Vavolombelona Kristiana ho An’ny Fiandrianan’Andriamanitra
“Hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. — 1 PETERA 2:9.
1. Fanambarana nandaitra inona no natao momba an’i Jehovah, talohan’ny andro kristiana?
TALOHAN’NY andro kristiana, dia nisy lisitra vavolombelona lava nanamarina tamin-kerim-po fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina. (Hebreo 11:4–12:1). Natanjaka tamin’ny finoana izy ireo ka tsy natahotra ny nankato an’ireo lalàn’i Jehovah ary tsy nety nanaiky lembenana teo amin’ny raharaha nahakasika ny fanompoam-pivavahana. Nanao fanambarana mahatalanjona momba ny fiandrianan’i Jehovah teo amin’izao rehetra izao izy ireo. — Salamo 18:21-23; 47:1, 2.
2. a) Iza no Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra? b) Iza no nisolo toerana ny firenen’ny Isiraely tamin’ny naha-vavolombelon’i Jehovah azy? Ahoana no ahafantarantsika izany?
2 I Jaona Mpanao Batisa no vavolombelona farany sy lehibe indrindra talohan’ny andro kristiana. (Matio 11:11). Nanana tombontsoa hanambara ny fiavian’Ilay Voafidy izy, ary nampahafantatra an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina. (Jaona 1:29-34). I Jesosy no Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra, “Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina”. (Apokalypsy 3:14). Koa satria nanda an’i Jesosy ny Isiraely ara-nofo, dia nanda azy ireo i Jehovah ka nanendry firenena vaovao iray, ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy, mba ho vavolombelony. (Isaia 42:8-12; