Midika ho Inona ho Anao ny Fahalalahana Ara-pivavahana?
Na dia heverina ho zo fototra aza ny fahalalahana ara-pivavahana any Etazonia, dia nanafotra ilay tany ny onjan-kerisetra nataon’ny vahoaka romotra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao anatin’ireo taona 1940.
AN-TAPITRISANY maro ny olona niady ho azy io. Ny sasany aza maty ho azy io. Tena iray amin’ireo fananana sarobidy indrindra amin’ny olombelona izy io. Inona izany? Fahalalahana! Mamaritra ny fahalalahana ho “ny fahafahana manao safidy sy manatanteraka izany”, ny The World Book Encyclopedia. Manohy ny teniny toy izao izy io: “Araka ny fomba fihevitra ara-pitsarana, dia afaka ny olona raha toa ny fitambaran’olona ka tsy mampihatra fetra tsy ara-drariny, tsy ilaina na tsy araka ny antonona eo amin’izy ireo. Tsy maintsy miaro ny zon’izy ireo koa ny fitambaran’olona — izany hoe, ireo fahalalahany fototra, ireo zony, sy ireo tombontsoany.”
Toa tsotra ilay hevitra. Rehefa ampiharina anefa izany, dia toa saika tsy azo atao tanteraka ny hitovian’ny olona hevitra momba ny hoe aiza marina no tokony hapetraka ny fetran’ny fahalalahana. Ohatra, mino ny sasany fa tokony hamoaka lalàna ny fitondram-panjakana mba hiarovana ny fahalalahan’ireo olom-pireneny. Mihevitra anefa ny sasany fa ireny lalàna ireny no tena fehy misakana izay tokony hanafahana ireo olom-pirenena! Mazava fa midika ho zavatra samy hafa amin’ny olona samy hafa ny fahalalahana.
Ahoana ny amin’ny fahalalahana ara-pivavahana?
Angamba ny fahalalahana izay niadiana fatratra indrindra dia ny fahalalahana hanaraka fivavahana, izay nofaritana ho “ny zo hino sy hanaraka ny finoana nofidin’ny tena”. Araka ny Fanambarana Eran-tany Momba ny Zon’olombelona Nataon’ny Firenena Mikambana, dia “manana zo ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy manaraka ny feon’ny fieritreretana ary manaraka fivavahana ny olon-drehetra”. Mahafaoka ny zon’ny olona iray “hiova fivavahana na finoana” izany, miaraka amin’ny fahalalahana “haneho ny fivavahany na ny finoany, amin’ny fampianarana, amin’ny atao, amin’ny fanompoam-pivavahana, sy amin’ny fitandremana ny fombany”. — Andininy faha-18.
Azo antoka fa hantenaintsika ny hanomezan’izay mety ho firenena mikarakara marina ireo olom-peheziny, fahalalahana toy izany. Mampalahelo fa tsy izany foana no mitranga. “Misy fiantraikany eo amin’ny fihetseham-po lalina indrindra ananan’ny olona maro ny fivavahana”, hoy ny fanamarihana ataon’ny The World Book Encyclopedia. “Misy fitondram-panjakana sasany manana fifamatorana akaiky amin’ny fivavahana iray ary mihevitra ireo olona hafa finoana ho fandrahonana ny fahefana ara-politika. Mety hihevitra ny fivavahana ho mampidi-doza amin’ny lafiny ara-politika koa ny fitondram-panjakana iray, satria ireo fivavahana dia mety hametraka ny fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra ho ambony noho ny fankatoavana ny fanjakana.”
Noho ireo antony ireo, dia manisy fameperana eo amin’ny fanarahana fivavahana ny fitondram-panjakana sasany. Misy vitsivitsy misakana ny fanarahana izay mety ho finoana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ny hafa, na dia milaza fa miaro ny fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana aza, dia mifehy mafy ireo asa rehetra ara-pivavahana.
Diniho, ohatra, ny tarehin-javatra nisy tany Meksika nandritra ny taona maro. Na dia niantoka ny fahalalahana ara-pivavahana aza ny Lalàm-panorenana, dia nanambara mazava toy izao izy io: “Ireo fiangonana ampiasaina ho amin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso dia fananan’ny Firenena, izay ny Fitondram-panjakana Federaly no solontena, ka izy io no hamaritra hoe fiangonana iza no afaka manohy ho azo ampiasaina ho toy izany.” Tamin’ny 1991, dia nahitsy ny Lalàm-panorenana mba hanafoanana an’io fameperana io. Na dia izany aza, dia asehon’io ohatra io fa mety ho azo hazavaina amin’ny fomba samy hafa any amin’ny tany isan-karazany, ny fahalalahana ara-pivavahana.
Karazam-pahalalahana ara-pivavahana hafa iray
Misy ve ny fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny tany izay ipetrahanao? Raha izany no izy, ahoana no hamaritana azy io? Afaka manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra amin’ny fomba fidinao hanaovana izany ve ianao, sa ianao voatery ho tonga mpikambana amin’ny fivavaham-panjakana? Omena lalana ve ianao hamaky sy hampiely zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana, sa kosa raran’ny fitondram-panjakana ny zavatra vita pirinty toy izany? Afaka miresaka amin’ny hafa momba ny finoanao ve ianao, sa kosa izany heverina ho fanitsakitsahana ny zon’ny hafa ara-pivavahana?
Miankina amin’izay toerana ipetrahanao, ny valin’ireo fanontaniana ireo. Mahaliana anefa fa misy karazana fahalalahana ara-pivavahana iray, izay tsy miankina mihitsy amin’ny toerana. Fony izy tany Jerosalema tamin’ny taona 32 am.f.i., dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:31, 32.
Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’io fanambarana io? Naniry mafy ny hafahana tamin’ny fanapahana romana ireo Jiosy nihaino azy. Tsy niresaka ny amin’ny fanafahana amin’ny fampahoriana ara-politika anefa i Jesosy. Tsia, nampanantena zavatra tsara lavitra tamin’ny mpianany kosa izy, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.