Mikatsaha Fiadanana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fiainam-pianakaviana
“Ry [fianakaviana eo amin’ireo, NW ] firenena, manomeza an’i Jehovah, eny manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah.” — SALAMO 96:7.
1. Karazam-piandohana nanao ahoana no nomen’i Jehovah ny fiainam-pianakaviana?
NATAON’I Jehovah ho mandry feizay sy sambatra ny fiandohan’ny fiainam-pianakaviana, fony izy nampiray ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany tao amin’ny fanambadiana. Raha ny marina, dia faly aoka izany i Adama, ka nilaza ny fifaliany tao amin’ilay tononkalo voalohany indrindra voarakitra an-tsoratra, manao hoe: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe ‘vehivavy’, satria lehilahy no nanalana azy.” — Genesisy 2:23.
2. Inona no tao an-tsain’Andriamanitra momba ny fanambadiana, ankoatra ny fanomezana fahasambarana an’ireo zanany olombelona?
2 Rehefa nanorina ny fanambadiana sy ny fandaharana ny amin’ny fianakaviana Andriamanitra, dia mihoatra noho ny fanomezana fahasambarana an’ireo zanany olombelona fotsiny no tao an-tsainy. Naniry ny hanaovan’izy ireo ny sitrapony izy. Hoy Andriamanitra tamin’ilay mpivady voalohany: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Asa nanendrena nahafa-po tokoa izany. Ho sambatra toy inona moa i Adama sy i Eva ary ireo zanany ho avy, raha nanao ny sitrapon’i Jehovah tamim-pankatoavana, ilay mpivady voalohany!
3. Inona no takina amin’ireo fianakaviana mba hiainany amim-pifikirana amin’Andriamanitra?
3 Na dia amin’izao andro izao aza anefa, dia sambatra indrindra ireo fianakaviana rehefa miara-miasa mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ary fahatsinjovan-javatra mamirapiratra toy inona moa no ananan’ny fianakaviana mankatò toy izany! Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” (1 Timoty 4:8). Ny fianakaviana izay miaina amim-pifikirana marina amin’Andriamanitra dia manaraka ireo fotopoto-pitsipiky ny Tenin’i Jehovah ary manao ny sitrapony. Mikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra izy ireo ka mahita fahasambarana amin’ny “fiainana ankehitriny”.
Fiainam-pianakaviana tandindomin-doza
4, 5. Nahoana no azo lazaina fa tandindomin-doza ankehitriny ny fiainam-pianakaviana maneran-tany?
4 Mazava ho azy fa tsy mahita fiadanana sy fahasambarana ao amin’ny fianakaviana rehetra isika. Nanonona famakafakana iray nataona fikambanana misahana ny isan’ny mponina, antsoina hoe Population Council, ny The New York Times, ka nanambara hoe: “Na any amin’ny tany manankarena na any amin’ny tany mahantra, dia mandia fiovana lalina ny rafitry ny fiainam-pianakaviana.” Voalaza ho niteny toy izao ny iray tamin’ireo mpanoratra io famakafakana io: “Angano fotsiny ny hoe zavatra iray tsy mihilangilana sy miray tsara ny fianakaviana, ka amin’izany dia hoe ny ray no mpamelona ary ny reny no mpanohana ara-pihetseham-po. Ny zava-misy dia izao: Miseho maneran-tany (...) ny fironana toy ny fiterahan’ny vehivavy tsy manambady, ny fiakaran’ny tahan’ny fisaraham-panambadiana, [ary] ny ankohonana mifintina kokoa.” Noho ny fironana toy izany, dia fianakaviana an-tapitrisany maro no mihilangilana sy tsy miadana ary tsy sambatra, ary maro no rava. Any Espaina, ny tahan’ny fisaraham-panambadiana dia niakatra ho 1 isaky ny fanambadiana 8, teo am-piandohan’ireo taona 1990 — dingan-dava avy tamin’ny 1 isaky ny fanambadiana 100, vao 25 taona monja talohan’izay. Voalaza fa i Angletera no manana ny iray amin’ireo taha avo indrindra eo amin’ny fisaraham-panambadiana any Eoropa — 4 isaky ny fanambadiana 10 no rava. Ahitana fitomboana be eo amin’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny koa io tany io.
5 Toa tsy andrin’ny olona sasany izay hisaraham-panambadiana. Maro no mirohotra mankany amin’ny “Toerana Masina Fanapaham-patorana” any akaikin’i Tokyo, any Japon. Io tempoly shinto io dia manaiky ireo fangatahana fisaraham-panambadiana sy ireo fangatahana fandravana fifandraisana tsy irina hafa. Ny mpivavaka tsirairay dia manoratra ny fitalahoany eo amin’ny takela-kazo manify iray, sy manantona azy io ao anatin’ny faritr’ilay toerana masina, ary mivavaka mba hahazoana valiny. Milaza ny gazety iray any Tokyo fa, fony naorina ilay toerana masina tokony ho zato taona lasa izay, “ny vadin’ireo mpivarotra nanankarena teto an-toerana dia nanoratra vavaka izay nanaovany hataka mba handaozan’ny vadiny ny sakaiza ratsiny ka hiverenany taminy”. Amin’izao andro izao anefa, ny ankamaroan’ireo fitalahoana dia mba hahazoana fisaraham-panambadiana, fa tsy mba hamitranam-pihavanana. Miharihary fa tandindomin-doza ny fiainam-pianakaviana maneran-tany. Tokony hahagaga ny Kristiana ve izany? Tsia, satria ny Baiboly dia manome antsika fahatakarana hevi-dalina momba ny krizy mahazo ny fianakaviana amin’ny andro ankehitriny.
Nahoana no ao anatin’ny krizy ny fianakaviana?
6. Inona no ifandraisan’ny 1 Jaona 5:19 amin’ny krizy mahazo ny fianakaviana amin’izao andro izao?
6 Ny antony iray mahatonga ny krizy mahazo ny fianakaviana amin’izao andro izao dia itỳ: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Inona no azontsika antenaina avy amin’ilay ratsy, dia i Satana Devoly? Mpandainga ratsy fanahy sy ratsy fitondran-tena izy. (Jaona 8:44). Tsy mahagaga raha toa ny tontolony ka manaram-po amin’ny famitahana sy ny fahalotoam-pitondran-tena, izay manimba tokoa ny fiainam-pianakaviana! Any ivelan’ny fandaminan’Andriamanitra, ny fitaoman’i Satana dia mandrahona ny handrava ny fanambadiana izay fandaharan’i Jehovah sy mandrahona ny hamarana ny fiainam-pianakaviana mandry feizay.
7. Amin’ny ahoana ireo lafin-toetra asehon’ny olona maro amin’izao andro farany izao no mety hisy fiantraikany eo amin’ny fianakaviana?
7 Aseho ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 (NW ) ny antony iray hafa mahatonga ireo zava-manahirana ara-pianakaviana izay mamely ny olombelona ankehitriny. Ny tenin’i Paoly ara-paminaniana voarakitra ao dia mampiseho fa miaina amin’ny “andro farany” isika. Tsy afaka ny handry feizay sy ho sambatra ireo fianakaviana, raha toa ny mpianakaviny ka ‘tia ny tenany, tia vola, mpieboebo, mpiavonavona, mpiteny ratsy, tsy mankatò ray aman-dreny, tsy mahay mankasitraka, mivadika, tsy manana firaiketam-po voajanahary, tsy azo ifampiraharahana, mpanendrikendrika, tsy manana fifehezan-tena, lozabe, tsy manam-pitiavana izay tsara, mpamadika, mafy hatoka, mibontsina noho ny fieboeboana, tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra, manana ny endriky ny fifikirana amin’Andriamanitra kanefa hita fa mandà ny heriny’. Tsy afaka ny ho sambatra tanteraka ny fianakaviana iray raha toa ka tsy manana firaiketam-po voajanahary na manjary mivadika, na dia ny iray monja amin’ny mpianakaviny aza. Ahoana moa no hampandry feizay ny fiainam-pianakaviana raha misy lozabe sy tsy azo ifampiraharahana ao amin’ny ankohonana? Ary mbola ratsy kokoa aza izao: Ahoana no hampisy fiadanana sy fahasambarana, rehefa tia ny fahafinaretana, fa tsy tia an’Andriamanitra ireo mpianakavy? Ireo dia lafin-toetran’ny olona eto amin’itỳ tontolo tapahin’i Satana itỳ. Tsy mahagaga raha tsy mora azo ny fahasambaram-pianakaviana amin’izao andro farany izao!
8, 9. Inona no mety ho vokatry ny fitondran-tenan’ny ankizy eo amin’ny fahasambaram-pianakaviana?
8 Ny antony iray hafa tsy ahitan’ny fianakaviana maro fiadanana sy fahasambarana dia ny fitondran-tena ratsin’ireo ankizy. Rehefa nanambara mialoha ireo toe-piainana hisy amin’ny andro farany i Paoly, dia naminany fa ankizy maro no tsy hankatò ray aman-dreny. Raha tanora ianao, moa ve ny fitondran-tenanao manampy mba hampandry feizay sy hahasambatra ny fianakavianao?
9 Misy ankizy sasany tsy fakan-tahaka eo amin’ny fitondran-tena. Ohatra, ny ankizilahy kely iray dia nanoratra itỳ taratasy nahasosotra itỳ ho an-drainy: “Raha tsy entinao any Aleksandria aho, dia tsy hanoratra taratasy ho anao, na hiteny aminao, na hanao veloma anao, ary raha mankany Aleksandria [irery] ianao, dia tsy handray tanana anao na hiarahaba anao intsony mihitsy aho. Izany no hitranga, raha tsy entinao aho (...) Fa mba andefaso [harpa] kosa re aho e. Raha tsy andefasanao aho, dia tsy hety hihinan-kanina na hisotro intsony. Izay ny anao!” Toy ny zavatra amin’ny andro maoderina ve ny fandrenesana izany? Io taratasin’ankizilahy kely iray ho an-drainy io dia nosoratana tany Egypta fahizay, maherin’ny 2 000 taona lasa izay.
10. Ahoana no ahafahan’ny tanora manampy ny fianakaviany hikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra?
10 Tsy nampandroso ny fiadanam-pianakaviana ny fihetsik’io tanora egyptiana io. Mazava ho azy fa misy zavatra ratsy lavitra noho izany mitranga eo anivon’ny fianakaviana amin’izao andro farany izao. Kanefa ianareo tanora dia afaka manampy ny fianakavianareo hikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fankatoavana ny torohevitry ny Baiboly manao hoe: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” — Kolosiana 3:20.
11. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany ho tonga mpanompon’i Jehovah mahatoky?
11 Ahoana ny aminareo ray aman-dreny? Ampio amim-pitiavana ny zanakareo mba ho tonga mpanompon’i Jehovah mahatoky. “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza”, hoy ny Ohabolana 22:6, “ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Noho ny fampianarana tsara dia tsara araka ny Soratra Masina sy ny ohatra tsaran’ny ray aman-dreny, dia ankizilahy kely sy ankizivavy kely maro no tsy miala amin’ny lalana tsara, rehefa mihalehibe izy ireo. Kanefa zavatra betsaka no miankina amin’ny hatsarana sy ny habetsahan’ilay fampiofanana ara-baiboly ary amin’ny fon’ilay tanora.
12. Nahoana ny tokantrano kristiana no tokony handry feizay?
12 Raha miezaka hanao ny sitrapon’i Jehovah ny mpianakavintsika rehetra, dia tokony hanana fiadanana araka an’Andriamanitra isika. Ny tokantrano kristiana dia tokony ho feno “zanaky ny fiadanana”. Ny Lioka 10:1-6 dia mampiseho fa olona toy izany no tao an-tsain’i Jesosy, fony izy naniraka mpianatra 70 ho mpitory, ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo”. Rehefa mandeha amim-pihavanana isan-trano mitondra “teny soa milaza fiadanana”, ny mpanompon’i Jehovah, dia mitady zanaky ny fiadanana izy ireo. (Asan’ny Apostoly 10:34-36; Efesiana 2:13-18). Azo antoka fa tokony handry feizay ny ankohonana kristiana iray voaforon’ny zanaky ny fiadanana.
13, 14. a) Inona no nirin’i Naomy ho an’i Rota sy i Orpa? b) Tokony ho toerana mampiala sasatra karazany manao ahoana ny tokantrano kristiana?
13 Tokony ho toeram-piadanana sy fialan-tsasatra, ny tokantrano. Nanantena i Naomy, zokiolona efa maty vady, fa homen’Andriamanitra ilay fialan-tsasatra sy fampiononana avy amin’ny fananana vady sy tokantrano tsara, i Rota sy i Orpa, vinantovaviny tanora maty vady. Hoy i Naomy: “Homen’i Jehovah tokan-trano anie hianareo ka hahita fiadanana [“toerana mampiala sasatra”, NW ] amin’izay tranon’ny vadinareo avy.” (Rota 1:9). Mikasika ny fanirian’i Naomy, dia nanoratra ny manam-pahaizana iray fa, tao amin’ny tokantrano toy izany, i Rota sy i Orpa dia “hahita fanafahana amin’ny fikorontanan-tsaina sy ny tebiteby. Hahita fialan-tsasatra izy ireo. Izany dia ho toerana hahafahan’izy ireo honina, ka ao ny fihetseham-pony feno fitiavana indrindra sy ny faniriany mendri-kaja indrindra no hahazo fahafaham-po sy hahita fahatoniana. Ny hery miavaka ananan’ilay teny hebreo (...) dia miseho tsara ao amin’ilay karazan’ireo teny miaraka aminy ao amin’ny [Isaia 32:17, 18]”.
14 Mariho ange io fanisiana fitenenana momba ny Isaia 32:17, 18 io e. Izao no vakintsika ao: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho [fahatoniana sy filaminana, NW ] mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny [toerana mampiala sasatra, NW ] feno fiadanam-po”. Ny tokantrano kristiana dia tokony ho toerana mampiala sasatra izay isian’ny fahamarinana sy ny fahatoniana sy ny filaminan-tsaina ary ny fiadanana araka an’Andriamanitra. Ahoana anefa raha misy fisedrana, na tsy fifanarahana na zava-manahirana hafa mipoitra? Amin’izay dia ilaintsika indrindra ny mahafantatra ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana.
Fotopoto-pitsipika lehibe efatra
15. Ahoana no hamaritanao ny atao hoe tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana?
15 I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fianakaviana no ahazoan’ny fianakaviana rehetra eto an-tany anarana. (Efesiana 3:14, 15). Koa ireo izay maniry fahasambaram-pianakaviana dia tokony hitady tari-dalana avy aminy sy hidera azy toy ny nataon’ny mpanao salamo nanao hoe: “Ry [fianakaviana eo amin’ireo, NW ] firenena, manomeza an’i Jehovah, eny manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah.” (Salamo 96:7). Ny tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana dia hita ao amin’ireo pejin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, sy ao amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiny. Ho sambatra sy hanana fiadanana araka an’Andriamanitra ny fianakaviana izay mampihatra ireny fotopoto-pitsipika ireny. Noho izany, dia aoka isika hijery ny efatra amin’ireny fotopoto-pitsipika lehibe ireny.
