Moa ve Ianao Mijery Lafy Tsaran-javatra sa Mijery Lafy Ratsin-javatra?
“INY no fotoana tsara indrindra, iny no fotoana ratsy indrindra, (...) iny no lohataonan’ny fanantenana, iny no ririnin’ny famoizam-po, nanana ny zavatra rehetra teo anoloanay izahay, sy tsy nanana na inona na inona teo anoloanay izahay.” Ireo teny fanokafana ao amin’ny sangan’asan’i Charles Dickens hoe A Tale of Two Cities (Anganon’ny tanàna roa) dia mampifanohitra amim-pahakingana ireo vokatra samy hafa ateraky ny zava-miseho eo amin’ny fihevitsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny fomba fijerintsika zavatra.
Ireo tanàna roa nasiana firesahana dia i Londres sy i Paris nandritra ny fisafotofotoana izaitsizin’ny Revolisiona Frantsay. Ho an’ireo olom-pirenena nampahorina tany Frantsa tamin’ny taonjato faha-18, ny fanambaran’ny revolisiona ny zon’olombelona dia tena “lohataonan’ny fanantenana” tokoa. Fa ho an’ireo tao amin’ny ancien régime, na ny fandehan-javatra ara-politika efa ho lasa, dia “ririnin’ny famoizam-po” ilay izy, izay nitarika ho amin’ny fahafatesana sy ny fandringanana.
Fijerena ny lafy tsaran-javatra sa fijerena ny lafy ratsin-javatra? Izany dia niankina tamin’ny andaniny nisy anao. Ary dia mbola izany ihany no izy.
Fotoana handinihan-tena
Moa ve ianao mijery ny lafy tsaran-javatra? Moa ve ianao mahita ny lafiny mahafaly, eo amin’ny fiainana, ka miandrandra ny tsara indrindra mandrakariva? Sa ianao mirona hijery ny lafy ratsin-javatra, ka manana fomba fijery tsy manorina momba ny hoavinao, ary manantena fiafarana tsara no sady manampo ny ratsy indrindra?
Enimpolo taona lasa izay, ilay mpanoratra tantara amerikana natao hoe James Branch Cabell, dia namintina ireo filozofia roa mifanohitra ireo tamin’izao fomba izao: “Ny mpijery ny lafy tsaran-javatra dia milaza fa miaina ao amin’ilay tontolo tsara indrindra mety hisy isika; ary ny mpijery ny lafy ratsin-javatra dia matahotra sao marina izany.” Raha mihevitra ianao fa tsy fatokiana olona izany fomba fijery izany, dia diniho ny hevitra manohana sy ny manipaka an’ireto lafin-javatra telo monja izay aseho eto ambany ireto. Avy eo dia fakafakao ny fihetsikao, ary manontania tena hoe: ‘Moa ve aho mijery ny lafy tsaran-javatra sa mijery ny lafy ratsin-javatra?’
Fiadanana maharitra: Afaka mitanisa faritra misy korontana firy ianao? Irlandy, Iogoslavia teo aloha, Moyen-Orient, Burundi, Rwanda — ireo no tonga mora foana ao an-tsaina. Ho voalamina ve ireny sy ireo ady hafa, indray andro any, mba hiantohana fiadanana maneran-tany maharitra? Mizotra ho any amin’ny fiadanana ve izao tontolo izao?
Toe-karena miorina tsara: Manantena firaisan-kina ara-bola mandra-pahatongan’ny 1999, ireo firenena ao amin’ny Vondrona Eoropeana, ka miady mafy amin’ny zava-manahirana noho ny fisondrotan’ny vidim-piainana sy ny fisamboram-bola amin’ny vahoaka. Any an-toeran-kafa, ny fandraisana kolikoly dia manimba ny rafitra ara-toe-karen’ny firenena maro any Amerika sy atsy Afrika, izay ahitana fisondrotan’ny vidim-piainana izay mampihatra enta-mavesatra mila tsy ho zaka, sy zava-manahirana ara-poko mbola mampizarazara ny olona. Efa eo anoloantsika ve ny toe-karena miorina tsara?
Ny tsy fananana asa: Tamin’ny fifidianam-pirenena tamin’ny 1997, ireo fiangonana britanika dia nitambatra mba hampirisika ny antoko politika rehetra, mba hametraka ho loha laharana ao amin’ny lisitry ny zavatra hodinihiny, ny asa ho an’ny mpiasa rehetra. Kanefa, satria efa ho 30 isan-jaton’ny mpiasa maneran-tany no tsy an’asa na manana asa tsizarizary, moa ve ho afaka ny hisy asa maharitra ho an’ny mpiasa rehetra — indrindra fa ho an’ireo tanora?
Mora erỳ ny mahita ny lafy ratsin-javatra! Kanefa misy lafiny mahafeno fanantenana, ary manasa anao izahay mba handinika fa azo atao ny mamboly fomba fijery ny lafy tsaran-javatra.
[Sary, pejy 3]
Ny Revolisiona Frantsay
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny boky Pictorial History of the World