FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/8 p. 21-25
  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanompoana manontolo andro
  • Vonona ho amin’ny fanendrena anay
  • Fanendrena vaovao
  • Niverina tany Etazonia
  • Niverina tany amin’ny Sekolin’i Gileada indray
  • Voatendry tany Arzantina
  • Fiverenana tany Etazonia indray
  • Sambatra sy Miadana Satria Natao Loha Laharana Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Tapa-kevitra Hanompo ny Mpamorona Foana Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Lova Kristiana Tsy Fahita Firy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nampianatra Anay ho Tia An’Andriamanitra ny Ray Aman-dreninay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/8 p. 21-25

Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka

NOTANTARAIN’I EDITH MICHAEL

Nipetraka tany ivelan’i St. Louis, Missouri, any Etazonia, izahay tany am-piandohan’ireo taona 1930, fony tonga nitsidika anay ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Tamin’izay indrindra no tapaka ilay tady fanahazan-damba, ka latsaka tao anaty fotaka ireo lamba fotsy manjopiaka nosasan’i Neny. Nanaiky ireo boky natolotra izy mba hialan’ilay vehivavy fotsiny, nametraka izany teo ambonin’ny talantalana, nanadino azy ireo.

TAMIN’IREO taona nisian’ny fitambotsorana ara-toe-karena tamin’izay, ary i Dada dia tsy nanana asa. Indray andro izy dia nanontany raha nisy zavatra azo vakina tao an-trano. Nolazain’i Neny taminy ny momba ireo boky. Nanomboka namaky azy ireo izy, ary rehefa afaka kelikely dia nihiaka hoe: “Neny a, itỳ no fahamarinana!”

“Fivavahana mitady vola tahaka ny hafa rehetra fotsiny izany”, hoy izy namaly. Kanefa, nampirisika mafy azy i Dada mba hiara-mipetraka sy hiara-mijery aminy ireo andinin-teny. Rehefa nanao izany izy dia resy lahatra koa. Taorian’izany, dia nanomboka nitady ny Vavolombelona izy ireo, ary nahita fa nivory tao amin’ny efitrano lehibe iray nohofana tsy lavitra ny afovoan-tanànan’i St. Louis izy ireo, efitrano izay nampiasaina ho amin’ny dihy sy ho amin’ny zavatra hafa koa.

Nentin’i Dada sy i Neny niaraka taminy aho — tokony ho telo taona aho — ary hitany ilay efitrano, nefa nisy dihy tao. Nanao izay hahafantarana ny fotoana nanaovana ireo fivoriana i Dada, ka niverina izahay. Nanomboka nanatrika ny fianarana Baiboly isan-kerinandro tsy lavitra ny toerana nipetrahanay koa izahay. Natao tao amin’ny tokantranon’ilay vehivavy tonga nitsidika anay tamin’ny voalohany izy io. “Nahoana no tsy entinareo koa ny ankizilahy?”, hoy izy nanontany. Menatra i Neny hilaza fa tsy nanana kiraro izy ireo. Rehefa nohazavainy tamin’ny farany, dia nisy kiraro nomena, ary nanomboka niara-nanatrika fivoriana taminay ireo anadahiko.

Nomena faritany hitoriana tsy lavitra ny tranonay i Neny, ary nanomboka tamin’ny fanompoana isan-trano izy. Nandeha niaraka taminy aho, niafina tao an-damosiny. Talohan’ny nianarany namily fiara, dia nandeha an-tongotra tokony ho iray kilaometatra izahay mba hamonjy aotobisy izay nitondra anay nankany amin’ireo fivoriana tao St. Louis. Na dia rehefa nisy ranomandry sy oram-panala aza, dia tsy tapaka tamin’ny fivoriana mihitsy izahay.

Natao batisa i Dada sy i Neny tamin’ny 1934. Naniry hatao batisa koa aho, ary nisisika hatrany ny amin’izany aho mandra-pangatak’i Neny tamin’ny Vavolombelona be taona iray mba hiresaka tamiko momba azy io. Nametrahany fanontaniana maro tamin’ny fomba izay nahafahako nahazo izany aho. Avy eo, dia nilazany ny ray aman-dreniko fa tsy tokony hosakanana tsy hatao batisa aho; mety hanimba ny fitomboako ara-panahy izany. Koa natao batisa àry aho ny fahavaratra nanaraka, fony aho mbola enin-taona.

Tiako ilay bokikely hoe Home and Happiness, izay nentiko foana teny amiko, ka nataoko tao ambany ondako mihitsy aza izy io rehefa natory aho. Imbetsaka aho no nangataka tamin’i Neny mba hamaky azy io tamiko, mandra-pahaiko azy tsianjery. Ny fonony aoriana dia nisy sarin’ankizivavy kely iray ao amin’ny Paradisa miaraka amin’ny liona iray. Hoy aho hoe izaho ilay ankizivavy kely. Izany sary izany dia nanampy ahy hampifantoka hatrany ny masoko amin’ny lokan’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

Tena saro-kenatra aho, nefa na dia nety ho nangovitra aza, dia namaly foana ireo fanontaniana tao amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny kongregasiona.

Mampalahelo fa natahotra i Dada sao dia hamoy ny asany, koa nitsahatra tsy niaraka tamin’ny Vavolombelona izy. Nanao toy izany koa ireo anadahiko.

Fanompoana manontolo andro

Nasain’i Neny napetrak’ireo mpisava lalana na mpanompo manontolo andro tao an-damosin’ny tranonay ny caravanes-n’izy ireo, ary rehefa avy nianatra aho dia niaraka tamin’izy ireo teny amin’ny fanompoana. Tsy ela aho dia naniry hanao ny asan’ny mpisava lalana, nefa nanohitra izany i Dada, satria ninoany fa tokony hahazo fanabeazana ivelan’ny fivavahana bebe kokoa aho. Naharesy lahatra azy i Neny tamin’ny farany mba hamela ahy hanao ny asan’ny mpisava lalana. Koa tamin’ny Jona 1943, fony aho 14 taona, dia nanomboka ny fanompoana manontolo andro aho. Mba handraisana anjara amin’ny lany tao an-tokantrano, dia nanao asa tapa-potoana ivelan’ny fivavahana aho, ary indraindray dia niasa manontolo andro. Kanefa tratrako ny tanjona isam-bolana 150 ora tamin’ny asa fitoriana.

Tamin’ny farany aho dia nahita mpisava lalana niara-niasa tamiko, i Dorothy Craden, izay nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny Janoary 1943, fony izy 17 taona. Katolika nafana fo izy, nefa taorian’ny enim-bolana nianarana Baiboly, dia natao batisa izy. Nandritra ny taona maro dia loharanom-pampaherezana sy tanjaka ho ahy izy, ary toy izany koa aho taminy. Nanjary akaiky kokoa noho ny mpirahavavy iray tam-po izahay.

Nanomboka tamin’ny 1945 izahay dia niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana tao amin’ireo tanàna kely tany Missouri, izay tsy nisy kongregasiona mihitsy. Tao Bowling Green izahay dia nanamboatra efitrano fivoriana iray; tonga nanampy anay i Neny. Avy eo dia nitsidika ireo trano fonenana rehetra tao an-tanàna izahay isan-kerinandro, ary nanasa ny olona ho amin’ny lahateny ampahibemaso iray izay nanaovanay fandaharana mba hisy anadahy avy any St. Louis ho tonga hanao azy. Olona teo anelanelan’ny 40 sy 50 no nanatrika isan-kerinandro. Tatỳ aoriana izahay dia nanao nitovy tamin’izany tany Louisiane, izay nanofanay ny tempolin’ny Franc-maçons. Mba hisahanana ny hofan’ireo efitrano lehibe, dia nanao boaty fanaovana fanomezana izahay, ary voaloa avokoa ny fandaniana rehetra isan-kerinandro.

Nanaraka izany izahay dia nandeha nankany Mexico, Missouri, izay nanofanay trano nisy efitra tao ambadiky ny magazay manoloana ny lalana. Nanamboatra azy io izahay mba ho azon’ilay kongregasiona kely tao nampiasaina. Nisy efitra nifanolotra tao amin’ilay trano, ka tao izahay no nipetraka. Nanampy tamin’ny fanaovana fandaharana mba hisian’ny lahateny ampahibemaso hatao tao Mexico koa izahay. Avy eo izahay dia nandeha nankany amin’ny renivohi-panjakana, i Jefferson City, ka tao izahay dia nifandray tamin’ireo manam-pahefana tany amin’ny biraony, isa-maraina tamin’ny andavanandro. Nipetraka tao amin’ny efitra iray tao ambonin’ny Efitrano Fanjakana izahay, niaraka tamin’i Stella Willie izay tahaka ny reny ho anay.

Avy tao no nandehananay telo mirahavavy nankany amin’ny tanànan’i Festus sy i Crystal City, izay nifanakaiky. Nipetraka tao amin’ny tranon’akoho novana mba ho azo onenana, tao an-damosin’ny tranon’ny fianakaviana liana iray, izahay. Koa satria tsy nisy lehilahy vita batisa, dia izahay no nitarika ny fivoriana rehetra. Nivarotra produits de beauté izahay mba hiasana tapa-potoana. Tsy nanana firy izahay teo amin’ny ara-nofo. Raha ny marina, dia tsy afaka nampanamboatra ireo loaka tamin’ny faladian-kiraronay izahay, koa isa-maraina dia nanatsofohanay baoritra vaovao tao anaty kiraro, ary tamin’ny alina dia samy nanasa ny hany akanjo nananany ny tsirairay avy.

Tany am-piandohan’ny 1948, fony aho 19 taona, dia nahazo fanasana izaho sy i Dorothy hanatrika ny kilasy faha-12 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower ho an’ny misionera. Taorian’ny fianarana naharitra dimy volana, dia nahazo diplaoma ireo mpianatra zato tamin’ny 6 Febroary 1949. Fotoana tena nahafinaritra izany. Nifindra tany Californie ny ray aman-dreniko, ary nanao ny dia avy any i Neny mba hanatrika izany.

Vonona ho amin’ny fanendrena anay

Mpianatra nahazo diplaoma valo ambin’ny roapolo no notendrena hankany Italia — enina, anisan’izany izaho sy i Dorothy, tany amin’ny tanànan’i Milan. Tamin’ny 4 Martsa 1949, dia nandao an’i New York izahay teny ambonin’ilay sambo italiana hoe Vulcania. Naharitra 11 andro ilay dia, ary nahatonga ny ankamaroanay hihoaka ny ranomasina nisamboaravoara. Tonga tao an-tseranan-tsambon’i Gênes ny Anadahy Benanti mba hitsena anay sy hitondra anay hiverina tany Milan tamin’ny fiarandalamby.

Rehefa tonga tao amin’ny tranon’ny misionera tao Milan izahay, dia nahita voninkazo, izay napetraky ny zazavavy italiana iray tao amin’ny efitranonay tsirairay. Taona maro tatỳ aoriana, io ankizivavy io, i Maria Merafina, dia lasa tany Gileada, niverina tany Italia indray, ary niara-nanompo tao amin’ny tranon’ny misionera izaho sy izy!

Ny ampitso marainan’ny nahatongavanay tao Milan, dia nijery teo am-baravarankelin’ny efitrano fandroana izahay. Teo amin’ny arabe tao ambadik’ilay trano fonenanay dia nisy trano lehibe iray voazeran’ny baomba. Nandatsaka baomba iray tsy nahy ny fiaramanidina amerikana mpanjera baomba, ka namono ireo fianakaviana 80 rehetra nipetraka tao. Indray mandeha koa, dia tsy nahavoa ny orinasa iray nokendrena ny baomba ka nahavoa sekoly iray, ary namono ankizy 500. Koa tsy dia faly loatra tamin’ny Amerikana àry ny olona.

Leon’ny ady ny olona. Maro no nilaza fa raha toa ka nisy ady hafa iray nanomboka, dia tsy hankany amin’ireo fialofana amin’ny zera baomba izy ireo fa hijanona ao an-tranony ary hamoha ny gaza, ka ho faty. Nanome toky azy ireo izahay fa tonga tany izahay mba hisolo tena, tsy an’i Etazonia na fitondram-panjakana naorin’olombelona akory, fa ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hamarana ny ady rehetra sy ny fahoriana entiny.

Tao amin’ny tanàna ben’i Milan, ilay kongregasiona tokana izay nisy mpikambana tokony ho 20 na teo ho eo, dia nivory tao amin’ny tranon’ny misionera. Hatreo dia mbola tsy nisy faritany hitoriana voalamina, koa nanomboka nanao fanambarana tao amin’ny trano lehibe iray izahay. Teo amin’ny varavarana voalohany izahay dia nihaona tamin’Atoa Giandinotti, izay naniry ny hialan’ny vadiny tamin’ny eglizy, koa nandray zavatra vita an-tsoratra iray izy. Vehivavy tso-po sady be fanontaniana Rtoa Giandinotti. “Ho faly aho rehefa mahay teny italiana ianareo”, hoy izy, “amin’izay ianareo dia ho afaka hampianatra ahy ny Baiboly.”

Ny valindrihan’ny efitrano misy azy ireo dia avo ka maizimaizina ny hazavana, koa napetrany teo ambonin’ny latabatra ny sezany tamin’ny alina mba ho akaikin’ny hazavana, hamakiana ny Baiboly. “Raha miara-mianatra ny Baiboly aminareo aho”, hoy izy nanontany, “afaka mbola mandeha any amin’ny eglizy ve aho?” Hoy izahay taminy hoe izy no tompon-kevitra amin’izany. Koa nandeha tany amin’ny eglizy àry izy ny alahady maraina ary tonga tany amin’ny fivorianay ny tolakandro. Indray andro àry dia hoy izy: “Tsy handeha hankany amin’ny eglizy intsony aho”.

“Nahoana?”, hoy izahay nanontany.

“Satria tsy mampianatra ny Baiboly izy ireo, sady nahita ny fahamarinana aho tamin’ny niarahako nianatra ny Baiboly taminareo.” Natao batisa izy ary niara-nianatra tamin’ny vehivavy maro izay nandeha niangona isan’andro. Nilaza izy tatỳ aoriana fa raha nilaza taminy izahay mba tsy handehanany tany amin’ny eglizy, dia ho nijanona tsy nianatra izy ary angamba izy tsy ho nahafantatra ny fahamarinana na oviana na oviana.

Fanendrena vaovao

Rehefa nandeha ny fotoana, izaho sy i Dorothy, niaraka tamin’ny misionera efatra hafa, dia notendrena tany amin’ny tanàna italian’i Trieste, izay nofehezin’ny andian-tafika britanika sy amerikana tamin’izay. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona tokony ho folo monja tamin’izany, kanefa nitombo io isa io. Nitory nandritra ny telo taona tao Trieste izahay, ary rehefa niala tao, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 40 tao, ka ny 10 taminy dia mpisava lalana.

Ny fanendrena nanaraka azonay dia tany amin’ny tanànan’i Vérone, izay tsy nisy kongregasiona. Rehefa nampihatra fanerena teo amin’ireo fahefana sivily anefa ny eglizy, dia voatery niala izahay. Notendrena tany Rome izaho sy i Dorothy. Tany izahay dia nanofa efitrano efa nisy fanaka ary niasa ny faritany tsy lavitra an’i Vatikana. Nandritra ny fotoana naha-tany anay no lasa tany Liban i Dorothy mba hanambady an’i John Chimiklis. Efa ho 12 taona no niarahanay, ka tena nalahelo azy aho.

Tamin’ny 1955, dia nosokafana tany amin’ny faritra hafa tao Rome ny tranon’ny misionera vaovao iray, teo amin’ny arabe nantsoina hoe Lalam-baovao Apiana. Iray tamin’ireo efatra nipetraka tao amin’ilay trano i Maria Merafina, ilay ankizivavy nametraka voninkazo tao amin’ny efitranonay tamin’ny alina nahatongavanay tao Milan. Nisy kongregasiona vaovao iray voaforona tao amin’io faritra amin’ilay tanàna io. Taorian’ny fivoriambe niraisam-pirenena tao Rome tamin’io fahavaratra io, dia nahazo tombontsoa hanatrika ilay fivoriambe tany Nuremberg, Alemaina, aho. Nampientam-po tokoa ny nihaona tamin’ireo izay niaritra fanenjehana aoka izany teo ambanin’ny fitondran’i Hitler!

Niverina tany Etazonia

Tamin’ny 1956, noho ny zava-nanahirana ara-pahasalamana, dia niverina tany Etazonia aho tamin’ny fahazoana congé noho ny aretina. Tsy nampivily ny masoko mihitsy tamin’ilay loka anefa aho, dia ny fanompoana an’i Jehovah dieny izao ary tsy hisy farany ao amin’ny tontolony vaovao. Nikasa ny hiverina tany Italia aho. Kanefa, nihaona tamin’i Orville Michael, izay nanompo tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Brooklyn, New York, aho. Nivady izahay taorian’ilay fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1958 tao New York.

Rehefa afaka fotoana fohy izahay dia nifindra tany Front Royal, Virginie, izay nankafizanay ny fiarahana nanompo tamin’ny kongregasiona kely iray. Nipetraka tao amin’ny efitrano kely iray tao ambadiky ny Efitrano Fanjakana izahay. Tamin’ny farany, tamin’ny Martsa 1960, dia nanjary tena nilaina ny niverina tany Brooklyn mba hahitana asa ivelan’ny fivavahana handoavana ireo faktioranay. Niasa alina tany amin’ny banky samy hafa izahay mba hahafahanay hijanona tao amin’ny fanompoana manontolo andro.

Raha mbola tany Brooklyn izahay dia nody mandry i Dada, ary tapaka lalan-dra madinika ny renin’ny vadiko. Koa nanapa-kevitra izahay ny hifindra tany Oregon mba ho akaiky an’ireo reninay. Samy nahita asa ivelan’ny fivavahana tapa-potoana izahay roa, ary nanohy tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana tao. Tamin’ny fararanon’ny 1964, dia namakivaky an’i Etazonia tamin’ny fiara izahay sy ireo reninay mba hanatrika ny fivoriana isan-taona fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society tao Pittsburgh, Pennsylvanie.

Nandritra ny fitsidihanay tany Rhode Island, dia nampirisihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray, i Arlen Meier sy ny vadiny, izahay hifindra any Providence, renivohi-panjakana, izay nila fanampian’ny mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Nampirisika anay mafy ireo reninay mba hanaiky io fanendrena vaovao io, koa rehefa tafaverina tany Oregon izahay dia nivarotra ny ankamaroan’ireo entanay tao an-tokantrano ary nifindra.

Niverina tany amin’ny Sekolin’i Gileada indray

Nanatrika fivoriambe iray tany amin’ny Yankee Stadium izahay tamin’ny fahavaratra 1965. Tao izahay dia nanao fangatahana ho amin’ny Sekolin’i Gileada tamin’ny naha-mpivady. Tokony ho iray volana tatỳ aoriana, dia gaga izahay naharay taratasy fangatahana izay tsy maintsy naverina tao anatin’ny 30 andro. Nanahy momba ny fandehanana hankany an-tany lavitra aho satria tsy dia salama loatra i Neny. Nampirisika ahy anefa izy: “Fenoy ireo fangatahana ireo. Fantatrao fa tokony hekena foana izay mety ho tombontsoam-panompoana atolotr’i Jehovah!”

Izany no nandamina azy io. Nameno ireo fangatahana izahay ary nampandefa azy ireo. Fahagagana toy inona moa ny nandray ireo fanasana hanatrika ny kilasy faha-42, izay nanomboka ny 25 Aprily 1966! Tao Brooklyn, New York, no nisy ny Sekolin’i Gileada tamin’izany. Latsaka ny dimy volana tatỳ aoriana dia 106 izahay no nahazo diplaoma tamin’ny 11 Septambra 1966.

Voatendry tany Arzantina

Roa andro taorian’ny fizarana diplaoma, dia teny an-dalana nankany Arzantina izahay, nandeha tamin’ny fitaterana ana habakabaka peroviana. Rehefa tonga tao Buenos Aires izahay dia nitsena anay teo an-tseranam-piaramanidina i Charles Eisenhower, mpiandraikitra ny sampana. Nanampy anay teo amin’ny ladoany izy ary nitondra anay tany amin’ny sampana. Nanana iray andro izahay namahana sy nampirimana ny entanay; avy eo, dia nanomboka ny fianaranay ny teny espaniola. Adiny 11 isan’andro no nianaranay ny teny espaniola nandritra ny volana voalohany. Ny volana faharoa, dia adiny efatra isan’andro izahay no nianatra ilay fiteny ary nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha.

Nandritra ny dimy volana izahay dia tao Buenos Aires, avy eo dia notendrena ho any Rosario, tanàna lehibe iray tokony ho adiny efatra mianavaratra amin’ny fiarandalamby. Rehefa nanompo tao nandritra ny 15 volana izahay, dia nalefa lavitra kokoa nianavaratra tany Santiago del Estero, tanàna iray tany amin’ny provansa karakaina sady mafana. Raha mbola tany izahay, dia nody mandry ny reniko tamin’ny Janoary 1973. Efa-taona no tsy nahitako azy. Nanampy nanohana ahy tamin’ny alaheloko ny fanantenana azo antoka momba ny fitsanganana amin’ny maty, ary koa ny fahalalana fa nanompo tany amin’izay nirin’i Neny handehanako aho. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Sariaka ny mponina tao Santiago del Estero, ary mora ny nanomboka fampianarana Baiboly. Nisy tokony ho 20 na 30 no nanatrika ireo fivoriana fony izahay tonga tamin’ny 1968, nefa valo taona tatỳ aoriana dia nisy maherin’ny zato tao amin’ny kongregasionanay. Ho fanampin’izany, dia nisy kongregasiona roa vaovao tao amin’ireo tanàna teo akaiky, nanana mpitory teo anelanelan’ny 25 sy 50.

Fiverenana tany Etazonia indray

Noho ny zava-nanahirana ara-pahasalamana, dia nasaina niverina tany Etazonia tamin’ny naha-mpisava lalana manokana izahay tamin’ny 1976 — tany Fayetteville, Caroline Avaratra. Nisy olona maro miteny espaniola avy tany Amerika Afovoany sy Atsimo, République Dominicaine, Porto Rico, sy Espaina mihitsy aza tao. Nanana fampianarana Baiboly maro izahay, ary tamin’ny farany dia niantomboka ny kongregasiona espaniola iray. Nandany efa ho valo taona tao amin’io fanendrena io izahay.

Kanefa, nilainay ny ho akaikin’ny rafozam-baviko, izay zokiolona sy nalemy tanteraka. Nipetraka tany Portland, Oregon, izy, koa nahazo fanendrena vaovao tao amin’ny kongregasiona espaniola, any Vancouver, Washington, izay tsy lavitra an’i Portland, izahay. Kely ilay kongregasiona fony izahay tonga tany, tamin’ny Desambra 1983, nefa nahita olona vaovao maro izahay.

Tamin’ny Jona 1996, dia nahafeno 53 taona tamin’ny fanompoana manontolo andro aho, ary nahafeno 55 taona tamin’ny 1 Janoary 1996 ny vadiko. Nandritra ireny taona maro ireny, dia nanana tombontsoa aho nanampy olona an-jatony maro ho tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hanokana ny fiainany ho an’i Jehovah. Maro taminy no manompo amin’ny maha-loholona sy mpanompo manontolo andro ankehitriny.

Indraindray aho dia misy manontany raha toa ka malahelo noho ny tsy fananana zanaka. Ny zava-misy dia hoe nitahy ahy tamin’ny zanaka sy zafikely ara-panahy maro i Jehovah. Eny, nisy heviny sady nahafa-po ny fiainako teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Azoko resahina ny amin’ny zanakavavin’i Jefta, izay nandany ny androm-piainany tao amin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly, ka tsy nanan-janaka mihitsy noho ny tombontsoam-panompoana lehibe nananany. — Mpitsara 11:38-40.

Mbola tadidiko ihany ny nanaovako ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah, fony aho mbola vao ankizivavy kely. Mbola velombelona ato an-tsaiko toy ny tamin’izany ihany ankehitriny ilay sarin’ny Paradisa. Ny masoko sy ny foko dia mbola mifantoka amin’ny lokan’ny fiainana tsy hisy farany ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Eny, ny faniriako dia ny hanompo an’i Jehovah, tsy mandritra ny 50 taona monja, fa mandrakizay — eo ambanin’ny Fanapahan’ilay Fanjakany.

[Sary, pejy 23]

Dorothy Craden, ny tanany eo ambonin’ny soroko, sy mpisava lalana tahaka anay tamin’ny 1943

[Sary, pejy 23]

Tany Roma, Italia, niaraka tamin’ireo misionera tahaka anay tamin’ny 1953

[Sary, pejy 25]

Miaraka amin’ny vadiko

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara