FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/5 p. 10-15
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Sambatra izay mamaky amin’ny feo avo’
  • Miezaha mafy mba hieritreritra sy hisaintsaina
  • Ampifandraiso ireo hevitra vaovao sy ireo taloha
  • Alao sary an-tsaina ireo zava-nitranga araka ny Soratra Masina
  • Fianarana lesona sarobidy
  • Mandraisa soa avy amin’ny famakiana ny Baiboly amin’ny maha-fianakaviana
  • Ny famakian-teny sy ny fanompoana kristiana
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Famakiana Baiboly​—Andraisan-tsoa Sady Mahafinaritra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/5 p. 10-15

Milofosa Amin’ny Famakian-teny

“Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.” — 1 TIMOTY 4:13.

1. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny famakiana ny Baiboly?

I JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia nanome ho an’ny olombelona ny fahaizana mahatalanjona hianatra hamaky teny sy hanoratra. Nanome ny Teniny, ny Baiboly, koa izy mba hahazoana mampianatra tsara antsika. (Isaia 30:20, 21). Ara-panoharana, ireo pejiny dia mahatonga antsika ho afaka hiara-‘mandeha’ amin’ireo patriarika natahotra an’Andriamanitra toa an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. Afaka ‘mahita’ vehivavy tia an’Andriamanitra sahala amin’i Saraha sy i Rebeka ary i Rota, ilay vehivavy moabita tsy nivadika, isika. Eny, afaka ‘mandre’ an’i Jesosy Kristy manao ny Toriteniny teo An-tendrombohitra, isika. Izany fahafinaretana sy fampianarana lehibe rehetra avy ao amin’ny Soratra Masina izany dia mety hananantsika raha mpamaky teny tsara isika.

2. Inona no mampiseho fa nahay namaky teny tsara i Jesosy sy ireo apostoliny?

2 Tsy isalasalana fa tena nahay namaky teny tsara i Jesosy Kristy, lehilahy lavorary, ary azo antoka fa tena nahafantatra tsara ny Soratra Hebreo izy. Rehefa nalain’ny Devoly fanahy àry i Jesosy, dia imbetsaka izy no nanisy fitenenana ny amin’izy ireny ka nilaza hoe: “Voasoratra hoe”. (Matio 4:4, 7, 10). Tamin’ny toe-javatra iray, tao amin’ilay synagoga tao Nazareta, dia namaky ampahibemaso ampahany iray tamin’ny faminanian’i Isaia izy ka nampihatra azy io tamin’ny tenany. (Lioka 4:16-21). Ahoana ny amin’ireo apostolin’i Jesosy? Ao amin’ireo asa sorany, dia matetika izy ireo no nanonona ny Soratra Hebreo. Na dia nihevitra aza ireo mpanapaka jiosy fa tsy nahita fianarana sy olon-tsotra i Petera sy i Jaona noho izy ireo tsy nampianarina tany amin’ireo sekoly hebreo ho an’ny fianarana ambony, ny taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra nosoratan’izy ireo dia manaporofo mazava fa afaka namaky teny sy nanoratra tsara izy ireo. (Asan’ny Apostoly 4:13, NW ). Tena zava-dehibe tokoa ve anefa ny fahaizana mamaky teny?

‘Sambatra izay mamaky amin’ny feo avo’

3. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny amakiana ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana?

3 Afaka mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fandraisana sy ny fampiharana fahalalana araka ny marina ny Soratra Masina. (Jaona 17:3). Noho izany, dia takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa zava-dehibe iankinan’ny aina ny hamakiana sy hianarana ny Soratra Masina mbamin’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina voaforon’ireo Kristiana voahosotra. (Matio 24:45-47, NW ). Raha ny marina, tamin’ny fampiasana zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower izay nokendrena ho amin’izany, dia olona an’arivony maro no nampianarina namaky teny ka tamin’izany dia nahazo fahalalana ny Tenin’Andriamanitra manome fiainana.

4. a) Nahoana ny fahasambarana no vokatry ny famakiana sy ny fianarana ary ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra? b) Raha ny amin’ny famakian-teny, inona no nolazain’i Paoly tamin’i Timoty?

4 Fahasambarana no vokatry ny famakiana sy ny fianarana ary ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra. Izany no izy satria amin’izany fomba izany isika dia mampifaly sy manome voninahitra an’Andriamanitra, ka mahazo ny fitahiany ary mahita fifaliana. Irin’i Jehovah ho sambatra ny mpanompony. Noho izany, dia nandidy ireo mpisorona mba hamaky ny Lalàny tamin’ny vahoakan’ny Isiraely fahiny, izy. (Deoteronomia 31:9-12). Fony i Ezra mpanao kopia, sy ny hafa namaky ny Lalàna tamin’ny olona rehetra tafavory tao Jerosalema, dia nohazavaina tsara ny hevitr’izy io, ary ny vokany dia ‘fifaliana indrindra’. (Nehemia 8:6-8, 12). Tatỳ aoriana, i Paoly, apostoly kristiana dia niteny toy izao tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy: “Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.” (1 Timoty 4:13). Vakina toy izao ny fandikan-teny hafa iray: “Milofosa amin’ny famakiana ampahibemaso ny Soratra Masina”. — New International Version.

5. Ahoana no ampifandraisan’ny Apokalypsy 1:3 ny fahasambarana amin’ny famakian-teny?

5 Aharihary ao amin’ny Apokalypsy 1:3 fa ny fahasambarantsika dia miankina amin’ny famakiana sy ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra. Ilazana toy izao isika ao: “Sambatra izay mamaky [amin’ny feo avo, NW ] sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.” Eny, mila ny mamaky amin’ny feo avo sy mandre ireo teny ara-paminanian’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy sy manerana ny Soratra Masina manontolo isika. Ny olona tena sambatra marina dia ilay manao “ny lalàn’i Jehovah [ho] sitrany; eny, ny lalàny no [vakiny amin’ny feo iva, NW ] andro aman-alina”. Inona no vokatr’izany? “Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:1-3). Noho ny antony tsara àry no ampirisihan’ny fandaminan’i Jehovah mafy ny tsirairay amintsika mba hamaky sy hianatra ny Teniny manokana sy amin’ny maha-fianakaviana, ary miaraka amin’ireo namana.

Miezaha mafy mba hieritreritra sy hisaintsaina

6. Nomena toromarika mba hamaky inona i Josoa, ary tamin’ny ahoana izany no nahasoa?

6 Ahoana no ahafahanao mandray soa betsaka indrindra avy amin’ny famakianao ny Tenin’Andriamanitra sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana? Azo inoana fa ho hitanao fa mahasoa ny manao izay nataon’i Josoa, mpitarika iray natahotra an’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahiny. Nodidiana toy izao izy: “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa [tsy maintsy mamaky azy io amin’ny feo iva ianao, NW ] andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady [hanao zavatra amim-pahendrena, NW ].” (Josoa 1:8). Ny hoe ‘mamaky amin’ny feo iva’ dia midika hoe manonona ireo teny ho an’ny tenanao ihany, amin’ny feo moramora. Izany dia fanampiana hitadidy satria mampiraikitra mafy ilay foto-kevitra ao an-tsaina. Tsy maintsy namaky ny Lalàn’Andriamanitra “andro aman-alina” na tsy tapaka, i Josoa. Izany no fomba hahombiazana sy hanaovan-javatra amim-pahendrena eo am-panatanterahana ireo andraikitra nomen’Andriamanitra. Afaka manampy anao amin’ny fomba mitovy amin’izany ny famakiana tsy tapaka toy izany ny Tenin’Andriamanitra.

7. Nahoana no tsy tokony havelantsika hibahana ao an-tsaintsika ilay hevitra ny amin’ny hafainganana rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika?

7 Aza avela hibahana ao an-tsaina ilay hevitra momba ny hafainganana rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Raha nanao fandaharana mialoha mba handany fe-potoana iray hamakiana ny Baiboly na zavatra vita an-tsoratra kristiana sasany ianao, dia mety haniry ny tsy hirotoroto. Zava-dehibe indrindra izany rehefa mianatra ianao amin’ny fikendrena ny hitadidy hevi-dehibe. Ary rehefa mamaky ianao, dia miezaha mafy mba hieritreritra. Fakafakao ireo filazana nataon’ilay mpanoratra ny Baiboly. Manontania tena hoe: ‘Inona no kendreny? Inona no tokony hataoko amin’itỳ filazana itỳ?’

8. Nahoana no mahasoa ny misaintsaina rehefa mamaky ny Soratra Masina?

8 Makà fotoana mba hisaintsainana rehefa mamaky ny Soratra Masina. Izany dia hanampy anao hitadidy ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly sy hampihatra ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina. Ny fisaintsainana ny amin’ny Tenin’Andriamanitra ka mandraikitra amin’izany ireo hevitra ao an-tsainao, dia hahatonga anao koa ho afaka hiteny avy amin’ny fo, ka hanome valin-teny araka ny marina an’ireo mpanontany tso-po fa tsy hilaza zavatra izay mety hanenenanao any aoriana. Hoy ny ohabolana iray ara-tsindrimandry: “Ny fon’ny marina [misaintsaina, NW ] vao mamaly”. — Ohabolana 15:28.

Ampifandraiso ireo hevitra vaovao sy ireo taloha

9, 10. Amin’ny ahoana ny famakianao ny Baiboly no azo hatsaraina amin’ny fampifandraisana ireo hevitra vaovao araka ny Soratra Masina amin’ireo izay efa fantatrao?

9 Tsy maintsy miaiky ny ankamaroan’ny Kristiana fa tamin’ny fotoana iray, dia kely no fantatr’izy ireo momba an’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny fikasany. Amin’izao andro izao anefa, ireny mpanompo kristiana ireny, amin’ny fanombohana amin’ny famoronana sy ny fahalavoan’ny olombelona tao amin’ny ota, dia afaka manazava ny fikasana momba ny soron’i Kristy, afaka milaza ny amin’ny fandravana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, ary afaka mampiseho ny fomba hitahiana ny olombelona mankato amin’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany zary paradisa. Azo atao izany, indrindra indrindra satria ireny mpanompon’i Jehovah ireny dia nandray “ny fahalalana an’Andriamanitra” tamin’ny fianarana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. (Ohabolana 2:1-5). Tsikelikely izy ireo dia nampifandray ireo hevitra vaovao nianarana tamin’ireo taloha efa azo ny heviny.

10 Ny fampifandraisana hevitra vaovao araka ny Soratra Masina amin’ireo izay efa fantatrao dia mahasoa sy mahafa-po. (Isaia 48:17). Rehefa misy lalàna, na fotopoto-pitsipika, na hevitra somary teoria fotsiny mihitsy aza aseho ao amin’ny Baiboly, dia ampifandraiso amin’izay efa fantatrao ireo. Ampifandrindrao amin’izay efa nianaranao momba “ny rafitry ny teny mahasalama”, ilay filazana. (2 Timoty 1:13, NW ). Mitadiava filazana izay mety hanampy anao hanatanjaka ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, na hanatsara ny toetra maha-Kristiana anao, na hanampy anao hizara amin’ny hafa ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

11. Inona no azonao atao rehefa mamaky zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fitondran-tena? Manomeza ohatra.

11 Rehefa mamaky zavatra lazain’ny Baiboly momba ny fitondran-tena ianao, dia miezaha mamantatra ilay fotopoto-pitsipika tafiditra. Saintsaino ilay izy, ary manapaha hevitra ny amin’izay hataonao ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany. Tamin’ny fomba tsy niovaova, i Josefa zanakalahin’i Jakoba dia tsy nety nanao fahalotoam-pitondran-tena tamin’ny vadin’i Potifara, tamin’ny fanontaniana hoe: “Hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:7-9). Ao amin’io fitantarana mampihetsi-po io ianao dia mahita fotopoto-pitsipika fototra iray — fanotana amin’Andriamanitra ny fahalotoam-pitondran-tena. Azonao ampifandraisina ao an-tsaina io fotopoto-pitsipika io sy ireo filazana hafa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary afaka mandray soa avy amin’ny fitadidiana azy io ianao rehefa alaim-panahy hanao ratsy toy izany. — 1 Korintiana 6:9-11.

Alao sary an-tsaina ireo zava-nitranga araka ny Soratra Masina

12. Nahoana no maka sary an-tsaina ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly rehefa mamaky azy ireny?

12 Mba hampiraiketana mafy ireo hevitra ao an-tsainao eo am-pamakianao teny, dia alao sary an-tsaina izay mitranga. Aoka ianao hahita ao an-tsaina ilay tany, ireo trano, ny olona. Aoka ianao handre ny feon’izy ireo. Aoka ianao hanambolo ilay mofo ao an-dafaoro. Aoka ianao hiaina indray ireo fisehoan-javatra. Amin’izay ny vakiteninao dia ho zavatra iainana hampihetsi-po iray, satria mety hahita tanàna tranainy iray ianao, mety hianika tendrombohitra avo iray, mety hitolagaga amin’ireo zava-mahatalanjona momba ny famoronana, na mety hiaraka amin-dehilahy sy vehivavy nanam-pinoana lehibe.

13. Ahoana no ilazalazanao izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Mpitsara 7:19-22?

13 Aoka hatao hoe eo am-pamakiana ny Mpitsara 7:19-22 ianao. Alao sary an-tsaina izay mitranga. Efa naka ny toerany teo amin’ny sisin’ny toby midianita i Gideona Mpitsara sy ireo Isiraelita mahery fo telonjato lahy. Tokony ho amin’ny folo alina izao, ny fiandohan’ny “fiambenana faharoa”. Vao napetraka ireo mpiambina midianita, ary ny haizina dia mandrakotra ilay toby misy ireo fahavalon’ny Isiraely sondrian-tory. Jereo! Mitondra anjomara i Gideona sy ireo lehilahiny. Manana sinin-drano lehibe izay manarona ireo fanilo eny an-tanany ankavia, izy ireo. Tampoka teo, ireo andiany telo misy zato lahy avy dia samy mitsoka anjomara, mamaky ireo siny, manainga ambony ireo fanilo, ary miantsoantso hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy i Gideona!” Mijery an’ilay toby ianao. Rifatra mandositra ireo Midianita ary manomboka miantsoantso! Raha mbola manohy mitsoka ny anjomarany ireo telonjato lahy, dia ampifamelezin’Andriamanitra amin’ny sabatra ireo samy Midianita. Mandositra i Midiana, ary omen’i Jehovah fandresena ny Isiraelita.

Fianarana lesona sarobidy

14. Ahoana no azo ampiasana ny Mpitsara toko faha-9 mba hampianarana ny ankizy iray ny ilana hanetry tena?

14 Afaka mianatra lesona maro isika amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Ohatra, angamba ianao maniry ny hampiraikitra mafy ao an-tsain’ireo zanakao ny ilana ny hanetry tena. Tokony ho mora ny maka sary an-tsaina sy mahazo ny hevitr’izay voalaza ao amin’ny faminanian’i Jotama zanak’i Gideona. Manomboha mamaky eo amin’ny Mpitsara 9:8. Hoy i Jotama: “Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy”. Samy tsy nety nanapaka ny oliva sy ny aviavy ary ny voaloboka. Ilay tsilo ambany karazana anefa dia faly ny ho tonga mpanapaka. Rehefa avy mamaky ilay fitantarana amin’ny feo avo amin’ireo zanakao ianao, dia mety hanazava fa ireo hazo sarobidy dia nampiseho ireo olona mendrika kanefa tsy nitady ilay toeran’ny mpanjaka teo amin’ireo Isiraelita namany. Ilay tsilo izay tsy nilaina afa-tsy mba hatao kitay dia nampiseho ny naha-mpanjaka an’i Abimeleka nieboebo, izay mpamono olona naniry hanapaka ny hafa kanefa dia nahita fahafatesana ho fahatanterahan’ilay faminanian’i Jotama. (Mpitsara, toko faha-9). Ankizy iza no haniry hihalehibe ka ho tonga toy ny tsilo iray?

15. Ahoana no anasongadinana ny maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana ao amin’ny bokin’i Rota?

15 Ny maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana dia miharihary ao amin’ny bokin’i Rota ao amin’ny Baiboly. Aoka hatao hoe mifandimby ireo mpianakavinao eo amin’ny famakiana io fitantarana io amin’ny feo avo ary miezaka ny handray tsara izay lazainy. Mahita an’i Rota vehivavy moabita eo am-panaovana dia lavitra mankany Betlehema miaraka amin’i Naomy, rafozambaviny mpitondratena ianao, ary dia renao i Rota milaza hoe: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”. (Rota 1:16). Hita mitsimpona avy ao aorian’ireo mpijinja eo amin’ny sahan’i Boaza, i Rota mazoto miasa. Renao i Boaza manao teny fiderana azy hoe: “Fantatr’izay rehetra ao an-tanànan’ny fireneko fa vehivavy tsara hianao.” (Rota 3:11). Tsy ela dia nanambady an’i Rota i Boaza. Mifanaraka amin’ilay fandaharana ny amin’ny fitondrana loloha, dia niteraka zanakalahy “ho an’i Naomy” tamin’ny alalan’i Boaza, izy. Tonga razamben’i Davida i Rota, ary tamin’ny farany dia tonga razamben’i Jesosy Kristy. Tamin’izany no nandraisany “valim-pitia lehibe”. Ambonin’izany, ireo izay mamaky ilay fitantarana araka ny Soratra Masina dia mianatra lesona sarobidy iray: Aza mivadika amin’i Jehovah, dia hahazo fitahiana manana amby ampy ianao. — Rota 2:12; 4:17-22; Ohabolana 10:22; Matio 1:1, 5, 6.

16. Fitsapana inona no nandalovan’ireo Hebreo telo lahy, ary ahoana no anampian’io fitantarana io antsika?

16 Ny fitantarana momba ireo Hebreo nantsoina hoe Sadraka sy Mesaka ary Abednego dia afaka manampy antsika hahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny tarehin-javatra misedra. Alao sary an-tsaina ilay zava-nitranga arakaraka ny amakiana amin’ny feo avo ny toko faha-3 amin’ny Daniela. Manerinerina eo amin’ny lemak’i Dora misy mpiasam-panjakana babyloniana efa vory lanona, ny sariolona volamena goavana iray. Rehefa mandre feon-javamaneno izy ireo dia miankohoka sy manolotra fanompoam-pivavahana amin’ilay sary izay natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka. Izany hoe ny rehetra, afa-tsy i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego. Amim-panajana nefa amin’ny fomba hentitra, dia milaza amin’ny mpanjaka izy ireo fa tsy hanompo ny andriamaniny ary tsy hanolotra fanompoam-pivavahana amin’ilay sariolona volamena. Atsipy ao anatin’ny lafaoro nohafanaina tafahoatra ireo Hebreo tanora ireo. Inona anefa no mitranga? Raha mijery ny ao anatin’ilay lafaoro ny mpanjaka dia mahita efa-dahy salama vatana, ny iray amin’izy ireo dia “toa zanak’ireo andriamanitra”. (Daniela 3:25). Avoaka avy ao amin’ilay lafaoro ireo Hebreo telo lahy, ary dia manome voninahitra ny Andriamanitr’izy ireo, i Nebokadnezara. Nahafa-po ny fakana sary an-tsaina ilay fitantarana. Ary fianarana toy inona moa no omen’izany momba ny fahatokiana eo anatrehan’i Jehovah ao anatin’ny fitsapana!

Mandraisa soa avy amin’ny famakiana ny Baiboly amin’ny maha-fianakaviana

17. Amin’ny teny fohy, dia tonony ny sasany amin’ireo zavatra mahasoa azon’ny fianakavianao ianarana amin’ny fiaraha-mamaky ny Baiboly.

17 Afaka mandray soa maro ny fianakavianao raha mandany fotoana tsy tapaka amin’ny fiaraha-mamaky ny Baiboly ianareo. Manomboka amin’ny Genesisy, dia afaka manatri-maso ny famoronana ianareo ka hitsirika ao amin’ilay Paradisa fonenan’ny olona tany am-boalohany. Afaka mandray anjara amin’ireo zavatra niainan’ireo patriarika nahatoky sy ny fianakaviany ianareo ary afaka manaraka ireo Isiraelita eo am-piampitany ny Ranomasina Mena nandia tany maina. Afaka mahita an’i Davida, mpiandry ondry tanora nandresy an’i Goliata, Filistina goavana, ianareo. Ny fianakavianao dia afaka manamarika ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema, afaka mahita ny fandravan’ny Babyloniana nanao andiany azy, ary afaka mijery ny fanorenana azy indray teo ambanin’ny fanapahan’i Zerobabela Governora. Miaraka amin’ireo mpiandry ondry mahantra tany akaikin’i Betlehema, dia afaka mandre ilay fanambarana nataon’ny anjely momba ny fahaterahan’i Jesosy ianareo. Afaka mahazo tsipirian-javatra momba ny batisany sy ny fanompoany ianareo, afaka mahita azy mahafoy ny ain’olombelona ananany ho avotra, ary afaka miara-paly noho ny fitsanganany amin’ny maty. Manaraka izany, dia afaka manao dia lavitra miaraka amin’ny apostoly Paoly ianareo ka mandinika ny fiorenan’ireo kongregasiona arakaraka ny nielezan’ny Kristianisma. Avy eo, ao amin’ny Apokalypsy ny fianakavianao dia afaka mankafy ilay fahitana lehibe momba ny hoavy azon’ny apostoly Jaona, dia fahitana mahafaoka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.

18, 19. Fanoloran-kevitra inona avy no omena momba ny famakiana ny Baiboly ataon’ny fianakaviana?

18 Raha mamaky amin’ny feo avo ny Baiboly amin’ny maha-fianakaviana ianareo, dia aoka ianareo hamaky mazava tsara sy amin-kafanam-po azy io. Rehefa mamaky ampahany sasany amin’ny Soratra Masina, dia afaka mamaky ilay fitantarana amin’ny ankapobeny ny mpianakavy iray — angamba ny raim-pianakaviana. Ny hafa aminareo dia afaka mandray ny anjara toeran’ireo olona ao amin’ny Baiboly, ka mamaky ny anjarany amin’ny fihetseham-po mifanentana.

19 Mety hihatsara ny fahaizanao mamaky teny arakaraka ny andraisanao anjara amin’ny famakiana ny Baiboly amin’ny maha-fianakaviana. Azo inoana fa hitombo ny fahalalanao an’Andriamanitra, ary izany dia tokony hampanatona anao akaiky kokoa azy. Nihira toy izao i Asafa: “Izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.” (Salamo 73:28). Izany dia hanampy ny fianakavianao ho tonga sahala amin’i Mosesy izay “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita”, dia i Jehovah Andriamanitra. — Hebreo 11:27.

Ny famakian-teny sy ny fanompoana kristiana

20, 21. Amin’ny ahoana ny fanirahana antsika hitory no mifandray amin’ny fahaizana mamaky teny?

20 Ny faniriantsika hanolotra fanompoam-pivavahana ho ‘an’Ilay tsy hita’ dia tokony hanosika antsika hiezaka ho tonga mpamaky teny tsara. Ny fahaizana mamaky teny tsara dia manampy antsika hanao fanambarana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azo antoka fa izany dia hanampy antsika hanohy ny asa fitoriana ilay Fanjakana izay nanirahan’i Jesosy ireo mpanara-dia azy fony izy niteny hoe: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8). Ny fanaovana fanambarana no asa lehibe indrindra ho an’ny vahoakan’i Jehovah, ary manampy antsika hanatanteraka izany ny fahaiza-mamaky teny.

21 Takina ny ezaka mba hahatongavana ho mpamaky teny tsara sy ho mpampianatra mahay ny Tenin’Andriamanitra. (Efesiana 6:17). Koa ‘ataovy izay farany azonao atao mba hampisehoana ny tenanao ho ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, mampiasa tsara ny tenin’ny fahamarinana’. (2 Timoty 2:15, NW ). Ampitomboy ny fahalalanao ny fahamarinana ao amin’ny Soratra masina sy ny fahaizanao amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah anao, amin’ny filofosanao amin’ny famakian-teny.

Ahoana no Valin-teninao?

◻ Amin’ny ahoana ny fahasambarana no miankina amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra?

◻ Nahoana no misaintsaina ny amin’izay vakinao ao amin’ny Baiboly?

◻ Nahoana no mampiasa fampifandraisan-javatra sy fakana sary an-tsaina rehefa mamaky ny Soratra Masina?

◻ Inona avy no lesona sasany tokony hianarana avy amin’ny famakiana ny Baiboly?

◻ Nahoana no mamaky ny Baiboly amin’ny feo avo amin’ny maha-fianakaviana, ary inona no ifandraisan’ny famakian-teny sy ny fanompoana kristiana?

[Sary, pejy 13]

Rehefa mamaky ny Baiboly amin’ny maha-fianakaviana, dia alao sary an-tsaina ireo fitantarana ary saintsaino ny hevitr’izy ireny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara