Notohanana ny Fahalalahana Ara-pivavahana any Japon
NANDRITRA ny taona maro tany Japon, dia niatrika olana sarotra iray ireo mpianatra tanora izay Vavolombelon’i Jehovah: Tokony hanaraka ny feon’ny fieritreretany voataiza ara-baiboly ve izy ireo, sa tokony hanaiky taranja iray any an-tsekoly izay mandika ny feon’ny fieritreretany? Nahoana no olana sarotra ilay izy? Satria ny fanazaran-tena amin’ny arts martiaux dia anisan’ny taranja amin’ny fanatanjahan-tena tany an-tsekoliny. Tsapan’ireo Vavolombelona tanora fa tsy mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, toy ilay hita ao amin’ny Isaia toko faharoa, andininy fahefatra, ny fanazaran-tena toy izany. Izao no vakina ao: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”
Tsy naniry hianatra fahaizana azo ampiasaina amin’ny ady, izay mahatafiditra fandratrana olon-kafa, ireo Vavolombelona tanora kristiana, ka nohazavainy tamin’ny mpampianatra azy ireo fa tsy afaka ny handray anjara amin’ny arts martiaux izy ireo sady hanana feon’ny fieritreretana madio. Rehefa avy niezaka nandresy lahatra ireo mpianatra ireo mba hanaiky ilay taranja an-tsekoly ny mpampianatra maro izay nahazo ny fihevitry ny hafa, dia nanaiky hanaja ny feon’ny fieritreretan’ireo mpianatra tamin’ny farany, ary nanome zavatra hafa hatao.
Kanefa, tohina loatra ny mpampianatra sasany, ary ny sekoly sasany dia tsy nety nanome naoty ho an’ireo Vavolombelona tanora ho mariky ny nahavitany ny taranja fanatanjahan-tena. Tamin’ny 1993, dia Vavolombelona sivy fara fahakeliny no tsy nekena hisondrotra kilasy, ka voatery niala tany an-tsekoly na noroahina noho ny tsy nandraisana anjara tamin’ny arts martiaux.
Niharihary fa tonga ny fotoana tokony hiarovana ny zon’ireo tanora kristiana hahazo fampianarana, kanefa tsy ho voatery hanaiky lembenana amin’ny feon’ny fieritreretany. Nanapa-kevitra ireo mpianatra dimy tao amin’ny Lise Teknika sy Indostrialy Monisipalin’i Kobe (antsoina amin’ny fanafohezana hoe: Kobe Tech), izay tsy nekena hifindra ho amin’ny ambaratonga faharoa, fa hitondra ny raharaha ho eo amin’ny fitsarana.
Inona no niadian-kevitra?
Tamin’ny lohataonan’ny 1990, rehefa niditra ny Kobe Tech ireo mpianatra dimy, dia nanazava tamin’ny mpampianatra azy fa tsy afaka ny handray anjara tamin’ny kendo (karazana ady sabatra japoney) izy ireo noho ny fomba fijeriny zavatra niorina tamin’ny Baiboly. Nanohitra mafy sady tsy nety hanome azy ireo izay nety ho fomba hafa hahazoana naoty amin’ny fanatanjahan-tena, ireo mpampianatra fanatanjahan-tena. Tamin’ny farany, dia tsy nahazo isa ampy tamin’ny taranja fanatanjahan-tena ireo mpianatra, ka vokatr’izany dia voatery namerina ny ambaratonga voalohany (taona voalohany amin’ny lise). Tamin’ny Aprily 1991, dia nanolotra ny raharaha teo amin’ny Fitsaran’ny Distrikan’i Kobe izy ireo, tamin’ny filazana fa nifanohitra tamin’ny lalàm-panorenana miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana ny zavatra nataon’ilay sekoly.a
Nilaza ilay sekoly fa ny fanomezana zavatra hatao hafa dia hitovy amin’ny fiandaniana amin’ny fivavahana manokana iray, ka araka izany dia handika ny tsy fombana ny atsy na ny aroa ananan’ny fanabeazam-bahoaka. Tetsy an-danin’izany, dia nilaza izy ireo fa tsy nanana na ny toerana na ireo mpiasa afaka hanome fandaharam-panatanjahan-tena iray hafa.
Nanaitra ireo nahalala izany ny didim-pitsaran’ny Fitsaran’ny Distrikan’i Kobe
Raha mbola nohenoina teo amin’ny fitsarana ilay raharaha, ny roa tamin’ireo mpianatra dimy dia tsy nahazo naoty ampy indray tamin’ny fanatanjahan-tena mba hisondrotana kilasy, ary tetsy an-danin’izany, dia zara raha afaka nisondrotra kilasy ny telo hafa. Nilaza ny fitsipiky ny sekoly fa azo roahina ireo mpianatra izay kely ny vokatra azony tao an-tsekoly ka namerina ambaratonga iray ihany nandritra ny roa taona nisesy. Noho izany, dia nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny sekoly ny iray tamin’ireo mpianatra roa talohan’ny handroahana azy, nefa ilay hafa, i Kunihito Kobayashi dia tsy nety niala. Koa voaroaka àry izy. Mahaliana ny mahafantatra fa ny antsalany azon’i Kunihito tamin’ny taranja rehetra, tafiditra tamin’izany ny fanatanjahan-tena, izay tsy nahombiazany afa-tsy tamin’ny tontalin’isa 48, dia 90,2 amin’ny 100. Voalohany tamin’ny kilasiny nisy mpianatra 42 izy.
Tamin’ny 22 Febroary 1993, dia namoaka didim-pitsarana nankasitraka ny Kobe Tech ny Fitsaran’ny Distrikan’i Kobe, ary nilaza toy izao: “Tsy nandika ny lalàm-panorenana ny zavatra nataon’ilay sekoly”, na dia nekena aza fa “tsy azo lavina fa voafepetra ihany ny fahalalahan’ireo mpitory hanao fanompoam-pivavahana noho ny zavatra notakin’ilay sekoly, dia ny handraisana hanjara amin’ny fanazaran-tena amin’ny kendo”.
Tahaka ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany, dia nanapa-kevitra ny hampakatra ny raharaha ho eo amin’ny fahefana ara-pitsarana ambony kokoa ireo mpitory. (Asan’ny apostoly 25:11, 12). Nentina teo amin’ny Fitsarana Ambony tao Osaka ny raharaha.
Fihetsika tsy maneho fitiavan-tena nananan’ireo mpitory
Ny Profesora Tetsuo Shimomura, manam-pahaizana malaza avy amin’ny Oniversiten’i Tsukuba, dia nanaiky hanao fanambarana teo amin’ny Fitsarana Ambony tao Osaka tamin’ny naha-vavolombelona manam-pahaizana azy. Amin’ny maha-manam-pahaizana momba ny fampianarana sy ny lalàna azy, dia nohamafisiny ny fomba tsy nisy fiheverana nasehon’ilay sekoly teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ireo mpianatra. Nilaza ny fihetseham-pony teo anatrehan’ny fitsarana i Kunihito Kobayashi, ary ny fihetsiny feno fahatsoram-po dia nanohina ny fon’ireo izay tao amin’ny efitrano fitsarana. Ankoatra izany, tamin’ny 22 Febroary 1994, ny Fikambanan’ny Mpisolovava tao Kobe dia nanoro hevitra ny mba handraisan’ilay sekoly an’i Kunihito indray, rehefa nanambara fa nanao tsinontsinona ny fahalalahany hanao fanompoam-pivavahana sy ny zony hahazo fampianarana, ny zavatra nataon’ilay sekoly.
Rehefa nanatona ny fotoana hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny didim-pitsarana nataon’ny Fitsarana Ambony tao Osaka, dia dodona ny handray anjara hatramin’ny farany tamin’ilay ady ireo tanora kristiana rehetra voakasika tamin’ilay raharaha. Tsapany fa nanao ady ara-dalàna ho an’ireo Vavolombelona tanora an’arivony maro, izay miatrika io zavatra iadian-kevitra mitovy io ihany, any amin’ireo sekoly manerana an’i Japon manontolo, izy ireo. Koa satria izy ireo anefa tsy voaroaka tany an-tsekoly, dia azo inoana mafy fa tsy handinika ny raharahan’izy ireo, ny fitsarana. Ary takany fa raha nisintona ny fitarainany izy ireo dia hisongadina ny tsy maha-ara-dalàna ny fandroahana tany an-tsekoly an’i Kunihito. Araka izany, dia nanapa-kevitra ny hamela ny raharaha ireo mpianatra rehetra.
Tamin’ny 22 Desambra 1994, i Reisuke Shimada, Lehiben’ny Mpitsara tao amin’ny Fitsarana Ambony tao Osaka dia namoaka tamin’ny fomba ofisialy didim-pitsarana iray, izay nanafoana ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsaran’ny Distrikan’i Kobe. Takatry ny fitsarana fa feno fahatsoram-po ny antony nanosika an’i Kunihito tsy nety nanao fanazaran-tena amin’ny kendo ary fa tena lehibe ny fahavoazana ho azy, noho ny zavatra nataony niorina tamin’ny zavatra inoana ara-pivavahana. Tokony ho nanome zavatra hafa hatao ny sekoly, hoy i Shimada, Lehiben’ny Mpitsara. Io didim-pitsarana tsara dia tsara io dia nankasitrahan’ireo izay niahy ny amin’ny zon’olombelona. Nampakatra ilay raharaha teo amin’ny Fitsarana Tampony any Japon anefa ilay sekoly, ka nanaisotra tamin’i Kunihito ny fahazoana mianatra nandritra ny herintaona mahery hafa iray.
Teo amin’ny Fitsarana Tampony
Tatỳ aoriana dia nilaza toy izao ny matoan-dahatsoratra iray tao amin’ny gazety Kobe Shimbun: “Ireo Mpitantana Sekoly Monisipaly tao Kobe sy ilay sekoly dia tokony ho efa nanaiky ny fiverenan’Atoa Kobayashi tao an-tsekoly hatreo [taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Ambony tao Osaka]. (...) Ny fifandonana tsy nilaina nasehony dia nanaisotra tamin’ny olona iray fe-potoana tena lehibe teo amin’ny fahatanorany.” Na dia teo aza izany, dia tsy laitra nahodina tamin’io raharaha io ny Kobe Tech. Vokatr’izany, dia nanjary foto-kevitry ny tatitra am-baovao nanerana ilay firenena ilay izy. Nanaraka akaiky ireo manam-pahefana tany an-tsekoly sy ireo mpampianatra nanerana ilay tany manontolo, ary ho tonga ohatra ara-pitsarana iray hiharihary aoka izany ho an’ny raharaha mitovy aminy amin’ny hoavy ny didim-pitsarana havoakan’ilay fitsarana ambony indrindra.
Tamin’ny 17 Janoary 1995, tokony ho herinandro taorian’ny nampakaran’ilay sekoly ny raharaha ho amin’ny Fitsarana Tampony, dia nahatratra ny tanànan’i Ashiya, izay nipetrahan’i Kunihito niaraka tamin’ny fianakaviany, ilay horohoron-tany tany Kobe. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tamin’io maraina io, minitra vitsivitsy talohan’ny nahatratraran’ilay horohoron-tany ilay faritra, dia nandao ny tranony i Kunihito mba hamonjy ny asany tapa-potoana. Nandeha bisikilety nanaraka ny lalana teo ambanin’ny autoroute à grande vitesse-n’i Hanshin izy, ary rehefa namely ilay horohoron-tany, dia nanatona indrindra ilay tapany izay nidaboka izy. Avy hatrany dia niverina nody izy ary nahita ny ambany rihana tamin’ny tranony montsana tanteraka. Hitan’i Kunihito fa nety ho namoy mora foana ny ainy tamin’ilay horohoron-tany ny tenany, ka nisaotra an’i Jehovah noho ny namelany azy ho tafita velona izy. Raha toa mantsy ka maty izy, dia azo inoana fa ho nifarana teo ilay raharaha momba ny kendo, tsy nisy didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony.
Mazàna ny Fitsarana Tampony any Japon dia mandinika eo amin’ny taratasy fotsiny ireo fangatahana fitsarana ambony, ary mitsara na marina na tsia ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambany kokoa. Raha tsy hoe misy antony iray lehibe hanafoanana ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambany kokoa angaha, dia tsy misy fihainoana vavolombelona sy fangalana porofo. Tsy mampilaza ny andaniny voakasika ny fitsarana ny amin’ny fotoana tokony hivoahan’ny didim-pitsarana. Koa gaga àry i Kunihito ny marainan’ny 8 Martsa 1996, rehefa nilazana fa havoaka io maraina io ny didim-pitsarana. Faly sy ravo izy nahafantatra fa nanohana ny didim-pitsaran’ny Fitsarana Ambony tao Osaka ny fitsarana tampony.
Ireo mpitsara efatra, niaraka tamin’i Shinichi Kawai, Mpitsara mpitari-draharaha, dia nanambara tamim-piraisan-kevitra fa “ny zavatra nodinihina dia tokony hoheverina ho tsy nety indrindra, rehefa dinihina amin’ny fari-pitsipika ekena eo amin’ny fitambaran’olona, sady mivaona amin’ny faritry ny zo ahafahany manapa-kevitra ao anatin’ny faritry ny lalàna, ka noho izany dia tsy ara-dalàna”. Niaiky ny fahatsoran’ny tsy fetezan’i Kunihito hanao fanazaran-tena amin’ny kendo ny fitsarana, ary nanambara hoe: “Ny antony tsy netezan’ilay nangatahana fitsarana ambony handray anjara tamin’ny fanazaran-tena amin’ny kendo dia tena lehibe sady nifandray akaiky tamin’ny fototra iorenan’ny finoany.” Nihevitra ny Fitsarana Tampony fa afaka sady tokony ho nanome fomba hafa ho an’ilay nangatahana fitsarana ambony ilay sekoly, mba hanajana ny zavatra inoany ara-pivavahana.
Vokany nahatratra lavitra
Tsy isalasalana fa hamela ohatra tsara dia tsara ho fanohanana ny fahalalahana hanaraka fanompoam-pivavahana any an-tsekoly, io didim-pitsarana io. Nilaza toy izao ny The Japan Times: “Ilay didim-pitsarana dia ny voalohany nataon’ny Fitsarana Tampony tamin’ny raharaha momba ny fampianarana sy ny fahalalahana ara-pivavahana.” Ilay didim-pitsarana anefa dia tsy manaisotra ny andraikitry ny tanora mpianatra tsirairay hijoro araka izay lazain’ny feon’ny fieritreretany manokana, rehefa miatrika ireo fisedrana ny finoana izy.
Nanazava ny Profesora Masayuki Uchino avy amin’ny Oniversiten’i Tsukuba fa ny iray tamin’ireo anton-javatra nanosika ireo mpitsara hanome fandresena ho an’i Kunihito dia noho izy “mpianatra tso-po, izay ny zava-bitany tany am-pianarana dia niavaka”. Manome izao torohevitra izao ho an’ireo Kristiana miatrika fitsapana noho ny finoany ny Baiboly: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” (1 Petera 2:12). Afaka mampiseho ireo tanora kristiana mahatoky fa ny toerana ara-baiboly tanany dia mendrika ny fanajan’ny olona, amin’ny fampifanarahana ny fiainany manontolo amin’ireo fari-pitsipiky ny Baiboly.
Taorian’ilay didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampony, dia noraisina indray tao amin’ny Kobe Tech i Kunihito Kobayashi. Ny ankamaroan’ireo mpianatra izay niara-niditra tamin’i Kunihito tao an-tsekoly dia efa nahazo diplaoma. Izao dia miara-mianatra amin’ny mpianatra izay zandriny dimy taona i Kunihito. Araka ny fomba fijerin’ny olona maro eo amin’izao tontolo izao dia toa nolanilanina foana ny dimy taona sarobidy tamin’ny fahatanorany. Kanefa, araka ny fomba fijerin’i Jehovah Andriamanitra, dia sarobidy ny tsy fivadihan’i Kunihito, ary azo antoka fa tsy very maina ny fahafoizan-tenany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany, dia jereo aza fady ny pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-14 amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Oktobra 1995, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 20]
Ankavia: Ny tranon’i Kunihito taorian’ilay horohoron-tany
Ambany: Kunihito ankehitriny