Fanitarana Noho ny Fitahian’i Jehovah
NY FANDAHARAM-PITOKANANA iray tamin’ny takarivan’ny 18 Septambra 1995 dia nanantitrantitra fa i Jehovah Andriamanitra dia tena nitahy marina ny fanitaran’ny Vavolombelony ny toerana misy ny foiben’izy ireo maneran-tany ao Brooklyn, any New York.
Olona maherin’ny 6 000 no nihaino ilay fandaharam-pitokanana. Izy ireo dia nivory tao Brooklyn, izay niavian’ilay fandaharana, ary koa tany an-toeran-kafa, anisan’izany ireo trano lehiben’ny Vavolombelon’i Jehovah akaikin’i Patterson sy Wallkill, any New York, ary tany amin’ny sampan’izy ireo tany akaikin’i Toronto, any Kanada. Ireo izay tany an-toeran-kafa ankoatra an’i Brooklyn dia nandre ny zava-nitranga tamin’ny alalan’ny fampitohizana an-telefaonina.
Fandaharana mampahery iray
Ireo Betelita, araka ny iantsoana ireo mpiasa an-tsitrapo, nihaino ny fandaharana, dia nahaforona ampahany lehibe tamin’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany, izay misy mpikambana maherin’ny 16 400. Manompo any amin’ny tany tokony ho zato izy ireny, ka any izy ireo dia manonta pirinty zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly sy manao asa mahasoa mampandeha ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 78 600 maneran-tany.
Tsindrian-daona ny olona rehefa nanomboka tamin’ny hira ny fandaharam-pitokanana tamin’ny 6.30 hariva, narahin’ny vavaka nataon’i Karl Klein. Ny mpitari-draharaha tamin’ny fandaharana, i Lloyd Barry, dia niarahaba tonga soa tamin-kafanam-po ny rehetra tamin’ny fanomezana fanazavana fohy ny amin’ny naha-zava-dehibe ilay fotoana. Namintina ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tokony hatao tamin’iny herinandro iny i Albert Schroeder, ary avy eo i Daniel Sydlik dia niresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe “Ny Fanompoantsika Masina eto Amin’ny Betela”. Ireo mpandaha-teny voalohany teo amin’ny fandaharana ireo dia anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah avokoa.
Ny anjara roa nanaraka tamin’ny fandaharana — “Fanomezana Ireo Trano Miitatra Ilaintsika, Nanomboka Tamin’ny 1974 ka Hatramin’ny 1995” sy hoe “Ireo Zavatra Nisongadina Tamin’ny Fanavaozana sy ny Fanorenana ny Betela Teto Brooklyn” — dia nampivohitra ireo zava-niseho lehibe ny amin’ny nanorenana sy ny nahazoana ireo trano notokanana. Ireo fanamarihana dia nampifantoka ny saina ho amin’ilay trano fonenana vita vao haingana, izay ipetrahan’ireo Betelita tokony ho arivo ankehitriny. Eo amin’ny 90 Sands Street no misy io trano fonenana misy 115 metatra io ny haavony, manakaiky ny fitambaran-trano misy ny orinasa fanontam-pirinty.
Ilay fandaharana dia nanasongadina ny lahateny fitokanana nataon’i Milton Henschel, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Nanantitrantitra ireo ohatra araka ny Baiboly ny amin’ny fitokanana trano natao hampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah, izy. Taorian’ny hira iray dia nofaranan’i Carey Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantana koa, tamin’ny vavaka, ny zava-nitranga. Inona avy anefa no sasany tamin’ireo zavatra nisongadina tamin’ilay fandaharana?
Ireo trano notokanana
Ny mpiandraikitra ny Trano Betela, i George Couch, dia nanazava fa trano fonenana 17 no nanampy hatramin’ny nitokanana ny trano fonenan’ny Betela farany tao Brooklyn tamin’ny 2 May 1969.a Trano fonenana vao naorina na trano izay novidina ka nohavaozina izy ireo. Ny fitokanana raha ny tena izy dia ny an’ireo trano fonenana 17 ireo sy ny an’ny trano kely roa — novidina tany amin’ireo taona 1940, nefa novana ho trano fonenana ho an’ny Betela — ary koa ny an’ny trano misy ny orinasa sy ny birao, izay naorina na novidina hatramin’ny nitokanana ireo fitambaran-trano misy ny birao foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 15 Martsa 1982.b
Ny lehibe indrindra tamin’ireo trano notokanana dia ilay teo amin’ny 360 Furman Street. Tamin’ny 1928 izy io no naorina tany am-boalohany, dia novidin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 15 Martsa 1983 ary nohavaozina tanteraka. Manana velarana azo ampiasaina 93 000 metatra tora-droa, na efa ho sivy hektara, izy io. Anisan’ireo trano hafa notokanana dia tao ny orinasa eo amin’ny 175 Pearl Street sy ireo garazy lehibe naorina tao anatin’izao taona faramparany izao.
Ny antony ilana trano fanampiny
Tamin’ny 1969, rehefa notokanana ny trano fonenana farany tamin’ny Betelan’i Brooklyn, dia nisy tampon’isa tamin’ny Vavolombelona 1 336 112 nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra naneran-tany. Tamin’ny 1995 anefa, dia nisy 5 199 895 nanao izany, izany hoe mihoatra ny avo telo sy tapany heny! Araka izany, mba hahafahana haharaka ny fangatahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mitombo hatrany, ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn dia nitombo teo amin’ny mpikambana ara-dalàna 1 042 tamin’ny 1969 ka hatramin’ny 3 360 mahery, izay mipetraka ao amin’ny trano fonenana 22 ankehitriny!
Niresaka ny fomba nanomezana ny trano fanampiny nilaina nanomboka tamin’ny 1974 ka hatramin’ny 1995, i George Couch. Tany am-piandohan’ireo taona 1970, dia rihana maromaro tamin’ny Towers Hotel teo akaiky teo no nohofan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hipetrahan’ny fianakavian’ny Betela nihanitombo. Tamin’ny Desambra 1973, dia sady nanoratra tamin’ny Biraon’ny Betela no nanoratra tamin’ireo mpitantana tao amin’ny Towers Hotel i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, nilaza fa nikasa ‘hiala tao amin’ny Towers Hotel ny 1 Oktobra 1974’ ny Fikambanana.
Nilaza ny Rahalahy Couch fa taitra izy satria tsy nisy toerana na taiza na taiza mba hampiantranoana ny Betelita nipetraka tao amin’ny Towers. Taitra koa ireo mpitantana tao amin’ny Towers, satria niantehitra tamin’ny vola hofan-tranon’ny Fikambanana izy ireo mba hahafahany handoa ny volan’olona. Ny vokany, dia nampirisika mafy ny Vavolombelon’i Jehovah hividy ilay hotely ireo mpitantana tao amin’ny Towers. “Efa nitombo ianareo hatramin’izay naha-mpifanolo-bodirindrina antsika izay”, hoy izy ireo, “sady ilainareo ny trano.”
“Be dia be ny mpanofa hafa ao”, hoy ny valin-tenin’ny solontenan’ny Fikambanana. “Raha hividy azy io izahay, dia ny olona ao aminay no ho tianay hapetraka ao.”
“Hitadiavanay trano hafa izy ireo”, hoy ny nampanantenain’ireo mpitantana tao amin’ny Towers. Fotoana fohy taorian’izay dia nividy ny tranon’ny Towers tamin’ny vidiny nahafa-po ny Vavolombelon’i Jehovah. “Nahoana ny Rahalahy Knorr no nanoratra io taratasy io?” hoy ny fanontanian’i Couch tamin’ny mpihaino azy variana dia variana. “Angamba ny tenany koa tsy nahafantatra, nefa izany no zava-niseho izay nivarotana ny Towers Hotel tamin’ny Fikambanana Watch Tower.”
Ilay mpandaha-teny koa dia nilazalaza ny fomba nividianan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 97 Columbia Heights, dia ilay toerana nisy ny Margaret Hotel nalaza teo aloha, teo ampitan’ny arabe nisy ilay Trano Betela tany am-boalohany mihitsy. Tsara indrindra ilay toerana satria izy io azo nampitohizina mora foana tamin’ny fitambaran-tranon’ny Betela tamin’ny alalan’ny tionelina ambanin’ny arabe. Tamin’ny Febroary 1980, rehefa nandeha ny fanamboarana indray an’ilay trano, dia nirehitra izy io. Avy eo, noho ilay tompony nahita fahasahiranana tamin’ny fanorenana trano vaovao iray teo amin’ilay toerana, dia namidiny tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay toerana.
Hoy ny Rahalahy Couch nanamarika: “Saika samy nanana tantara nahaliana ny tsirairay tamin’ireo trano ireo, ka nilaza zavatra iray izany — fa i Jehovah Andriamanitra no ilay nitarika ny fandaminana hita maso mba hahazoana izany trano manokana izany.”
Ny tantaran’ny 90 Sands
Ny trano fonenana vaovao indrindra sy ny lehibe indrindra dia ilay eo amin’ny 90 Sands Street. Rehefa novidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay toerana tamin’ny Desambra 1986, dia nisy orinasa lehibe iray teo amin’ny 160 Jay Street.c Narodana ilay orinasa, ary tamin’ny 30 Aogositra 1990, dia nilazana ny fianakavian’ny Betela fa navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fahazoan-dalana hanangana trano fonenana nisy rihana 29 teo amin’ilay toerana.
Tao amin’ny fanadinadinana iray notarihin’i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana, i Max Larson, mpiandraikitra ny orinasan’ny Fikambanana any Brooklyn dia nilazalaza ny fomba nanomezana ny fahazoan-dalana ho an’ny fanorenana ny trano fonenana teo amin’ny 90 Sands Street. Tena zava-dehibe izay nitranga tamin’ny 1965, hoy ny Rahalahy Larson nanazava.
Tamin’izany ny Fikambanana dia naniry hanorina orinasa iray nisy rihana sivy teo amin’ny tany voafaritry ny lalàna iray teo akaikin’ireo orinasany hafa, nefa ny zaram-paritry ny tanàna amin’io toerana io dia tsy namela ny hanorenana afa-tsy trano nisy rihana iray monja. Nanaiky hanomana ireo drafitsary ho an’ilay orinasa vao nokasaina haorina ny mpanao mari-trano iray, nefa hoy izy: “Tsy hitady fahasahiranana aho ka hampiseho izany amin’ilay vaomiera.” Ninoany mafy fa tsy hanova mihitsy ny didim-pitondrana momba ny zaram-paritry ny tanàna ho an’ilay tany voafaritry ny lalàna ny Vaomieran’ny Fari-pitsipika sy Fangatahan-dalana. Rehefa nankatoavina ireo drafitsary, dia hoy izy nihiaka: “Fa ahoana izao?”
Ny antony, hoy i Larson nanohy, dia hoe rehefa natao ho sokajy hafa izany zaram-paritry ny tanàna ho an’ny orinasantsika nisy rihana sivy izany, dia natao ho sokajy hafa koa ireo toerana voafaritry ny lalàna teo akaiky, anisan’izany ilay nisy ny teo amin’ny 160 Jay Street. Ary, nahazendana fa ny sokajy natao ho an’ilay zaram-paritry ny tanàna dia namela hanorenana hotely. Zavatra izay tsy mba nisy nanamarika anefa izany, hoy i Larson — raha tsy 25 taona teo ho eo tatỳ aoriana fara faharatsiny, taorian’ny nanombohantsika nitady toerana hanorenana trano Betela vaovao iray. Tamin’izay vao hita indray ilay didim-pitondrana momba ny zaram-paritry ny tanàna!
Nanazava izay nitranga ny Rahalahy Larson: “Rehefa nanomana ireo drafitsarin’ny trano fonenana nisy rihana 29 izahay ary nitondra izany tany amin’ny sampan-draharaha monisipaly mamoaka ny fahazoan-dalana hanorina, dia nilazana izahay hoe: ‘Tsy afaka manorina trano fonenana eo ianareo. Io rehetra io dia zaram-paritra ho an’ny ozinina fanaovana taozavatra ary ny Vaomiera dia tsy hanova ny zaram-paritry ny tanàna ho anareo.’
“ ‘Tsy voatery hanova izany izy ireo’, hoy izahay tamin’ny manam-pahefana. ‘Efa natao zaram-paritra ho an’ny hotely izany.’ Rehefa nitady tao amin’ny tahirin-taratasy izy ireo, dia saika tsy nino! Tamin’izany fomba izany no nahazoantsika ny trano nisy rihana 29”, hoy i Larson namarana ny teniny.
Miharihary ny fitahian’i Jehovah
Nanoratra toy izao ny mpanao Salamo iray ao amin’ny Baiboly: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Mazava fa teo amin’ny asa fanorenan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitahian’i Jehovah, mba hanamorana ny asa fitoriana sy fampianarana maneran-tany izay nandidian’i Jesosy mba hataon’ny mpanara-dia azy. — Matio 24:14; 28:19, 20.
Ireo izay nanana tombontsoa nandre ilay fandaharana tamin’ny 18 Septambra 1995 dia nientam-po tamin’ny porofon’izany fitahiana teo amin’ny fanitarana tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny mpanompon’i Jehovah izany. Afaka matoky ny amin’ny fitahiany mitohy ny vahoakan’i Jehovah rehefa tsy mitsahatra manao izay andidiany izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Aprily 1970, pejy 251-255.
b Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 Desambra 1982, pejy 23-31.
c Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Desambra 1987, pejy 16-18.
[Sary, pejy 23]
90 Sands St. • 1995
[Sary, pejy 24, 25]
Ny sasany amin’ireo trano fonenana fanampiny notokanana
97 Columbia Hts. • 1986
Bossert Hotel, 98 Montague St. • 1983
34 Orange St. • 1945
Standish Hotel, 169 Columbia Hts. • 1981
67 Livingston St. • 1989
108 Joralemon St. • 1988
Towers Hotel, 79-99 Willow St. • 1975
[Sary, pejy 26]
175 Pearl St. • 1983
69 Adams St. • 1991
360 Furman St. • 1983