Iza no Tena Iraka Milaza Fiadanana?
TAMIN’NY 31 May 1996, dia nisy loharanom-baovao nanambara izay hita ho toa hafatra nilaza fiadanana. Ny omalin’io, dia navoaka ny fanambarana ofisialy iray nanamafy fa i Benjamin Netanyahu, izay nadiva ho tonga praiminisitr’i Israely, dia “nanome toky mafy ny amin’ny hanohizana ny fifampiraharahana ho amin’ny fandriampahalemana, ny fandriampahalemana omban’ny filaminana, eo amin’ny fanjakan’i Israely sy ny mifanila aminy rehetra, anisan’izany ny Palestiniana”.
Nanaovana laza masaka ny naha-voafidy an’i Netanyahu, ary izany dia nahatonga olona maro hanontany tena raha mety ho mihoatra noho ny nofinofy fotsiny ny fandriampahalemana any Moyen-Orient. Raha izany no izy, moa ve afaka manaraka ny ataony ireo firenen-kafa, ka hanadino ny tsy fifanarahan’izy ireo?
Mazava ho azy fa mora kokoa ny mampanantena fandriampahalemana noho ny manatanteraka izany. Olona maro no nahatakatra izany ka be fisalasalana. Araka ny filazan’i Hemi Shalev, mpanao gazety, “ny antsasaky ny vahoaka any Israely ankehitriny dia manana fihetseham-po hoe antomotra ny fiverenana amin’ny laoniny, ary ny antsasany mino fa voafandrika ao anatin’ny afobe eto an-tany izy io”. Ho famintinana, dia izao no nambarany: “Ny sasany mifaly; ny hafa mitomany.”
Toy izany no fandehan’ny fiezahan’ny olombelona hitady fandriampahalemana. Midika ho faharesen’ny antoko mpanohitra ny fandresen’ny mpitarika iray sy ireo mpanohana azy. Mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana ny tsy fahafaham-po, ary matetika no mitarika ho amin’ny fikomiana ny fahadisoam-panantenana. Na any Moyen-Orient, Amerika Latina, Eoropa Atsinanana, na any an-toeran-kafa — dia mamitaka aoka izany ny ezaka ataon’ny olombelona mba hahitana fandriampahalemana.
Antomotra ny tena fiadanana!
Nandritra ny fotoana nampahafana indrindra tao amin’ny vaovao ny foto-dresaka momba ny fandriampahalemana any Moyen-Orient, dia re ny hafatra hafa iray nilaza fiadanana. Tsy kabary politika nanaovana laza masaka izy io; tsy fifanekem-pihavanana teo amin’ny firenena koa izy io. Nanambara fiadanana izay tsy hitranga raha tsy amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa io hafatra io. Taiza no nandrenesana io hafatra io? Tany amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” maherin’ny 1 900 nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana izao tontolo izao nandritra ny taona 1996/1997.
Nohazavaina tany amin’ireo fivoriambe ireo fa tsy misy fitondram-panjakan’olombelona afaka mitondra ny tena fiadanana sy filaminana. Nahoana? Satria hitaky ny hamaranana ireo zavatra mandroba amintsika ny fiadanana isan’andro, izany. Ny tena fiadanana dia midika hoe fifohazana isa-maraina tsy misy fandrahonan’ny ady na ny herisetra. Izany dia midika hoe tsy misy heloka bevava intsony, tsy misy hidim-baravarana intsony, tsy misy tahotra ny handeha eny amin’ny arabe intsony, tsy misy fianakaviana rava intsony. Fitondram-panjakana iza eto an-tany no afaka manatontosa izany rehetra izany? Eny tokoa, fitondram-panjakana iza eto an-tany no ho sahy akory aza hampanantena izany?
Afaka manatanteraka sady hanatanteraka ireo zavatra ireo anefa ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4). Ho toy inona moa ny fanamaivanana hoentin’izany ho an’ny olombelona mijaly!
Tsy fampanantenana poaka aty ny an’i Jehovah Andriamanitra. Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” (Nomery 23:19). Eny, ho tanteraka izay nampanantenain’Andriamanitra — mba ho fitahiana an’izay rehetra miandany aminy.
Irak’Andriamanitra milaza fiadanana
Fanta-daza noho ny fitoriany amin-jotom-po momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Isan-taona, amin’ny fitambarany, dia mandany ora maherin’ny arivo tapitrisa izarana ny hafatra mampaherin’ny Baiboly amin’ny hafa, izy ireo. Izany dia fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy hoe: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ilay fanjakana, NW ] ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Tena “vaovao tsara” tokoa ilay hafatra entin’ny Vavolombelona, satria manambara ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona. Ary fanantenana mafy orina ny amin’ny hoavy re izany!
Na dia ankehitriny aza dia miteraka fehim-pihavanana sy fifankatiavan’ny mpirahalahy marina eo amin’ireo olom-peheziny ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Miezaka miaina mifanaraka amin’io zavatra takina fototra amin’ny Kristianisma marina io ny Vavolombelon’i Jehovah. Vokatr’izany, dia manana firahalahiana mahatalanjona mampiray ny Jiosy sy ny Arabo, ny Kroaty sy ny Serba, ny Hutu sy ny Tutsi, izy ireo. Io fiadanana izay tsy azon’ny ankamaroan’ny olombelona atao afa-tsy ny nofinofisina io, dia efa ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro maneran-tany ankehitriny.
Nasongadina tao amin’ny fandaharan’ny Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra” ny fampirisihana mba hanohy hiaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy hitory hatrany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manasa anao izahay mba hamaky ny tatitra manaraka momba ilay fivoriambe telo andro nampientanentana izay nankafizin’ny olona an-tapitrisany maro.