“Antontam-panambarana” any Amin’ny Tanin’ny “Tendrombohitr’Andriamanitra”
RAHA manaraka ny sisin’ny moron-tsirak’i Afrika Andrefana eo amin’ny sarintanin’ilay kontinenta ianao, ka mandroso miantsinanana manaraka ny Helodranomasin’i Guinée, eo amin’izay iolahan’ny moron-tsiraka mianatsimo, dia hahita an’i Cameroun. Raha manohy midina ny moron-tsiraka mianatsimo ianao, dia ho tonga eo amin’ny faritra midadasika iray misy torapasika mainty. Vokatry ny asam-bolkanon’ny Tendrombohitra Cameroun ilay fasika mainty.
Ny tampon’io tendrombohitra kitsoloha 4 070 metatra io dia manerinerina tanteraka eo amin’ilay faritra. Rehefa manenika ireo ilan’ny Tendrombohitra Cameroun ny hazavan’ny masoandro mody, dia manolotra fampisehoan-doko marevaka sady manaitra — volomparasy tanora, volon-daoranjy, mavo antitra sy mena manopy volomparasy. Ny ranomasina sy ireo heniheny eo akaiky dia manome taratr’ireo loko mifanahantsahana rehetra ireo toy ny fitaratra, ka mahatonga ny lanitra ho mila tsy ho azo avahana amin’ny tany. Mora ny mahatakatra ny antony mahatonga ireo foko animista ao amin’ilay faritra, hanome anarana ilay tendrombohitra hoe Mongo Ma Loba, izay adika hoe “Kalesin’ireo andriamanitra”, na amin’ny fomba mahazatra kokoa, amin’ny hoe “Tendrombohitr’Andriamanitra”.
Lavidavitra kokoa any atsimo, dia misy torapasika fotsy an-kilaometatra maro, misy palmie mitomandavana. Ankoatra ny sisin’ny moron-tsiraka mahafinaritra, ny ampahany betsaka amin’ilay tany dia rakotr’ala ekoatorialy mikitroka, izay miitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Congo sy ny an’ny République Centrafricaine ary mianavaratra hatrany Nigeria sy Tchad atsimon’i Sahara. Ny faritra andrefan’ilay tany dia be tendrombohitra, ka mampahatsiahy ireo faritra any Eoropa ho an’ny mpanao dia lavitra. Ny toe-tany mafana anefa, dia tsy hamela anao hanadino fa tsy lavitra ny ekoatera no misy anao. Ny fahasamihafan’ny ambanivohiny dia mahatonga ireo mpitarika mpizaha tany maro hilazalaza an’i Cameroun ho kopia kelin’i Afrika. Hamafisin’ny fisian’ireo antokon’olona samy hafa fiaviana ary ireo fiteny sy fitenim-paritra ofisialy maherin’ny 220, izany fahatsapana izany.
Raha hitsidika an’i Cameroun ianao, dia mety hipetraka any amin’ny iray amin’ireo hotely lehibe ao an-tseranan-tsambon’i Douala, na ao an-tanàna renivohitra, dia i Yaoundé. Mety ho matiantoka anefa ianao raha tsy manana fahafahana hahafanta-javatra momba ny fiainan’ny olona, indrindra indrindra ny amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 24 000, izay be atao amin’ny fampitomboana “antontam-panambarana” manerana io tanin’ny “Tendrombohitr’Andriamanitra” io.a Nahoana raha manao dia mamakivaky ilay tany mba hihaonana amin’ny sasany aminy? Azo antoka fa ny fizahanao io tany ao Afrika Andrefana io dia hovalian-tsoa be dia be.
Amin’ny lakana, amin’ny taxi-brousse, sa amin’ny bisikilety?
Mahaforona vinanihefaka lehibe ny toerana ihaonan’ny oseana amin’i Sanaga, ny renirano lava indrindra any Cameroun. Mba hahatratrarana ny mponina rehetra ao amin’io faritra midadasika io, dia matetika no tsy maintsy mandeha amin’ny lakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no ataon’ireo mpitory ilay Fanjakana sivy ao amin’ilay antokon’olom-bitsy any Mbiako. Ny roa aminy dia mipetraka 25 kilaometatra avy eo, ao amin’ny vohitr’i Yoyo. Mitaky fivoizan-dakana amin-kery ny fahatongavan’izy ireo ao Mbiako, kanefa tonga foana amin’ireo fivoriana kristiana izy ireo. Nanipy hevitra mba hampiseho ilay vidéo hoe Les Témoins de Jéhovah: Un nom, une organisation ny mpiandraikitra mpitety faritany iray rehefa nitsidika io antokon’olona io. Mora lazaina izany nefa sarotra atao. Any amin’ny vohitra mitokana toy izany, aiza no hahitany magnétoscope, vata fahita lavitra sy elektrisite mba handefasana azy ireo?
Nandritra ilay herinandro fitsidihana, dia nitsidika ilay pastoran’ny fiangonana teo an-toerana ny mpitory sasany. Gaga izy ireo fa nandray azy ireo tamin-kafanam-po ilay pastera, ary nanao dinidinika ara-baiboly nafana niaraka taminy izy ireo. Rehefa voamarik’ireo rahalahy fa tsy vitan’ny hoe nanana magnétoscope fotsiny ilay pastera fa nanana générateur elektrika koa, dia nisikina herim-po izy ireo hanontany raha afaka mindrana ireo fitaovany. Noho izy nankafy ny fiaraha-midinika ny Baiboly teo aloha, dia nanaiky hitondra ny fanampiany ilay pastora. Olona 102 no tonga tamin’ilay fampisehoana ny asabotsy hariva, anisan’izany ilay pastora sy ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny fiangonany. Nitondra olona liana maromaro tamin’ny lakana roa ireo Vavolombelona roa avy any Yoyo. Tsy nihevitra firy ny fivoizan-dakana manohitra ny rano misondrotry ny samonta izy ireo. Rehefa avy nahita ilay vidéo izy ireo dia tohina sady voarisika lalina, ary nirehareha fa anisan’ny fandaminana lehibe iray toy izany, izay ny zava-kendreny dia ny hanome voninahitra an’i Jehovah.
Mba handehanana any amin’ireo toerana tsy azon’ny lakana, dia afaka mampiasa taxi-brousse ny tena. Ny faritra fijanonan’ireny taxi-brousses ireny mba hiandrasana mpandeha dia be olona foana. Mora ny manjary ho very lalana tanteraka rehefa voahodidin’ireo mpivaro-drano sy ireo mpivarotra akondro ary ireo ankizilahy mpanera. Ny asan’ireo ankizilahy mpanera dia ny mitondra ireo mpandeha hatrao amin’ireo taxi-brousses efa miandry, izay araka ny filazan’izy ireo, dia “vonona ny hanainga” avokoa. Kanefa, tsy tokony horaisina afa-tsy amin’ny heviny faran’izay malalaka ilay teny hoe “vonona”. Tsy maintsy mandany ora maro iandrasana ireo mpandeha, indraindray aza andro maromaro mihitsy. Rehefa avy nasesika tao anatiny ny mpandeha rehetra ary rehefa avy nalamin’ilay mpamily teo ambonin’ny porte-bagages ny entana sy ny kitapo feno voankazo sy legioma ary indraindray aza ny akoho sy osy velona, dia manainga ho eo amin’ny lalan-tany mikitoantoana sy mamovoka ilay taxi-brousse.
Ny mpanompo mpitety faritany iray, izay kivy noho io karazam-pitaterana io, dia nisafidy ny tsy hiankina amin’izy io. Amin’ny bisikilety ankehitriny no anaovany ireo diany rehetra. Hoy izy: “Hatramin’izay nanapahako hevitra hampiasa bisikilety izay mba handehanana isaky ny kongregasiona, dia tonga ara-potoana foana amin’ilay fitsidihana aho. Marina fa mety haka ora maromaro ny dia, nefa fara faharatsiny dia tsy voatery handany andro iray na roa iandrasana taxi-brousses aho. Mandritra ny fahavaratra, dia saika manjavona tanteraka ny lalana sasany noho ny fahatondrahan’ny rano. Tsy maintsy manala kiraro ianao mba hitana ireny faritra feno fotaka sy rano ireny. Indray andro, dia latsaka tao anaty renirano ny ilan-kiraroko ary tsy hita raha tsy herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa sendra azon’ny zanakavavin’ny Vavolombelona iray teo am-panjonoana! Faly aho afaka manao indray ireo kiraro ireo, rehefa avy niara-nandany fotoana tamin’ny trondro ny ilany. Indraindray aho dia mamakivaky faritra izay mbola tsy nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy teo aloha. Manontany ahy foana izay nentiko teny amiko ireo mponina any amin’ireny vohitra ireny. Koa ataoko mora alaina hatrany ireo gazety sy bokikely. Isaky ny mijanona aho, dia manolotra ireny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ireny, ary manao fanambarana fohy. Mino aho fa hampitombo ireny voan’ny fahamarinana ireny i Jehovah.”
Any afovoan-tany lavitra
Miezaka mafy hizara amin’ny hafa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah na dia any afovoan-tany lavitra any Cameroun any aza, dia any amin’ireo vohitra voafina ao anaty ala mikitroka. Mitaky ezaka be dia be izany, nefa mahafaly ny vokany.
I Marie, mpanompo manontolo andro iray, dia nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny ankizivavy iray atao hoe Arlette. Rehefa nifarana ny fianarana voalohany, dia nanontany an’i Arlette i Marie raha hanatitra azy hatreo am-baravarana izy, toy ny fanao any amin’io faritra amin’i Afrika io. Kanefa, nanazava ilay ankizivavy fa zara raha afaka nandeha izy noho ny fanaintainana tao amin’ny tongony. Ny tongotr’i Arlette dia azon’ny karazam-parasy lafrika, izay ny vavy aminy dia mandoaka nofo, ka miteraka vay. Nanala tamin-kerim-po ireo parasy tsirairay i Marie. Tatỳ aoriana, dia nahafantatra koa izy fa nampahorin’ny demonia io ankizivavy io amin’ny alina. Nohazavain’i Marie tamim-paharetana ny fomba hametrahana ny fitokian’ny tena amin’i Jehovah, indrindra amin’ny fiantsoana mafy ny anarany ao amin’ny vavaka. — Ohabolana 18:10.
Nanao fandrosoana haingana i Arlette. Tamin’ny voalohany, dia tsy nahita na inona na inona naha-ratsy an’ilay fianarana ny fianakaviany noho ireo fandrosoana nahatalanjona nataony ara-batana sy ara-tsaina. Rehefa takatr’izy ireo anefa fa naniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nandrara azy tsy hanohy ny fianarana izy ireo. Telo herinandro tatỳ aoriana, noho ny fahatakaran’ny renin’i Arlette fa nalahelo aoka izany ny zanany vavy, dia nifandray tamin’i Marie izy ka nangataka taminy mba hanomboka ny fianarana indray.
Rehefa tonga ny fotoana hanatrehana fivoriamben’ny fizaran-tany iray, dia nanakarama mpamily fiara karetsaka i Marie mba hakana an’i Arlette nandritra ireo andro roa. Tsy nety nandeha hatrany amin’ny tranon’i Arlette anefa ilay mpamily, satria nihevitra izy fa tsy azo aleha ilay lalan-tany mitondra hatreo amin’ny arabe. Koa nanao izay hitondrana ilay zazavavy hatreo amin’ny arabe àry i Marie. Azo antoka fa nitahy ireny ezaka ireny i Jehovah. Manatrika ireo fivoriana rehetra ataon’ny kongregasiona ankehitriny i Arlette. Mba hanampiana azy hanao izany, dia tsy sasatra i Marie mandeha maka azy. Manao dia an-tongotra 75 minitra miaraka izy ireo isaky ny mandeha. Koa satria manomboka amin’ny 8.30 maraina ny fivoriana alahady, dia tsy maintsy miala any an-tranony amin’ny 6.30 i Marie; kanefa, dia tonga ara-potoana izy ireo. Manantena i Arlette fa rehefa afaka fotoana fohy izy dia hanamarika ny fanoloran-tenany amin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano. Milaza toy izao i Marie: “Izay tsy nahita azy fony izy nanomboka nianatra dia tsy afaka maka sary an-tsaina hoe hatraiza izy no niova. Misaotra be dia be an’i Jehovah aho tamin’ny fomba nitahiany azy.” Azo antoka fa ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fitiavana feno fandavan-tena i Marie.
Mianavaratra lavitra
Feno fifanoheran-javatra sy zavatra tsy ampoizina ny faritra avaratr’i Cameroun. Mandritra ny fahavaratra, dia miova ho saha mandrobona midadasika izy io. Rehefa tonga anefa ny masoandro mahamay dia maina ny ahitra. Amin’ny mitataovovonana, amin’ny fotoana ifanitsian’ny masoandro indrindra amin’ny tampon-doha, izay sarotra ahitana aloka iny, dia mifanety amin’ny rindrin-trano vita amin’ny feta mena ny ondry mba hahazoana aloka. Eo anivon’ny fasika sy ny ahitra maina, ny hany sisa tavela amin’ny zavamaniry maitso dia ny ravinkazo vitsivitsy eny amin’ny baobaba. Na dia tsy dia lehibe tahaka ireo hazo mitovy karazana aminy any amin’ny ala ekoatorialy aza izy ireo, dia mateza tsy misy hafa amin’izy ireny. Ny fahafahany miaritra toetr’andro henjana dia ohatra manazava tsara ny zotom-po sy ny herim-pon’ny Vavolombelona vitsivitsy izay nandeha nipetraka tao amin’io faritra io mba hahafahan’ny fahazavan’ny fahamarinana hamirapiratra ao.
Ny sasany amin’ireo kongregasiona ao amin’io faritra io dia sarahin’ny 500 ka hatramin’ny 800 kilaometatra, ary tena misy ny fahatsapana fitokanana. Misy fahalianana be dia be anefa any. Mifindra any ny Vavolombelona avy amin’ny faritra hafa mba hitondra fanampiana. Mba hahazoam-bokatra eny amin’ny fanompoana, dia tsy maintsy mianatra ny foufouldé, tenim-paritra eo an-toerana izy ireo.
Ny Vavolombelona iray avy any Garoua dia nanapa-kevitra handany andro vitsivitsy hitoriana ao amin’ny vohitra nahaterahany, izay tokony ho 160 kilaometatra avy eo amin’ny misy azy. Nahita fahalianana izy, nefa nisakana azy tsy hiverina amin’ny fomba tsy tapaka ny halafon’ny saram-pitaterana. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia naharay taratasy avy tamin’ny iray tamin’ireo olona liana izy, niangavy azy mba ho tonga hiverina hitsidika. Tsy afaka nandeha izy noho ny mbola tsy fananam-bola ho amin’ny saran-dalana. Alao sary an-tsaina ny hagagan’ilay Vavolombelona rehefa nitsidika azy tao an-tranony tao Garoua ilay olona mba hilaza taminy fa olona folo no niandry ny fitsidihany tany amin’ilay vohitra!
Tany amin’ny vohitra hafa iray manakaiky ny sisin-tanin’i Tchad, dia nandamina ny fianarany ny Baiboly manokana ny antokon’olona liana 50. Nataony izay hanatrehan’ny telo taminy ireo fivoriana tany amin’ny kongregasiona akaiky indrindra tany Tchad. Rehefa niverina ireo, dia nitarika ny fianarana ny Baiboly niaraka tamin’ilay antokon’olona manontolo avy eo. Eny tokoa, azo ampiharina tsara eto ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” — Matio 9:38.
Fanaovana fanambarana any amin’ny tanàn-dehibe
Taorian’ny taona maro naha-tsy ampy ny zavatra vita an-tsoratra, dia nanjary azo raisina malalaka any Cameroun, tokony ho roa taona lasa izay, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Misy hafanam-po sy fahalianana betsaka amin’ireo gazety satria vao voalohany ny olona maro no mamaky azy ireny. Ny mpivady tanora mpisava lalana manokana voatendry tany amin’ny tanàn-dehibe iray dia nahapetraka gazety 86 ny maraina voalohany nitoriany tao amin’ilay faritaniny vaovao. Mahapetraka hatramin’ny gazety 250 ao anatin’ny volana iray monja ny mpitory sasany! Inona no fanalahidin’ny fahombiazan’izy ireo? Manolotra gazety amin’ny olona rehetra.
Ny Vavolombelona iray miasa ao amin’ny birao iray misokatra ho an’ny besinimaro dia mamela foana gazety ho talaky maso. Nojeren’ny vehivavy iray ireo gazety nefa tsy nisy nalaina. Takatr’ilay Vavolombelona ny fahalianany ka notolorany iray, izay noraisiny izy. Gaga ilay Vavolombelona nahita azy niverina ny ampitso. Tsy vitan’ny hoe naniry fotsiny hanome fandraisana anjara tamin’ilay gazety izy, fa nangataka gazety fanampiny koa. Nahoana? Noho izy nosavihina, dia nifidy ilay gazety miresaka momba io foto-kevitra io izy. Nandany ny alina manontolo namakiana sy namerimberenana namaky ny torohevitra nomena izy. Noho izy nahatsapa ho tena maivamaivana, dia naniry hahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy.
Na dia ny ankizy kely aza dia afaka mandray anjara amin’ny fanelezana ny hafatra misy fanantenana ao amin’ny Baiboly. Rehefa nasain’ny mpampianatra azy hanao hiram-pivavahana katolika iray ny zazavavy kely vavolombelona enin-taona, dia tsy nety izy, ary nilaza fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany. Nasain’ilay mpampianatra hanao ny hiram-pivavahany manokana àry izy mba hanomezany naoty azy. Nifidy ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Ny fampanantenan’Andriamanitra Paradisa” izy, ka nihira azy io tsianjery. Nanontany azy ilay mpampianatra hoe: “Niresaka paradisa ianao tao amin’ilay hiranao. Aiza no misy io paradisa io?” Nohazavain’ilay zazavavy kely fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanorina tsy ho ela Paradisa eto ambonin’ny tany. Gaga noho ny valin-teniny ilay mpampianatra, ka nangataka tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy kely ilay boky nianarany. Vonona ny hanome naoty azy tamin’io boky io izy, fa tsy tamin’izay nampianarina azy nandritra ny lesona momba ny fivavahana. Nanipy hevitra tamin’ilay mpampianatra ny ray aman-dreniny fa raha niriny ny hanome azy naoty tamin’ny fomba marina, dia ny tenany aloha no tokony hianatra. Natomboka ny fampianarana Baiboly iray niaraka taminy.
Mikasa hanao fitsidihana ve?
Any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao amin’izao andro izao, dia tsy miraika amin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny olona. Tsy mahaliana azy ireo na Andriamanitra na ny Baiboly. Malemy noho ny tahotra ny hafa ka tsy mety mamaly tsotra izao izay mety ho olon-tsy fantatra rehetra eo am-baravarana. Izany rehetra izany dia tena fihaikana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fanompoany. Toy inona anefa ny fahasamihafan’izany amin’ny any Cameroun!
Fahafinaretana ny fitoriana isan-trano eto. Tsy mandondom-baravarana ny any, fa mahazatra kosa ny miantso mafy hoe “Kong, kong, kong.” Avy eo, dia misy mamaly avy any anatiny manao hoe: “Iza izao?”, ary aorian’izany dia mampahafantatra ny tenanay ho Vavolombelon’i Jehovah izahay. Mazàna dia asain’ny ray aman-dreny maka akalana lava ny zanany ary mametraka izany eo ambany aloky ny hazo iray, angamba hazo manga iray. Fotoana mahafinaritra avy eo no lanina amin’ny fanazavana ny hoe inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra ary inona no hataony mba hanamaivanana ny toe-piainana mampahonena misy ny olombelona.
Taorian’ny dinidinika toy izany avy hatrany, dia namboraka ny tao am-pony ny ramatoa iray, nilaza hoe: “Malahelo aho mahita fa tsy tao amin’ilay fivavahana nahaterahako sy nahalehibe ahy no misy ilay fahamarinana notadiaviko. Misaotra an’Andriamanitra aho fa nasehony tamiko ny fahamarinana. Diakra aho tao amin’ny fiangonako. Mijanona herinandro iray any an-tranon’ny diakra tsirairay ny sary vongan’i Maria Virjiny mba hahafahan’ny tsirairay manao fangatahana aminy. Raha ny amiko, dia nangataka foana tamin’i Maria aho mba hanampy ahy hahafantatra ny fahamarinana. Ankehitriny dia nasehon’Andriamanitra tamiko fa tsy miaraka amin[’i Maria] ny fahamarinana. Misaotra an’i Jehovah aho.”
Koa, raha heverinao indray andro any fa mila mahatsapa izany fifaliana lehibe izay mety ho azo amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany ny tenanao, nahoana raha mitsidika io faritr’i Afrika Andrefana io? Ankoatra ny fahitana voalohany ny “kopia kelin’i Afrika”, na amin’ny lakana na amin’ny taxi-brousse na amin’ny bisikilety, dia handray anjara amin’ny “antontam-panambarana” izay eo an-dalam-pitomboana ao amin’ilay tanin’ny “Tendrombohitr’Andriamanitra” koa ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo inoana fa ny hoe “Antontam-panambarana” dia hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “Gileada”. Nanomboka tamin’ny 1943, ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower dia nandefa misionera hanokatra ny asa fitoriana maneran-tany, tao anatin’izany ny any Cameroun.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.