Any Amin’ireo Trano Avo Be An-tanàn-dehibe ka Hatrany Amin’ny Efitra Toundra — Mandehana any Amin’ny Olona
NA NY orana, na ny oram-panala, na ny havandra, na ny amboadia, na ny puma, na ny faritra misy fahavalo, dia tsy afaka nanozongozona ny fahatapahan-kevitr’izy ireo. Niriotra an-tsoavaly namakivaky tanety rakotra ahitra midadasika 3 000 kilaometatra sy renirano misamboaravoara ary lohasaha lalina tamin’ny hafainganam-pandeha nahagaga izy ireo, mba hitondra taratasy maika any amin’ny Moron-tsiraka Andrefan’i Etazonia. Iza moa izy ireo?
Tsy iza fa ireo mpitaingin-tsoavaly tanora be fahasahiana tao amin’ny pony express.a Inona no nandrisika toe-tsaina mahery toy izany tao amin’ireto lehilahy tanora ireto? Azo inoana fa ny fisetran-java-tsarotra sy manaitaitra sy ny fahafaham-po nahatody ny taratasy. Mahaliana fa samy nitondra Baiboly iray tao anaty kitapony, niaraka tamin’ny taratasy, izay ny zava-dehibe voalohany, ny mpitaingin-tsoavaly tsirairay.
Mihoatra ny taonjato iray tatỳ aoriana, dia mbola nampiseho fahatapahan-kevitra sy hafanam-po ary fandavan-tena lehibe kokoa ireo mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 113 000 manerana an’i Kanada. Inona no antony manosika azy ireo? Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no manosika azy ireo hitondra ho an’ny hafa ny fahamarinan’ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny zavatra vita pirinty sy am-bava. Izany fahamarinana manome fiainana izany dia mahamaika lavitra kokoa noho izay mety ho taratasy, na inona na inona, nentin’ny pony express ho an’ny hafa. Eny, izany dia ny hafatra sarobidy momba ilay Fanjakana, hita ao amin’ny Baiboly Masina, ilay boky izay hita mihitsy tao anaty kitapon’ireo mpitaingin-tsoavalin’ny pony express. — Ohabolana 2:21, 22; Isaia 2:2-4; 61:2; Matio 22:37-39; 24:14.
Atosiky ny fitiavana an’i Jehovah sy ny olona
Tia miresaka amin’ny olona momba ilay Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho hitanao manao izany izy ireo any amin’ireo trano misy rihana maro an-tanàn-dehibe, any amin’ny fiaraha-monina any amin’ny toundra lavitra be, eny amin’ny seranam-piaramanidina, eny amin’ny arabe sy eny an-kalamanjana, ary an-telefaonina. Nahoana no amin’ny toerana maro samihafa toy izany?
Mahatonga zava-tsarotra goavana tsy maintsy setraina ny fahitana ny olona any an-tranony, noho ny fiovan’ny fomba fiaina vokatry ny faneren’ny toe-javatra ara-toe-karena sy mahakasika ny mponina. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia samy miasa ny mpivady mba hikarakarana ireo zavatra ara-nofo tena ilain’ny fianakaviana, ka ireo zavatra ilaina ara-panahy matetika no manjary atao tsirambina. Mila mafy dia mafy hafatra mitondra fanantenana manafana ny fo izy ireo, eo anivon’izany fanerena sy fihenjanana izany. Manome izany amim-pifaliana ireo Vavolombelon’i Jehovah. Amim-pahamalinana sy amin-katsaram-panahy, dia mamorona fahafahana hitondra ny vaovao tsara any amin’ny karazan’olona rehetra izy ireo, amin’ny fomba manintona sy mampisaintsaina. — 1 Timoty 2:3, 4, NW.
Amin’ny fiteny hafa: Rehefa nandidy an’ireo mpanara-dia azy mba ‘handeha sy hanao mpianatra’ i Jesosy, dia nihevitra ny fahafahan’izy ireo haneho fahaiza-manombo-javatra sy fahatapahan-kevitra, rehefa mitondra ny hafatra manome fanantenana any amin’ireo olona avy amin’ny fiteny rehetra. (Matio 28:19). Tahaka ny any amin’ny tany maro, i Kanada dia tonga fitambarana kolontsaina sy fiteny maro samy hafa, ka maro ireo mpitory ilay Fanjakana no nampifanara-javatra, tamin’ny fianarana teny vaovao.
Ohatra, ny mpivady mpanompo manontolo andro iray any Edmonton, Alberta, dia nahita ny ilana hitondrana ny hafatra any amin’ireo olona niteny sinoa mandarin tao amin’ny tanàna nisy azy ireo. Voalohany indrindra anefa, dia nila nianatra ilay fiteny ilay mpivady; koa nifandray tamin’ny mpianatra iray tany amin’ny oniversite izay niteny mandarin àry izy ireo. Nanaiky izy io hampianatra azy ireo ilay fiteny sady nianatra ireo fahamarinana ara-baiboly tamin’izy ireo koa. Tarehin-javatra nety indrindra re izany! Tao anatin’ny 24 volana, ireto mpitory ilay Fanjakana roa be fandavan-tena ireto dia ampy fahaizana mba hampianarana amin’ny fiteny mandarin. Tao anatin’izany fotoana izany ihany, dia nahafeno fepetra ho amin’ny batisa kristiana ilay mpampianatra sady mpianatr’izy ireo.
Fanandraman-javatra mitovy amin’izany no nankafizina tany amin’ny tanàna hafa, rehefa nianatra fiteny poloney, rosiana, sy vietnamiana ireo mpitory ilay Fanjakana natosiky ny fitiavana.
Eny an-dalana: Tahaka ireo mpitaingin-tsoavalin’ny pony express tamin’ny taonjato lasa, izay nanao dia irery, dia mpanao dia irery toy izany koa ireo mpitory ilay Fanjakana sasany any afovoan-tanin’i Kolombia Britanika. Ny ankamaroan’ny fotoanany dia lany amin’ny asa familiana kamiao matanjaka be mpitatitra hazo, avy any ambanivohitra mankany amin’ireo orinasa fanatsofan-kazo. Izany dia mitaky fifandraisana mitohy amin’ireo mpamily hafa amin’ny alalan’ny radio CB (citizen band), mba hiresahana momba ny fifamoivoizana sy ireo loza eny an-dalana.
Amin’ny fampisehoana fahaizana mamoron-javatra, dia mampiasa ny radio CB, amin’ny fomba tsy mahazatra, ireny mpitory ilay Fanjakana ireny. Manombo-dresaka amin’ny CB izy ireny, amin’ny fanononana izay vaovao farany. Avy eo, dia manintona amim-pahakingana ny saina ho amin’ny Baiboly izy ireo. Indray mandeha, dia nandray tsara izay lazain’ny Baiboly momba ny fanantenan’ny maty ny mpamily kamiao iray tahaka azy. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15). Nanelingelina azy lalina ny nahafatesan’ny mpamily iray tahaka azy tamin’ny lozam-piarakodia iray, teny amin’ny lalam-be. Nanaiky tamim-pankasitrahana fampianarana Baiboly izy, ary ankehitriny izy, dia re manao fanambarana ny vaovao tsara amin’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo namany. Ankoatr’izany, dia faly izy fa natomboka ny fampianarana Baiboly iray niaraka tamin’ny vadin’ilay namany maty. Valisoa re izany noho ny nanaovana ny dingana voalohany tamin’ny fanolorana ny hafatry ny fahamarinana manome fiainana, tamin’izany fomba tsy mahazatra izany!
Amin’ny fiaramanidina: Rehefa mitondra ilay hafatra sarobidin’ny fahamarinana ireo mpitory ilay Fanjakana be zotom-po, dia mandeha any amin’izay misy ny olona, ‘miditra any amin’ireo vohitra’ amin’ny alalan’ny fiaramanidina kely. (Matio 10:11, 12). Tsy ela izay, ny antokon’olona roa nandeha fiaramanidina, izay natosiky ny zotom-po hanambara ny vaovao tsara sady nianto-tena, dia nandeha tany amin’ireo olona niely patrana tany amin’ny efitra midadasiky ny toundra. Ny tsirairay tamin’ireo antokon’olona nandeha fiaramanidina ireo, dia nahavita 3 000 kilaometatra teo ho eo, ary nahatratra fiaraha-monina 14 samy hafa, tonga hatrany amin’ny 250 kilaometatra amin’ny Faribolan-tendrontany Arktika. Nanohy nanatratra ireo olona nitokana noho ny halavirana lehibe, nandritra ny fito andro maninjitra, ireto mpitory tsy nitandro hasasarana ireto.
Mendrika ny natao ve izany rehetra izany? Eritrereto fotsiny ny vokany tsara nentin’ny hafatry ny Baiboly tany amin’ireny fiaraha-monina ireny. Ireo mpitory mpitsidika ireo dia nanampy tamin’ny fanomezana fahafaham-po zavatra ilaina ara-panahy iankinan’ny aina, rehefa nanoritra ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny tany paradisa amin’ny hoavy tsy ho ela. (Matio 5:3). Ela taorian’ny nandehanan’ireo mpitondra hafatra ireo, dia afaka namaky ireo Baiboly sy boky fianarana ny Baiboly 542 ary gazety 3 000 izay napetraka teo am-pelatanany, ireo olona tso-po tany amin’ireny fiaraha-monina ireny. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:24.
An-telefaonina: Mponina an-tanàn-dehibe an-jatony maro no mipetraka any amin’ny trano avo be izay misy fiarovana mampiasa teknôlôjia ary fomba. Na dia izany aza, dia manao zavatra amin-jotom-po sy amim-pahamalinana ireo mpitory ilay Fanjakana nanolo-tena. Ahoana no ahafahan’izy ireo mandeha any amin’izay misy ireny olona ireny? Na dia tsara kokoa aza ny fifandraisana mivantana dia matetika no ampiasaina amim-pahombiazana ny telefaonina eo am-baravarana. Raha tsy mety izany, dia mampiasa ny annuaire, ka miantso ny olona an-telefaonina, izy ireo.
Indray maraina, dia nandray ny telefaoniny ny vehivavy be taona iray. Taorian’ny fiarahabana fohy sy feno fanajana, dia nanontaniana izy raha mino fa ho avy ny fotoana hahafahan’ny olona handeha, tsy hisy ahiahy, eny amin’ny arabe amin’ny alina. Novakina taminy ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly mba hanomezana toky azy fa ho be ny fiadanana amin’ny hoavy. (Salamo 37:10, 11; Daniela 2:44; Matio 6:9, 10). Nanaiky resaka an-telefaonina izy ny herinandro nanaraka, amin’ny ora mitovy, mba hiresahana ny antony ahafahantsika mino ireo fampanantenan’Andriamanitra. Taorian’ny iray volana nianarana Baiboly an-telefaonina, namakiana ireo fehintsoratra avy tao amin’ny boky fianarana ny Baiboly sy nametrahana fanontaniana mety, dia nahazo teny fiderana avy tamin’ilay vehivavy ilay mpitory ilay Fanjakana, noho izy nitondra foto-dresaka maro samy hafa aoka izany, isan-kerinandro. Tonga ny fotoana hilazalazana aminy ny amin’ny boky fianarana sy ny hanomezana iray ho azy manokana. Avy eo, dia natao ny fandaharana mba hihaonan’izy mianaka mivantana. Eny tokoa, nampiseho ny fitiavany olona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mandray tsara ny olona, ka manaiky fa momba an’ireo mpitory kristiana ireo, i Jehovah. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 14:25.
Amin’ny alalan’ny zavatra vita pirinty: Mandeha any amin’izay misy ny olona koa ireo mpitory ilay Fanjakana any amin’ny provansin’i Québec, izay mampiasa indrindra indrindra ny teny frantsay. Nanao izao fanamarihana izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Nandritra ny taona maro, dia nahatsapa ireo rahalahy fa tsy nanao fandrosoana mihitsy noho ny fanoherana feno fahasiahana avy amin’ny eglizy. Nefa, noho ny asa tsy nitandroana hasasarana sy ny fitsidihana niverimberina nataon’ireo rahalahy, dia manana ny toerany ao amin’ny ankamaroan’ny tokantrano ankehitriny ny Baiboly, izay boky saika tsy dia fantatra loatra sy an-kavitsiana ihany no namaky azy.”
Mampientana ny vokatra azo rehefa misy mpitory vaovao avy amin’ny sokajy rehetra amin’ny fitambaran’olon’i Québec, anisan’izany ny mpitsabo. Toy izany ny amin’ny dokotera iray. Niresaka matetika taminy momba ny fanantenana ao amin’ny Baiboly ny vadiny, izay efa mpitory ilay Fanjakana. Nanao ny dingana voalohany ny loholona mailo iray tao amin’ny kongregasiona, tamin’ny fanasana ilay dokotera hanatrika ny fivorian’ny kongregasiona nianarana ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao? Tonga izy ary nandray anjara mihitsy aza. Nampiaiky volana azy ny hatsarana sy ny halalin’ireo dinidinika teo amin’ny lafiny ara-panahy, hany ka nanaiky fampianarana Baiboly ho an’ny tenany manokana izy. Ankehitriny izy dia mpitory ilay Fanjakana koa.
Ny fampiasana amin’ny fomba mandaitra ireo gazety dia manana anjara asa lehibe amin’ny fanintonana ny olona ho amin’ny Baiboly. Tsy misy mahalala mihitsy hoe lahatsoratra inona no hanosika ny olona iray ho voatarika ho amin’ny fahamarinana. Ny mpitory ilay Fanjakana iray dia nanolotra nomerao iray tamin’ny Mifohaza! tamin’ny mpiray tanàna iray, izay tsy naniry hihaino ilay hafatra, nefa liana tamin’ny tontolon’ny bibikely. Nanitikitika azy ilay sary teo amin’ilay lahatsoratra hoe “La maladie de Chagas: un baiser de mort” tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1992. Nampiaiky volana azy izay novakiny, hany ka nangataka gazety fanampiny izy. Natomboka ny fampianarana Baiboly ary tao anatin’ny enim-bolana dia nitory tamin’ny hafa izy.
