Fahazakana Fahoriana Noho ny Herin’i Jehovah
TAMIN’NY volana Febroary tamin’ny taon-dasa, dia olona maro avy tao amin’ny Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Bailén, any Espaina, no niara-nankafy andro nahafinaritra teny amin’ny Tendrombohitra Sierra Nevada teny akaiky. Dimy kilaometatra monja sisa tsy hahatongavana tany an-trano anefa, dia nisy fiara iray tamy nanapaka ny laharana nandehanan’ny aotobisin’izy ireo, ka nifandona ny lohan’ireo fiara roa. Nisy fipoahana tamin’izay, ary dia heniky ny lelafo ilay aotobisy. Nisy mpandeha tafavoaka ara-potoana, saingy maro tamin’ireo tany aoriana tao amin’ilay aotobisy no sempotry ny setroka ka maty.
Tamin’ny fitambarany, dia Vavolombelona 26 no namoy ny ainy, anisan’izany ny mpitory manontolo andro efatra sy ankizy maromaro — efa ho ny ampahefatry ny Kongregasionan’i Bailén. Naneho ny fihetseham-pon’ny ankamaroan’ny Espaniola i Juan Carlos, mpanjakan’i Espaina, rehefa nanoratra toy izao izy tao amin’ny telegrama nalefany tany amin’ny ben’ny tanànan’i Bailén: “Taitra mafy nahare ilay voina nampivarahontsana. Matokia fa miaraka ory amim-pahatsorana aminareo izahay. Ampitao amin’ny fianakavian’ireo tra-doza, aza fady, ny fiarahanay miory sy ny fanohananay lalina mandritra izao fotoana mampahory izao.”
Fanontaniana iray tao an-tsain’ny sasany tamin’ireo olona an’arivony nanatrika ny fotoam-pivavahana tamin’ny fandevenana ny hoe: Nahoana no mitranga ny fahoriana toy izao? Mazava fa afaka miantraika amin’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fomba mitovy amin’ny manjo ny olon-kafa rehetra ny voina ateraky ny “fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11, 12). Na dia izany aza, dia tena mampanantena i Jehovah fa tsy ho ela dia ho foana ny fahoriana toy izany. — Apokalypsy 21:4, 5.
Mpikambana maro tamin’ny fianakaviana ao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina sy Vavolombelona an’arivony maro avy tany amin’ny faritra hafa amin’ilay tany no nanao dia lavitra nankany Bailén mba hanome fampiononana sy fanohanana ireo rahalahy teo an-toerana. Niombona alahelo tamin’ireo fianakaviana Vavolombelona koa ny vahoakan’i Bailén, niaraka tamin’ireo manam-pahefana teo an-toerana sy tao amin’ilay faritra. Nanaitra lalina ny sain’ny mpijery maro ny herin-tsain’ireo Vavolombelona nidonam-pahoriana.
“Nahafantatra ny Vavolombelona hatramin’ny taona maro aho”, hoy ny fanamarihan’i Antonio Gómez, ben’ny tanànan’i Bailén, “ary na dia misalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra aza ny tenako, dia midera ny finoanareo aho. Rehefa nitranga ilay voina, dia nieritreritra avy hatrany aho hoe hahatonga anareo ho afaka hahazaka ilay fahoriana amin’ny fomba tsara kokoa noho ny hahazakan’ny antokon’olon-kafa izany, ny firaisan-tsainareo ara-pivavahana sy amin’ny maha-olombelona. Hitako ny fomba nanomezan’ny tanàna manontolo ny fanohanany an’ireo fianakaviana nozoim-pahoriana. Angamba teo aloha dia nanana hevi-diso momba anareo ny olona, kanefa faly aho milaza fa nanjavona izany. Manana tanjaka anaty ianareo, izay sarotra amin’ny olona tsy Vavolombelona ny mahatakatra azy.”
Niaiky toy izao i José Borrell, minisitry ny asa vaventy, izay nanatrika ny fandevenana tamin’ny naha-solontenan’ny fitondram-panjakana espaniola azy: “Inona no azo lazaina amin’ireo olona ireo izay namoy saika ny fianakaviany manontolo tao anatin’ny loza iray? Tsy misy ankoatra izay efa hitany tao amin’ny finoany. (...) Manana finoana mahatalanjona ianareo.”
