izao mihitsy izy ireo taloha. Ny tena nampiaiky volana azy ireo anefa dia ny finoana naseho tamin’ny fanaovana sorona lehibe mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny lalàna eo amin’ilay tany sy amin’ny fandaharan’Andriamanitra.
Fisehoan-javatra nahafaly
Rehefa tonga ireo mpivady, dia niomana avy hatrany ho amin’ny dingana voalohany tamin’ilay fampakaram-bady, dia ny fahazoana fanamarinam-pahaterahana. Naharitra niandry sy nilahatra teo anoloan’ny ekipan’ny fanoratam-bahoaka ny rehetra, mba hanome ny filazalazana momba ny tenany manokana. Avy eo izy ireo dia namonjy filaharana hafa iray mba halaina sary, ka taorian’izay dia nandeha teo amin’ny ekipan’ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Kara-panondro, mba hahazo ny kara-panondron’izy ireo. Avy eo, dia niverina teo amin’ny ekipan’ny fanoratam-bahoaka izy ireo, mba hiomana ho amin’ilay sora-piankohonana izay niriny indrindra. Taorian’izay, dia naharitra nitsangana izy ireo, niandry ny fiantsoana ny anaran’izy ireo tamin’ny mégaphone. Fisehoan-javatra nampihetsi-po ny fanolorana ireo sora-piankohonana. Nisy fifaliana lehibe rehefa narangarangan’ny mpivady tsirairay toy ny loka ny sora-piankohonany.
Tao anatin’ny hafanana nigaingaina no nitrangan’izany rehetra izany. Na izany aza, dia tsy voahelingelin’ny hafanana sy ny vovoka ny fifaliana tamin’ilay fisehoan-javatra.
Niakanjo tsara ireo lehilahy, ka maro no nanao palitao sy karavato. Ireo vehivavy dia niakanjo tamin’ny fomba nentin-drazana, toy ny lamba mareva-doko antsoina hoe capulana, natao sikina. Ny sasany taminy dia nibaby zazakely tamin’ny lamba nitovy tamin’io.
Nandeha tsara ny zava-drehetra, nefa maro loatra ireo mpivady, ka tsy ho vita tao anatin’ny iray andro. Rehefa hariva ny andro, dia nanapa-kevitra tamin-katsaram-panahy ny hanohy hikarakara an’ireo mpivady, ireo mpitondra fanjakana. Nilaza izy ireo fa tsy azony natao ny namela “ireo rahalahintsika” hiandry, nefa efa nanao sorona betsaka aoka izany mba hahatongavana teo izy ireny. Hotsarovana foana io toe-tsaina tia miara-miasa sy mahafoy tena io.
Nilatsaka ny alina, niaraka tamin’ny hatsiaka be. Na dia nisy vitsivitsy tamin’ireo mpivady aza nipetraka tamin’ny trano falafa, ny ankamaroany kosa dia tany ivelany, nitanina afo. Tsy nampihena ny fifaliana tamin’ilay fisehoan-javatra izany. Rakotry ny feon’ny fihomehezana sy ny hira nohiraina tamin’ny feo efatra nirindra tsara ny fipoapoaky ny afo. Maro no nitantara ny zava-nitranga tamin’ny dia nataony, sady nihazona mafy ny antontan-taratasy vao azony.
Rehefa nangiran-dratsy ny andro, dia nisy sasany sahy nandeha tany afovoan-tanàna mba hivarotra ny akohony sy ny osiny ary ireo legiomany, mba handraisana anjara tamin’ny lany tamin’ny fisoratam-panambadiany. Maro no tena nanao “sorona” tokoa an’ireny biby ireny, ka nivarotra azy tamin’ny vidiny ambany lavitra noho ny tena vidiny. Ho an’ny olona mahantra, ny osy iray dia zava-tsarobidy sy lafo vidy; nefa vonona izy ireo ny hanao io sorona io, mba hahavita ny fisoratam-panambadiany ka hampifaly ny Mpamorona azy.
Zava-tsarotra tamin’ilay dia
Nandeha an-tongotra lavitra be ny sasany tamin’ireo mpivady, mba hahatongavana teo. Anisan’izany i Chamboko sy i Nhakulira vadiny. Sady nanafana ny tongony teo amin’ny afo izy ireo no nilaza ny tantarany, tamin’ny alina faharoa tamin’ilay fisehoan-javatra. Na dia 77 taona aza i Chamboko, jamba ny masony ilany ary zara raha mahita ny ilany, dia nandeha an-tongotra tsy nikiraro nandritra ny telo andro izy, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa tao amin’ny kongregasionany, satria tapa-kevitra ny hanoratra ara-dalàna ny fanambadiany efa naharitra 52 taona.
Efa niara-niaina tamin’i Neri hatramin’ny 50 taona teo ho eo i Anselmo Kembo, izay 72 taona. Andro vitsivitsy talohan’ilay dia, dia voatsindron’ny tsilo lehibe ny tongony, fony izy namboly tao an-tanimboliny. Nentina haingana tany amin’ny hôpitaly akaiky indrindra teo izy, mba hotsaboina. Na izany aza, dia nanapa-kevitra ny hanao ilay dia an-tongotra izy, ka nikotringa sady nahatsiaro nanaintaina, nandritra ilay dia manontolo ho any Fíngoè. Telo andro no nanaovany azy io. Dibo-kafaliana ny fon’i Anselmo rehefa nihazona ny sora-piankohonany teny an-tanany.
Mpanambady vao iray hafa tsara homarihina koa i Evans Sinóia, izay nanambady maro taloha. Rehefa nianatra ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra izy, dia nanapa-kevitra ny hanoratra ara-dalàna ny fanambadiany tamin’ny vadiny voalohany. Nolavin’izy io anefa izany, fa naleony nanaraka lehilahy hafa. Nanaiky ny hanambady azy ny vadiny faharoa, izay nianatra ny Baiboly koa. Niara-namakivaky toerana mampidi-doza fonenan’ny liona sy bibidia hafa izy roa. Taorian’ny dia naharitra telo andro, dia tonga mpivady ara-dalàna koa izy ireo.
Ny zoma, dimy andro taorian’ny nahatongavan’ireo misionera sy ireo mpitondra fanjakana, dia vita ilay asa. Ny vokany dia kara-panondro 468 sy fanamarinam-pahaterahana 374 no natao. Telo amby telopolo sy roanjato ny isan’ireo sora-piankohonana natao! Nahafinaritra ny rivo-piainana. Na teo aza ny harerahana, dia samy niaiky ny rehetra fa tena mendrika ny nanaovana azy tokoa ilay ezaka. Tsy isalasalana fa hiraikitra tsy ho azo kosehina ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo rehetra voakasik’izany, iny fisehoan-javatra iny. Tena fampakaram-bady hafa kely tokoa ilay izy!