Nahoana no Ratsy Aoka Izany Izao Androntsika Izao?
REHEFA mipetraka mamaky gazety na mijery vaovao amin’ny televiziona na mihaino vaovao amin’ny radio, ianao, dia manampo vaovao ratsy, sa tsy izany? Angamba tsy ho gaga ianao hahafantatra fa mbola mamely mafy ny ady iray, na mbola miely patrana ny heloka bevava feno herisetra, na mbola mampihena ny tanjaky ny tany an-dalam-pandrosoana iray ny mosary.
Raha lavitra an’ireo zava-mitranga ireo no misy anao, dia angamba tsy hoe ho ory dia ory foana ianao noho ny tatitra toy izany. Rehefa dinihina tokoa, iza moa no hihetsi-po amin’izao vahoaka mijaly rehetra izao, ka hahatanty izany? Na dia izany aza, dia tena sarotra ny hitoerana ho tsy mihontsina rehefa isika no manatri-maso ny fiantraikan’ny fahoriana eo amin’ny olona. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia zavatra iray ny hoe mamaky boky miresaka ny ady iray ka mandinika antontan’isa momba ny maty tamin’izany, fa zavatra hafa tanteraka ny mamaky ny amin’i Adnan kely, ankizilahy bôsniaka sivy taona. Maty ny reniny rehefa noravan’ny baomba iray ny tranon’izy ireo. Maty voatifitr’olona an-katakonana ny rain’i Adnan, volana vitsivitsy monja taorian’izay, rehefa niara-nandeha an-tongotra nidina tamin’ny lalana iray izy mianaka. Nanatri-maso ny anabaviny izay nandeha ra tsy an-kijanona mandra-pahafatiny, izy, herinandro vitsivitsy monja taorian’izay, noho ilay anabaviny voan’ny tifi-tafondro tao an-tokotanin-tsekoly. Hitan’ireo dokotera nitsabo an’i Adnan noho ny fikorontanana anaty nahazo azy fa lasa mafy fo ilay ankizilahy, tsy nisy tao aminy intsony izay rehetra mety ho fihetseham-po — na dia ny fahalianana hahafanta-javatra aza. Ny tahotra sy ny fitamberin’ny lasa tao an-tsaina no nampahory azy tamin’ireo ora nampifoha azy; ny nofy ratsy no nanakorontana ny torimasony. Tsy hita amin’ny antontan’isa i Adnan. Ankizy mijaly izy; tsy afaka ny tsy hihetsi-po noho ny aminy isika.
Toy izany koa no izy ny amin’ireo toe-piainana ratsy hafa eo amin’izao tontolo izao. Zavatra iray ny mamaky boky miresaka mosary; fa zavatra hafa tanteraka ny mahita ny sarin’ny ankizivavy kely iray dimy taona, be kibo sady taolana mitafy hoditra sisa ny tongony, zara raha velona noho ny hanoanana. Zavatra iray ny mamaky antontan’isa momba ny heloka bevava; fa zavatra hafa tanteraka ny mahafantatra ny amin’ny vehivavy mpitondratena be taona iray izay velezina amin-kalozana sy robaina ary vetavetaina. Zavatra iray ny mamaky boky miresaka ny fikororosian’ny fianakaviana; fa zavatra hafa tanteraka ny mahafantatra fa ninia nahafaty mosary ny zanany naterany ny reny iray ary nitondra azy tamin-kabibiana.
Mahory ny mamaky boky miresaka zavatra toy izany. Ratsy lavitra toy inona anefa ny hoe mampijaly antsika mivantana ny iray amin’ireny loza maneran-tany ireny! Rehefa misy zava-dratsy mahazo anao manokana, ilay tarehin-javatra lehibe kokoa asehon’ireo vaovao eo amin’izao tontolo izao dia mety hanjary hampivalaketraka. Mampahatahotra ny miatrika ny hoe tsy mitsaha-mitombo amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany teo amin’ny tantaran’ny olombelona, ny fijaliana ateraky ny heloka bevava, ny ady, ny mosary, ary ny aretina. Mety ho lalina tokoa ireo vokatry ny fiatrehana ny zava-misy amin’itỳ taonjato faha-20 itỳ — fahita ny fahaverezan-kevitra sy ny tahotra ary ny fahaketrahana.
Misy olona amin’ny fivavahana maro, mitady valiny amin’ny fanontaniana mampikorontan-tsaina toy ny hoe: Nahoana no ratsy aoka izany ny tarehin-javatra? Mizotra ho aiza ny olombelona?
Mampalahelo fa mahalana ny fivavahana amin’izao andro izao no manolotra valiny mahafa-po. Raha vao hitanao voalohany ilay fanontaniana eo amin’ny fonon’itỳ gazety itỳ, dia mety ho feno fisalasalana ianao — azo an-tsaina ihany ny anton’izany fihetsika izany. Matetika ireo fivavahana miraikitra amim-pototra ( fondamentaliste) no miezaka hanery ny Baiboly hanazava zavatra tsy raketiny tsotra izao — ny andro sy ny ora marina hifaranan’itỳ tontolo itỳ. (Jereo ny Matio 24:36.) Aleon’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ mamela ny Baiboly hanazava tena. Mety ho gaga ianao hahafantatra fa araka ny zava-misy sy azon’ny saina ekena ny famoaboasan’ny Baiboly ny amin’ny andro farany. Ary tsy vitan’ny hoe manazava ny antony maha-ratsy aoka izany ny tarehin-javatra fotsiny ny Baiboly, fa manome fanantenana ny amin’ny hoavy koa, dia fanantenana tena mampionona. Manasa anao izahay handinika ireo lahatsoratra manaraka mba hahitana hoe amin’ny ahoana no izany no izy.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Jobard/Sipa Press