Vaovao Tsara Momba ny Paradisa any Tahiti
TAHITI! Toa mampita fanintonana somary hafa kely izany, ilay anarana. Nampahafantatra be dia be io anarana io ireo mpanakanto sady mpanoratra toa an’i Paul Gauguin, sy i Robert Louis Stevenson ary i Herman Melville, noho ny asa soratra sy sary hoso-doko nataon’izy ireo momba ny hakanto sy ny fahatoniana tropikalin’ireo Nosin’ny Ranomasina Atsimo, nisarika ny sain’ny maro.
I Tahiti no be velarana indrindra amin’ireo nosy maherin’ny 120 any Polynezia frantsay, any Pasifika Atsimo. Na dia saika mitovy amin’ny hoe paradisa aza itỳ Nosin’ny Ranomasina Atsimo itỳ ao an-tsain’ny ankabeazan’ny olona, ireo mponina any Tahiti kosa dia mbola mila ny mandre ny amin’ny paradisa hafa iray ho avy tsy ho ela. (Lioka 23:43). Ireo Vavolombelon’i Jehovah any Tahiti amin’izao andro izao, misy 1918 amin’ny fitambarany, dia be atao eo amin’ny firesahana amin’ny olona 220000, momba ilay vaovao tsara hoe tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra tena toe-piainana toy ny paradisa, tsy any Tahiti ihany, fa manerana ny tany koa. — Matio 24:14; Apokalypsy 21:3, 4.
Nandritra ny taona maro, ny asa fitoriana tany Tahiti, dia notarihin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Fidji, 3500 kilaometatra avy eo. Ny halehiben’ny elanelan-tany dia nanasaro-javatra, noho izany dia niadana ny fandrosoana. Koa tamin’ny 1 Aprily 1975 àry, dia naorina tao Tahiti ny biraon’ny sampana, ka izany dia nanamarika fiolahana iray teo amin’ny asan’ny Kristiana marina teo amin’io faritany io. Inona no nitarika ho amin’izany fiolahana izany, ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohan’ny asa fitoriana tany Tahiti?
Fiandohana kely
Tamin’ireo taona 1930 no re voalohany tany Tahiti ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ka maro tamin’ireo mponina anosy izay manana fanajana lalina ny Baiboly, no nandray tamim-pahalianana lehibe. Kanefa, vokatry ny fandrarana sy ny fameperan’ny fitondram-panjakana, dia mbola tsy nisy Vavolombelona foana tao amin’ilay nosy hatramin’ny faramparan’ireo taona 1950. Tamin’io fotoana io, i Agnès Schenck, teraka tany Tahiti saingy nonina tany Etazonia, dia nanapa-kevitra ny hiverina tany Tahiti niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany lahy. Nanazava ny fomba nitrangan’izany rehetra izany izy.
“Tany amin’ny fivoriamben’ny distrika tany Los Angeles tamin’ny taona 1957, ny Anadahy Knorr [prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay], dia nanazava fa ilaina indrindra ny mpitory ilay Fanjakana any Tahiti. Vita batisa herintaona aho tamin’izay, ka nihiaka hoe: ‘Andao àry isika ho any Tahiti e!’ Sendra nandre ny teniko ny fianakaviana roa, dia ry Neill sy ry Carano, izay namanay akaiky. Nilaza izy ireo fa ho tiany ny hiaraka aminay; kanefa izahay tsy dia nanam-bola betsaka. Narary nandritra ny fotoana ela ny vadiko, ary mbola tena kely ny zanakay lahy. Noho izany, dia sarotra taminay ny nandao ny tranonay. Nandre siosion-dresaka momba ny zava-kendrenay ireo namana tany amin’ireo kongregasiona nanodidina, ka nandefa vola sy kojakojan-tokantrano ho anay. Avy eo, tamin’ny May 1958, dia niondrana an-tsambo ho atỳ Tahiti niaraka tamin’ny lambam-pandriana niisa 36 izahay, ankoatra ny zavatra hafa!
“Rehefa tonga teto Tahiti izahay, dia nahatsiaro tanteraka ho toy ny vahiny aho, satria efa 20 taona no nialako teto amin’ilay nosy. Nanomboka nitory izahay, kanefa tsy maintsy nitandrina satria teo ambany fandrarana ny asa kristiana nataonay. Tsy maintsy nanafina ireo gazety izahay, ary nampiasa ny Baiboly fotsiny. Tamin’ny voalohany, dia tamin’ireo olona efa nanao famandrihana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ihany no nanaovanay fanambarana.
“Tonga nanampy anay i Clyde Neill sy i David Carano, niaraka amin’ny fianakavian’izy ireo avy, taorian’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York tamin’ny 1958. Niara-nitory izahay, ary nanasa ny olona ho tonga hihaino ireo lahateny natao tao amin’ny tranon’ireo anadahy. Voalamina tsikelikely ny zava-drehetra, ka nanomboka nisy ny antokona mpianatra ny Baiboly nisy olona 15. Taorian’ny telo volana, dia voatery niala teto ry Neill sy ry Carano satria lany andro ny visas-n’izy ireo tamin’ny maha-mpizaha tany. Noho izany, dia nanapa-kevitra ireo anadahy fa hanao batisa ireo olona liana mahafeno fepetra rehetra, izy ireo, alohan’ny handehanany. Nahazo tombontsoa handika teny tamin’ny lahatenin’ny batisa voalohany aho. Tamin’io fotoana io, dia valo tamin’ireo tera-tany anosy no nanamarika ny fanoloran-tenan’izy ireo ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa. Taorian’izay, dia niverina tany Etazonia ry Neill sy ry Carano.
“Nitohy ny asa fitoriana. Nifandamina ho antokon’olona vitsivitsy izahay ary nitsidika ny olona tamin’ny takariva. Matetika ny fiaraha-midinika tamin’ireo olona liana no naharitra hatramin’ny misasak’alina. Indraindray, dia nandray anjara tamin’ilay fiaraha-midinika na dia ny mpitondra fivavahana protestanta aza. Tamin’ny 1959, dia niforona ny kongregasiona voalohany. Avy eo, tamin’ny 1960, dia neken’ny fitondram-panjakana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nahafaly anay indrindra izany. Tena feno fifaliana sy fotoana niavaka teo amin’ny ara-panahy, ireny taona voalohany ireny. Tena nitahy tokoa ny fanapahan-kevitray hifindra tany amin’izay nilana fanampiana kokoa, i Jehovah.” Ny Anabavy Schenck dia 87 taona ankehitriny ary mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ao amin’ny kongregasionany.
Nandroso ny asa
Tamin’ny 1969, dia voatendry tany Tahiti tamin’ny naha-mpisava lalana manokana ny Vavolombelona roa avy any Frantsa, dia i Jacques sy i Paulette Inaudi. Hoy i Jacques mahatsiaro: “Fony tonga tany Tahiti izahay, dia tsy nisy afa-tsy mpitory 124 sy kongregasiona iray tany Papeete ary mpisava lalana manokana roa tany Vairao, izay saikinosy iray.” Mifandray amin’i Tahiti amin’ny alalan’ny andilan-tany ilay saikinosy. Hatao tsy ho ela izao ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany”. “Io no fanandraman-javatra hitako voalohany teo amin’ny fandaminana fivoriamben’ny distrika”, hoy i Jacques nanohy ny teniny, “Tsy maintsy nanomana fandaharam-pivoriana tamin’ny teny anglisy ho an’ireo mpitsidika, izahay, sy nametraka zavamaneno ho an’ny hiran’ilay Fanjakana, ary nanao famerenana fampisehoana tantara roa. Mpitory 126 monja no nanatontosa izany asa rehetra izany. Azoko antoka fa i Jehovah no nanao ny tapany lehibe indrindra tamin’izany.” Nampientam-po an’ireo mponina anosy, ny mpanatrika niisa 488. Ho an’ny maro tamin’izy ireo, dia izy io no fahafahana voalohany nihaonany tamin’ny Vavolombelona avy any amin’ny tany hafa.
Tsy ela taorian’izay, dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany i Jacques Inaudi. Teo am-pitsidihany ireo nosy samihafa, dia nahita izy fa be dia be ny fahalianana, saingy vitsy ny mpitory ilay Fanjakana hanolokolo izany. “Izany no antony nampirisihako fianakaviana maro hifindra tany amin’ireny nosy ireny mba hanompo tany amin’izay nilana fanampiana kokoa”, hoy i Jacques manazava. “Noho izany, dia niitatra tsikelikely tany amin’ireny vondro-nosy ireny ny vaovao tsara.” Nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany, nanomboka tamin’ny 1969 ka hatramin’ny 1974, ny Rahalahy Inaudi, ary ankehitriny izy dia loholona ao amin’ny iray amin’ireo kongregasiona any Tahiti.
Anisan’ireo izay nanaiky ny fampirisihan’ny Rahalahy Inaudi i Auguste Temanaha, iray tamin’ireo olona valo natao batisa tamin’ny 1958. Mitantara izay nitranga toy izao izy: “Tamin’ny 1972, ny mpiandraikitra ny fizaran-taninay, i Jacques Inaudi, dia nampirisika anay hihevitra ny fifindrana mba hanompo any Huahine, iray amin’ireo Nosy Sous-le-Vent, any amin’ireo Îles de la Société. Nisalasala aho satria famakiana Baiboly fotsiny no nomena hataoko tao amin’ny kongregasiona, ka tsy nihevitra ny tenako ho ampy fahaizana mba hanankinana andraikitra toy izany aho. Na izany aza, dia tsy nitsahatra nilaza tamiko ny Rahalahy Inaudi hoe: ‘Aza matahotra fa vitanao io!’ Taoriana kely, dia nanapa-kevitra izahay. Noho izany, tamin’ny 1973, dia namidinay daholo ny fanananay rehetra, ka nifindra nankany Huahine niaraka tamin’ireo zanakay telo mbola kely, izahay.
“Teo am-pahatongavanay, dia nahita aho fa tsy maintsy nanomboka ny zava-drehetra aho — ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, sy ny sisa. Tsy mora ilay izy, saingy nahita ny fiarovana sy ny fanampian’i Jehovah izahay. Imbetsaka no nanampy anay mba hahita toerana honenana izy. Tatỳ aoriana, rehefa nisy antokon’olona mpanohitra nanandrana nandroaka ny Vavolombelona teo amin’ilay nosy, dia nitsangana mba hiaro anay ny mpanao politika iray teo an-toerana. Marina tokoa fa tena niambina anay i Jehovah nandritra ireny fotoana rehetra ireny.” Ankehitriny, dia misy kongregasiona roa any Huahine — kongregasiona miteny frantsay, misy mpitory 23, sy kongregasiona miteny tahisiana, misy mpitory 55.
Tamin’ny 1969, i Hélène Mapu dia voatendry ho mpisava lalana manokana hiasa teo amin’ilay saikinosy. “Nisy fahalianana be dia be teo amin’ilay saikinosy, ary tao anatin’ny fotoana fohy, dia nanomboka fampianarana Baiboly maro aho”, hoy i Hélène. Tsy ela dia nisy kongregasiona kely niforona tao Vairao, kanefa nilaina dia nilaina ny loholona. Rehefa nandeha ny fotoana, i Colson Deane, nipetraka tany Papara tamin’izay fotoana izay, tokony ho 35 kilaometatra avy eo, dia afaka nitondra fanampiana. “Tsy maintsy nahay nandamin-javatra tsara izahay mba hahafahana hanompo tany Vairao”, hoy ny Rahalahy Deane mitantara. “Niasa tany Faaa, [70 kilaometatra] avy any Vairao, tany amin’ny ilany iray tamin’ilay nosy, aho. Taorian’ny asa, dia tsy maintsy nandeha nody haingana aho, naka ny fianakaviako, ary avy eo nandeha tany Vairao. Tatỳ aoriana, dia voatery nifindra tany Faaa izahay, noho ny asako. Mbola ho afaka ny hanohana ilay kongregasionan’i Vairao ihany ve izahay? Tena naniry tokoa ny hanampy ireo rahalahy tany izahay, ka dia nanapa-kevitra ny hanohy. Tamin’ireo fivoriana alina, dia mahalana izahay no tonga tany an-trano talohan’ny misasak’alina, satria tsy maintsy nitatitra ireo tsy nanana fiara ho any an-tranony izahay. Nanao izany nandritra ny dimy taona izahay. Tena fifaliana lehibe ankehitriny ny mahita kongregasiona efatra any amin’iny tapany amin’ny nosy iny, ary manana fahatsiarovana tsara ireny fotoana ireny izahay.”
Lasa sampana i Tahiti
Tamin’ny 1974, dia nitombo ho 199 ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana tany Tahiti. Ny taona nanaraka, rehefa nitsidika an’i Polynezia frantsay i N. Knorr sy i F. Franz, prezidà sy prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nahita fa hety kokoa ny hitarihana ny asa any Polynezia frantsay, tsy avy any Fidji izay 3500 kilaometatra avy eo, fa avy ao Tahiti. Noho izany, tamin’ny 1 Aprily 1975, dia nanomboka niasa ny sampan’i Tahiti, ka ny mpiandraikitra ny fizaran-tany Alain Jamet, no notendrena ho mpiandraikitra ny sampana.
Taona vitsivitsy lasa izay, ny Rahalahy Jamet dia afaka nitantara ireo fitahiana mahatalanjona avy tamin’i Jehovah. “Nanomboka tamin’ny 1975, dia nisy ezaka lehibe natao mba hitondrana ny vaovao tsara tany amin’ireo nosy sy vondro-nosy teto amin’ny faritaninay, izay mahafaoka faritra mitovy velarana amin’i Eoropa Atsinanana. Nahafaly ny vokatra. Tamin’ny 1983, dia nitombo ho 538 ny isan’ny mpitory. Tamin’io taona io, dia nisy trano ho an’ny biraon’ny sampana sy Trano Betela naorina tany Paea. Ankehitriny, dia misy mpitory 1900 miparitaka any amin’ny kongregasiona 30 any amin’ireo Îles de la Société, kongregasiona iray sy groupe isolé iray any amin’ny Nosy Atsimo, kongregasiona iray sy groupes isolés roa any Marquises, ary groupes isolés maromaro any Tuamotu sy ireo Nosy Gambier. Efitrano Fanjakana vaovao maro no eo am-panorenana azy — telo any Marquises, ary fito eto Tahiti — mba hikarakarana ireo vaovao tsy mitsaha-mitombo tonga any amin’ireo fivoriana. Tao anatin’ireo 20 taona farany, dia tena nitahy marina ny ezaka nataonay hanolokoloana ny saha tahisiana i Jehovah.”
Mbola betsaka ny tokony hatao
Tena tsara ny fanantenana fitomboana any Polynezia frantsay. Tamin’ny 23 Martsa 1997, dia nisy olona tokony ho 5376 niara-nivory tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Polynezia frantsay manontolo, ho amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Mba hanomezana fahafaham-po izay ilain’ireny olona liana ireny, dia natao ho azo raisina amin’ny fiteny maro eto an-toerana ny zavatra vita an-tsoratsika miorina amin’ny Baiboly. Ho fanampin’ny fiteny tahisiana, dia nomanina tamin’ny fiteny paumotu koa ny zavatra vita an-tsoratra, fiteny izay ampiasaina any amin’ireo Vondro-nosy Tuamotu, sy any amin’ny faritra avaratra sy atsimon’i Marquises.
Ny fitomboana tsy miovaova sy ireo fanandraman-javatra tsara, dia nanampy ireo mpitory ilay Fanjakana tany Tahiti, hahatakatra amin’ny fomba feno kokoa ny fitiavana sy ny faharetan’i Jehovah, “izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”, na dia lavitra be any amin’ireo nosy any amin’ny Ranomasina Atsimo aza. (1 Timoty 2:4). Ireo Vavolombelon’i Jehovah any Tahiti sy any amin’ireo nosy hafa amin’i Polynezia frantsay, dia mino tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Izaho no hantenain’ny nosy, ary ny sandriko no handrasany.” — Isaia 51:5.
[Sary, pejy 25]
Ankavia miankavanana: Alain Jamet, Mary-Ann Jamet, Agnès Schenck, Paulette Inaudi sy Jacques Inaudi
[Sary, pejy 26]
Mikarakara izay ilain’i Polynezia frantsay ny Sampan’i Tahiti
[Sarintany, pejy 26]
AOSTRALIA
[Sary, pejy 27]
Biraon’ny Sampan’i Tahiti