FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/12 p. 25-28
  • Valisoa Sarobidy Entin’ny Fanompoana Masina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valisoa Sarobidy Entin’ny Fanompoana Masina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho
  • Fitahiana ara-panahy
  • Fototra ho an’ny fitarana
  • Fivoriambe lehibe tamin’ny fotoan’ny ady
  • Ny fivoriana fanao isan-taona tsy nanam-paharoa tao Leicester
  • Porofon’ny Firahalahiantsika Ireo Fivoriambe
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fivoriamben’ny Distrika sy Iraisam-pirenena 1998 “Fomba Fiaina Araka An’Andriama
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Fivoriamben’ny Distrika 1995 “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/12 p. 25-28

Valisoa Sarobidy Entin’ny Fanompoana Masina

Notantarain’i Harry Bloor

Tokony ho zato taona lasa izay, ny raibeko dia mpikambana nafana fo tao amin’ny Fiangonana Metodista. Mpitory teny nohajain’ny olona koa izy, ary nanohana tamim-pahalalahan-tanana ny fiangonana kely maro tao Stoke-on-Trent, ilay tanàna mpanao vilany tanin’i Angletera. Avy eo izy dia tratran’ny fahasahiranana ara-bola. Mba hanampiana an’i Dadabe, dia nandamina ny hitantanany fivarotana kely iray tao an-tanàna ny raiko. Nanana fahazoan-dalana hivarotra labiera ilay fivarotana, ary raha vao ren’ireo Metodista izany, dia nanongana avy hatrany an’i Dadabe izy ireo.

ROMOTRA i Dada, ka nivoady ny tsy hifandray tamin’ny fivavahana intsony mihitsy — ary dia nitana ny teny nataony izy. Polisy izy taloha, nefa tatỳ aoriana dia tonga tompon’ny trano fisotroan-toaka iray. Koa notezaina teo anivon’ny fofona sy ny setro-tsigara tao amin’io toerana io àry aho. Tsy nisy toerana ho an’ny fivavahana ny fiainako, fa ny nibahan-toerana kosa dia ireo kilalao toy ny fanorona, izay nanjary talentako! Noho ny fitaoman’i Dadabe tany am-boalohany anefa, dia mbola nanana fanajana lalina ny Baiboly aho, na dia tsy nahalala firy momba azy io aza.

Nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly aho

Tamin’ny 1923, fony aho 24 taona, dia nifindra honina tany Nottingham, any atsinanana, aho, ary nanomboka niaraka tamin’i Mary, izay nipetraka tany amin’ny 40 kilaometatra, tao amin’ny tanàna kelin’i Whetstone, any atsimo-andrefan’i Leicester. Mpitendry orga tao amin’ny fiangonana tany an-toerana ny rainy, i Arthur Rest, taloha. Tamin’io fotoana io anefa izy dia efa Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay, ary nafana fo be. Niresaka momba ny finoany vaovao tamiko foana i Arthur — nefa tsy nahazo vokatra firy. Taitra anefa ny fahalianako, fony aho niaraka taminy ho any amin’ny fiangonana batista teo an-toerana, ny alahady 13 Jolay 1924 tolakandro, mba hihaino lahateny iray hataon’ny solombavam-bahoaka iray, izay Batista ambony toerana. Nanitikitika ny saiko ny foto-keviny hoe “Ireo Fampianaran’ny Pastora Russell — Fakafakaina Araka ny Fahazavan’ny Soratra Masina”. Mbola ao amiko ireo fanamarihana noraisiko an-tsoratra tamin’izay.

Tsy nanaiky ny fangatahan’ireo Mpianatra ny Baiboly hamaly iny famelezana ny finoany iny ny Batista. Tezitra mafy noho izany aho, ka nanapa-kevitra ny hitady toerana iray hafa hanaovana ilay fivoriana. Tena nety tsara ny fitoeran-tsompitra iray teo akaiky. Nofafanay ilay izy, nesorinay ireo tranon-kala, nakisakay ireo milina fivelezana vary ary dia vonona tanteraka izahay. Nahangona seza 70 izahay ary nanao pirinty taratasy fanasana.

