Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Valian-tsoa ny Fananana Fijoroana Tsy Mihozongozona any An-tsekoly
NILAZA mialoha toy izao ny Baiboly: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Amin’ny fomba miitatra, ny hoe “ny zanakao rehetra” dia azo ampiharina amin’ny fitambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra eto an-tany, anisan’izany ireo mbola kely. Amin’izao andro izao, ireo ray aman-dreny kristiana dia manao izay hahatonga ny zanany ‘hampianarin’i Jehovah’ any an-trano sy any amin’ireo fivoriana kristiana.
Rehefa mandeha any an-tsekoly anefa ireo tanora kristiana, dia miatrika fihaikana sarotra. Matetika dia hitan’izy ireo fa tena ilaina ny mijoro mafy amin’izay nianarany tao amin’ny Baiboly. Rehefa manao izany izy ireo, dia mety samy hahasoa ny mpianatra sy ny mpampianatra ny vokany, araka ny asehon’izao zavatra niainana manaraka izao, tany Micronésie.
Tany Tol, nosy kelin’i Pasifika andrefana, ao amin’ireo Nosy Chuuk, ireo mpampianatra tao amin’ilay sekoly teo an-toerana dia nilaza tamin’ireo ankizy rehetra mba hiomana handray anjara amin’ny fankalazan’ny sekoly ny Halloween. Fantatr’ireo mpianatra Vavolombelona fa ilay fankalazana dia mety hahatafiditra fampihaingoana sy fanaovana akanjo mampiseho matoatoa sy kinaolo ary mpamosavy — izany rehetra izany dia mifandray amin’ireo fomban-drazana miharo spiritisma avokoa. Tsy afaka nandray anjara tamin’izany ireo ankizy ireo noho ny feon’ny fieritreretany.a
Noho ny fampiofanana miorina amin’ny Baiboly azon’izy ireo tany an-trano sy tany amin’ny kongregasiona kristiana, dia fantatr’izy ireo fa tsy mahafaly an’Andriamanitra ny fanao toy izany, na dia atao noho ny fialam-boly fotsiny aza. Mba hampahazava kokoa ilay fanazavana ny fijoroan’izy ireo, dia nasain’ireo ankizy i Barak, misionera Vavolombelona iray tao amin’ilay nosy, mba hiresaka tamin’ny mpampianatra azy ireo.
Rehefa avy nandre ilay fanazavana ireo mpampianatra dia nandamina fivoriana faharoa, ka tamin’izay i Barak dia afaka niresaka tamin’ny mpiasan’ilay sekoly manontolo. Tamin’io fivoriana io, dia nasehon’i Barak ireo zava-misy momba ny tena fiavian’ny Halloween. Naka ny fanazavany avy tamin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower maromaro sy avy tamin’ny loharanon-kevitra hafa koa izy. Talanjona ireo mpampianatra sy ireo mpitantana ny sekoly noho izay nianarany momba ny fiavian’ilay fankalazana sy ny tantarany ary ny maha-ara-pivavahana azy io. Nifidy ny hanao fivorian’ny mpiasa izy ireo mba hanapahana ny fomba handaminana ilay tarehin-javatra.
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nambara ny fanapahan-kevitra tsy nampoizina iray. Nofoanana avokoa ireo fiomanana rehetra ho amin’ny Halloween. Tsy hankalaza tsotra izao ny Halloween ilay sekoly tamin’io taona io. Vokany tsara toy inona moa no nateraky ny fahatapahan-kevitr’ireo tanora Vavolombelona ireo hanao izay mety tany an-tsekoly! Tsy mila ny hatahotra na ho menatra mihitsy ireo tanora mba hiandaniana mazava amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampianatra ny zanany mba hianatra tsara any an-tsekoly. Ireo tanora vavolombelona koa dia ampiofanina mba hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sy mba hizara ny fanantenany sy izay inoany amin’ireo mpianatra hafa, rehefa manana fahafahana hanao izany izy ireo. Na dia tsy tsara sy hita avy hatrany toy ny tamin’itỳ fisehoan-javatra itỳ aza ny vokatra, ireo tanora dia afaka manana ilay toky sy fahafaham-po izay azo avy amin’ny fanaovana izay mety. Ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia afaka mahazo antoka izy ireo fa faly ilay Rainy any an-danitra ary hitahy azy ireo noho ny fankatoavany amim-pahatokiana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny Halloween sy ny fiaviany misy fanaovana spiritisma dia jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1993, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.