Ny “Fitsarana Famotopotorana” — Foto-pinoana Miorina Amin’ny Baiboly Ve?
ANDRO iray nandrandraina fatratra ny 22 Oktobra 1844, ho an’ny olona tokony ho 50 000 tany amin’ny Moron-tsiraka Atsinanan’i Etazonia. Nilaza mantsy i William Miller, mpitarika azy ireo ara-panahy, fa io andro io mihitsy no hiverenan’i Jesosy Kristy. Ireo Milleristes, araka ny niantsoana azy ireo, dia niandry tao amin’ireo toeram-pivoriany mandra-paharivan’ny andro. Avy eo dia nangiran-dratsy ny andro nony ampitso, kanefa dia tsy tonga ihany ny Tompo. Nangaina izy ireo ka niverina nody, ary taorian’izay dia “Fahadisoam-panantenana Lehibe” no nahatsiarovan’izy ireo an’io andro io.
Tsy ela anefa ny fanantenana dia nisolo toerana ny fahadisoam-panantenana. Ny tovovavy iray antsoina hoe Ellen Harmon dia nampiaiky antokon’olom-bitsy anisan’ny Milleristes hoe nambaran’Andriamanitra taminy tamin’ny fahitana fa, hay, marina ny kajy nataon’izy ireo momba ny fotoana. Nino izy fa nisy fisehoan-javatra lehibe nitranga tamin’io andro io — tamin’io i Kristy no niditra tao amin’ny “toerana masina indrindra amin’ny fitoerana masina any an-danitra”.
Maherin’ny folo taona tatỳ aoriana, ilay mpitory teny advantista atao hoe James White (izay nanambady an’i Ellen Harmon), dia namorona teny mba hilazalazana ny asan’i Kristy nanomboka tamin’ny Oktobra 1844. Tao amin’ny Review and Herald, tamin’ny 29 Janoary 1857, dia nilaza i White fa nanomboka “fitsarana famotopotorana” i Jesosy. Ary nitoetra ho zavatra fototra inoan’ny olona fito tapitrisa eo ho eo izay mitonona ho Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, izy io.
Izao anefa: Ny sasany amin’ny manam-pahaizana manokana sasany ao amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia mbola manontany tena raha foto-pinoana miorina amin’ny Baiboly ny “fitsarana famotopotorana”. Nahoana izy ireo no mamerina mandinika azy io? Raha Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ianao, dia hahakasika anao io fanontaniana io. Voalohany anefa, dia inona moa no atao hoe “fitsarana famotopotorana”?
Inona moa izy io?
Ny Daniela 8:14 no andinin-teny fototra tononina mba hanohanana an’io foto-pinoana io. Milaza toy izao izy io: “Hoy izy tamiko: Hatramin’ny telonjato sy roa arivo andro; avy eo dia hodiovina ny fitoerana masina”. (King James Version). Noho ilay teny hoe “avy eo dia hodiovina ny fitoerana masina”, dia Advantista maro no mampifandray an’io andininy io amin’ny Levitikosy toko faha-16. Milazalaza ny fanadiovana ny fitoerana masina nataon’ny mpisoronabe jiosy tamin’ny Andro Fanavotana, io toko io. Ireo tenin’i Daniela dia ampifandraisin’izy ireo koa amin’ny Hebreo toko faha-9, izay milazalaza an’i Jesosy ho Mpisoronabe Lehibe any an-danitra. Milaza ny manam-pahaizana manokana iray, Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, fa miorina amin’ny fomba “fanaporofoana amin’ny andinin-teny” io fanjohian-kevitra io. Ny olona iray dia mahita “teny iray toy ny hoe fitoerana masina ao amin’ny Dan. 8:14, sy teny mitovy amin’io ao amin’ny Lev. 16, ary teny mitovy amin’io ao amin’ny Heb. 7, 8, 9”, ka manatsoaka hevitra “fa miresaka zavatra iray ihany izy rehetra ireo”.
Manjohy hevitra toy izao ny Advantista: Nanao fanompoana isan’andro tao amin’ilay fizarana tao amin’ny tempoly nantsoina hoe ny Masina, ireo mpisorona teo amin’ny Isiraely fahiny, ka izany dia nahatonga ny fahotana ho voavela. Tamin’ny Andro Fanavotana, ny mpisoronabe dia nanao fanompoana isan-taona tao amin’ny Masina Indrindra (ny efitra anatiny indrindra tao amin’ny tempoly), ka izany dia nahatonga ny fahotana ho voakosoka. Manatsoaka hevitra izy ireo fa misy ambaratonga roa ny fanompoan’i Kristy amin’ny maha-mpisorona any an-danitra. Ny voalohany dia nanomboka tamin’ny niakarany tany an-danitra tamin’ny taonjato voalohany, ary nifarana tamin’ny 1844, ka nahatonga ny fahotana ho voavela. Ny faharoa, na “ambaratonga fitsarana”, dia nanomboka tamin’ny 22 Oktobra 1844, ary mbola mitohy, ka izy io no hahatonga ny fahotana ho voakosoka. Ahoana no ahatanterahan’izany?
Nanomboka tamin’ny 1844, i Jesosy dia lazaina fa eo am-pamotopotorana ny tantaram-piainan’ireo rehetra milaza tena ho mpino (ny an’ny maty aloha, ary avy eo ny an’ny velona), mba hamantarana raha mendrika ny fiainana mandrakizay izy ireo. Io fandinihana io no “fitsarana famotopotorana”. Rehefa avy notsaraina araka izany ny olona, dia ho voakosoka ao amin’ireo boky firaketana ny tantaram-piainany ny fahotan’ireo tafita tamin’io fitsapana io. Ireo tsy tafita amin’io fitsapana io kosa anefa, araka ny fanazavan’i Ellen White, dia ho ‘voakosoka ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany’. Araka izany, “ny anjaran’ny rehetra dia ho efa tapaka ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fahafatesana”. Amin’izay no diovina ny fitoerana masina any an-danitra ary tanteraka ny Daniela 8:14. Izany no ampianarin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Miaiky toy izao anefa ny Adventist Review, zavatra vita an-tsoratry ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito: “Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe fitsarana famotopotorana.”
Tsy misy teny ifandraisany
Nampikorontan-tsaina Advantista sasany io fampianarana io. “Asehon’ny tantara”, hoy ny mpandinika iray, “fa nandia fahoriam-panahy ireo mpitarika tsy nivadika teo anivontsika rehefa nandinika ilay fampianarantsika nolovana momba ny fitsarana famotopotorana izy ireo.” Tato anatin’ireo taona faramparany, hoy ny teny nanampiny, dia nivadika ho fisalasalana ilay fahorian-tsaina satria nisy manam-pahaizana manokana nanomboka “nisalasala ny amin’ireo andry maro manohana ny fanazavantsika mahazatra momba ny fitoerana masina”. Aoka isika izao handinika ny roa amin’izy ireo.
Andry voalohany: Ampifandraisina amin’ny Daniela toko faha-8 ny Levitikosy toko faha-16. Tsy manan-kery io fiheverana io noho ny olana lehibe roa — ny teny nampiasaina sy ny andininy manodidina. Voalohany aloha, dia diniho ange ny teny nampiasaina e! Inoan’ny Advantista fa ilay ‘fitoerana masina nodiovina’ ao amin’ny Daniela toko faha-8 dia ilay ‘fitoerana masina nodiovina’ nasehon’ny tandindona ao amin’ny Levitikosy toko faha-16. Toa azo nekena io fampitoviana io mandra-pahafantatry ny mpandika teny fa ilay “hodiovina” ao amin’ny King James Version dia dika vilan’ny endriky ny matoanteny hebreo hoe tsa·dhaqʹ (midika hoe “marina”), izay ampiasaina ao amin’ny Daniela 8:14. Manamarika toy izao ilay Profesora momba ny teôlôjia atao hoe Anthony A. Hoekema: “Tsy mety ny nanjary nandikana ilay teny tamin’ny hoe hodiovina, satria tsy ampiasaina eto mihitsy ilay matoanteny hebreo adika mazàna hoe diovina [ta·herʹ].”a Ampiasaina izy io ao amin’ny Levitikosy toko faha-16, izay andikan’ny King James Version ireo endriky ny ta·herʹ, amin’ny hoe “manadio” sy “madio”. (Levitikosy 16:19, 30). Noho izany, dia manatsoaka hevitra araka ny marina toy izao ny Pr. Hoekema: “Raha toa ka ta hanisy firesahana ny amin’ilay karazana fanadiovana natao tamin’ny Andro Fanavotana i Daniela, dia ho nampiasa ny taheer [ta·herʹ] izy, fa tsy ny tsadaq [tsa·dhaqʹ].” Tsy hita ao amin’ny Levitikosy anefa ny tsa·dhaqʹ, ary tsy hita ao amin’ny Daniela ny ta·herʹ. Tsy misy ilay teny mampifandray azy ireo.
Inona no ahariharin’ireo andininy manodidina?
Diniho kosa izao ireo andininy manodidina. Mihevitra ny Advantista fa “maningana amin’ny andininy manodidina azy” ny Daniela 8:14, ka tsy misy ifandraisana amin’ireo andininy eo alohany. Izany ve anefa no ao an-tsainao rehefa mamaky ny Daniela 8:9-14 ianao, eo amin’ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Daniela 8:14 ao Anatin’ireo Andininy Manodidina Azy”, izay ampiarahina amin’itỳ? Ny andininy faha-9 dia mampahafantatra ny amin’ny mpanafika iray, dia tandroka kely iray. Ny andininy faha-10-12 dia manambara fa hanafika ny fitoerana masina io mpanafika io. Manontany toy izao ny andininy faha-13: ‘Mandra-pahoviana no hitohizan’io fanafihana io?’ Ary dia mamaly toy izao ny andininy faha-14: “Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin’izay vao [ho marina, fanamarihana ambany pejy] ny fitoerana masina.” Mazava fa ny andininy faha-13 dia mampipoitra fanontaniana izay valian’ny andininy faha-14. Hoy ilay teôlôjiana atao hoe Desmond Ford: “Ny fanasarahana ny Dan. 8:14 amin’io antsoantso io [“Mandra-pahoviana?”, andininy faha-13], dia tsy marim-pototra raha araka ny fanazavana hevi-teny.”b
Nahoana ny Advantista no manasaraka ny andininy faha-14 amin’ireo andininy manodidina azy? Mba hialana amin’ny fanatsoahan-kevitra mahasanganehana. Ireo andininy manodidina mantsy dia manondro fa ny asan’ilay tandroka kely no mahatonga ilay fandotoana ny fitoerana masina, voalaza eo amin’ny andininy faha-14. Kanefa, ny foto-pinoana ny amin’ny “fitsarana famotopotorana” dia milaza fa ny asan’i Kristy no mahatonga ilay fandotoana ny fitoerana masina. Lazaina ho mamindra ny fahotan’ny mpino ho any amin’ny fitoerana masina any an-danitra izy. Koa inona no hitranga raha sady manaiky ilay foto-pinoana ny Advantista no manaiky ireo andininy manodidina? Nanoratra toy izao ny Dr. Raymond F. Cottrell, Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito sady mpiara-nanonta ny SDA Bible Commentary taloha: “Ny fampinoantsika tena fa mandinika ny Daniela 8:14 ao anatin’ireo andininy manodidina azy ny fanazavan’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia hampahafantatra an’ilay tandroka kely ho Kristy, araka izany.” Niaiky tamim-pahatsorana toy izao ny Dr. Cottrell: “Tsy azontsika ampifanarahina ny andininy manodidina sy ny fanazavan’ny Advantista.” Noho izany, mba hifikirana hatrany amin’ny “fitsarana famotopotorana”, dia tsy maintsy nanao safidy ny Fiangonana Advantista — na hanaiky ilay foto-pinoana na hanaiky ireo andininy manodidina ny Daniela 8:14. Mampalahelo fa irỳ voalohany no nekeny ary nolaviny itsy farany. Tsy mahagaga, hoy ny Dr. Cottrell, raha toa ireo mpianatra ny Baiboly mahafanta-javatra ka manome tsiny ny Advantista noho ny “fieritreretany fa ao anatin’ny Soratra Masina” izay tsy azo “sintonina avy ao amin’ny Soratra Masina”!
Tamin’ny 1967, ny Dr. Cottrell dia nanomana lesona momba ny Daniela izay nianarana tamin’ny sekoly sabata. Lesona nalefa tany amin’ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito maneran-tany izy io. Nampianatra izy io fa ny Daniela 8:14 dia tena mifandray amin’ny andininy manodidina azy ary tsy misy ifandraisana amin’ireo mpino, ilay ‘fanadiovana’. Mifono heviny lehibe ny hoe tsy manisy firesahana ny amin’ny “fitsarana famotopotorana” ilay lesona.
Valin-teny miavaka sasany
Hatraiza ny fahatakaran’ny Advantista hoe malemy loatra io andry io ka tsy afaka manohana ny foto-pinoana ny amin’ny “fitsarana famotopotorana”? Ny Dr. Cottrell dia nanontany teôlôjiana 27, mpitarika ny Advantista, hoe: ‘Antony araka ny teny nampiasaina na araka ny andininy manodidina inona avy no azonareo omena mba hampifandraisana ny Daniela toko faha-8 amin’ny Levitikosy toko faha-16?’ Ny valin-tenin’izy ireo ve?
“Samy nanamafy izy fito amby roapolo fa tsy misy antony na inona na inona, na araka ny teny nampiasaina izany na araka ny andininy manodidina, hampiharana ny Dan. 8:14 amin’ilay andro fanavotana nasehon’ny tandindona sy [hampiharana azy io] amin’ny fitsarana famotopotorana.” Nanontany azy ireo toy izao izy: ‘Moa ve ianareo manana antony hafa na inona na inona, hanaovana an’io fampifandraisana io?’ Nilaza ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana manokana advantista fa tsy nanana antony hafa izy ireo, ny dimy moa dia namaly fa nanao an’io fampifandraisana io ry zareo satria nanao izany i Ellen White, ary ny roa dia nilaza fa naorin’izy ireo tamin’ny “zavatra tsy nahy nahatsara zavatra” teo amin’ny fandikan-teny, ilay foto-pinoana. Hoy ny fanamarihan’i Ford teôlôjiana: “Izany fanatsoahan-kevitra natolotr’ireo sangany tamin’ny manam-pahaizana teo amintsika izany dia mampiseho, raha ny marina, fa tsy marim-pototra ilay fampianarantsika nolovana momba ny Dan. 8:14.”
Misy fanampiana ve avy amin’ny Hebreo?
Andry faharoa: Ampifandraisina amin’ny Hebreo toko faha-9 ny Daniela 8:14. “Mampiasa be dia be ny Heb. 9 ny asa soratsika rehetra tany am-boalohany rehefa manazava ny Dan. 8:14”, hoy i Ford teôlôjiana. Teraka taorian’ilay “Fahadisoam-panantenana Lehibe” tamin’ny 1844 io fampifandraisana io. Rehefa nitady tari-dalana i Hiram Edson, Milleriste, dia nandatsaka ny Baiboliny teo ambony latabatra mba hivelaran’izy io rehefa miantonta. Ny vokany? Ny Hebreo toko faha-8 sy faha-9 no teo anatrehany. Hoy i Ford: “Inona indray moa no mety sy misy heviny kokoa noho izany, raha ny amin’ny fiheveran’ny Advantista fa manome fanazavana momba ny hevitry ny 1844 sy ny Dan. 8:14 ireo toko ireo!”
“Tena zava-dehibe ho an’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izany fiheverana izany”, hoy ny nanampin’ny Dr. Ford, ao amin’ilay bokiny hoe Daniel 8:14, the Day of Atonement, and the Investigative Judgment. ‘Ao amin’ny Heb. 9 ihany no ahafahana mahita fanazavana amin’ny an-tsipiriany ny amin’ny hevitr’ilay foto-pinoana ny amin’ny fitoerana masina izay zava-dehibe amintsika aoka izany.’ Eny, ny Hebreo toko faha-9 ilay toko ao amin’ny “Testamenta Vaovao” manazava ny hevitra ara-paminaniana fonosin’ny Levitikosy toko faha-16. Milaza koa anefa ny Advantista fa ny Daniela 8:14 ilay andininy ao amin’ny “Testamenta Taloha” izay manao toy izany. Raha samy marina ireo fanambarana roa ireo, dia tsy maintsy misy ifandraisany ny Hebreo toko faha-9 sy ny Daniela toko faha-8.
Nanamarika toy izao i Desmond Ford: “Misy zavatra sasany misongadina raha vantany vao mamaky ny Heb. 9 ny tena. Tsy misy firesahana miharihary ny amin’ny bokin’ny Daniela ao, ary azo antoka fa tsy misy firesahana ny amin’ny Dan. 8:14. (...) Fampiharana ny Lev. 16 ilay toko iray manontolo.” Nanambara toy izao izy: “Ilay fampianarantsika momba ny fitoerana masina dia tsy mety ho hita ao amin’ilay hany boky ao amin’ny Testamenta Vaovao izay miresaka ny amin’ny hevitr’ireo fanompoana tao amin’ny fitoerana masina. Niaiky izany ireo mpanoratra advantista fanta-daza, manerana izao tontolo izao.” Malemy loatra koa àry izany ilay andry faharoa ka tsy afaka manohana ilay fampianarana manahiran-tsaina.
Kanefa, tsy vaovao akory io fanatsoahan-kevitra io. Nandritra ny taona maro, hoy ny Dr. Cottrell, “ireo manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly teo anivon’ny fiangonana dia nahafantatra tsara ireo olana momba ny fanazavana hevi-teny, atrehin’ilay fanazavantsika mahazatra ny Daniela 8:14 sy ny Hebreo toko faha-9”. Valopolo taona lasa teo ho eo izay, dia nanoratra toy izao i E. J. Waggoner, Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, izay olona nanan-kery teo amin’ny hafa: “Ny fampianarana advantista momba ny fitoerana masina, miaraka amin’ny ‘Fitsarana Famotopotorana’ (...), dia saika fandavana tanteraka ny fanavotana.” (Confession of Faith). Maherin’ny 30 taona lasa izay, ny olana toy izany dia naroso teo anatrehan’ny Conférence générale, ireo mpitarika ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito.
Olana sy fiziriziriana
Ny Conférence générale dia nanendry “Komity Misahana ny Olana Momba ny Bokin’i Daniela”. Tokony hanomana tatitra momba ny fomba handaminana ireo zava-tsarotra miompana amin’ny Daniela 8:14 izy io. Ireo mpikambana 14 tao amin’ilay komity dia nandinika an’ilay fanontaniana nandritra ny dimy taona, kanefa dia tsy nahavita nanolotra vahaolana lany eran’ny rehetra. Tamin’ny 1980, dia nilaza i Cottrell, izay anisan’ilay komity, fa ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ilay komity dia nihevitra fa ny fanazavan’ny Advantista ny Daniela 8:14 dia azo “aorina amin’ny fomba mahafa-po”, amin’ny alalan’ny fitohitohizana “petra-kevitra” ary “tokony hohadinoina” ireo olana. Hoy ny teny nanampiny: “Tadidio fa Komity Misahana ny Olana Momba ny Bokin’i Daniela ny anaran’ilay komity, ary ny ankamaroany dia nanolo-kevitra ny hanadinoantsika ireo olana ka tsy hiresahantsika na inona na inona momba ilay izy.” Izany dia ho nidika ho “fiekena fa tsy nanana vahaolana isika”. Koa nanda ny hanohana ny fomba fijerin’ny ankamaroany ny vitsy an’isa tamin’izy ireo, ka tsy nisy tatitra ofisialy natao. Mitoetra ho tsy voavaha ireo olana momba ilay foto-pinoana.
Hoy ny Dr. Cottrell raha niresaka ny amin’io fiziriziriana io: “Mbola tsy afa-bela amin’ilay raharaha iadian-kevitra momba ny Daniela 8:14 isika, satria, hatramin’izao isika dia tsy te hiatrika ny hoe tena misy tokoa ange ny olana momba ny fanazavana hevi-teny. Tsy ho foana io raharaha iadian-kevitra io raha mbola mody milaza hatrany isika fa tsy misy ny olana, raha mbola misisika manao di-doha isika, isam-batan’olona sy amin’ny fitambarany, ka mikiribiby amin’ny hevitra efa masaka mialoha ao an-tsaintsika.” — Spectrum, gazety avoakan’ny Association of Adventist Forums.
Mampirisika ny Advantista ny Dr. Cottrell mba “hamerina handinika amim-pitandremana ireo petra-kevitra fototra sy ireo fotopoto-pitsipika momba ny fanazavana hevi-teny izay ampiorenantsika ny fanazavantsika an’io andinin-teny tena lehibe ao amin’ny Soratra Masina — ho an’ny Fiangonana Advantista — io”. Mampirisika ny Advantista izahay mba handinika ilay foto-pinoana ny amin’ny “fitsarana famotopotorana” mba hahitany raha miorina mafy amin’ny Baiboly ireo andry iankinan’izy io na miorina amin’ny fasika malemin’ny lovantsofina.c Nampirisika tamim-pahendrena toy izao ny apostoly Paoly: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.” — 1 Tesaloniana 5:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Wilson’s Old Testament Word Studies dia mamaritra ny tsadaq (na tsa·dhaqʹ) hoe “marina, voamarina”, ary mamaritra ny taheer (na ta·herʹ) hoe “madio, manjelatra, sy mamiratra; madio, voadio; madio tsy misy izay rehetra mety ho loto na zava-mandoto”.
b Ny Dr. Ford dia mpampianatra fivavahana tao amin’ny Pacific Union College, sekoly ambony iray tantanan’ny fiangonana, any Etazonia. Tamin’ny 1980, ireo mpitarika ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia nanome azy andro tsy niasana naharitra enim-bolana mba hanaovany fandinihana momba ilay foto-pinoana, saingy nolavin’izy ireo ny vokatry ny fikarohana nataony. Izy io dia navoakany tao amin’ilay boky hoe Daniel 8:14, the Day of Atonement, and the Investigative Judgment (Daniela 8:14, ny Andro Fanavotana, sy ny Fitsarana Famotopotorana).
c Mba hahitana fanazavana lôjika momba ny Daniela toko faha-8, dia jereo ny pejy faha-188-218 amin’ny boky “Que ta volonté soit faite sur la terre”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 27]
Daniela 8:14 ao Anatin’ireo Andininy Manodidina Azy
DANIELA 8:9 “Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ny anankiray amin’ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ny tany mahafinaritra. 10 Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ireo maro be eny amin’ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny. 11 Eny, nihalehibe izy ka dia niady tamin’ny Komandin’ireo maro be, ary nesorina taminy ny fanatitra isan-andro, ary ny fitoerana masina noravana. 12 Ary nisy maro be mbamin’ny fanatitra isan-andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.”
“13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin’ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? 14 Ary hoy izy tamiko: Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin’izay vao [ho marina, fanamarihana ambany pejy] ny fitoerana masina.” (Izahay no manao sora-mandry.) — Fandikan-teny Malagasy.