Mandefa ny Kilasiny Faha-100 ny Sekolin’i Gileada
NANANA anjara asa lehibe tamin’ny fanambarana maneran-tany ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina, ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Koa satria ny Sekolin’i Gileada nanomboka nampiofana misionera tamin’ny 1943, dia efa manompo any amin’ny tany mihoatra ny 200 ireo nahazo diplaoma tao. Tamin’ny 2 Martsa 1996 no nandray ny diplaomany ny kilasy faha-100.
Ireo mpianatra dia nianatra nandritra ny fe-potoana nilatsahan’ny oram-panala nahatratra maherin’ny roa metatra ny hateviny tao amin’ny faritra nisy ny Foibem-pampianarana An’ny Watchtower any Patterson, New York. Tsy nahagaga àry raha nilatsaka ny oram-panala tamin’ny andro nizarana ny diplaoman’izy ireo. Na dia izany aza, dia feno ny efitrano fivoriana, ary ny mpanatrika tsy omby tao, dia nihaino tany Patterson, Wallkill, sy tany Brooklyn — nisy olona 2 878 tamin’ny fitambarany.
I Theodore Jaracz, anisan’ny Komitin’ny Fampianarana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, no mpitari-draharaha. Taorian’ny fiarahabana mafana an’ireo olona nasaina tonga avy tany amin’ny tany maro, dia nasainy ny rehetra hitsangana mba hihira ny fihirana faha-52. Nanakoako nanerana an’ilay efitrano fivoriana ny fiderana an’i Jehovah, rehefa nohirain’izy ireo ilay hoe “Ny anaran-dRaintsika”, avy ao amin’ny boky Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah. Io hira io, niaraka tamin’ny fanamarihana nataon’ny mpitari-draharaha momba ny fampiasana ny fampianarana mba hiderana an’i Jehovah, dia nampiditra ho amin’ny fandaharana nanaraka.
Torohevitra araka ny Soratra Masina avy tamin’ireo lehilahy be taona kokoa
Ny tapany voalohany tamin’ny fandaharana dia voaforona lahateny fohy nataon’ny maromaro tamin’ny mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela, ho an’ilay kilasy hahazo diplaoma. I Richard Abrahamson, anisan’ny mpiasa ao amin’ny foibe, izay nanomboka ny fanompoany manontolo andro tamin’ny 1940, dia nampirisika mafy an’ilay kilasy hoe: “Aoka Ianareo Hanohy Hanaiky Hahitsy”. Nampahatsiahy azy ireo izy fa efa nandalo fe-potoam-panitsiana maro samihafa izy ireo teo amin’ny fiainany amin’ny maha-Kristiana azy, anisan’izany ireo dimy volana nianarany tao Gileada. Koa nahoana àry izy ireo no tokony hanohy hanaiky hahitsy?
Nohazavain’ilay mpandahateny fa ilay fitenenana nampiasain’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 13:11 (NW ) dia “milaza tsy mivantana fandrosoana miandalana, fanekena amin’ny fomba mitohy ny famolavolan’i Jehovah na ny fanatsarany olona iray, izany hoe fanitsiana kely atao mba hahatratrarany ireo fari-pitsipik’i Jehovah mitaky zavatra betsaka kokoa”. Any amin’ny toerana hanendrena azy ireo ivelan’ny taniny, ilay kilasy hahazo diplaoma dia hiatrika fihaikana vaovao ny finoany. Hila ny hianatra fiteny vaovao izy ireo, hanao fanitsiana mba hifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny toe-piainana hafa, ary hizatra amin’ny karazana faritany samy hafa. Hiatrika toetran’olona samy hafa koa izy ireo any amin’ny tranon’ny misionera sy any amin’ny kongregasiona vaovao, hisy azy ireo. Raha mampihatra amim-pitandremana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izy ireo amin’ireo tarehin-javatra rehetra ireo, ary vonona ny hanaiky hahitsy, amin’izay, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly, dia ho afaka “hanohy hifaly” koa izy ireo.
Nandray ny loha hevitra novoaboasany avy tao amin’ny 1 Korintiana 4:9, i John Barr, iray tamin’ireo mpikambana dimy ao amin’ny Fitambara-mpitantana, nandray anjara tamin’ilay fandaharana. Nampahatsiahy an’ireo mpihaino azy izy, fa ny Kristiana dia fizahan’ny anjely sy ny olona. “Ny fahafantarana izany”, hoy izy, “dia manampy be dia be ny maha-zava-dehibe ny lalana arahin’ny Kristiana eo amin’ny fiainana, indrindra indrindra rehefa takany fa amin’izay lazainy sy izay ataony izy dia afaka ny hanana hery mitaona miavaka eo amin’ireo izay mandinika, dia ireo hitan’ny maso sy ireo tsy hita koa. Mino aho fa zavatra tena tsara tokony hotadidinareo rehetra izany, ry rahalahy sy anabavy malala, anisan’ny kilasy faha-100 an’i Gileada, satria handeha any amin’ny faritra lavitra amin’ny tany ianareo.”
Ny Rahalahy Barr dia nampirisika mafy an’ireo mpianatra 48 mba hitadidy ao an-tsaina rehefa manampy ireo olona toy ny ondry hianatra ny fahamarinana izy ireo, fa ‘misy fifaliana eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka’. (Lioka 15:10). Rehefa nanisy firesahana ny amin’ny 1 Korintiana 11:10 izy, dia nasehony fa ny fihetsiky ny olona iray mahakasika ireo fandaharana teokratika dia misy vokany, tsy eo amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika izay hitan’ny masontsika ihany, fa eo amin’ireo anjely izay tsy hitan’ny masontsika koa. Mahasoa toy inona moa ny hihazonana ao an-tsaina an’io fomba fijery malalaka kokoa io!
Ny mpikambana hafa iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana, i Gerrit Lösch, izay efa nahazo diplaoma tao amin’ny Sekolin’i Gileada koa, dia nandinika andinin-teny toy ny Salamo 125:1, 2, sy ny Zakaria 2:8, 9 ary ny Salamo 71:21 (NW ) mba hampisehoana fa ‘manodidina ny olony’ i Jehovah. Manome azy ireo fiarovana eo amin’ny lafiny rehetra izy. Tsy hanome io fiarovana io afa-tsy mandritra ny fahoriana lehibe ve Andriamanitra? “Tsia”, hoy ny valin-tenin’ilay mpandahateny, “satria i Jehovah dia efa ‘manda afo’, fiarovana ho an’ny vahoakany. Ny taona 1919 nanaraka ny ady dia nahita ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy, naniry tamim-pahadodonana hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. Solontenan’i Jerosalema any an-danitra, ara-panoharana, izy ireo. I Jehovah dia manome antoka ny amin’ny fiarovan’Andriamanitra an’ireo solontena ireo, amin’ny maha-antokon’olona azy, mandritra ny fotoan’ny farany. Koa iza àry no afaka misakana azy ireo amim-pahombiazana? Tsy misy na iza na iza.” Manome toky azy ireo mbamin’izay rehetra miaraka akaiky aminy toy inona moa izany, eo am-panaovan’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra!
I Ulysses Glass, zokiny indrindra amin’ireo mpampianatra ao amin’ilay sekoly, dia nampirisika an’ilay kilasy ‘hampiorina tsara ny toerany ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah maneran-tany’. Ny hoe toerana dia tarehin-javatra, na asa mifanentana indrindra amin’ny fahaizana na ny toetran’ny olona iray. “Ianareo izay ho tonga misionera dia efa nahita ny toeranareo ao anatin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany”, hoy ny fanambarana nataony. “Kanefa, na dia sarobidy aza izy io ankehitriny, dia vao fanombohan’ny fiainanareo amin’ny maha-misionera fotsiny ihany.” Mila milofo izy ireo, mba hampiasa tsara ny fahaizany, sy mba hifanentana tsara amin’ny fanendrena manokana nomen’i Jehovah sy ny fandaminany azy.
Ny lahateny famaranana an’io tapany tamin’ilay fandaharana io dia nataon’i Wallace Liverance, anisan’ny mpampianatra ao amin’ny sekolin’i Gileada, ary efa nanompo nandritra ny 17 taona tany Bolivia. “Hitsapa toetra an’Andriamanitra ve ianareo?” hoy izy nanontany an’ilay fitambara-mpianatra. Ahoana no tokony hanaovan’izy ireo izany? Nitsapa toetra an’Andriamanitra tamin’ny fomba ratsy ny firenen’Isiraely. (Deoteronomia 6:16, NW ). “Miharihary fa ratsy ny mitsapa toetra an’Andriamanitra amin’ny fitarainana na ny fimonomononana na angamba amin’ny fampisehoana tsy fahampiam-pinoana ny amin’ny fomba fandaminany raharaha”, hoy ny nambaran’ilay mpandahateny. “Rehefa ho tonga any amin’ny toerana nanendrena vaovao ianareo, dia tohero io fironana io”, hoy izy nampirisika mafy. Inona àry no fomba tsara hitsapana toetra an’Andriamanitra? “Izany dia amin’ny finoana izay lazainy, amin’ny fanaovana izay lazainy indrindra, ary avy eo dia amin’ny fametrahana eo am-pelatanany izay ho fiafaran-javatra”, hoy ny fanazavan’ny Rahalahy Liverance. Araka ny hita ao amin’ny Malakia 3:10, dia manasa ny vahoakany toy izao i Jehovah: ‘Zahào toetra aho’. Nampanantena izy fa raha nitondra tamim-pahatokiana ny ampahafolon-karenany tao amin’ny trano firaketana tao amin’ny tempoly izy ireo, dia hitahy azy ireo izy. “Nahoana raha mihevitra ny fanendrena anareo ho misionera amin’ny fomba mitovy amin’izany?” hoy ny fanontaniana napetrak’ilay mpandahateny. “Maniry ny hahombiazanareo amin’izy io i Jehovah, koa tsapao toetra izy. Mifikira amin’ny fanendrena anareo. Ataovy ny fanitsiana iriny hataonareo. Miareta. Dia jereo raha tsy hitahy anareo izy.” Torohevitra tsara dia tsara toy inona moa izany ho an’izay rehetra manompo an’i Jehovah!
Taorian’ny hira iray dia niova ilay fandaharana ka nodimbasana fitohitohizana fanadinadinana nahafinaritra ireo lahateny.
Fanambarana azo ampiharina avy eny amin’ny saha
I Mark Noumair, mpampianatra vaovao ao amin’ny sekolin’i Gileada, dia nanasa ny mpianatra mba hitantara fanandraman-javatra hitany teny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, nandritra ny nianarany tao amin’io sekoly io. Izy ireny dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanehoana fahaiza-manombo-javatra eo amin’ny fanompoana, ary nanome ho an’ny mpanatrika hevitra mahasoa izay ho azony ampiasaina.
Nandritra ny fe-potoam-pianaran’izy ireo, ny mpianatra tao amin’io kilasin’i Gileada io, dia nandray soa manokana tamin’ny nahafahany nifanerasera tamin’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana avy tany amin’ny tany 42, izay tao amin’ny Foibem-pampianarana any Patterson koa, mba handray fiofanana manokana. Maro tamin’izy ireny no nahazo diplaoma tao Gileada, taona maro lasa izay. Tao anatin’ilay fandaharana, dia nisy fanadinadinana natao tamin’ireo solontena avy tamin’ny kilasy faha-3, faha-5, faha-51 sy faha-92, ary koa avy tamin’ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada, any Alemaina. Nahasoa toy inona moa ny fanazavana nomen’izy ireo!
Nolazainy ny fihetseham-pon’ny misionera rehefa nahita ny isan’ireo mpidera an’i Jehovah tany amin’ny toerana nanendrena azy nitombo, nanomboka tamin’olom-bitsy ka nanjary an’aliny maro. Nolazainy ny amin’ny anjara noraisiny teo amin’ny fitondrana ny vaovao tsara tany amin’ireo fonenana nifanalavitra be tany amin’ny Tendrombohitra Andes, sy tany amin’ireo vohitra misy ny loharanon’ny Ony Amazone. Noresahiny ny amin’ny fanaovana fanambarana tamin’ireo olona tsy nahay taratasy. Nolazainy ny amin’ny fiezahana mafy nataon’ny tenan’izy ireo mba hianarana fiteny vaovao, ary ny amin’izay azon’ireo nahazo diplaoma ampoizina araka ny fijerena ny zava-misy, raha ny amin’ny hoe rahoviana izy ireo no ho afaka hanao fanambarana sy hanao lahateny amin’ny fiteny toy ny an’ny Sinoa. Nanolotra santionany tamin’ny fomba fampiseho amin’ny fiteny espaniola sy sinoa mihitsy aza izy ireo. Nantitranteriny fa faran’izay mahita vokatra ireo misionera rehefa tsy vitan’ny hoe mianatra ilay fiteny fotsiny izy ireo, fa mianatra koa ny fomba fisainan’ny olona. Nolazainy ny amin’ny toe-piainana izay matetika sarotra any amin’ireo tany mahantra, ary izao no nambarany: “Tokony heken’ireo misionera fa misy ifandraisany amin’ny fanaovana tsindry hazo lena matetika io tarehin-javatra io. Hanao zavatra faran’izay tsara ny misionera iray raha mahatsapa toy izay tsapan’i Jesosy — onena ny vahoaka izay toy ny ondry tsy nisy mpiandry izy.”
Taorian’ny hira iray, dia nitohy ny fandaharana tamin’ny lahateny nataon’i A. D. Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Izy dia nanana tombontsoa ho iray tamin’ireo mpampianatra tany am-boalohany tao amin’ny Sekolin’i Gileada, rehefa nisokatra izy io tamin’ny 1943. Tamin’ny naha-famaranana nifanentana tsara tamin’ilay fandaharana, dia noresahiny ny amin’ilay foto-kevitra hoe “Fihobiana An’i Jehovah Amin’ny Maha-Tompo Manam-piandrianana Azy”. Ny firesahana ny Salamo faha-24 nahavariana nataon’ny Rahalahy Schroeder, dia nandentika tao an-tsain’izay rehetra nanatrika ny hoe tombontsoa lehibe indrindra toy inona moa ny mihoby an’i Jehovah amin’ny maha-Tompo Manam-piandrianana azy.
Taorian’ny fizarana diplaoma sy ny hira famaranana, dia nofaranan’i Karl Klein, anisan’ny Fitambara-mpitantana, tamin’ny vavaka avy amin’ny fo ny fotoana. Fandaharana azo ampiharina sady namelombelona ara-panahy re izany!
Tamin’ireo andro nanaraka an’ilay fizarana diplaoma, dia nanomboka nanainga hamonjy ireo toerana nanendrena azy ho misionera any amin’ny tany 17, ireo 48 anisan’ny kilasy faha-100. Tsy vao teo am-panombohana ny fanompoany anefa akory izy ireo. Efa nanana fanandraman-javatra maro be tamin’ny fanompoana kristiana manontolo andro izy ireo. Fony niditra tao Gileada izy ireo, teo amin’ny antsalany dia 33 taona, ary efa nanokana 12 taona tamin’ny fanompoana manontolo andro. Ny sasany taminy dia efa anisan’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany ao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Ny hafa efa nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany. Maromaro tamin’ireo mpianatra no efa nandray anjara tamin’ny endri-panompoana sasany tany ivelan’ny taniny — tany Afrika, Eoropa, Amerika Atsimo, tany amin’ireo nosin-dranomasina sy teo anivon’ireo antokon’olona miteny vahiny tao amin’ny tanin’izy ireo ihany. Ankehitriny anefa izy dia manatevin-daharana an’ireo misionera maro hafa izay ravoravo afaka miteny hoe: ‘Izahay dia hanompo na aiza na aiza eto an-tany hilana anay.’ Ny hampiasa ny fiainany mba hankalazana an’i Jehovah no faniriany avy amin’ny fo.
[Efajoro, pejy 27]
Antontan’isa Momba Ilay Kilasy:
Isan’ny tany nanana solontena: 8
Isan’ny tany nanendrena: 17
Isan’ny mpianatra: 48
Antsalan’ny taona: 33,75
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 17,31
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12,06
[Sary, pejy 26]
Ny Kilasy Faha-100 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Shirley, M.; Grundström, M.; Genardini, D.; Giaimo, J.; Shood, W.; Phair, P.; Buchanan, C.; Robinson, D. 2) Pine, C.; Kraus, B.; Racicot, T.; Hansen, A.; Beets, T.; Berg, J.; Garcia, N.; Fleming, K. 3) Whinery, L.; Whinery, L.; Harps, C.; Giaimo, C.; Berg, T.; Mann, C.; Berrios, V.; Pfeifer, C. 4) Randall, L.; Genardini, S.; Kraus, H.; Fleming, R.; D’Abadie, S.; Shirley, T.; Stevenson, G.; Buchanan, B. 5) Robinson, T.; Garcia, J.; Harps, P.; Racicot, D.; D’Abadie, F.; Phair, M.; Stevenson, G.; Shood, D. 6) Beets, L.; Pfeifer, A.; Berrios, M.; Pine, J.; Mann, L.; Randall, P.; Grundström, J.; Hansen, G.