Fitaizana Zanaka Manana Fitsipi-pitondran-tena — Mbola Azo Atao Ve?
“ANKEHITRINY isika dia miaina ao anatin’ny fiaraha-monina tena sarotra, eo anivon’ny kolontsaina mifangaro be ihany, izay tsy ahitana fari-pitondran-tena mitovy”, hoy ny nomarihin’i Robert Glossop ao amin’ny Fikambanana Vanier ho an’ny Fianakaviana any Ottawa, any Kanada. Inona no vokany? Milaza toy izao ny tatitra iray tao amin’ny gazety The Toronto Star: “Mitombo avokoa ny isan’ny zatovo bevohoka sy ny herisetran’ny tanora ary ny famonoan-tenan’ny zatovo.”
Tsy any Amerika Avaratra ihany no ahitana ilay zava-manahirana. Nandinika ireo raharaha ireo tany Grande-Bretagne sy ny firenena eoropeana hafa, ary koa tany Aostralia sy Israely ary Japon, i Bill Damon, lehiben’ny Foiben’ny Fampandrosoana ny Olombelona ao amin’ny Oniversiten’i Brown any Rhode Island, any Etazonia. Asehony ny fikororosian’ny fiangonana sy ny sekoly ary ny fikambanam-panabeazana hafa raha ny amin’ny fanomezana fitarihana ho an’ny tanora. Ny kolontsaintsika, araka ny finoany, “dia tsy nahalala intsony izay ilain’ny ankizy mba hanorenana toetra sy fahaizana”. Nanonona ny tenin’ireo manam-pahaizana momba ny fitaizana zanaka izay mampianatra fa “mampidi-doza ny fahasalaman’ny ankizy ny famaizana”, i Damon ka nilaza fa io no “toromarika” mba hahazoana zanaka maditra sy tsy mpankatò.
Inona no ilain’ireo tanora amin’izao andro izao? Mila fampiofanana mampiseho fitiavana tsy an-kijanona izay manitsy ny sainy sy ny fony izy ireo. Ny tanora samy hafa dia mitaky karazam-pamaizana samy hafa. Rehefa atosiky ny fitiavana ny famaizana, dia matetika no azo ampitaina amin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra. Izany no ilazana amintsika ao amin’ny Ohabolana 8:33 mba ‘hihaino fifehezana’. Kanefa, “raha ny teny fotsiny ihany dia tsy ampy hananarana” ny sasany. Ho azy ireny, ny sazy mifanentana noho ny tsy fankatoavana, ampiharina araka ny antonona, dia mety hilaina. (Ohabolana 17:10; 23:13, 14; 29:19). Amin’ny fanomezana io torohevitra io, ny Baiboly dia tsy manohana ny fikapohana amim-pahatezerana na ny famonoana amin-kasiahana, izay mety hahatoro sy handratra ny zaza iray. (Ohabolana 16:32). Tokony ho takatr’ilay zaza kosa hoe nahoana izy no voahitsy sy ho tsapany fa momba azy sy miandany aminy ilay rainy (na ilay reniny). — Ampitahao amin’ny Hebreo 12:6, 11.
Ny torohevitra ara-baiboly azo ampiharina sy tsara toy izany dia asongadina ao amin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.