Rehefa tonga avy tany Leicester mba hanao ilay lahateny i Frank Freer, dia feno avokoa ireo seza rehetra, ary nisy olona 70 hafa nitsangana! Nanintona ahy sy ny maro hafa teo ny fanjohian-kevitra mazava nataon’i Frank avy tamin’ny Soratra Masina. Nanomboka tamin’izay, dia nitombo haingana ilay kongregasiona kelin’ireo Mpianatra Baiboly teto Blaby, akaikin’i Leicester. Fiolahana lehibe teo amin’ny fiainako — sy ny an’i Mary — koa tamin’izay. Tamin’ny 1925 izahay dia samy nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa ary nivady.

Fitahiana ara-panahy

Ny taona nanaraka, dia voatendry ho talen’ny fanompoana tato amin’ny Kongregasionan’i Blaby aho. Naniry hanara-dia an’ireo colporteurs mba ho mpitory ny filazantsara manontolo andro izahay mivady. Tsy ela anefa dia niharihary fa tsy hamela azy hanaraka izany fandaharam-potoana henjana izany ny tsy fahasalaman’i Mary. Na dia farofy aza izy hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1987, dia tena namana tsara dia tsara sady mpitory faran’izay tsara, izay feno hakingana nanao fanambarana tsy ara-potoana sy nanomboka fampianarana Baiboly. Isan’alina izahay dia, na nanatrika fivoriana, na nizara ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny mpiara-monina taminay.

Injeniera aho ary niasa tao amin’ny orinasa iray mpanao milina mpanatsofa hazo. Noho ny asako, dia nanao dia be dia be nanerana an’i Grande-Bretagne sy tany Frantsa aho, ary mazàna i Mary no nanaraka ahy. Nanome anay fahafahana hitory be dia be ireny dia ireny.

Fototra ho an’ny fitarana

Tamin’ny 1925, dia nanangana trano tsara tarehy hanaovana ny fivorianay teto Blaby izahay, ary avy tao izahay dia nandamina fandaharam-pitoriana nandaitra. Isaky ny alahady maraina, dia nanofa aotobisy iray nitondra anay ho any amin’ireo tanàna kely niparitaka izahay. Teny an-dalana dia nisy mpitory nampidinina mba hitory, ary avy eo dia noraisin’ilay aotobisy indray izy ireo rehefa nody. Nandritra ireo volana mafana, dia nanao fianarana Baiboly ny alahady takariva izahay, ka nampiasa ny nomerao farany tamin’ny Tilikambo Fiambenana. Taorian’izany, tamin’ny valo ora, dia nivory teo an-tsenan’i Leicester izahay mba hihaino lahateny ampahibemaso iray teny an-kalamanjana. Indray alina, dia olona 200 no tonga. Izany rehetra izany dia nanorina ny fototra ho an’ireo kongregasiona maro misy ankehitriny atỳ Leicester sy ny manodidina azy.

Tamin’ny 1926, dia nisy fivoriambe nanan-tantara iray niara-natao tao Alexandra Palace sy Royal Albert Hall, ao Londres. Tamin’io fotoana io, i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia namoaka ilay boky vaovao hoe Délivrance. Ilay fanapahan-kevitra nolanina hoe “Fanambarana ho An’ireo Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao”, sy ilay lahateny ampahibemaso nahery nataon’ny Rahalahy Rutherford hoe “Nahoana no Mangozohozo Ireo Fanjakana Matanjaka? — Ny Fanafodiny”, dia samy natao pirinty manontolo tao amin’ny gazety lehibe iray ny ampitson’ny nanaovana azy ireo. Olona maherin’ny 10 000 no nahare ilay lahateny ampahibemaso, ary 50 000 000 tamin’ilay fanapahan-kevitra nolanina no nozaraina naneran-tany taorian’izay. Iny fivoriambe iny dia nanafaingana ny asa fitoriana teto Grande-Bretagne.

Fivoriambe lehibe tamin’ny fotoan’ny ady

Nipoaka ny ady lehibe faharoa tamin’ny Septambra 1939, ary tamin’ny 1941 dia efa nahatratra ny fara heriny izy io. Ireo mpandatsaka baomba alemà dia nanafika andro aman’alina, hany ka notapahina ny jiro rehetra nanerana ilay tany. Sarotra ny nahita sakafo, ary izay nisy dia notsinjaraina tamin’ny fomba hentitra. Voafetra be ny fitaterana, na dia tamin’ny lamasinina aza. Na dia teo aza ireo vato misakana toa tsy hay resena ireo, dia nanao fivoriambem-pirenena naharitra dimy andro izahay ny 3-7 Septambra 1941.

Ny De Montfort Hall tao Leicester no nofidina hanaovana ilay fivoriambe, satria eo afovoan’i Angletera i Leicester. Noho izaho tao amin’ny raharaha fikarakarana hazo, dia afaka nanampy tamin’ny fanamboarana soratra fampahafantarana. Nandamina ny fitaterana ho an’ireo mpanatrika ilay fivoriambe koa aho. Nividy tapakila mialoha izahay, no sady nandoa nihoatra noho ny vidiny ara-dalàna, hany ka afaka nampandeha ireo kalesin-dalambin’i Leicester na dia ny alahady aza.

Noho ireo fameperana tamin’ny fanaovana dia, dia Vavolombelona 3 000 tany ho any no nantenainay fa ho afaka ny ho avy. Alao sary an-tsaina ny fientanam-po rehefa solontena 10 000 mahery no nilaza fa ho tonga! Aiza anefa no hilasian’izy ireo? Ireo mponin’i Leicester dia naneho hatsaram-panahy ka nanasa olona maro hivahiny tany aminy. Fanampin’izany, dia olona tokony ho arivo no nomena filasiana tao amin’ny lay natsangana tao amin’ny saha iray, telo kilaometatra avy teo amin’ny toeran’ny fivoriambe. Niteraka resa-be teo amin’ny manodidina i Camp Gideon, araka ny niantsoanay azy.

Lay fotsy ngezabe no nohofana ho an’ireo sampan-draharahan’ny fivoriambe sy ireo vahoaka sesehena ireo. Rehefa hita fa nety ho lasibatry ny mpandatsaka baomba nazia tao anatin’ny diavolana mangoratsaka ireo lay, dia nafenina haingana. Ny ady, ary indrindra fa ny tsy fandraisan’ny Vavolombelona anjara taminy, dia tonga votoatin-dresaka teo amin’ny vahoaka. Vavolombelona an-jatony maro tamin’izany fotoana izany no tany an-tranomaizina, noho ny fialanalanany niorina tamin’ny Baiboly. — Isaia 2:4; Jaona 17:16.

Hoy ny tatitra nataon’ny The Leicester Mercury tamin’ny 7 Septambra 1941: “Zava-mahagaga ny mahita olona 10 000, ka tanora ny ankamaroany, miresaka momba ny fivavahana mandritra ny herinandro nefa tsy manonona ny ady akory, raha tsy hoe marihiny kely fotsiny angaha.

Nanontany aho raha nanana mpikambana tany Alemaina koa ny Vavolombelona. Eny, hoy ny valin-teny azoko, ary saika izy rehetra, 6 000 teo ho eo, dia tany amin’ny toby fitanana avokoa.”

Nanampy teny toy izao ilay mpanao gazety: “Eny tokoa, tena fahavalo marina ny Nazia, nefa ny Vavolombelona dia tsy manao na inona na inona mba hanoherana azy ireo, afa-tsy ny mivarotra taratasy mivalona sy mihaino lahateny.”

Ny ankamaroan’ireo teny momba anay tao amin’ny gazety dia ratsy, ary nampiasa herisetra mihitsy aza ireo mpanohitra, nefa tsy nahavoa, mba hanandramana hampijanona ilay fivoriambenay. Na dia izany aza, dia niaiky tsy sazoka, ny Daily Mail tany Londres hoe: “Nisosa tsara tsy nisy korontana ary nandaitra ilay fandaharana.”

Nampangaina ho tompon’andraikitra ny amin’ny tsy fahampian’ny sigara tao amin’ilay tanàna izahay. Hoy anefa ny fanazavan’ny The Daily Mail: “Na i Leicester na ny Mpanara-maso ny Sigara dia tsy afaka mitaraina hoe mandany ny sigaran’i Leicester ny Vavolombelona, satria tsy mifoka sigara akory izy ireo.” Afa-tsy izany koa, ireo fitarainana hoe nolanin’ny Vavolombelona ny sakafon’ny mponina teo an-toerana, dia nisinda rehefa nohazavaina fa nitondra ny ankamaroan’ny sakafony izy ireo. Raha ny marina aza, tamin’ny faran’ilay fivoriambe, dia mofo dipaina efa ho roa kilao no nomena ny Leicester Royal Infirmary — fanomezana goavana rehefa dinihina ny tsy fahampian-tsakafo tamin’ireny fotoana ireny.

