“Ny Fitiavana Tsy ho Levona Mandrakizay”
NOTANTARAIN’I SAMUEL D. LADESUYI
Talanjona aho rehefa manao jery todika ireo taona ka mahita izay rehetra notanterahina. Nanao zavatra mampitolagaga manerana ny tany manontolo i Jehovah. Atỳ Ilesha, eto Nizeria, ny vitsy taminay izay nanomboka nitory tamin’ny 1931 dia nanjary kongregasiona 36. Ireo olona sahabo ho 4 000 nitory teto Nizeria, fony tonga tamin’ny 1947 ny andiany voalohany tamin’ireo nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, dia nitombo ho 180 000 mahery. Teo am-boalohany, dia tsy nampoizinay, na nonofinofisinay akory aza, ny fitarana izay hitranga. Velom-pisaorana toy inona moa aho fa nandray anjara tamin’io asa mahatalanjona io! Mamelà ahy hiresaka aminareo momba izany.
NIVAROTRA basy sy vanja isan-tanàna ny raiko; nahalana izy vao tao an-trano. Fantatro hoe nanana vady fito izy; kanefa tsy niara-nipetraka taminy izy rehetra. Nahazo ny reniko ho lova avy tamin’ny zokiny lahy izay maty, ny raiko. Tonga vadiny faharoa ny reniko, ary niara-nipetraka taminy aho.
Indray andro dia tonga tao an-trano i Dada rehefa avy nitsidika ny vadiny voalohany, izay nipetraka tao amin’ny vohitra iray teny akaiky. Fony izy tany, dia fantany fa nankany an-tsekoly ny rahalahiko hafa reny. Folo taona io rahalahiko io, ary toy izany koa aho. Koa nanapa-kevitra àry i Dada fa tsy maintsy nankany an-tsekoly koa aho. Nanome ahy vola kely izy — hividianana kahie sy solaitra. Tamin’ny 1924 izany.
Niforona ny antokon’olona iray nianatra Baiboly
Nanomboka tamin’ny fahakeliko indrindra, dia tia ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, aho. Nankafiziko ireo fianarana Baiboly tany an-tsekoly ary noderain’ireo mpampianatra sekoly alahady foana aho. Koa tamin’ny 1930, dia nohararaotiko ny fahafahana hanatrika lahateny iray nataon’ny Mpianatra ny Baiboly iray nitsidika, izay anisan’ny nitory voalohany teto Ilesha. Taorian’ilay lahateny, dia nametraka tamiko iray tamin’ny boky La Harpe de Dieu tamin’ny fiteny yorobà, izy.
Nanatrika ny sekoly alahady tsy tapaka aho. Izao aho dia nanomboka nitondra ny La Harpe de Dieu niaraka tamiko ka nampiasa azy io mba hanaporofoana ny maha-diso ny foto-pampianarana sasany izay nampianarina tao. Niteraka ady hevitra izany, ary nampitandreman’ireo mpitondra fiangonana imbetsaka aho mba tsy hanaraka io ‘fampianarana vaovao’ io.
Ny taona nanaraka, raha mbola nandehandeha nidina ny arabe aho, dia sendra antokon’olona izay nihaino lehilahy iray nanao lahateny taminy. I J. I. Owenpa, Mpianatra ny Baiboly, ilay mpandahateny. Nirahin’i William R. Brown (nantsoina matetika hoe Brown Baiboly), izay niandraikitra ny asa fitoriana ilay Fanjakana avy tany Lagos, hanketo izy.a Fantatro fa nisy antokon’olom-bitsy nianatra Baiboly niforona teto Ilesha mba hianatra ny La Harpe de Dieu, koa niaraka tamin’izy ireo aho.
Izaho no zandriny indrindra tamin’ilay antokon’olona — vao ankizilahy mpianatra, tokony ho 16 taona. Tokony ho sadaikatra, ho natahotra mihitsy aza aho, raha ny tokony ho izy, nifanerasera akaiky aoka izany tamin’ireo lehilahy teo amin’ny faha-30 taonany na zokiny kokoa. Kanefa tena faly izy ireo nanana ahy teo amin’izy ireo, ary nampahery ahy izy ireo. Tahaka ny ray ho ahy izy ireo.
Fanoheran’ny klerjy
Tsy ela dia nanomboka niatrika fanoherana mafy avy tamin’ny klerjy izahay. Tafaray mba hanohitra anay izao ireo Katolika sy Anglikanina ary ny hafa, izay nifamely teo aloha. Niara-nioko tamin’ireo filoha teo an-toerana izy ireo mba hanaovan-javatra hanakiviana anay. Naniraka ny polisy haka ireo bokinay izy ireo, ka nilaza fa nanimba ny vahoaka izy ireny. Kanefa, nampitandrina azy ireo ny lehiben’ny polisin’ny distrika fa tsy nanana zo haka ireo boky izy ireo, ary naverina ireo boky, tapa-bolana tatỳ aoriana.
Taorian’izay izahay dia nampanantsoina nankany amin’ny fivoriana iray izay nihaonanay tamin’ny oba, na filoha fara tampony, niaraka tamin’ny olo-nanan-kaja hafa tao amin’ny tanàna. Tokony ho 30 ny isanay tamin’izay fotoana izay. Ny zava-nokendrena dia ny hampitsaharana anay tsy hamaky ireo boky “nampidi-doza”. Nanontany izy ireo raha vahiny izahay, kanefa rehefa nandinika akaiky ny endrikay izy ireo, dia nilaza hoe: “Zanatsika ihany ireto na dia misy vahiny aza eo aminy.” Nilaza taminay izy ireo fa tsy niriny ny hanohizanay hianatra ireo bokin’ny fivavahana iray izay hanimba anay.
Nandeha nody izahay tsy niteny tsy nivolana, satria efa tapa-kevitra ny tsy hihaino ireo olo-nanan-kaja ireo izahay. Tena faly noho izay nianaranay ny ankamaroanay ka tapa-kevitra ny hanohy hianatra. Koa, na dia nisy vitsivitsy aza nanjary natahotra ka niala tamin’ilay antokon’olona nisy anay, dia nanohy ny fianaranay tao amin’ny trano fiasan’ny mpandrafitra iray ny ankamaroanay. Tsy nanana mpitarika izahay. Nanomboka tamin’ny vavaka izahay ary avy eo dia nifandimby fotsiny namaky ireo fehintsoratra ao amin’ilay boky. Taorian’ny adiny iray teo ho eo, dia nivavaka indray izahay ary avy eo dia nandeha nody. Kanefa nisy nitsikilo izahay, ary nanohy nampiantso anay isaky ny tapa-bolana ireo filoha sy mpitondra ara-pivavahana, ka nampitandrina anay tsy hianatra ny zavatra vita an-tsoratry ny Mpianatra ny Baiboly.
Nandritra izany fotoana izany, dia niezaka hampiasa ny fahalalana kely nanananay izahay mba hanampiana ny olona, ary olona maro no niombon-kevitra taminay. Nisy olona tonga tsirairay niaraka taminay. Tena faly izahay, kanefa mbola tsy nahafantatra zavatra firy momba ilay fivavahana narahinay ihany izahay.
Teo am-piandohan’ny taona 1932, dia nisy rahalahy iray tonga avy tany Lagos mba hanampy handamina anay, ary tamin’ny Aprily dia tonga koa i Brown “Baiboly”. Rehefa hitany fa nisy olona tokony ho 30 izahay, dia namotopototra momba ny fandrosoana nataonay tamin’ny famakianay boky ny Rahalahy Brown. Nilaza taminy izay rehetra fantatray izahay. Nilaza izy fa vonona hatao batisa izahay.
Koa satria vanin-taona maina tamin’izay, dia voatery nandeha nankany amin’ny renirano iray teo amin’ny 14 kilaometatra avy eto Ilesha izahay, ary tokony ho 30 taminay no natao batisa. Nanomboka tamin’izay, dia nihevitra ny tenanay ho mpitory ilay Fanjakana izahay ka nanomboka nandeha isan-trano. Tsy nieritreritra mialoha ny hanao izany izahay, kanefa dodona izao izahay hizara izay fantatray tamin’ny hafa. Tsy maintsy niomana tsara izahay mba hahazoana ny fanohanan’ny Baiboly hanaporofoana ny maha-diso ireo foto-pampianarana diso ho hitanay. Koa tamin’ireo fivorianay àry, dia nidinika ireo foto-pampianarana izahay, ka nifanampy tamin’izay fantatray.
Ny asa fitoriana nataonay
Nameno ilay faritany tamin’ny fitorianay izahay. Naneso anay ny olona sady nihoraka anay, kanefa tsy noraharahainay izany. Lehibe ny fifalianay satria nanana ny fahamarinana izahay, na dia mbola tsy maintsy nianatra zavatra maro aza.
Nandeha isan-trano izahay isaky ny alahady. Nametraka fanontaniana ny olona, ary niezaka hamaly azy ireny izahay. Ny alahady hariva dia nanao lahateny ampahibemaso izahay. Tsy nanana Efitrano Fanjakana izahay, koa nataonay teny an-kalamanjana ireo fivoriana. Namory olona izahay, nanao lahateny, ary nanasa azy ireo hametraka fanontaniana. Indraindray dia nitory tao amin’ireo fiangonana izahay.
Nanao dia lavitra koa nankany amin’ireo faritra nisy olona mbola tsy nandre mihitsy ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izahay. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia nandeha bisikilety izahay, kanefa indraindray dia nanofa aotobisy. Rehefa tonga tao amin’ny vohitra iray izahay, dia nitsoka anjombona mafy. Nandre anay ilay vohitra manontolo! Nihazakazaka ny olona hizaha izay nitranga. Avy eo izahay dia nampita ny hafatra nentinay. Taorian’ny nahavitanay izany, dia nifandrombaka hahazo tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra nentinay ny olona. Nahapetraka maro be izahay.
Nandrasanay tamim-pahadodonana ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsaroako fa rehefa nahazo ny Diary 1935 izahay, dia nanontany toy izao ny iray tamin’ireo rahalahy, rehefa nahita ilay fandaharana feno tamin’ny fiaraha-midinika ny teny natao hovakina nandritra ny taona: “Midika ve izany fa hamita taona hafa iray manontolo isika alohan’ny hiavian’ny Haramagedona?”
Ho valiny, dia nanontany ilay mpitarika hoe: “Mihevitra ve ianao, rahalahy, fa raha tàhiny ka ho avy rahampitso Haramagedona, dia hitsahatra tsy hamaky ny Diary isika?” Rehefa nilaza ilay rahalahy hoe tsia, dia hoy ilay mpitarika: “Nahoana àry ianao no manahy?” Dodona izahay tamin’izay, ary mbola dodona ihany, ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah.
Ireo taonan’ny ady
Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia voarara ny fanafarana avy any ivelany ny bokintsika. Nampiseho tsy nahy ny boky Richesses tamin’ny polisy iray ny rahalahy iray teto Ilesha. Nanontany ilay polisy hoe: “An’iza itỳ boky itỳ?” Nilaza ilay rahalahy fa azy izy io. Nilaza ilay polisy fa boky voarara izy io, koa nentiny nankany amin’ny paositry ny polisy izy ary nogadrany.
Nankany amin’ny paositry ny polisy aho, ary taorian’ny nanaovana famotopotorana, dia nampamoaka ilay rahalahy tamin’ny fanomezana antoka. Avy eo aho dia niantso an-telefaonina ny Rahalahy Brown tany Lagos mba hampahafantarana azy izay nitranga. Nanontany koa aho raha nisy lalàna nandrara ny fampielezana ny bokintsika. Nilaza tamiko ny Rahalahy Brown fa ny fanafarana avy any ivelany ihany, fa tsy ny fampielezana ny bokintsika, no voarara. Telo andro tatỳ aoriana, dia naniraka rahalahy iray avy tany Lagos ny Rahalahy Brown mba hijery izay nitranga. Nanapa-kevitra io rahalahy io fa tokony hivoaka ho amin’ny asa fitoriana hitondra gazety sy boky izahay rehetra ny ampitson’iny.
Niparitaka tamin’ny lalana samy hafa izahay. Taorian’ny adiny iray teo ho eo, dia tonga tamiko ny vaovao fa nosamborina ny ankamaroan’ireo rahalahy. Koa nankany amin’ny paositry ny polisy izaho sy ilay rahalahy nitsidika. Ny polisy dia tsy nety nihaino ny fanazavanay hoe tsy voarara ireo boky.
Nalefa nankany amin’ny Fitsaran’ny Lehiben’ny Mpitsara tany Ife ireo rahalahy 33 nosamborina, ary niaraka tamin’izy ireo aho. Nihoraka toy izao ny mponina teo an-tanàna izay nahita anay nentina: “Vita ny amin’ireny olona ireny anio. Tsy ho avy eto intsony ireny.”
Naroso teo anatrehan’ilay lehiben’ny mpitsara, Nizeriana iray, ilay fiampangana. Naseho avokoa ireo boky sy gazety rehetra. Nanontany izy hoe iza no nanome lalana ny lehiben’ny polisy hisambotra ireo olona ireo. Namaly ilay lehiben’ny polisy fa nanaraka ny toromarika avy tamin’ny lehiben’ny polisin’ny distrika izy. Nampiantso ilay lehiben’ny polisy sy ny efatra tamin’ny solontenanay, anisan’izany ny tenako, hankao amin’ny efitra fikarakarany raharaha, ilay lehiben’ny mpitsara.
Nanontany izy hoe iza moa i Atoa Brown. Nilaza taminy izahay fa izy io no solontenan’ny Fikambanana Watch Tower tany Lagos. Nilaza taminay izy rehefa avy eo fa nahazo telegrama iray avy tamin’ny Atoa Brown nikasika anay, izy. Nahantony ilay raharaha tamin’io andro io ary nanome fahafahana vonjy maika an’ireo rahalahy izy. Ny ampitson’iny dia namotsotra madiodio ireo rahalahy izy, ka nanafaka azy ireo, ary nandidy ny polisy hamerina ireo boky.
Niverina teto Ilesha izahay, sady nihira. Teo indray dia nanomboka nihoraka ny olona, saingy tamin’io fotoana io dia nilaza hoe: “Tonga indray ry zareo!”
Nohazavaina ny fari-pitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana
Tamin’ny 1947 no tonga teto Nizeria ireo telo lahy nahazo diplaoman’i Gileada voalohany. Ny iray tamin’ireo rahalahy ireo, i Tony Attwood, dia mbola eto, manompo ao amin’ny Betelan’i Nizeria. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia nahita fiovana lehibe teo amin’ny fandaminan’i Jehovah teto Nizeria izahay. Ny iray tamin’ireo fiovana lehibe dia ny fiheveranay ny amin’ny fananana vady maro.
Nanambady an’i Olabisi Fashugba aho tamin’ny Febroary 1941, ary ampy ny fahalalako mba tsy haka vady fanampiny. Kanefa hatramin’ny 1947, izay nahatongavan’ireo misionera, dia fahita tao amin’ireo kongregasiona ny fananana vady maro. Nilazana ireo rahalahy nanana vady maro fa nanambady vehivavy mihoatra ny iray tamin’ny tsy fahalalana izy ireo. Noho izany, raha nanana vady roa na telo na efatra na dimy izy ireo, dia afaka nitana azy ireny, kanefa tsy tokony haka hafa intsony. Izany no fitsipika narahinay.
Olona maro no naniry mafy hiaraka taminay, indrindra fa ny Fikambanana Kerobima sy Serafima teto Ilesha. Nilaza izy ireo fa ny Vavolombelon’i Jehovah no olona hany nampianatra ny fahamarinana. Nanaiky ireo fampianaranay izy ireo ka naniry ny hanova ny fiangonany ho Efitrano Fanjakana. Niezaka mafy hanatanteraka izany izahay. Nanana foibe hampiofanana ny loholon’izy ireo mihitsy aza izahay.
Avy eo dia tonga ny fitarihan-dalana vaovao mikasika ny fananana vady maro. Ny iray tamin’ireo misionera dia nanao lahateny tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tamin’ny 1947. Niresaka momba ny fitondran-tena sy ny fahazarana tsara izy. Nanaraka izany izy dia nanonona ny 1 Korintiana 6:9, 10, izay milaza fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina. Nanampy teny izy avy eo hoe: “Ary ireo manana vady maro dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra!” Nihoraka ny olona nanatrika hoe: “Eisy! tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny manana vady maro!” Fisaratsarahana no vokatr’izany. Tahaka ny ady izany. Maro tamin’ireo nifanerasera vao haingana no nitsahatra tsy nanao izany, ka nilaza hoe: “Misaotra an’Andriamanitra fa tsy lasa lavitra tamin’io izahay.”
Ny ankamaroan’ireo rahalahy anefa dia nanomboka nanitsy ny lalany, tamin’ny fandefasana ireo vady fanampiny nalainy. Nomeny vola izy ireo, ka nataony hoe: ‘Raha tanora ianao, dia mandehana mitady vady hafa. Nanao fahadisoana aho nanambady anao. Izao aho dia tsy maintsy vadin’ny vehivavy iray ihany.’
Tsy ela dia nisy olana hafa nipoitra. Ny sasany, rehefa avy nanapa-kevitra hitana vady iray ihany ka nandefa ny hafa, dia niova hevitra ka nanapa-kevitra fa niriny ny hamerina ny iray tamin’ireo vehivavy hafa ka handefa ilay notanany teo aloha! Koa nanomboka indray ny fikorontanana.
Nisy fitarihan-dalana fanampiny tonga avy tamin’ny foibe any Brooklyn, niorina tamin’ny Malakia 2:14, izay manisy firesahana ny amin’ny “vadin’ny fahatanoranao”. Ilay fitarihan-dalana dia hoe tokony hihazona ny vehivavy novadiny voalohany ny lehilahy. Tamin’izany fomba izany no namahana ilay olana tamin’ny farany.
Tombontsoam-panompoana
Tamin’ny 1947 ny Fikambanana dia nanomboka nanatanjaka ireo kongregasiona sy nandamina azy ireo ho fizaran-tany. Izy ireo dia naniry hanendry rahalahy matotra, izay nandroso tamin’ny fahalalana, ho ‘mpikarakara ireo rahalahy’, antsoina ankehitriny hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nanontany ahy ny Rahalahy Brown raha hanaiky fanendrena toy izany aho. Nilaza aho fa ny antony nanaovana batisa ahy dia ny hanao ny sitrapon’i Jehovah, sady nanampy teny toy izao aho: “Ianao mihitsy aza no nanao batisa ahy. Rehefa misy fahafahana hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa izao, dia mihevitra ve ianao fa tsy hanaiky aho?”
Tamin’ny Oktobra tamin’io taona io, dia fito taminay no nantsoina nankany Lagos ka nomena fampiofanana talohan’ny nanirahana anay ho amin’ny asan’ny fizaran-tany. Tamin’ireny andro ireny dia goavana ireo fizaran-tany. Nozaraina ho fizaran-tany fito monja i Nizeria manontolo. Vitsy ireo kongregasiona.
Mafy ny asanay tamin’ny naha-mpikarakara ireo rahalahy. Nandeha an-tongotra kilaometatra maro isan’andro izahay, matetika namakivaky ala tropikaly mafana sady mando be. Isan-kerinandro izahay dia tsy maintsy nandeha lavitra isam-bohitra. Nisy fotoana niheverako fa tsy hahazaka ahy intsony ny tongotro. Indraindray aho dia nahatsiaro tena ho toy ny efa ho faty! Kanefa nisy fifaliana be koa, indrindra tamin’ny fahitana ny fitomboan’ny isan’ny olona nanaraka ny fahamarinana. Tao anatin’ny fito taona monja, dia nitombo avo efatra heny ny isan’ny mpitory teto!
Nandray anjara tamin’ny asan’ny fizaran-tany aho hatramin’ny 1955, rehefa nanery ahy hiverina teto Ilesha ny tsy fahasalamana, ka teto aho dia voatendry ho mpiandraikitra ny tanàna. Nahatonga ahy ho afaka nifantoka bebe kokoa tamin’ny fanampiana ny fianakaviako teo amin’ny lafiny ara-panahy ny fipetrahako tao an-trano. Amin’izao andro izao dia manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana avokoa ny zanako enina.
Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana marina
Rehefa manao jery todika ireo taona aho, dia manana antony maro aoka izany hahavelom-pisaorana. Nisy ireo fahadisoam-panantenana sy fanahiana ary aretina, kanefa nisy koa ny fifaliana be dia be. Na dia nitombo aza ny fahalalanay sy ny fahazoanay hevi-javatra nandritra ireo taona maro, dia nianarako tamin’ny alalan’ny fanandraman-javatra ny hevitry ny 1 Korintiana 13:8, izay milaza hoe: “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. Raha tia an’i Jehovah ianao ka mitoetra amin’ny fomba tsy azo hozongozonina eo amin’ny fanompoana azy, dia hanampy anao ao anatin’ny zava-manahirana anao izy ka hitahy anao be dia be.
Mihamamirapiratra hatrany ny fahazavan’ny fahamarinana. Tamin’ireo andro vao nanombohanay, dia nihevitra izahay fa ho avy faingana Haramagedona; izany no nahatonga anay hihazakazaka hanao izay rehetra azonay natao. Kanefa izany rehetra izany dia nahasoa anay. Izany no antony anekeko ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa.” — Salamo 146:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nantsoina hoe Brown Baiboly ny Rahalahy Brown noho ny fahazarany nanondro ny Baiboly ho ny fahefana farany. — Jereo “Ny Fijinjana Nataon’ny Tena Evanjelisitra Marina Iray” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1992, pejy faha-32.
[Sary, pejy 23]
Samuel niaraka tamin’i Milton Henschel tamin’ny 1955
[Sary, pejy 24]
Samuel sy Olabisi vadiny