Ny mosary—Inona no hevitr’izany?
TSY azo iadian-kevitra fa nahavita fandrosoana lehibe tokoa ny fambolena tato anatin’izao taona faramparany izao; kanefa, nanomboka tamin’ny 1914, ny olombelona dia tsy mbola nahita mihitsy tsy fahampian-kanina betsaka toy izany. Andeha hodinihitsika akaiky kokoa ny sasantsasany amin’izy ireo mba hahitana raha azo atao ny mahita ao aminy ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy sy ny fahitana izay noraisin’ny apostoly Jaona momba izany. Raha hita fa ireo mosary amin’izao taonjato faharoapolo izao dia toa mifanaraka tokoa amin’ireo filazalazana ireo, dia hodinihintsika aloha kokoa ilay foto-kevitra mba hamerana, raha izany no izy, hoe amin’ny ahoana izy ireo no miavaka amin’ireo izay efa nisy tamin’ny ambangovangony tany aloha nandritra ny nisian’ny tantaran’izao tontolo izao.
Ny mosary ao anatin’ny fahatondrahana ara-tsakafo
Rehefa mahita ny harena izay mampiavaka ny izao tontolo izao ankehitriny ny sasany dia miteny anakampo fa tsy ara-dalàna ny hampifanarahana ny fotoana misy antsika amin’ny fotoana izay hamaboan’ilay soavaly maintin’ny mosary ny tany. Kanefa, ny Baiboly dia tsy nilaza fa ho fatin’ny hanoanana ny olona rehetra amin’izany andro izany. Na izany aza, araka ny fahitan’i Jaona, ilay feo izay nametra ho ambony dia ambony ny vidin’ireo sakafo fototraa dia nilaza koa hoe: “Aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.” (Apokalypsy 6:6). Ary anefa ny diloilon’oliva sy ny divay dia vokatra aingitraingitra. Noho izany, ny tian’ny Apokalypsy holazaina dia hoe hisy olona sasany mbola hiaina ao anatin’ny fahatondrahana ihany raha mbola mijaly amin’ny hanoanana kosa ny sasany.
Tetsy andaniny koa, raha nanambara tsy fahampian-kanina i Jesosy dia nilaza mazava tsara izao fampitandremana izao: “Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka [fihinanana tafahoatra, MN] sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.” (Lioka 21:34, 35). Eny, raha mbola zohin’ny tsy fahampian-kanina tokoa ny olona sasany, ny sasany kosa dia mety ho variana amin’ny fihinanana tafahoatra. Ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany tokoa ve izao tontolo izao ankehitriny?
Tena izany tokoa. Fanampin’izany, ireo fandinihana natao dia nampiseho fa ny fisondrotan’ny fari-piainan’ny olona sasany indrindra no mahafaty noana ny hafa. “Ny fanatsarana ny fari-piainana sy ny fitomboan’ny fangatahana sakafo eo amin’izao tontolo izao dia nanao izay hisondrotan’ny vidin-kanina, hany ka mihamahita fahasahiranana hatrany ihany ireo tany mahantra mba hanafarana ireo sakafo hilainy.” (The New York Times tamin’ny 16 aogositra 1981). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fihinanana tafahoatra ataon’ny sasany dia tsy manao afa-tsy izay hampitombo ny “tsy fahampian-kanina” eo amin’ny hafa.
“Amin’ny tany samy hafa”
Nanambara i Jesosy fa “hisy mosary (...) amin’ny tany samy hafa”. (Matio 24:7.) Tanteraka ve ireo teniny ireo nanomboka tamin’ny 1914? Izany tokoa. Aoka hotononintsika ny zava-nitranga sasany: Tamin’ny 1921, ny mosary dia nahafaty olona tokony ho 5 tapitrisa tany U.R.S.S Tamin’ny 1929, izany dia nahafaty olona 3 tapitrisa tany Chine. Nandritra ireo taona telopolo, dia Sovietika 5 tapitrisa no matin’ny hanoanana. Vao taona vitsivitsy monja izay, dia nisy fahamainana naharitra nandroaka mpialokaloka tsy hita isa tao amin’ireo tany mifanolotra amin’i Sahara ary nahafaty olona hatramin’ny 100 000.
Tadidio koa anefa fa tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona, ilay soavaly maintin’ny mosary dia nanaraka ny soavaly menan’ny Ady? Ary anefa, tamin’izao taonjato misy antsika izao, ny ankamaroan’ny tsy fahampian-kanina dia niseho indrindra ho toy ny vokatry ny ady mivantana. (Apokalypsy 6:3, 4). Araka izany, dia ny ady an-trano no nandentika an’i Espaina tao anatin’ny mosary nandritra ireo taona telopolo. Fa raha ny amin’ny Ady Lehibe Faharoa, izy io dia namafy hanoanana tany Gresy, tany Pologne, tany Rosia, tany Pays-Bas ary koa tany amin’ny tany maro hafa. Tamin’ny 1943 sy tamin’ny 1944, dia olona 1 500 000 mahery no nahita fahafatesana tao anatin’ny mosary tany Bengale, any India, tamin’ny ankabeazany dia noho ny ady ihany.
Manakaikikaiky antsika kokoa, nandritra ireo taona enimpolo, dia nisy olona matin’ny hanoanana tany Congo (Zaïre ankehitriny) sy tany Nigeria, noho ny ady an-trano. Hitantsika tao amin’ireo gazetintsika ireo ankizy kambodjiana noana, mibanjina antsika raha mbola mandrava ny tanin’izy ireo ny ady. Vao haingana koa isika no namaky fa mpialokaloka maherin’ny iray tapitrisa no mivelona ao anatin’ny fahiazan’ny mosary any Somalia, rehefa avy nandositra ny fahamainana sy ny fifandonana nirehitra tany Etiopia. Araka ny filazan’ireo tobim-pilazam-baovao sasany, dia mpialokaloka maherin’ny 9 tapitrisa no toa hoe eo an-dalam-pahafatesana noho ny hanoanana any Thaïlande, Soudan, Zaïre, Nicaragua, Honduras, sy any Pakistan. Mitohy foana ny zavatra mampitebiteby indrindra.
Hatramin’ny nisian’ny Tantara, ny mosary dia nateraky ny ady, ny fahamainana, ny fitomboan-taranaka be loatra an’ireo bibikely isan-karazany na ny loza hafa koa. Moa ve isika nahita tsy fahampian-kanina bebe kokoa toy izany noho ireo taranaka teo alohantsika? Tsy afaka manamarina izany mazava izahay satria tsy feno ireo tarehi-marika voalahatra eto aminay. Na dia izany aza, izao taonjato misy antsika izao dia tsy azo lavina fa nahazo ny anjara loza aman’antambony araka ny natiora. Afa-tsy izany, izy koa dia nijaly bebe kokoa tamin’ny ady noho ny fotoana hafa rehetra azo ampitahaina aminy teo amin’ny Tantarab. Noho izany, dia tena azo antoka tokoa ny fisian’ny tsy fahampian-kanina bebe kokoa amin’izao androntsika izao noho ny tamin’ny fotoana tany aloha rehetra. Tsy azo lavina fa hitantsika ny mosary mifanindran-dalana amin’ny fahatondrahana ara-tsakafo; fantatsika ireo fihafiana nanaraka ny ady ary tsapantsika fa namely “tany amin’ny tany samy hafa” ny tsy fahampian-kanina, mifanaraka indrindra amin’ireo faminaniana.
Kanefa mbola misy karazana mosary vaovao amin’izao fotoana izao izay mampiavaka ny taonjato misy antsika amin’ny hafa rehetra.
“Tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra”
Ao amin’ny sasin-tenin’ny boky hoe Halehiben’ny zava-manahirana ara-tsakafo eto amin’izao tontolo izao (anglisy) i E. Duncan, mpampanonta ilay boky, dia nanazava fa hatramin’izao fotoana farany izao, ny fitomboan’ny famokarana ara-tsakafo dia saiky manaraka ny an’ny mponina. Marina aloha fa niteraka fielezan’ny mosary teo amin’ny olona sasany ireo loza, kanefa dia mbola tafarina avy amin’izany foana ny mponina. Nanomboka teo amin’ireo taona efapolo anefa dia nisy anton-javatra vaovao tafiditra: ny fitomboan’ny isan’ny mponina haingana izay hatreo dia nampidi-doza ny fahaizan’izao tontolo izao hamelon-tena maharitra. “Izany toe-javatra izany, hoy izy, dia tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra.”
Ny ohatra any India dia mampiseho tokoa io fisehoan-javatra io. Nahita mosary nahery vaika io tany io nandritra ny tantarany rehetra, nefa ankehitriny dia mbola hafa ihany ny zava-manahirana. “Tsy nanjary tsy azo noleferina ny tarehin-javatra [tany India] raha tsy tamin’ny taonjato farany iny, ary tamin’ny fomba tena niharihary mihitsy aza noho ny tamin’izao taonjato faharopolo izao. Tsy hosoritana be loatra na oviana na oviana izany zava-nitranga izany mba hampisehoana fa tsy marina ireo fiheverana mamitaka ilazana fa mpinamana tsy azo sarahina ny hanoanana sy ny Tantara.” Toy izany no hevitra nasehon’i Georg Bogstrom, ny iray amin’ireo manam-pahefana fanta-daza indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny sakafo.
Nanampy toy izao io manam-pahaizana manokana io: “Fony nahita io kontinanta kely manan-karena io ny Anglisy, tokony ho roanjato taona eo ho eo izay, dia olona enimpolo tapitrisa teo ho eo no nipetraka toe amin’ny faritanin’i India ankehitriny. Amin’io asa io dia folo tapitrisa eo ho eo no tsy ampy sakafo aoka izany. Nanomboka hatreo, ny mponina dia nitombo avy fito heny ary nitsimbadika ny tarehin-javatra. Raha ny marina dia ny isan’ny Indiana misakafo tsara amin’izao fotoana izao no tafakatra ho folo tapitrisa eo ho eo amin’ny ara-keviny.” Ny planeta mosarena (anglisy) nosoratan’i Georg Borgstrom.
Mihamisy ny toe-javatra mitovitovy amin’izany any amin’ny tany hafa. Marina aloha fa amin’ny ankapobeny izao tontolo izao dia mbola mamokatra sakafo ampy ho an‘ny vava homana rehetra ao aminy, araka ny fiheverana fara faharatsiny. Kanefa, raha mbola mitohy mitombo ihany ny isan’ny mponina, dia tsy haharitra izany toe-javatra izany. Tany mahantra maro izay nahavokatra sakafo ampy vao haingana mba hisahanana izay ilainy, no ao anatin’ny tsy fahafahana hanao izany intsony hatramin’izao. Mazava ho azy anefa fa ny fahantrany dia manakana azy ireny tsy hividy ny sakafo hilainy mba hamahanana ny mponina ao aminy. Fanampin’izany, any amin’ny tany sasany izay tsy orin-tsakafo amin’ny ankapobeny, dia mponina maro no tsy manan-katao be loatra mba hividianana ireo sakafo ilainy. Ho an’ireo olo-mahantra, dia mbola karazana tsy fahampian-kanina ihany koa izany.
Tamin’ny taona lasa iny, ny Times any Los Angeles dia nanao izao fanamarihana izao: “Any Afrika, tsy fahampian-tsakafo dia niharatsy kokoa ato anatin’ny enimbolana farany, ary tany 28 no voagejan’ny mosary amin’izao fotoana izao.”
Ny Sun any Vancouver koa dia nanambara toy izao: “Ankehitriny, amin’ny fiafaran’ny taona ‘ara-dalàna’ iray, ny O.A.A. [Fandaminana ho an’ny sakafo sy ny fambolena] dia manombantombana ho 450 tapitrisa ny isan’ny olona mosarena ary iray lavitra (na arivo tapitrisa) ny isan’ny tsy ampy sakafo.”
Araka ny rapaoro azo avy amin’ny “Fonds” an’ny Firenena Mikambana momba ny zaza, dia ankizy 17 tapitrisa no toa matin’ny hanoanana sy ny aretina eran’izao tontolo izao tamin’ny 1981. Io isa io fotsiny no efa tafahoatra ny an’ireo tratran’ny mosary mahatsiravina izay namely an’i China tamin’ny 1878 sy 1879.
Misy vaha olana tsinjo ve? Mamaly toy izao ny New York Times: “Ny asa mariky ny Banky eo amin’izao tontolo izao dia mampiseho fa vola 600 lavitrisa dôlara no tokony halefa any amin’ireo tany ao an-dalam-pandrosoana (...) ato anatin’ny folo taona ho avy mba hahazoana mampaharitra fotsiny ny tahirin-tsakafon’izy ireo eo amin’ny toerana mampalahelo misy azy ankehitriny. Ary tsy misy olona na dia iray aza afaka milaza amin’ny fomba hentitra hoe avy aiza no hiavian’izany vola be izany”. Tsy mbola mahita ny lalan-kivoahany foana ireo olona mpandinika ny zava-misy.
Ny vaovao tsara
Raha jerena amin’ny fitarany sy ny fironany hihamafy fotsiny, ny zava-manahirana ny amin’ny hanoanana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia efa tsy manan-tsahala sahady. Fa ny tena mahatonga an’io fisehoan-javatra io ho hafahafa kokoa ihany dia noho izy mifamatotra amin’ny fitohitohizana fahasahiranana maro izay toa tsy azo alamina.
Tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona, ny soavaly maintin’ny mosary dia nialohavan’ny soavaly mena izay mampiseho ny ady, ary narahin’ny soavaly hatsatra izay mampiseho ny aretina. Fa raha ny amin’i Jesosy kosa, rehefa nanambara ny mosary “amin’ny tany samy hafa” izy, dia nanazava fa izy ireny dia harahin’ny horohorontany lehibe, ny areti-mandringana sy loza hafa koa (Matio 24:7-14; Lioka 21:10-28). Koa satria ireo zava-mitranga rehetra ireo efa tanteraka amin’izao fotoana izao, dia tsy isalasalana fa isika dia miaina amin’ny fotoana mampahory izay samy nambaran’i Jesosy sy ny apostoly Jaona.
Noho izany, ny dian’ireo mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy efatra dia tokony hampiseho ny fotoana izay nivoahan’i Jesosy vao avy nomem-boninahitra “naharesy sady mbola haharesy.” (Apokalypsy 6:1-8.) Fa raha ny amin’ny fitantarana amin’ny antsipiriany an’ireo zavatra hiseho maneran-tany nomen’i Jesosy, izany dia namaly ny fanontaniana toy izao, napetrak’ireo mpianany: “Lazao aminay izay hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao [fandehan-javatra, MN].” — Matio 24:3.
Miaina amin’ny andro fanapahan-javatra àry isika izao. Efa manjaka eo ambonin’ny seza fiandrianany tsy hita maso Jesosy ankehitriny. Tsy ho ela izy dia ‘haharesy’ amin’ny fanafahana ny tany amin’ny olona ratsy fanahy ary amin’ny fanaovana izay tsy hahafahan’i Satana Devoly, ilay tena fototry ny ratsy rehetra, hanao fanimbana intsony (Salamo 37:9-11; Apokalypsy 20:1-3). Izany no antony nanampian’i Jesosy teny toy izao: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” — Lioka 21:31.
Izany no vaovao tsara izay fonosin’ireo loza ampahafantarin’ireo gazetintsika antsika. Tsy ho ela intsony izao dia ho tapitra ny hazakazak’ilay soavaly maintin’ny mosary ka ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tany amim-pahamarinana. (Salamo 72:1, 16). Izany dia ho fiovana tsara indrindra no sady lehibe indrindra izay tsy mbola hitan’ny taranak’olombelona mihitsy. Nahoana no tsy tadiavina ny hahafantatra izay lazain’ny Baibolinao ny amin’izany fiovana izany? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hitondra ho anao ny fanampiana izay angamba hoheverinao fa hilaina mba hahatongavana amin’izany. Amin’izany fomba izany no hahafahanao hahalala tsara ny tena hevitry ny dia mahatahotr’ilay soavaly mainty mpitondra mosary.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Venty ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary.” (Apokalypsy 6:6). Ny venty na denaria dia mitovy amin’ny karaman’ny mpiasa indray andro tamin’ny andron’i Jaona. — Matio 20:2.
b Jereo ny lahatsoratra hoe “Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fiandohan’ny fahoriana”, navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 oktobra 1983.