Tena nandrisika ara-panahy an’ireo Vavolombelona 11 000 teto Grande-Bretagne ilay fivoriambe. Nientam-po izy ireo nahita mpanatrika tokony ho 12 000! Nandray anjara tamim-pifaliana tamin’ny fitoriana teny amin’ny araben’i Leicester mbola tsy nisy toy izany ireo solontena. Nitsidika tanàna kely nanodidina koa izy ireo, nitondra grafofaonina nisy lahateny.

Ireo lahateny lehibe indrindra tamin’ilay fivoriambe dia fandraisam-peon’ireo lahateny tamin’ny fivoriambe naharitra dimy andro nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny volana talohan’io tany Saint Louis, any Missouri, any Etazonia. Ny fandraisam-peon’ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford hoe “Ireo Zanak’ilay Mpanjaka” dia zava-nisongadina tamin’ilay fivoriambe. Koa satria tsy azo natao ny nampiditra ilay boky vaovao hoe Children navoaka tany Saint Louis, dia nisy fanontana manokana tsy nifono baoritra taminy natao teto Grande-Bretagne tatỳ aoriana. Nandefasana iray taminy ny ankizy rehetra nanatrika ilay fivoriambe.

Ny fivoriana fanao isan-taona tsy nanam-paharoa tao Leicester

Taorian’ny ady, dia nahatalanjona ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Grande-Bretagne! Teo am-piandohan’ireo taona 1980, dia efa nahatratra folo ny isan’ny kongregasiona tatỳ Leicester. Tamin’izay izahay dia nampahafantarina fa ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanapa-kevitra ny hanao ny fivoriambe fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society isan-taona, tatỳ Leicester tamin’ny 1983. Izaho no mpiandraikitra ny tanànan’i Leicester, ka tsy ela aho dia voaray tamin’ny fanaovana fanomanana, anisan’izany ny fanofana indray ny De Montfort Hall.

Mpikambana 13 tao amin’ny Fitambara-mpitantana no tonga avy tany amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn. Solontena 3 671 — avy tamin’ny faritra naneran-tany tamin’io indray mandeha io, ary efa ela tao amin’ny fahamarinana ny ankamaroany — no nameno ilay efitra lehibe. Nisy olona 1 500 fanampiny nahare ilay fandaharana tao amin’ny Efitrano Fivoriambe teo akaiky.

I Albert D. Schroeder, izay niandraikitra ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Londres nandritra ilay fivoriambenay tatỳ Leicester tamin’ny fotoan’ny ady, no nitantan-draharaha tamin’io fivoriana fanao isan-taona io. Nanao jery todika ilay fivoriambe tamin’ny 1941 ny Rahalahy Schroeder, ka nanontany hoe: “Firy aminareo eto anio no nanatrika tamin’izay?” Maherin’ny antsasaky ny mpanatrika no nanangan-tanana. “Oay! Toy inona moa izao fifankahitana izao ho anareo mahatoky sy tsy mivadika rehetra!”, hoy ny fihiakany. Tena tsy ho hay hadinoina tokoa iny fisehoan-javatra iny.

Valo amby sivifolo taona aho izao, nefa mbola mpitan-tsoratry ny kongregasionanay ihany, no sady mbola manao lahateny ampahibemaso ihany, na dia mipetraka aza aho rehefa manao izany. Taorian’ny nahafatesan’i Mary tamin’ny 1987 aho dia nanambady an’i Bettina, anabavy maty vady izay fantatray sy i Mary hatramin’ny taona maro. Velom-pankasitrahana aho fa voakarakara tsara erỳ, ara-batana sy ara-panahy. Na dia teo aza ireo fameperana noho ny tsy fahasalaman’i Mary sy noho ny fandroson’ny taonako ankehitriny, dia hitako fa ny fananako zavatra be dia be hatao eo amin’ny fanompoana masina dia nahazoako valisoa sarobidy foana. — 1 Korintiana 15:58.

[Sary, pejy 26]

Vonona handray anjara tamin’ny fanompoana tany amin’ireo taona 1920

Sary tamin’ilay fivoriambe tany Leicester

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara