Ny Antony Hahatonga ny Fivavahana eo amin’izao tontolo Izao hifarana
“Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” — APOKALYPSY 18:4.
1. a) Tamin’ny fomba ahoana no nianjeran’i Babylona Lehibe? b) Nanao ahoana ny fiantraikan’izany teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
“NIANJERA i Babylona Lehibe”! Eny, amin’ny fomba fijerin’i Jehovah, dia nianjera ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Marina izany hatramin’ny 1919, rehefa nivoaka avy teo ambanin’ny fitaoman’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, tapany lehibe indrindra amin’ilay Babylona mifono zava-miafina, ireo sisa amin’ny rahalahin’i Kristy. Ho vokatr’izany, izy ireo dia nanjary afaka niampanga ampahibemaso ny fivavahan-diso sy nanambara ny fanapahana marin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakana Mesianika. Nandritra itỳ taonjato itỳ manontolo, ireo Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika dia nanala sarona ilay fitambaram-pivavahana samy hafa izay ataon’i Satana saribakoly ka ampiasainy araka izay tiany mba hamitahana “izao tontolo izao”. — Apokalypsy 12:9; 14:8; 18:2, NW.
Ahoana no nianjeran’i Babylona Lehibe?
2. Manao ahoana ny toe-javatra misy ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
2 Kanefa, mety hisy hanontany hoe: ‘Ahoana no ahafahanareo milaza fa nianjera i Babylona, nefa ny fivavahana toa miroborobo any amin’ny tany maro aoka izany?’ Samy mihambo ho manana mpino maherin’ny arivo tapitrisa avy ny Fivavahana Katolika sy ny Fivavahana Miozilimanina. Mbola miroborobo ihany ny Fivavahana Protestanta any Amerika Avaratra sy Atsimo, izay ahitana fiangonana sy toeram-pivavahana vaovao maniry ohatra ny ahitra tsy an-kijanona. Olona an-jato tapitrisany maro no manaraka ireo fombafomba ao amin’ny Bodisma sy ny Hindoisma. Hatraiza anefa ny fivavahana rehetra toy izany no mampihatra fitaomana tsara eo amin’ny fitondran-tenan’ireny olona an’arivo tapitrisany maro ireny? Nahasakana ny Katolika sy ny Protestanta any Irlanda Avaratra tsy hifamono ve izy io? Nitondra tena fandriampahalemana ho an’ny Jiosy sy ny Miozilimanina any Moyen-Orient ve izy io? Nitarika ny Hindoa sy ny Miozilimanina any India ho amin’ny fifandrindrana ve izy io? Ary vao haingana kokoa, moa ve izy io nisakana ireo Ortodoksa serba sy ireo Katolika kroaty ary ireo Miozilimanina bosniaka tsy hirotsaka amin’ny “fanadiovana ara-pirazanana”, amin’ny fandrobana sy ny fisavihana ary ny fifandripahana? Matetika ny fivavahana dia anarana napetaka fotsiny, vernia manify izay miendaka raha vao voatsindry kely fotsiny. — Galatiana 5:19-21; ampitahao amin’ny Jakoba 2:10, 11.
3. Nahoana no mandalo fitsarana eo anatrehan’i Jehovah ny fivavahana?
3 Amin’ny fomba fijerin’i Jehovah, ny fanohanan’ny besinimaro ny fivavahana dia tsy manova ilay zava-misy iray tsy azo andosirana hoe — mandalo fitsarana eo anatrehan’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Mendrika ny homelohina i Babylona Lehibe, araka ny porofoin’ny tantarany, satria “ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony”. (Apokalypsy 18:5). Nanoratra toy izao i Hosea, tamin’ny fiteny ara-paminaniana: “Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany”. Ireo fivavahan-dison’i Satana rehetra maneran-tany dia hahazo ny sazy mafy indrindra, noho izy ireo namadika an’Andriamanitra sy ny fitiavany sy ny anarany ary ny Zanany. — Hosea 8:7; Galatiana 6:7; 1 Jaona 2:22, 23.
Tsy maintsy misafidy ianao
4, 5. a) Toe-javatra manao ahoana no iainantsika amin’izao andro izao? b) Fanontaniana inona avy no tsy maintsy valiantsika?