Eny an-kalamanjana: Ny lalàna kanadiana dia manome lalana hiresaka amin-kalalahana eny an-kalamanjana, toy ny any amin’ny seranam-piaramanidina. Any amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Halifax, dia manatona amim-pahamalinana ireo mpandeha ireo mpitory ilay Fanjakana ka manao izay hampiresahana azy ireny mandritra ireo fotoana anelanelan’ny zotram-piaramanidina samy hafa. Mba hitarihana ilay resaka ho amin’ny Baiboly dia ampiasaina ireo fanontaniana fitarihana ny saina atao amin’ny fotoana mety. Koa satria mitondra Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra fanao am-paosy izy ireo, dia afaka manome fahafaham-po amin’ireo zavatra ilaina ara-panahy. Anisan’ireo nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’izany fomba izany sy nitondra voan’ny fahamarinana mba hitsimoka any amin’ny toerana lavitra dia lavitra ireo dokotera mpandidy, mpahay siansa, mpahay lalàna, mpanamory fiaramanidina, olona anisan’ny klerjy, polisy, mpitondra taksia, injeniera, mpampianatra, miaramila, sy mpanao politika avy any amin’ny firenen-kafa. — Kolosiana 1:6.
Indray maraina be, tany amin’ny seranam-piaramanidina, dia nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny lehilahy iray. Avy eo izy dia niteny tamin’ny feo miadana sy tony hoe: “An, An, kosa e! Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah!” Nahoana izy no nanana izany fihetsika izany? Io lehilahy io dia Silamo nafana fo izay vao avy nivavaka tao amin’ny chapelle an’ilay seranam-piaramanidina. Nitalaho tamin’Andriamanitra izy mba hampiseho aminy ny fahendrena sy ny fahaiza-mahataka-javatra ary ny fahamarinana. Nitolagaga fotsiny izy tamin’ny fieritreretana fa ny Vavolombelon’i Jehovah no valim-bavaka teo no ho eo azony.
Eny tokoa, ireo mpitory ilay Fanjakana be herim-po any Kanada, dia tsy mamela na inona na inona hanakantsakana ny fampisehoany ny hafatra sarobidin’ilay Fanjakana. Tsy avelan’izy ireo hanakivy azy, na ny teny vahiny, na ireo lalan-tany mikitoantoana, na ireo fiaraha-monina lavitra be, na ireo trano misy rihana maro an-tanàn-dehibe izay misy fiarovana ary fomba. Tapa-kevitra izy ireo ny hitondra ny hafatra momba ny fiainana avy amin’Andriamanitra amin’ireo olona tso-po mitady ny fahamarinana. Miaraka amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy sady mpiara-miasa maneran-tany, dia mankatò, tsy amim-pitiavan-tena, ilay didin’i Jesosy mba ‘handeha sy hanao mpianatra’ izy ireo. — Matio 28:19.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny pony express dia paositra tany Etazonia, izay niasa nandritra ny fe-potoana fohy nisy 16 volana monja, nanomboka tamin’ny 1860 ka hatramin’ny 1861.
[Efajoro, pejy 27]
Mampiasa ny Telefaonina Ireo Mpitory Ilay Fanjakana Mahomby
Nilaza toy izao ny sasany: “Allo. I [omeo ny anarana] no anarako. Niresaka fohy tamin’ny olona mipetraka ato amin’ny trano misy anareo ny amin’ny fomba mety hahazoana fiadanana aho. Heverinao ve fa mbola hisy izany fiadanana maneran-tany izany indray andro any? [Avelao ilay olona hamaly.] Mba hampilamina ny sainao dia tsy hoe hanao fanadinadinana na hivarotra zavatra akory aho. Mizara ilay hevitra ao amin’ny Soratra Masina kosa aho, hevitra izay manambara fa tena hitondra fiadanana tokoa Andriamanitra.” Avy eo, dia azo atao ny manohy ilay resaka amin’ny dinidinika fohy ara-baiboly.
Nilaza toy izao ny hafa: “Manao ahoana, tompoko ô! I [omeo ny anarana] no anarako. Mpiasa an-tsitrapo eto amin’ny faritra misy anareo aho. Nanontany ny hevitr’ireo olona mipetraka ato amin’itỳ trano misy anareo itỳ aho. Maro no miahy ny amin’ny fiarovana ny tenany noho ny fitomboan’ny herisetra sy ny heloka bevava eto amin’ny faritra misy antsika. Mampanahy anao ve izany zavatra izany, tompoko? [Avelao ilay olona hamaly.] Heverinao ve fa mbola hisy ny fotoana hahatsapan’ny tany manontolo tsy fananana ahiahy?” Avelao izy hamaly ary tohizo amin’ny hafatra ara-baiboly.