‘Mifampionòna hatrany’
Inona no efa “hitany tao amin’ny finoany”? Ambonin’ny zava-drehetra, dia nahita fampiononana avy tamin’i Jehovah, ‘Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’, izy ireo. (2 Korintiana 1:3, 4). Na dia teo aza ny alahelony, dia nahita ny tanjaka hifampiononana izy ireo, ka nandray am-po ireto tenin’i Paoly ho an’ny Tesaloniana ireto: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany”. — 1 Tesaloniana 5:11, NW.
Fanandraman-javatra nampihetsi-po ny nahita ireo rahalahy sy anabavy kristiana, izay namoy havana hatramin’ny valo ny sasany, nitsidika ireo mpikambana hafa tao amin’ny kongregasiona izay nidonam-pahoriana. “Rehefa nifankahita izahay, dia nitomany. Tao anatin’ny fitomanianay anefa, dia nampahatsiahy tena ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty izahay, ary dia nahatsiaro ho nahazo fampiononana”, hoy ny fanazavan’i Francisco Saez, mpiandraikitra mpitantan-draharaha, izay namoy ireo hany zanany roa.
“Tsy nataonay tsirambina ny asa fitorianay, ary nanao ezaka manokana izahay hitsidika ny havan’ireo maty, dia ireo havany tsy Vavolombelona, tamin’ny fampiasana ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao.” Nanohy ny teniny toy izao i Francisco: “Raha ny amiko aloha, dia naniry hitory aho, satria fantatro fa hahatsiaro tena ho tsara kokoa aho amin’ny fitoriana amin’ny hafa. Ary azo antoka fa na dia nandeha nivoaka tamin-dranomaso aza aho, dia nahazo fampiononana rehefa nody.”
Tena nandray tsara io asa fanambarana io ny vahoakan’i Bailén. Herinandro taorian’ilay voina, dia nitsidika ramatoa iray izay vao haingana no nanombohany fampianarana Baiboly, i Encarna, izay nalahelo noho ny famoizana zanakavavy roa sy zafikely efatra. Nanome fampiononana araka ny Soratra Masina an’io vehivavy io, izay maty vady efa-bolana talohan’izay, i Encarna. “Izao izahay dia tsy maintsy mifampionona”, hoy izy, satria nanohy ny fandinihany ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, izy ireo.
Tonga avy hatrany koa ny fanohanana avy tamin’ny firahalahiana maneran-tany. “Mahatsiaro ho nahazo fampaherezana aoka izany ny kongregasiona manontolo noho ireo taratasy sy telegrama an’arivony maro voarainay”, hoy ny fanazavan’i Francisco Capilla, mpitan-tsoratry ny kongregasiona. “Voatery nandefa fiarabe iray mpitondra entana nankatỳ an-tranonay mivantana isan’andro ny biraon’ny paositra mba hanaterana azy rehetra. Tena velom-pankasitrahana noho ny fiahian’ireo rahalahy amim-pitiavana izahay.”
Fanantenana avy amin’ny fahoriana
Moa ve mety hisy zavatra tsara avy amin’ny fahoriana toy izany? “Ny fon’ny hendry dia ao amin’ny trano misy fisaonana”, hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka fahiny. (Mpitoriteny 7:4). Mifanaraka amin’io fotopoto-pitsipika io, dia nahatonga ny olona sasany hieritreritra amim-pitandremana kokoa momba ny fifandraisany amin’Andriamanitra ilay fahoriana tany Bailén. Nilaza toy izao tamin’i Dolores vadiny i Faustino, izay tsy mpino, izay namoy ny roa tamin’ireo zanany enina tamin’ilay voina: “Manana vaovao tsara holazaina aminao aho. Hanomboka hianatra ny Baiboly aho, satria ta hahita ny zanako any amin’ny tontolo vaovao.”
Na dia tsy haharesy haingana ny alahelony aza ireo rahalahintsika sy anabavintsika any Bailén, dia mampionona ny hafa izy ireo ary mahazo fampiononana. Manatanjaka azy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny sy ny fanohanan’ireo rahalahy sy anabavy maro izay be fitiavana, i Jehovah. Manohy miakatra ho any amin’ilay Raintsika any an-danitra ny vavaka ataontsika ho azy ireo.
[Sary, pejy 30]
Efatra tamin’ireo maty