FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/10 p. 3
  • Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontaniana efa ela
  • Fandinihana Hevi-diso Momba ny Fahafatesana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
    Mifohaza!—2009
  • Nahoana Isika no Matahotra ny ho Faty?
    Mifohaza!—2007
  • Manao Ahoana ny Olona Rehefa Maty?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/10 p. 3

Misy Fiainana ve Aorian’ny Fahafatesana?

NANAHIRAN-KEVITRA ny olombelona hatramin’ny an’arivony taona maro ny fanontaniana roa hoe: Nahoana isika no tsy maintsy mihantitra ary maty amin’ny farany? Mety hisy ve karazam-piainana aorian’ny fahafatesana?

Nahasanganehana olona maro ilay voalohany, satria tsy afaka nanome valiny nampiaiky na nahafa-po, na dia ny siansa ara-pitsaboana maoderina aza, amin’ireo zavatra rehetra hitany mampitolagaga.

Nahazoana valiny be dia be samy hafa kosa ilay fanontaniana faharoa. Amin’ny ankapobeny, anefa, ireo valin-teny momba ny hoe misy fiainana na tsia aorian’ny fahafatesana, dia azo zaraina toy izao: ireo izay manizingizina fa tsy izao ihany no fiainana misy ary ireo izay tsy azo hozongozonina mitovy amin’izany koa, fa mifarana amin’ny fahafatesana ny fiainana. Milaza amintsika ny ankamaroan’itỳ antokon’olona farany itỳ fa tsy misy fisalasalana ao an-tsainy, fa tsy misy afa-tsy izao androm-piainana fohy izao ihany no azon’ny olona antenaina. Matetika, asetry izay mety ho hevitra aroso mifanohitra amin’izany ny valin-teny mampiseho fahafaham-po hoe: “Mba efa nisy ve niverina ka nilaza tamintsika, sa ahoana?”

Toy ny amin’ireo fanontaniana hafa iadian-kevitra, dia maro ireo izay mbola tsy tapa-kevitra — manambara amim-patokiana fa azo ampiekena foana izy ireo na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Ny hafa angamba anefa hamaly tsy rototra hoe: “Handrasantsika ka ho hitantsika eo rehefa ho tonga ny fotoana!”

Fanontaniana efa ela

Efa 3 500 taona lasa teo ho eo izay no nametrahan’ilay Joba tatsinanana, izay nalaza noho ny faharetany teo anoloan’ny fijaliana, ny fanontaniana tany am-boalohany momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Toy izao no fomba nametrahan’i Joba ny fanontaniany: “Ny olona kosa maty ka miampatra; eny, miala aina ny olona, ary aiza izy? Ny rano miala eo amin’ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra, ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; (...) raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” — Joba 14:10-14.

Tsy i Joba irery anefa no nitady fanazavana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Manao izao fanazavana izao ny Encyclopædia of Religion and Ethics eo ambanin’ny lohateny hoe “Toetran’ny Maty”: “Tsy nisy foto-kevitra nifandray tamin’ny fiainany tamin’ny naha-fanahy [âme] nitana tanteraka ny sain’ny olona, toy ny amin’ny toetrany aorian’ny fahafatesana. [Ireo olona teraka] tany amin’ny faritra rehetra amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny dia manana fiheverana tena mazava sy velombelona ny amin’ny tontolon’ny fanahy — ny fiainana ao aminy, ny toetra mampiavaka azy, ny fahatsinjovan-javatra ao aminy — ka izany dia toa manondro fiahiana mafy momba an’io foto-kevitra io. Ny tahotra miely patrana ny amin’ny maty dia manintona ny saina ho amin’ny hevitra tena tranainy iray fa tsy nifarana tamin’ny fiainana ny toetrany. Nampitsahatra ireo angôvo ny fahafatesana; miharihary loatra izany; moa ve anefa tsy misy angôvo hafa miasa, sa, tsy ho afaka hiseho amin’ny fomba saro-pantarina sy miafina ve ireny angôvo ireny? Na nino ny fanahy [âme] na avelo misaraka amin’ny vatana ny olona tamin’ny voalohany, na tsia, dia toa misy antony feno inoana fa nihevitra ny maty ho mbola manohy karazam-piainana ihany izy ireo.”

Mety hitovy hevitra amin’ny iray amin’ireo sokajy telo voalaza tetsy ambony ianao: misalasala ny amin’izay mitranga aorian’ny fahafatesana; miaiky mafy fa misy karazam-piainana aorian’ny fahafatesana; na miaiky mafy fa tsy misy afa-tsy izao fiainana izao. Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra, dia manasa anao izahay handinika amim-pitandremana ny lahatsoratra manaraka. Jereo raha hitanao ao ny porofo mampiaiky ara-baiboly fa misy fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ny amin’ny fiainana sambatra iray aorian’ny fahafatesana, amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izy io, aiza, ary rahoviana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara