Ilay “Akanjo Masin’i Trèves”
I TRÈVES no tanàna tranainy indrindra any Alemaina.a Hatrany amin’ny 2 000 taona tany aloha no niantombohan’ny tantarany. Nanana fifampiraharahana mafy orina tamin’ny Eglizy Katolika i Trèves nandritra ny taonjato maro. Tamin’ny 1996, ny katedraly tao Trèves dia nampiranty relìka izay lazaina fa tranainy toa an’ilay tanàna ihany. Antsoina hoe Akanjo Masin’i Trèves izy io.
Misy 1,57 metatra ny halavan’ilay akanjo, 1,09 ny ambainy ary hatreo amin’ny kiho ny halavan’ny tanany. Landihazo no nanaovana azy ary, araka ny tenin’i Hans-Joachim Kann tao amin’ny bokiny hoe Wallfahrtsführer Trier und Umgebung (Toro Lalana Momba ny Fivahiniana Masina ao Trèves sy ny Manodidina), dia angamba nanaovana ho toy ny akanjo ivelany izy io. Ny olona sasany dia manombantombana ny datin’ilay akanjo voalohany — efa misy namboarina sy nososohana tamin’ny lamba hafa mantsy ny faritra maro aminy nandritra ireo taonjato — ho tamin’ny taonjato faharoa na voalohany am.f.i. mihitsy aza. Raha marina izany, dia ho fitafiana rakitry ny ela tsy fahita izy io, zavatra mahaliana fanao ao amin’ny tranombakoka.
Kanefa, manizingizina ny olona sasany fa tsy vitan’ny hoe tsy fahita fotsiny ilay akanjo, fa masina koa — izay no nahatonga ilay anarana hoe Akanjo Masina. Izany dia satria izy io tsy misy vitrana, toa an’ilay akanjo anatiny nanaovan’i Jesosy Kristy. (Jaona 19:23, 24, NW ). Milaza ny olona sasany fa an’ny Mesia ilay “Akanjo Masina” raha ny marina.
Tsy fantatra mazava ny fomba nahatongavan’ilay akanjo tany Trèves. Milaza ny boky iray fa ‘nataon’ny emperora vavy Hélène, renin’i Constantin le Grand, fanomezana ho an’ilay tanàna izy io’. Manazava i Kann fa ny tatitra azo itokiana voalohany momba ny naha-tao Trèves an’ilay akanjo dia nanomboka tamin’ny 1196.
Ilay akanjo, izay ampirimina ao amin’ilay katedraly, dia arantiranty tsindraindray nanomboka tamin’ny taonjato faha-16. Ohatra, natao izany tamin’ny 1655, fotoana fohy taorian’ny Guerre de Trente Ans, izay nitondra fahavoazana be ho an’i Trèves. Indraindray dia nampidi-bola betsaka ny fivarotana fahatsiarovana ny fivahiniana masina.
Nisy fivahiniana masina telo momba ilay “Akanjo Masina” tamin’itỳ taonjato itỳ — tamin’ny 1933 sy 1959 ary 1996. Tamin’ny 1933, dia nambara tamin’ny andro naha-voatendry an’i Hitler ho chancelier-n’ny Reich Alemà indrindra ilay fivahiniana masina. Manazava i Kann fa manasongadina ny toe-javatra manodidina an’ilay fivahiniana masina io fifanandrifian’ny fitrangan-javatra roa tamin’ny daty iray ihany io. Nilahatra nanao porizenitra an’ireo mpanao fivahiniana masina ireo andia-miaramila nazia nanao fanamiana, teo ivelan’ilay katedraly. Olona roa tapitrisa sy sasany no nahita an’ilay akanjo tamin’io taona io.
Nampitaha ny fivahiniana masina tamin’ny 1959 sy tamin’ny 1996 i Herbert, mponina efa hatramin’ny taona maro tao Trèves. “Tomefy olona ny lalana tamin’ny 1959, nisy latabatra maro nivarotana fahatsiarovana, saika teny amin’ny zoron-dalana rehetra. Tamin’itỳ taona itỳ, dia tena nangina kokoa ilay fotoan-dehibe.” Eny tokoa, 700 000 monja no nahita an’ilay akanjo tamin’ny 1996, latsaka iray tapitrisa raha oharina amin’ny isa tamin’ny 1959.
Nahoana izy ireo no mandeha mijery an’ilay akanjo?
Manantitrantitra ny eglizy fa tsy tokony hoheverina ho zavatra ivavahana ilay akanjo. Heverina ho mariky ny firaisan-tsain’ny eglizy ilay akanjo tsy misy vitrana. Manao tatitra ny Frankfurter Allgemeine Zeitung fa nilaza toy izao ny eveka Spital, rehefa nampandre momba ilay fivahiniana masina: “Ny tarehin-javatra tsy mahazatra eo amin’ny tontolo misy antsika dia mihaika antsika kristiana ka mahatonga antsika hanana fihetsika tsy mahazatra ho setriny. Voatery manohitra ny onjam-pankahalana sy fihetraketrahana ary herisetra mihamitombo isika.” Nanazava ilay eveka fa hampahatsiahy ny olona ny amin’ny firaisan-tsaina ny fahitana an’ilay akanjo.
Nahoana anefa ny olona iray no mila an’ilay “Akanjo Masina” mba hampahatsiahivana azy momba ny firaisan-tsain’ny eglizy? Ahoana raha simba na potika na naharihary fa sandoka ilay akanjo? Hotandindomin-doza ve ny firaisan-tsain’ny eglizy amin’izay? Ahoana ny amin’ireo olona tsy afaka manao fivahiniana masina any Trèves? Tsy mahatsapa firy ny ilana firaisan-tsaina ao anatin’ny eglizy ve izy ireo?
Ny Soratra Masina dia tsy manisy firesahana ny hoe nila zavatra ireo Kristiana tany am-boalohany mba hampahatsiahy azy ny ilana firaisan-tsaina kristiana. Eny tokoa, nampirisika an’ireo Kristiana tamin’ireto teny ireto ny apostoly Paoly: “Finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana”. (2 Korintiana 5:7). Ny firaisan-tsaina izay ananan’ny Kristiana marina, araka izany, dia voalazalaza hoe “firaisan’ny finoana”. — Efesiana 4:11-13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Mifohaza! (frantsay) 22 Jolay 1980, pejy 21-23.