4 Miaina amin’ny tapany farany amin’ny “andro farany” isika, ary amin’ny maha-Kristiana marina antsika, dia miady mafy isika mba ho tafita velona amin’ireo ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ ireo. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Ireo Kristiana marina dia mpivahiny eto amin’ny tontolon’i Satana izay tena manome tokoa taratry ny toetra maha-izy azy simba ara-pitondran-tena, dia ny maha-mpamono olona sy mpandainga ary mpanendrikendrika azy. (Jaona 8:44; 1 Petera 2:11, 12; Apokalypsy 12:10). Isika dia voahodidin’ny herisetra, ny fitaka, ny fisolokiana, sy ny fandraisana kolikoly ary ny faharatsiam-pitondran-tena mibaribary. Tsy noraharahaina ireo fotopoto-pitsipika. Ny fitadiavana fahafinaretana sy tombontsoa ho an’ny tena no teny mahalaza tsara ilay tarehin-javatra. Ary amin’ny toe-javatra maro, ny klerjy dia manala tsiny ny fahasimbana ara-pitondran-tena, amin’ny fanalefahana ilay fanamelohan’ny Baiboly mazava tsara ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, sy ny fijangajangana ary ny fanitsakitsaham-bady. Koa ilay fanontaniana àry dia hoe: Moa ve ianao manohana sy manala tsiny ny fanompoam-pivavahana diso, sa ianao mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fanompoam-pivavahana marina? — Levitikosy 18:22; 20:13; Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 6:9-11.
5 Izao no fotoana fanasarahana. Noho izany, dia mbola bebe kokoa ny antony hahaizana manavaka ny fanompoam-pivavahana diso amin’ ny marina. Inona koa no nataon’ireo fivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ka mahatonga azy ireo ho meloka? — Malakia 3:18; Jaona 4:23, 24.
Fivavahan-diso voampanga
6. Ahoana no namadihan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny Fanjakan’Andriamanitra?
6 Olona an-tapitrisany maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no mampiasa tsy tapaka ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, izay ivavahany mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia izany aza, dia nazoto nanohana ireo endrika rehetra nisehoan’ny fahefana ara-politika izy ireo, afa-tsy io fanapahana teokratika io ihany. Taonjato maro lasa izay, ireo “andriana” tao amin’ny Eglizy Katolika, toa an’ireo Kardinaly Richelieu sy Mazarin ary Wolsey, dia niasa koa tamin’ny naha-mpitondra fanjakana tsy ara-pivavahana azy, tamin’ny naha-minisitry ny governemanta azy.
7. Ahoana no nanalan’ny Vavolombelon’i Jehovah sarona ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana maherin’ny 50 taona lasa izay?
7 Maherin’ny 50 taona lasa izay, tao amin’ilay bokikely mitondra ny lohateny hoe Religion Reaps the Whirlwind (Mijinja Tadio ny Fivavahana), ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanala sarona ny fitsabahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’ny politika.a Izay nolazaina tamin’izay dia mihatra amin-kery mitovy amin’izany ihany amin’izao andro izao: “Ny famotopotorana amim-pahamarinana ny fitondran-tenan’ny klerjy ao amin’ireo antokom-pivavahana rehetra, dia hampiharihary fa ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny ‘Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana’ manontolo dia mandray anjara amim-pahalianana fatratra amin’ny politikan’itỳ ‘tontolo ratsy ankehitriny itỳ’ ary mitsabaka amin’ireo raharahan’izao tontolo izao.” Tamin’izay ireo Vavolombelona dia efa nanakiana mafy ny Papa Pio XII noho ny fifanekena nataony tamin’i Hitler nazia (1933) sy tamin’i Franco fasista (1941), ary koa noho ny nanaovan’ny papa fifanakalozana solontena diplaomatika tamin’i Japon, ilay firenena mpanafika, tamin’ny Martsa 1942, vao volana vitsivitsy monja taorian’ilay fanafihana an’i Pearl Harbor tamin’ny fomba maharikoriko. Tsy nanaraka ny fampitandreman’i Jakoba toy izao ny papa: “Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” — Jakoba 4:4.
8. Ahoana no maha-voarohirohy ny Eglizy Katolika ao amin’ny politika amin’izao andro izao?
8 Manao ahoana ny toe-javatra amin’izao andro izao? Mbola voarohirohy amin’ny politika ihany ny papa, sady amin’ny alalan’ny klerjiny no amin’ny alalan’ireo solontenany lahika. Ireo papa faramparany dia nampiseho ny fankasitrahany ny Firenena Mikambana tamin’ny fitodihana tany amin’io fisandohana nataon’olombelona io mba hahazoana fandriampahalemana maneran-tany. Ny nomerao vao haingana iray amin’ny L’Osservatore Romano, gazety ofisialin’i Vatikana, dia nanambara fa nisy diplaomaty fito vaovao, “ho ambasadaoro any amin’ny Saint-Siège”, nampiseho ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro manana fahefana feno, tamin’ny “Ray Masina”. Moa ve ianao afaka maka sary an-tsaina an’i Jesosy sy i Petera voarohirohy tamin’ny fifanakalozana solontena diplaomatika toy izany? Tsy nanaiky hataon’ny Jiosy ho mpanjaka i Jesosy ary nilaza fa ny Fanjakany dia tsy avy amin’izao tontolo izao. — Jaona 6:15; 18:36.
9. Nahoana isika no afaka milaza fa ny fivavahana protestanta dia tsy tsara kokoa noho ny an’ny Katolika mifanitsy aminy?
9 Tsara kokoa noho ireo Katolika mifanitsy aminy ve ireo mpitarika protestanta? Any Etazonia, dia misy fivavahana protestanta maro tsy tia fiovana, mbamin’ireo Mormons, ampiraisina amin’ny firehana ara-politika sasany. Voarohirohy lalina amin’ny politikan’i Etazonia ny Christian Coalition. Ny klerjy protestanta hafa dia miray hevitra mazava tsara amin’ny firehana ara-politika hafa. Hadino indraindray fa any Etazonia, ireo mpitondra teny ara-politika toa an-dry Pat Robertson sy ry Jesse Jackson dia “Révérend” na efa mba toy izany koa, toy ny maha-mpikambana ao amin’ny Parlemanta Britanika an’i Ian Paisley (mpitoriteny sady mpanao politika) avy any Irlanda Avaratra. Ahoana no mba hanamarinan’izy ireo ny toerana tanany? — Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Galatiana 2:6.
10. Filazana mazava inona no natao tamin’ny 1944?
10 Toy ny nanontanian’ny Religion Reaps the Whirlwind azy tamin’ny 1944, no ataontsika ankehitriny, dia ny hoe: “Mety ho fiangonan’Andriamanitra ve, na hisolo tena an’i Kristy Jesosy eto an-tany (...) ny fikambanana na iza na iza, izay manao fifanarahana amin’ireo fitondrana eo amin’izao tontolo izao, sy marisika mitsofotsofoka amin’ireo raharaha ara-politikan’itỳ tontolo itỳ, mitady tombontsoa sy fiarovana amin’itỳ tontolo itỳ? (...) Miharihary fa ireo mpanaraka fivavahana rehetra izay miray zava-kendrena amin’ireo fanjakana eo amin’itỳ tontolo itỳ dia tsy afaka ny hisolo tena ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”
Manana ny toe-tsain’i Kaina ny fivavahan-diso
11. Ahoana no nanarahan’ny fivavahan-diso ny ohatr’i Kaina?
11 Nandritra ny tantara manontolo, ny fivavahan-diso dia naneho ny toe-tsain’i Kaina mpamono rahalahy, izay namono nahafaty an’i Abela rahalahiny. “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ny rahalahiny.” Tsy nandefitra tamin’ny fanompoam-pivavahana madio sady nankasitrahan’Andriamanitra nataon’ny rahalahiny i Kaina ka nampiasa herisetra — fiasana farany ampiasain’ireo izay tsy manana valin-teny lojika omena. — 1 Jaona 3:10-12.
12. Inona no porofo fa nandray anjara tamin’ny ady sy ny fifandrafiana ny fivavahana?
12 Manohana io fiampangana ny fivavahan-diso io ve ny zava-misy? Ao amin’ilay boky hoe Preachers Present Arms, dia hoy ilay mpanoratra: “Teo amin’ny tantaran’ny sivilizasiona, (...) dia nisy foana hery roa niaraka tao anatin’ny fifanekena roa sosona. Izany dia ny ady sy ny fivavahana. Ary amin’ireo fivavahana lehibe rehetra eo amin’izao tontolo izao, (...) dia tsy nisy be fandavan-tena kokoa tamin’ny [ady] toy ny [Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana].” Taona maromaro lasa izay, dia nilaza toy izao ny gazety The Sun any Vancouver, Kanada: “Fahalemena eo amin’ny fivavahana voalamina rehetra angamba ny fanarahan’ny fiangonana ny sainam-pirenena (...) Ady inona moa no natao ka tsy nihamboana fa tao amin’ny andaniny tsirairay avy Andriamanitra?” Mety ho efa nahita ny porofon’izany tao amin’ny fiangonana sasany eo an-toerana ianao. Matetika tokoa ireo sainam-pirenena dia mandravaka ny alitara. Teo ambanin’ny sainam-pirenena inona no heverinao fa ho namindran’i Jesosy? Nanakoako nandritra ireo taonjato ilay teniny manao hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”! — Jaona 18:36.
13. a) Ahoana no tsy nahombiazan’ny fivavahan-diso tatsy Afrika? b) Marika famantarana ny Kristianisma inona no nomen’i Jesosy?
13 Tsy nampianatra ny fahamarinana momba ny tena fitiavan-drahalahy marina an’ireo andian’ondriny, ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana. Navela hampisaratsaraka ireo mpikambana ao aminy kosa ny tsy fifanarahana ara-pirenena sy ara-poko ary ara-pirazanana. Asehon’ireo tatitra fa ny klerjy katolika sy anglikana dia nandray anjara sady nanan-kery tamin’ireo fisaratsarahana izay niteraka ilay famonoana foko iray manontolo tatsy Rwanda. Nanao tatitra toy izao ny The New York Times: “Ilay fandripahana tany Rwanda dia nahatonga ny Katolika maro tany, hahatsiaro tena ho nivadihan’ny ambaratongam-pahefana tao amin’ny eglizy. Matetika ny eglizy dia voasaraky ny fefy ara-poko, ny Hutu sy ny Tutsi.” Io gazety io ihany dia nanonona ny tenin’ny pretra iray, anisan’ny Misiona Katolika Maryknoll, nanao hoe: “Tsy nahomby tamin’ny fomba nampahonena ny eglizy tany Rwanda tamin’ny 1994. Tamin’ny lafiny sasany, dia Rwandais maro no nanilika ny eglizy. Tsy inoan’ny olona intsony izy io.” Izany ka mifanohitra amin’ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.
14. Firaketana an-tsoratra momba ny fitondran-tena manao ahoana no natolotr’ireo fivavahana tsy kristiana lehibe indrindra?
14 Tsy namela ohatra tsara kokoa akory ireo fivavahana lehibe hafa ao amin’i Babylona Lehibe. Ilay fandripahana nahatsiravina tamin’ny 1947, rehefa nozaraina i India, dia mampiseho fa ireo fivavahana lehibe tany dia tsy namokatra fifandeferana. Ny herisetra mitohy eo amin’ny antokon’olona any India dia manamafy fa tsy niova ny ankamaroan’ny olona. Tsy mahagaga raha nanatsoaka hevitra toy izao ilay gazety hoe India Today: “Ny fivavahana dia faneva izay teo ambaniny no nanaovana ireo heloka bevava mahatsiravina indrindra. (...) Mandefa herisetra goavana izy io, sady tena hery mpandrava.”
“Fifanoheran-javatra manaitra”
15. Manao ahoana ny toe-javatra misy ny fivavahana any amin’ny tontolo tandrefana?
15 Na dia ireo mpilaza vaovao tsy ara-pivavahana aza dia nahamarika ny tsy fahavitan’ny fivavahana nampiaiky na nampianatra toetra misy vidiny marina, na nanohitra ireo fandroson’ny tsy firaikan’ny olona amin’ny fivavahana. Nanoratra toy izao i Zbigniew Brzezinski, mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pilaminam-pirenena amerikana teo aloha, ao amin’ilay bokiny hoe Out of Control (Tsy Voafehy Intsony): “Fifanoheran-javatra manaitra ny hoe tsy tao amin’ireo fanjakana notapahin’ny Marksisma no nitrangan’ilay fandresena lehibe azon’ny soso-kevitra hoe ‘maty Andriamanitra’ (...) fa tany amin’ireo fitambaran’olona demokratika tandrefana tia fahafahana, izay nampandroso ara-kolontsaina ny tsy firaharahana ara-pitondran-tena. Ao amin’iretsy farany, ny zava-misy dia hoe nitsahatra tsy ho hery lehibe indrindra ara-tsosialy intsony ny fivavahana.” Nanohy ny teniny toy izao izy: “Nihena be ny fanagiazan’ny fivavahana ny kolontsaina eoropeana, ary i Eoropa amin’izao andro izao — lasa lavitra kokoa noho i Amerika aza — dia fitambaran’olona tsy ara-pivavahana indrindra indrindra.”
16, 17. a) Torohevitra inona no nomen’i Jesosy nahakasika ny klerjy tamin’ny androny? b) Fotopoto-pitsipika tsara inona no nolazain’i Jesosy momba ny vokatra?
16 Inona no nolazain’i Jesosy momba ny klerjy jiosy tamin’ny androny? “Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy [mba hampianatra ny Torah, ny Lalàna] no ipetrahan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” Eny, tsy zava-baovao akory ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana. — Matio 23:2, 3.
17 Manameloka azy ny vokatra nateraky ny fivavahan-diso. Azo ampiharina tokoa ny fitsipika nomen’i Jesosy manao hoe: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” — Matio 7:17-20.
18. Ahoana no tokony ho nitanan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny mpikambana ao aminy ho madio?
18 Inona no ho nitranga, raha toa ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana ka nampihatra tamim-pieritreretana ilay famaizana kristiana, dia ny fandroahana na ny fanonganana tsy ho mpikambana, noho ny asa tsy fankatoavan-dalàna rehetra nataon’ireo mihambo ho mpikambana ao aminy? Inona no ho nitranga tamin’ireo rehetra tsy mibebaka kanefa mpandainga, mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, mpisoloky, mpanao heloka bevava, mpivarotra sy izay andevozin’ny zava-mahadomelina, anisan’ny fikambanana tontakely? Tsy isalasalana fa ny vokatra lo nateraky ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia mahatonga azy io ho mendrika ny fandringanana avy amin’Andriamanitra. — 1 Korintiana 5:9-13; 2 Jaona 10, 11.
19. Fiekena inona avy no natao mahakasika ireo mpitondra fivavahana?
19 Niaiky toy izao ny antenimieran’ny Fiangonana Presbyteriana any Etazonia: “Miatrika krizy mahatsiravina eo amin’ny habeny sy ny hevitra fonosiny, isika. (...) Eo anelanelan’ny 10 sy 23 isan-jaton’ny klerjy eto amin’ny firenena no nandray anjara tamin’ny fampisehoana fihetsika manaitra filan-dratsy na tamin’ny fanaovana firaisana amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, ireo clients, ireo mpiasa, sns.” Namintina tsara ilay hevitra ny mpandraharaha amerikana iray, nanao hoe: “Ireo fikambanana ara-pivavahana dia tsy nahavita nampita ireo fari-pitondran-tena malaza nananany, ary tamin’ny toe-javatra maro, izy ireo dia tonga tapany tamin’ilay zava-manahirana.”
20, 21. a) Ahoana no niampangan’i Jesosy sy i Paoly ampahibemaso ny fihatsarambelatsihy? b) Fanontaniana inona avy no mbola tokony hovaliana?
20 Ny fanamelohan’i Jesosy ampahibemaso ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana dia marina amin’izao andro izao toy ny naha-izany azy tamin’ny androny: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy’.” (Matio 15:7-9). Ny tenin’i Paoly ho an’i Titosy koa dia milazalaza ny tarehin-javatra misy antsika ankehitriny: “Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.” — Titosy 1:16.
21 Nilaza i Jesosy fa raha ny jamba no mitarika jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa. (Matio 15:14). Irinao ve ny hifarana hiaraka amin’i Babylona Lehibe? Sa irinao ny handeha amin’ny lala-mahitsy amin’ny fanokafana tsara ny masonao ka hahazo ny fitahian’i Jehovah? Ireo fanontaniana izay tsy maintsy hatrehintsika izao dia ny hoe: Fivavahana iza, raha misy izany, no mamokatra vokatra araka an’Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika mamantatra ilay fanompoam-pivavahana marina izay azon’Andriamanitra ekena? — Salamo 119:105.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1944; tsy atao pirinty intsony izao.
Tadidinao Ve?
◻ Manao ahoana ny toeran’i Babylona Lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny?
◻ Mifototra amin’inona no iampangana ny fivavahan-diso?
◻ Ahoana no nanehoan’ny fivavahan-diso ny toe-tsain’i Kaina?
◻ Fotopoto-pitsipika inona no nolazain’i Jesosy mba hitsarana izay mety ho fivavahana?
[Sary, pejy 13]
Nandritra ny tantara manontolo ireo mpitondra fivavahana dia nitsabaka tamin’ny politika
[Sary, pejy 15]
Ireo anisan’ny klerjy ireo dia mpitondra fanjakana nahery koa
Kardinaly Mazarin
Kardinaly Richelieu
Kardinaly Wolsey
[Sary nahazoan-dalana]
Kardinaly Mazarin sy Kardinaly Richelieu: Ao amin’ilay boky hoe Ridpath’s History of the World (Boky VI sy Boky V, avy). Kardinaly Wolsey: Ao amin’ilay boky hoe The History of Protestantism (Boky I).