Ny Lalàna Talohan’i Kristy
“Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” — SALAMO 119:97.
1. Inona no manapaka ny fihetsehan’ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra?
HATRAMIN’NY fahazazany i Joba dia azo inoana fa efa nibanjina ireo kintana tamim-pahatalanjonana. Angamba ny ray aman-dreniny nampianatra azy ny anaran’ireo filaharan-kintana lehibe sy izay fantatr’izy ireo momba ireo lalàna nanapaka ny fihetsehan’ireo filaharan-kintana teny amin’ny lanitra. Ny olona tamin’ny andro fahiny tokoa dia nampiasa ny fihetsika tsy miovaovan’ireny filaharan-kintana midadasika sy kanto ireny mba hanamarihana ireo fizaran-taona miovaova. Kanefa tamin’ny fotoana rehetra nibanjinan’i Joba azy ireny tamin-tahotra, dia tsy fantany izay hery mahatalanjona nihazona ireny filaharan-kintana ireny hiaraka. Araka izany, dia tsy nanan-kavaly izy rehefa nanontany azy toy izao i Jehovah Andriamanitra: “Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra?” (Joba 38:31-33). Eny, tapahin’ny lalàna ireo kintana — lalàna maty paika sy be kojakojany aoka izany ka tsy mahatakatra azy amin’ny fomba feno ireo mpahay siansa amin’izao andro izao.
2. Nahoana no azo lazaina fa tapahin’ny lalàna ny zavatra noforonina rehetra?
2 I Jehovah no ilay Mpanome Lalàna Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. Tapahin’ny lalàna ny asany rehetra. Ilay Zanany malala, ny “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”, dia nankato tamim-pahatokiana ny lalàn-dRainy talohan’ny nisian’izao rehetra izao fizika! (Kolosiana 1:15). Tarihin’ny lalàna koa ireo anjely. (Salamo 103:20). Tapahin’ny lalàna na dia ireo biby aza, noho izy ireo mankato ny baiko voajanahary izay nalahatry ny Mpamorona mialoha tao anatin’izy ireo. — Ohabolana 30:24-28; Jeremia 8:7.
3. a) Nahoana no mila lalàna ny olombelona? b) Tamin’ny alalan’ny inona no nanapahan’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely?
3 Ahoana ny amin’ny olombelona? Na dia notahina tamin’ny fanomezana toy ny fahakingan-tsaina sy ny fari-pitondran-tena ary ny fankafizana zavatra ara-panahy aza isika, dia mbola mila lalàn’Andriamanitra amin’ny fetrany antonona ihany mba hitari-dalana antsika eo amin’ny fampiasana ireny fahaizana ireny. Lavorary i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, hany ka vitsivitsy ihany ny lalàna nilaina mba hitari-dalana azy ireo. Ny fitiavana ny Rainy any an-danitra dia tokony ho nanome azy ireo antony ampy tsara mba hankatoavana amin-kafaliana. Tsy nankato anefa izy ireo. (Genesisy 1:26-28; 2:15-17; 3:6-19). Ho vokany, ny taranany dia zavaboary mpanota nila lalàna maro kokoa hanome tari-dalana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanome tamim-pitiavana io zavatra nilaina io i Jehovah. Nomeny lalàna voafaritra tsara i Noa, dia lalàna izay tokony hampitainy amin’ny fianakaviany. (Genesisy 9:1-7). Taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nomen’Andriamanitra fehezan-dalàna voasoratra sy be tsipiriany ilay firenen’Isiraely vao niforona. Sambany tamin’io no nanapahan’i Jehovah firenena iray manontolo tamin’ny alalan’ny lalàn’Andriamanitra. Ny fandinihana io Lalàna io dia hanampy antsika hahatakatra ny anjara asa tena lehibe tanan’izany lalàn’Andriamanitra izany eo amin’ny fiainan’ny Kristiana amin’izao andro izao.
Ny Lalàn’i Mosesy — Ny zava-kendreny
4. Nahoana no zava-tsarotra ho an’ireo taranak’i Abrahama voafidy ny hiteraka ilay Taranaka nampanantenaina?
4 Nanontany toy izao i Paoly, mpianatra tena nahay ny Lalàna: “Inona ary ny lalàna?” (Galatiana 3:19). Mba hamaliana izany, dia ilaintsika hotsaroana fa i Jehovah dia nampanantena an’i Abrahama sakaizany fa hiteraka Taranaka izay hitondra fitahiana lehibe ho an’ny firenena rehetra ny fianakaviany. (Genesisy 22:18). Ao amin’izay anefa no misy zava-tsarotra: Tsy àry tia an’i Jehovah avokoa akory ireo Isiraelita, taranak’i Abrahama voafidy. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ny ankamaroan’izy ireo dia hita fa mafy hatoka sy mpikomy — saiky tsy tan-dalàna mihitsy aza ny sasany! (Eksodosy 32:9; Deoteronomia 9:7, NW ). Ho an’ny olona toy izany, ny naha-anisan’ny vahoakan’Andriamanitra azy dia noho izy ireo teraka tao amin’ilay firenena fotsiny, fa tsy noho ny safidiny.
5. a) Inona no nampianarin’i Jehovah ny Isiraelita tamin’ny alalan’ny Lalàn’i Mosesy? b) Ahoana no nanaovana ny lalàna mba hisy heriny eo amin’ny fitondran-tenan’ireo mpanaraka azy?
5 Ahoana no ahafahan’ny vahoaka toy izany hiteraka sy handray soa avy amin’ilay Taranaka nampanantenaina? Tsy nifehy azy ireo toy ny robots i Jehovah, fa nampianatra azy ireo kosa tamin’ny alalan’ny lalàna. (Salamo 119:33-35; Isaia 48:17). Raha ny marina, ilay teny hebreo toh·rahʹ, nadika hoe “lalàna” dia midika hoe “fampianarana”. Nampianatra inona izy io? Voalohany indrindra, izy io dia nampianatra an’ireo Isiraelita fa nila ny Mesia hanavotra azy tamin’ny naha-mpanota azy, izy ireo. (Galatiana 3:24). Nampianatra tahotra araka an’Andriamanitra sy fankatoavana koa ny Lalàna. Mifanaraka amin’ilay fampanantenana abrahamika, dia tokony ho vavolombelon’i Jehovah eo anatrehan’ireo firenen-kafa rehetra ny Isiraelita. Koa ny Lalàna àry dia tsy maintsy nampianatra azy ireo fitsipi-pitondran-tena mendri-kaja sy ambony izay hampiseho tsara an’i Jehovah; hanampy ny Isiraely hitoetra ho tafasaraka tamin’ireo fanao simba ara-pitondran-tena teo amin’ireo firenena manodidina, izy io. — Levitikosy 18:24, 25; Isaia 43:10-12.
6. a) Lalàna firy eo ho eo no raketin’ny Lalàn’i Mosesy, ary nahoana izany no tsy tokony hoheverina ho tafahoatra? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Mety hahatakatra hevi-dalina inona isika amin’ny fandinihana amim-pitandremana ny Lalàn’i Mosesy?
6 Tsy mahagaga àry raha mirakitra lalàna maro — maherin’ny 600 — ny Lalàn’i Mosesy.a Io fehezan-dalàna voasoratra io dia nifehy ny lafin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fitondram-panjakana, ny fomba fitondran-tena sy ny fitsarana ary na dia ny sakafo sy ny fahadiovana aza. Midika ve anefa izany fa ny Lalàna dia fitambarana fitsipika tsy misy hafanana sy didy hentitra fotsiny? Tsy izany velively! Ny fandinihana amim-pitandremana io fehezan-dalàna io dia manome fahatakarana hevi-dalina maro be momba ny toetra feno fitiavana maha-izy an’i Jehovah. Aoka isika handinika ohatra sasany.
Lalàna izay nampiseho famindram-po sy fangorahana
7, 8. a) Ahoana no anantitranteran’ny Lalàna ny famindram-po sy ny fangorahana? b) Ahoana no nampiharan’i Jehovah ny Lalàna tamim-pamindram-po tamin’izay nanjo an’i Davida?
7 Nanantitrantitra ny famindram-po sy ny fangorahana ny Lalàna, indrindra fa ho an’ireo madinika na ny tsy nanan-kamonjy. Nosinganina ireo mpitondratena sy kamboty mba harovana. (Eksodosy 22:21-23). Narovana tamin’ny fitondrana feno fahasiahana ireo biby nampanaovina asa. Nohajaina ireo zo fototra momba ny fananana. (Deoteronomia 24:10; 25:4). Na dia nitaky ny fanamelohana ho faty noho ny vonoan’olona aza ny Lalàna, dia nataony kosa izay hisian’ny famindram-po ho an’ny famonoana tsy nahy. (Nomery 35:11). Niharihary fa ireo mpitsara isiraelita dia nanana fahalalahana hanapa-kevitra ny amin’ny sazy hampiharina amin’ny fandikana lalàna sasany, niankina tamin’ny fihetsik’ilay nanao ratsy. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 22:6 sy ny Levitikosy 5:20-26.
8 Namela ohatra ho an’ireo mpitsara i Jehovah tamin’ny fampiharana ny Lalàna tamin’ny fomba hentitra rehefa nilaina izany, kanefa tamim-pamindram-po teo amin’izay azo nanaovana izany. Nanehoana famindram-po i Davida Mpanjaka izay nijangajanga sy namono olona. Tsy hoe afa-maina akory izy, satria i Jehovah tsy niaro azy tamin’ireo vokany nahatsiravina nateraky ny fahotany. Kanefa na dia izany aza, noho ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana sy noho i Davida lehilahy mpamindra fo sady nanana toe-po nibebaka fatratra, dia tsy novonoina ho faty izy. — 1 Samoela 24:5-8; 2 Samoela 7:16; Salamo 51:1-4; Jakoba 2:13.
9. Inona no anjara asan’ny fitiavana tao amin’ny Lalàn’i Mosesy?
9 Fanampin’izany, dia nanantitrantitra ny fitiavana, ny Lalàn’i Mosesy. Alao sary an-tsaina ange hoe manana fehezan-dalàna tena mitaky fitiavana tokoa, ny iray amin’ireo firenena amin’izao andro izao e! Araka izany, dia tsy vitan’ny hoe nandrara ny vonoan’olona ny Lalàn’i Mosesy, fa nandidy koa hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Levitikosy 19:18). Tsy vitan’ny hoe nandrara ny fitondrana tsy ara-drariny ny vahiny izy io, fa nandidy koa hoe: “Ho tianao tahaka ny tenanao [izy]; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo”. (Levitikosy 19:34). Tsy vitan’ny hoe nanambara ho fandikan-dalàna ny fanitsakitsaham-bady izy io, fa nandidy koa ny lehilahy manambady mba hampifaly ny vadiny! (Deoteronomia 24:5). Ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia fotsiny, dia ampiasaina in-20 eo ho eo ireo teny hebreo mampiseho ilay toetra hoe fitiavana. I Jehovah dia nanome toky an’ireo Isiraelita ny amin’ny fitiavany azy ireo — tamin’ny lasa sy tamin’izay fotoana izay ary amin’ny hoavy. (Deoteronomia 4:37; 7:12-14). Marina tokoa fa ny didy lehibe indrindra tamin’ny Lalàn’i Mosesy dia ny hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Deoteronomia 6:5). Nilaza i Jesosy fa ny Lalàna iray manontolo dia mihantona amin’io didy io, miaraka amin’ilay didy mba ho tia ny naman’ny tena. (Levitikosy 19:18; Matio 22:37-40). Tsy mahagaga raha nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” — Salamo 119:97.
Ny fampiasana ny lalàna tamin’ny fomba ratsy
10. Ahoana no niheveran’ny ankamaroan’ny Jiosy ny Lalàn’i Mosesy?
10 Nampalahelo fa tena tsy ampy fankasitrahana ny Lalàn’i Mosesy ny Isiraely! Tsy nankato ilay Lalàna ny olona, tsy niraharaha azy io, na nanadino azy io. Ny fanompoam-pivavahana madio dia nolotoin’izy ireo tamin’ireo fanao maharikoriko ara-pivavahan’ireo firenen-kafa. (2 Mpanjaka 17:16, 17; Salamo 106:13, 35-38). Ary nivadika tamin’ny Lalàna tamin’ny fomba hafa maro koa izy ireo.
11, 12. a) Antokona mpitondra fivavahana inona no nanimba zavatra taorian’ny andron’i Ezra? (Jereo ny faritra voafefy.) b) Nahoana ireo raby fahiny no nihevitra fa tena nilaina ny ‘nanisy fefy nanodidina ny Lalàna’?
11 Ny sasany tamin’ireo fanimbana ny Lalàna ratsy indrindra, dia nataon’ireo izay nilaza ho nampianatra sy niaro azy io. Nitranga izany taorian’ny andron’i Ezra, mpanora-dalàna nahatoky tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Niady mafy tamin’ireo fitaomana manimba nananan’ireo firenen-kafa i Ezra, ary nanamafy ny famakiana sy ny fampianarana ny Lalàna. (Ezra 7:10; Nehemia 8:5-8). Nisy mpampianatra ny Lalàna nilaza ho nanara-dia an’i Ezra ka nanorina ilay nanjary nantsoina hoe ilay “Synagoga Lehibe”. Anisan’ny fitenin’izy io ilay fanentanana hoe: “Asio fefy manodidina ny Lalàna”. Nanjohy hevitra ireny mpampianatra ireny fa mitovy amin’ny zaridaina sarobidy iray ny Lalàna. Mba tsy hisian’iza na iza hanitsaka io zaridaina io amin’ny fandikana ireo lalàny, dia namorona lalàna fanampiny izy ireo, ny “Lalàna Am-bava” mba hisakanana ny olona tsy hanakaiky izany fahadisoana izany.
12 Mety hisy hilaza fa marina ny an’ireo mpitarika jiosy raha nihevitra toy izany izy ireo. Taorian’ny andron’i Ezra, ny Jiosy dia notapahin’ireo herim-panjakana vahiny, indrindra fa i Gresy. Mba hiadiana tamin’ny fitaoman’ny filozofia sy ny kolontsaina grika, dia nisy antokona mpitondra fivavahana nipoitra teo anivon’ireo Jiosy. (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-10.) Rehefa nandeha ny fotoana, ny sasany tamin’ireny antoko ireny dia nanjary nifaninana sy nisongona mihitsy ny fisoronana levitika aza, tamin’ny naha-mpampianatra ny Lalàna azy ireo. (Ampitahao amin’ny Malakia 2:7.) Tamin’ny taona 200 al.f.i., dia nanomboka nanan-kery teo amin’ny fiainan’ny Jiosy ny lalàna am-bava. Tamin’ny voalohany, dia tsy tokony hosoratana ireny lalàna ireny, sao dia hisy hampitovy azy ireny amin’ny Lalàna voasoratra. Tsikelikely anefa, ny fiheveran’olombelona dia napetraka talohan’ny an’Andriamanitra, hany ka tamin’ny farany, io “fefy” io dia tena nanimba tokoa ilay “zaridaina” tokony ho narovany.
Ny fandotoan’ireo fampianarana sy fanaon’ny Fariseo
13. Ahoana no nanamarinan’ny mpitondra fivavahana jiosy sasany ny nanaovany fitsipika maro?
13 Nanjohy hevitra ireo raby hoe, satria lavorary ny Torah, na ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy maintsy mirakitra valiny ho an’ny fanontaniana rehetra mety hipoitra izy io. Tsy tena naneho fanajana ara-pivavahana io fiheverana io. Raha ny marina, izy io dia nanome an’ireo raby fahalalahana hampiasa ny fanjohian-kevitr’olombelona feno hakingan-tsaina, mba hampiheverana fa ny Tenin’Andriamanitra no fototr’ireo fitsipika momba ireo karazan-javatra niadian-kevitra rehetra — ny sasany manokana, ny hafa tsy zava-dehibe akory.
14. a) Ahoana no nanitaran’ireo mpitondra fivavahana jiosy ny fitsipiky ny Soratra Masina momba ny fisarahana amin’ireo firenena, ho tafahoatra tsy araka ny Soratra Masina? b) Inona no mampiseho fa tsy niaro ny vahoaka jiosy tamin’ny fitaoman’ny mpanompo sampy ireo fitsipika nataon’ny raby?
14 Imbetsaka ireo mpitondra fivavahana no naka fitsipika ankapobe araka ny Soratra Masina, ary nanitatra azy ireny tamin’ny fomba tafahoatra. Ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, dia nampirisika ny fisarahana tamin’ireo firenena, kanefa ireo raby dia nitory karazana fanamavoana tsy nasiam-pisainana an’izay zavatra rehetra tsy jiosy. Nampianarin’izy ireo fa tsy tokony hamela ny ombiny tany amin’ny tranom-bahiny jentilisa ny Jiosy iray, satria “ahiahina ho miray amin’ny biby” ny Jentilisa. Ny vehivavy jiosy dia tsy navela hampiteraka vehivavy jentilisa satria amin’izany izy dia “hanampy amin’ny fiterahana zaza iray ho amin’ny fanompoan-tsampy”. Koa satria araka ny tokony ho izy ny tsy natokian’izy ireo ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena grika, dia noraran’ireo raby ny fanatanjahan-tena rehetra. Porofoin’ny tantara fa tsy niaro firy ny Jiosy tamin’ireo zavatra ninoan’ny Jentilisa izany rehetra izany. Raha ny marina, dia ireo Fariseo mihitsy no nanjary nampianatra ilay foto-pampianarana grika momba ny fanahy tsy mety maty! — Ezekiela 18:4.
15. Ahoana no nanolanan’ireo mpitondra fivavahana jiosy ny lalàna momba ny fidiovana sy ny firaisana amin’ny havana akaiky?
15 Naolan’ny Fariseo koa ireo lalàna momba ny fidiovana. Voalaza fa ho nanadio ny volana mihitsy ny Fariseo raha nomena fahafahana hanao izany. Nanizingizina ny lalàn’izy ireo fa ny fangatahana andro “tsy hivoaka rehefa poritra” dia handoto ny olona iray! Nanjary fombafomba be kojakojany ny fanasan-tanana, ka nisy fitsipika momba izay tanana tokony hosasana aloha sy ny fomba hanaovana izany. Noheverina ho maloto indrindra ny vehivavy. Miorina amin’ilay didy ao amin’ny Soratra Masina mba tsy ‘hanatom-behivavy’, havany akaiky (raha ny marina dia lalàna momba ny firaisana amin’ny havana akaiky), ireo raby dia namoaka fitsipika fa ny lehilahy dia tsy tokony handeha aorian’ny vadiny; ary tsy tokony hiresaka aminy eny an-tsena izy. — Levitika 18:6, Fandikan-teny Katolika.
16, 17. Ahoana no nanitaran’ny lalàna am-bava ilay didy itandremana ny Sabata isan-kerinandro, ary inona no vokany?
16 Fantatry ny besinimaro indrindra ny fanolanana ara-panahy nataon’ny lalàna am-bava tamin’ny lalàna momba ny Sabata. Nomen’Andriamanitra lalàna tsotra ny Isiraely: Aza manao asa na inona na inona ny andro fahafito amin’ny herinandro. (Eksodosy 20:8-11). Kanefa ny lalàna am-bava dia nanitatra azy io tamin’ny fanampiana asa voarara karazany 39 eo ho eo, tafiditra amin’izany ny hoe mamatotra na mamaha vona iray, manao dian-jaitra roa, manoratra litera hebreo roa, sy ny toy izany. Avy eo, ny tsirairay amin’ireny karazany ireny dia nitaky fitsipika fanampiny tsy nety tapitra. Vona inona no voarara ary ilay inona no azo natao? Ny lalàna am-bava dia namaly tamin’ny fitsipika madinika tsy refesi-mandidy. Nanjary noheverina ho asa voarara, na dia ny fanasitranana aza. Ohatra, voarara ny namerina tamin’ny laoniny rantsambatana tapaka iray, tamin’ny Sabata. Ny olona iray narary nify dia afaka nampiasa vinaingitra mba hanomezana tsiro ny sakafony, fa tsy tokony hitroka ilay vinaingitra handalo ny nifiny izy. Mety hanasitrana ny nifiny mantsy izany!
17 Rehefa tototry ny fitsipika an-jatony maro nataon’olona toy izany ny lalàna momba ny Sabata, dia namoy ny heviny ara-panahy izy io tamin’ny ankamaroan’ny Jiosy. Rehefa nanao fahagagana nahatalanjona sy nanafana ny fo tamin’ny Sabata i Jesosy Kristy ilay “Tompon’ny Sabata”, dia tsy nihontsina ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Ny hany nahin’izy ireo, dia ny toa tsy niraharahan’i Jesosy ireo fitsipika madinika nataon’izy ireo. — Matio 12:8, 10-14.
Fianarana avy amin’ny hadalan’ny Fariseo
18. Inona no vokatry ny fanampiana lalàna am-bava sy lovantsofina tamin’ny Lalàn’i Mosesy? Hazavao amin’ny ohatra.
18 Raha fintinina, dia azontsika lazaina fa ireny lalàna sy lovantsofina fanampiny ireny dia nanjary nipetaka tamin’ny Lalàn’i Mosesy toy ireo balanes (karazana masajy) manjary mipetaka amin’ny vatan-tsambo. Tsy mikely soroka mikiky ireny biby manorisory ireny hiala amin’ny sambony ireo tompon-tsambo noho izy ireny mampiadam-pandeha ilay sambo sady manimba ilay lokony miaro amin’ny harafesina. Mitovy amin’izany koa, fa ireo lalàna am-bava sy ireo lovantsofina dia nanavesatra ny Lalàna ary nahatonga azy io ho tsy voaro tamin’ny fampiasana ratsy nanimba tsikelikely. Tsy nikiky nanaisotra izany lalàna ivelany izany anefa ireo raby, fa tsy nitsahatra nanampy bebe kokoa kosa. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Mesia mba hanatanteraka ny Lalàna, dia rakotry ny “balanes” aoka izany ilay “sambo”, hany ka zara raha nitsinkafona! (Ampitahao amin’ny Ohabolana 16:25.) Tsy niaro ny faneken’ny Lalàna ireny mpitondra fivavahana ireny, fa nanao hadalana tamin’ny fandikana azy io. Nahoana anefa no tsy nahomby ilay “fefy” fitsipika nataon’izy ireo?
19. a) Nahoana no tsy nahomby ilay ‘fefy nanodidina ny Lalàna’? b) Inona no mampiseho fa tsy nanam-pinoana marina ireo mpitondra fivavahana jiosy?
19 Tsy takatr’ireo mpitarika tao amin’ny Jodaisma fa ny ady amin’ny fahasimbana ara-pitondran-tena dia atao ao am-po fa tsy eo amin’ireo pejin’ny bokin-dalàna. (Jeremia 4:14). Ny fanalahidin’ny fandresena dia ny fitiavana — fitiavana an’i Jehovah sy ny lalàny ary ireo fotopoto-pitsipiny marina. Ny fitiavana toy izany dia miteraka fankahalana mifanitsy amin’izay halan’i Jehovah. (Salamo 97:10; 119:104). Ireo izay manana fo feno fitiavana toy izany dia mitoetra ho mahatoky amin’ireo lalàn’i Jehovah eo amin’itỳ tontolo simba ara-pitondran-tena itỳ. Nanana tombontsoa lehibe hampianatra ny olona mba hampandroso sy hampirisika izany fitiavana izany, ireo mpitondra fivavahana jiosy. Nahoana izy ireo no tsy nahavita izany? Miharihary fa tsy nanam-pinoana izy ireo. (Matio 23:23). Raha nino ny fiasan’ny herin’ny fanahin’i Jehovah teo amin’ny fon’olombelona mahatoky, izy ireo, dia tsy ho nihevitra fa nilaina ny hifehy mafy ny fiainan’ny hafa. (Isaia 59:1; Ezekiela 34:4). Noho izy ireo tsy nanam-pinoana, dia tsy afaka nampita finoana izy ireo; nanavesatra ny vahoaka tamin’ireo didy nataon’olona izy ireo. — Matio 15:3, 9; 23:4.
20, 21. a) Nisy vokany ankapobe inona teo amin’ny Jodaisma ny toe-tsaina nirona ho amin’ny lovantsofina? b) Fianarana inona no azontsika avy amin’izay nitranga tamin’ny Jodaisma?
20 Tsy nampandroso ny fitiavana ireny mpitarika jiosy ireny. Ny lovantsofin’izy ireo dia niteraka fivavahana iray niahy fatratra ny amin’ny etỳ ivelany sy ny fankatoavana mandeha ho azy ho fisehosehoana — toe-javatra mety tsara mba hitomboan’ny fihatsarambelatsihy. (Matio 23:25-28). Ireo lalàna madinika nataon’izy ireo dia niteraka antony tsy tambo isaina mba hitsarana ny hafa. Noho izany, ireo Fariseo nieboebo sy nanjakazaka, dia nihevi-tena ho nanana ny marina raha nanakiana ny tenan’i Jesosy Kristy. Hadinon’izy ireo ny zava-kendrena lehibe indrindra tamin’ny Lalàna, ary nolaviny ilay hany Mesia marina. Vokatr’izany, dia voatery niteny tamin’ny firenena jiosy toy izao i Jesosy: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” — Matio 23:38; Galatiana 3:23, 24.
21 Inona no fianarana ho antsika amin’izany? Mazava tsara fa tsy mampandroso ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah ny fananana toe-tsaina henjana sy mirona ho amin’ny lovantsofina! Kanefa milaza ve izany fa ireo mpivavaka amin’i Jehovah amin’izao andro izao dia tsy tokony hanana fitsipika mihitsy, raha tsy hoe atao mazava amin’ny fomba voafaritra tsara ao amin’ny Soratra Masina angaha izany? Tsia. Mba hahazoana valiny feno, dia andeha isika handinika, amin’ny manaraka, ny fomba nanoloan’i Jesosy Kristy ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny lalàna vaovao iray sy tsara kokoa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mazava ho azy fa mbola isa kely dia kely io raha ampitahaina amin’ny rafitra momba ny lalàna eo amin’ireo firenena amin’izao andro izao. Tamin’ny fiandohan’ireo taona 1990, ohatra, ireo lalàna federalin’i Etazonia dia nameno maherin’ny 125 000 pejy, nisy lalàna vaovao an’arivony maro nanampy isan-taona.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no anapahan’ny lalàn’Andriamanitra ny zavatra noforonina rehetra?
◻ Inona no zava-nokendrena lehibe indrindra tamin’ny Lalàn’i Mosesy?
◻ Inona no mampiseho fa nanantitrantitra ny famindram-po sy ny fangorahana ny Lalàn’i Mosesy?
◻ Nahoana ireo mpitondra fivavahana jiosy no nanampy fitsipika tsy tambo isaina tamin’ny Lalàn’i Mosesy, ary inona no vokany?
[Efajoro, pejy 10]
Ireo Mpitondra Fivavahana Jiosy
Mpanora-dalàna: Nihevi-tena ho mpandimby an’i Ezra sy ho mpanazava ny Lalàna, izy ireo. Araka ilay boky hoe A History of the Jews, “dia tsy olona nanana toe-tsaina ambony avokoa akory ny mpanora-dalàna, ary matetika, ny fanandraman’izy ireo hahazo heviny miafina tao amin’ny lalàna, dia nivadika ho fanazavana tsy nisy heviny sy fameperana tsy nisy dikany. Izy ireny dia nohamafisina ho fomba amam-panao, izay tsy ela dia tonga mpanapaka lozabe tsy nilefitra”.
Hasidima: Ilay anarana dia midika hoe “ireo tia fivavahana” na “olo-masina”. Sambany izy ireo no notononina ho kilasy tany amin’ny manodidina ny taona 200 al.f.i., nahery teo amin’ny politika izy ireo, niaro tamim-pirehetana fatratra ny fahadiovan’ny Lalàna tamin’ny fitondrana lozabe nataon’ny fitaomana grika. Nizara ho antoko telo ny Hasidima: ny Fariseo sy ny Sadoseo ary ny Eseniana.
Fariseo: Misy manam-pahaizana manokana sasany mino fa ilay anarana dia avy amin’ny teny hoe “Ireo Tafasaraka” na “Mpisaraka”. Nirehidrehitra fatratra tokoa izy ireo teo amin’ny fiezahany hisaraka tamin’ny Jentilisa, kanefa dia nihevitra koa izy fa ny antokon’olona nisy azy dia tafasaraka tamin’ny — sy ambony noho ny — sarambaben’olona jiosy izay tsy nahafantatra ireo zava-tsarotry ny lalàna am-bava. Hoy ny mpanoratra tantara iray momba ny Fariseo: “Tamin’ny fitambarany, izy ireo dia nitondra ny olona toy ny ankizy, nanome endriny ofisialy sy namaritra ireo singan-javatra madinika indrindra tamin’ireo fitandremana ara-pomba.” Hoy ny manam-pahaizana manokana hafa iray: “Ny fampianarana sy ny fanaon’ny Fariseo dia niteraka fitsipika ara-dalàna sesehena nahakasika ny tarehin-javatra rehetra, ka ny vokany tsy azo nialana dia ny fanalehibeazany ireo zavatra tsinontsinona, ka nanaovany tsinontsinona tamin’izany ireo zavatra lehibe (Matio 23:23).”
Sadoseo: Antoko iray izay nifandray akaiky tamin’ny andriana sy ny fisoronana. Nanohitra mafy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo izy ireo, nilaza fa ny lalàna am-bava dia tsy nanan-kery nitovy tamin’ny Lalàna an-tsoratra. Ny Mishnah mihitsy no mampiseho fa resy izy ireo tamin’io ady io: “Fanerena mafy kokoa no mihatra amin’ny [fitandremana] ny tenin’ny Mpanora-dalàna noho ny [fitandremana] ny tenin’ny Lalàna [voasoratra].” Tonga hatramin’ny filazana toy izao mihitsy aza tatỳ aoriana ny Talmoda izay nahatafiditra fanazavana be dia be momba ny lalàna am-bava: “Ny tenin’ny mpanora-dalàna dia (...) sarobidy kokoa noho ny tenin’ny Torah.”
Eseniana: Antokon’olona nampijaly tena izay nampihataka ny tenany ho fiaraha-monina mitokana. Araka ny The Interpreter’s Dictionary of the Bible, ny Eseniana dia mbola nampisaraka ny tenany kokoa noho ny Fariseo, ary “indraindray dia nety ho mpihatsaravelatsihy lavitra noho ireo Fariseo aza”.
[Sary, pejy 9]
Azo inoana fa ny ray aman-drenin’i Joba dia nampianatra azy momba ny lalàna manapaka ireo filaharan-kintana