16. Inona no tokony ho anjara asan’ny fifehezan-tena eo amin’ny fiainam-pianakaviana?
16 Ny iray amin’ireny fotopoto-pitsipika ireny dia miompana amin’izao: Tena zava-dehibe ny fifehezan-tena mba hisian’ny fiadanana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny.” (Ohabolana 25:28). Tena zava-dehibe ny fanindriana ny fanahintsika — ny fanehoana fifehezan-tena — raha irintsika ny hanana fianakaviana mandry feizay sy sambatra. Na dia tsy lavorary aza isika, dia mila maneho fifehezan-tena izay vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. (Romana 7:21, 22; Galatiana 5:22, 23, NW ). Hamokatra fifehezan-tena ao amintsika ny fanahy raha mivavaka mba hahazo io toetra io isika, ka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly momba azy io, ary mifanerasera amin’ny hafa izay maneho azy io. Hanampy antsika ‘handositra ny fijangajangana’ io lalam-pitondran-tena io. (1 Korintiana 6:18). Ny fifehezan-tena dia hanampy antsika koa hanilika ny herisetra, hanalavitra na handresy ny alkaolisma sy hiatrika amim-pahatoniana kokoa ny tarehin-javatra sarotra.
17, 18. a) Ahoana no iharan’ny 1 Korintiana 11:3 eo amin’ny fiainam-pianakaviana kristiana? b) Amin’ny ahoana ny fanekena ny fahefan’izay lohany no mampandroso ny fiadanana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fianakaviana?
17 Azo lazaina toy izao ny fotopoto-pitsipika tena ilaina hafa iray: Ny fanekena ny fahefan’izay lohany dia hanampy antsika hikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra ao amin’ny fianakaviantsika. Nanoratra toy izao i Paoly: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (1 Korintiana 11:3). Midika izany fa ny lehilahy no mitari-dalana ao amin’ny fianakaviana, ny vadiny manohana azy amim-panehoana tsy fivadihana, ary ny zanaka dia mankatò. (Efesiana 5:22-25, 28-33; 6:1-4). Hampandroso ny fiadanana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pianakaviana ny fitondran-tena toy izany.
18 Ilain’ny lehilahy kristiana ny mitadidy fa tsy fahefana jadona akory ny fahefan’izay lohany araka ny Soratra Masina. Tsy maintsy manahaka an’i Jesosy, izay Lohany, izy. Na dia ho ‘lohany hanapaka ny zavatra rehetra’ aza i Jesosy, dia “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo”. (Efesiana 1:22; Matio 20:28). Amin’ny fomba mitovy amin’izany no ampiharan’ny lehilahy kristiana amim-pitiavana ny fahefan’izay lohany, ka mahatonga azy hikarakara tsara ny tombontsoan’ny fianakaviany. Ary azo antoka fa maniry hiara-miasa amin’ny vadiny ny vehivavy kristiana. Amin’ny maha-“mpanampy” sy “fameno” azy, dia manome ireo toetra fanampiny tsy ananan’ny vadiny izy ka amin’izany no anomezany azy ilay fanohanana ilainy. (Genesisy 2:20, NW; Ohabolana 31:10-31). Ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny fahefan’izay lohany dia manampy ny mpivady hifampitondra amim-panajana sy manosika ny ankizy hankatò. Eny, mampandroso ny fiadanana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pianakaviana ny fanekena ny fahefan’izay lohany.
19. Nahoana no tena ilaina ny fifampiresahana tsara mba hisian’ny fiadanana sy ny fahasambaram-pianakaviana?
19 Azo lazaina amin’izao teny izao ny fotopoto-pitsipika lehibe fahatelo: Tena zava-dehibe ny fifampiresahana tsara mba hisian’ny fiadanana sy ny fahasambaram-pianakaviana. Milaza amintsika toy izao ny Jakoba 1:19: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. Mila ny mifampihaino sy mifampiresaka ny mpianakavy satria tsy mandeha ila ny fifampiresahana ao amin’ny fianakaviana. Kanefa na dia rehefa marina aza izay lazaintsika, dia azo inoana fa vao mainka hanimba zavatra izany raha lazaina amin’ny fomba masiaka sy feno avonavona na tsy mitsimbina ny fihetseham-pon’ny hafa. Tokony hahafinaritra ny fitenintsika, “ho mamy sira”. (Kolosiana 4:6). Ny fianakaviana izay manaraka ny fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina ka mifampiresaka tsara, dia mikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra.
20. Nahoana ianao no hilaza fa tena ilaina amin’ny fiadanam-pianakaviana ny fitiavana?
20 Itỳ ny fotopoto-pitsipika fahefatra: Tena ilaina amin’ny fiadanana sy ny fahasambaram-pianakaviana ny fitiavana. Mety hanana anjara asa lehibe ao amin’ny fanambadiana ny fifankatiavan’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary afaka mitombo eo anivon’ny mpianakavy ny firaiketam-po lalina. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ilay fitiavana asehon’ny teny grika hoe a·gaʹpe. Io ilay ambolentsika amin’ny fitiavana an’i Jehovah sy i Jesosy ary ireo mpiara-belona amintsika. (Matio 22:37-39, NW ). Naneho io fitiavana io tamin’ny taranak’olombelona Andriamanitra, tamin’ny fanomezana ny “Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16). Mahatalanjona toy inona moa ny hoe afaka mampiseho io karazam-pitiavana io amin’ny mpianakavintsika isika! Io fitiavana ambony io dia “fehy fampiraisana tonga lafatra”. (Kolosiana 3:14, NW ). Mamehy ny mpivady hiaraka izy io, ary manosika azy ireo hanao izay tsara indrindra ho an’ny andaniny avy, sy ho an’ireo zanany. Rehefa mipoitra ny fahasahiranana, dia manampy azy ireo hiatrika izany amim-piraisan-tsaina, ny fitiavana. Afaka matoky izany isika, satria “ny fitiavana (...) tsy mitady ny azy, (...) mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. (1 Korintiana 13:4-8). Sambatra tokoa lahy ny fianakaviana izay isian’ny fifankatiavana hamafisin’ny fitiavana an’i Jehovah!
Aza mitsahatra mikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra
21. Inona no azo inoana fa hampitombo ny fiadanana sy ny fahasambaran’ny fianakavianao?
21 Ireo fotopoto-pitsipika voatonona teo aloha ireo sy ny hafa izay notsoahina avy ao amin’ny Baiboly dia voasoritra ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra izay omen’i Jehovah amin-katsaram-panahy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, NW ). Izany fanazavana izany, ohatra, dia hita ao amin’ilay boky 192 pejy hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany tamin’ny 1996/1997. Afaka mitera-boka-tsoa maro ny fianarana ny Soratra Masina miaraka amin’io zavatra vita an-tsoratra io, amin’ny fianarana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana. (Isaia 48:17, 18). Eny, azo inoana fa hampitombo ny fiadanana sy ny fahasambaran’ny fianakavianao ny fampiharana ny torohevitry ny Soratra Masina.
22. Amin’inona no tokony hampifantohantsika ny fiainam-pianakaviantsika?
22 Manan-javatra mahatalanjona ho an’ireo fianakaviana izay manao ny sitrapony i Jehovah, ary mendrika ny fiderantsika sy ny fanompoantsika izy. (Apokalypsy 21:1-4). Enga anie àry ny fianakavianao hampifantoka ny fiainany amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina. Ary enga anie i Jehovah, Raintsika be fitiavana any an-danitra, hitahy anao amin’ny fanomezana anao fahasambarana eo am-pikatsahanao fiadanana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pianakavianao!
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no takina raha tiana hiaina amim-pifikirana amin’Andriamanitra ny fianakaviana?
◻ Nahoana no misy krizy mahazo ny fianakaviana amin’izao andro izao?
◻ Inona no tsiambaratelon’ny fahasambaram-pianakaviana?
◻ Inona avy no fotopoto-pitsipika sasany izay hanampy antsika hampandroso ny fiadanana sy ny fahasambarana eo amin’ny fiainam-pianakaviana?
[Sary, pejy 24]
Manampy antsika hikatsaka fiadanana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pianakaviana ny fifampiresahana tsara