Afaka Mino ny Fisian’ny Andriamanitra Velona Iray ve Ianao?
“TSY voatery hino an’Andriamanitra ianao vao ho Kristiana (...) Ankehitriny isika dia ao anatin’ny revolisiona ara-pivavahana, fa amin’ny taonjato faha-21 kosa, ny fiangonana dia tsy hanana Andriamanitra amin’ny heviny mahazatra”, hoy ny nohazavain’ny mpitondra fivavahana iray efa ela niasana ao amin’ny oniversite iray any Angletera. Ho fiarovana an’ireo mpanaraka ny Sea of Faith, izay mahazo ny fanohanan’ny pretra anglisy zato fara fahakeliny, no nilazany izany. Milaza ireo “Kristiana tsy mino an’Andriamanitra” ireo fa ny fivavahana dia zavatra noforonin’ny olona, ary koa fa “eritreritra” fotsiny izany hoe Andriamanitra izany, araka ny filazan’ny mpikambana iray. Tsy mifanentana amin’ny fomba fisainan’izy ireo intsony izany hoe Andriamanitra ambony noho ny olombelona izany.
Teny fanevan’ny olona tamin’ireo taona 1960 ny hoe “Maty Andriamanitra”. Izy io dia taratry ny fomba fihevitr’i Friedrich Nietzsche, filôzôfa alemà tamin’ny taonjato faha-19, ary nanome ho an’ny tanora maro ny fialan-tsiny nilainy mba hanaovana izay danin’ny kibony, sy hanaranam-po tamin’ny firaisana malalaka sy ny zava-mahadomelina, ka tsy ho voafehifehin’ny fitsipi-pitondran-tena. Moa ve anefa izany fahafahana izany nanome an’ireo hippies, araka ny nahafantarana azy ireny, fiainam-pahasambarana nahafa-po kokoa?
Tamin’ireo taona 1960 ireo ihany, i John A. T. Robinson, eveka anglikana, dia namoaka ilay bokiny be mpanakiana hoe Honest to God (Filazana ny Marina eo Anatrehan’Andriamanitra). Maro tamin’ireo mpitondra fivavahana hafa no nanome tsiny azy noho izy nihevitra an’Andriamanitra ho “tsy inona fa lafiny lalina eo amin’ny fiainan’ny olombelona fotsiny”. Nanontany toy izao i Keith Ward, mpampianatra teôlôjia: “Moa ve ny finoana an’Andriamanitra karazana finoanoam-poana nilaozan’ny toetr’andro, izay ailiky ny olon-kendry amin’izao andro izao?” Namaly ny tenany ihany izy, tamin’ny hoe: “Tsy misy zava-dehibe kokoa noho ny famerenana amin’ny laoniny ny fahalalana momba an’Andriamanitra amin’ny heviny mahazatra, ao amin’ny fivavahana ankehitriny.”
Ny fijaliana sy ny Andriamanitra velona iray
Maro amin’ireo izay mino ny fisian’ny Andriamanitra velona iray no mahita fa sarotra ny mampifanaraka ny finoany amin’ireo loza sy fijaliana hitany. Ohatra, tamin’ny Martsa 1996, dia nisy nitifitra ny ankizy kely 16, sy ny mpampianatra azy, ka maty, tany Dunblane, any Ekosy. “Tsy azoko tsotra izao hoe inona no notadiavin’Andriamanitra”, hoy ny vehivavy iray sahiran-kevitra mafy. Ny fangirifiriana naterak’ilay loza dia voalazan’ny carte iray tao anaty voninkazo natao teo ivelan’ny sekoly fianaran’ireo ankizy. Hoy ny soratra teo amin’ilay carte: “NAHOANA LOATRA?” Mba hamaliana izany, dia hoy ny presbyteran’ny Katedralin’i Dunblane: “Tsy misy fanazavana ny amin’izany. Tsy afaka mamaly isika hoe nahoana izany no nitranga.”
Tatỳ aoriana, tamin’io taona io ihany, dia nisy namono tamin-kerisetra ny mpitondra fivavahana tanora iray tian’ny olona tao amin’ny Eglizy Anglikana. Nitantara ny Church Times fa ankona ny mpiangona nahare ny arsidiakran’i Liverpool niresaka momba ny “fikapokapohana eo am-baravaran’Andriamanitra amin’ny fanontaniana hoe ‘fa nahoana?’, ‘fa nahoana?’ ” Tsy nanana Andriamanitra velona afaka nanome teny fampiononana koa io mpitondra fivavahana io.
Inona àry no hinoantsika? Azon’ny saina ekena ny finoana ny fisian’ny Andriamanitra velona iray. Izany no fototra hamaliana ireo fanontaniana mitaky valiny napetraka tetsy ambony. Manasa anao izahay handinika ny porofo aroso ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 3]
Nanontany ilay “carte” hoe “Nahoana loatra?”
[Sary nahazoan-dalana]
NEWSTEAM No. 278468/Sipa Press