Fanambadiana Tsy Nisy Firaisana Ve?
HO FANANDRAMANA hampifanaraka ny filazana ny naha-virjiny mandrakizay an’i Maria sy ny fanambadiany an’i Josefa, dia mpanao hoso-doko sy mpanao sary sokitra maro no nampiseho an’i Josefa ho lahiantitra. Nanjohy hevitra izy ireo fa toy ny mpiambina an’i Maria, fa tsy vadiny, i Josefa, raha ny tena izy. Vao haingana anefa ny Papa Jean Paul II dia nanohana fomba fijery iray hafa ny amin’io raharaha io. Narosony ilay hevitra hoe i Josefa dia “tsy lahiantitra tamin’izay fotoana izay”. “Ny fahatanterahany anaty, izany hoe ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra [kosa] dia nitarika azy hanana fifandraisan’ny mpivady tamin’i Maria, saingy tamin’ny fitiavana tsy nisy firaisana.”
Raha nikasa ny hitoetra ho virjiny mandrakizay i Maria, nahoana izy no nanaiky hanana fofom-bady? “Mety ho azo heverina”, hoy ny valin-tenin’i Papa, “fa tamin’ny fotoan’ny fifamofoany dia nisy fifanarahana mangina momba ny fikasana ny hitoetra ho virjiny teo amin’i Josefa sy i Maria.”
Kanefa ny Baiboly dia mampiseho ilay raharaha amin’ny fomba hafa. Ny fitantaran’i Matio dia milaza fa i Josefa dia “tsy nahalala azy (...) ambara-piterany ny zanany lahimatoa”. (Matio 1:25, Fandikan-teny Katolika; izahay no manao sora-mandry.) Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, dia tsy hoe tsy nisy firaisana velively ny fanambadian’i Josefa sy i Maria. Ny porofo iray ny amin’izany dia hoe aseho ho manana rahalahy sy anabavy i Jesosy atỳ aoriana kokoa ao amin’io Filazantsara io. — Matio 13:55, 56.
Araka izany, na dia milaza aza ny Baiboly fa virjiny i Maria fony izy niteraka an’i Jesosy, dia tsy misy fototra hilazana fa niaina ho virjiny izy nandritra ny androm-piainany sisa niaraka tamin’i Josefa.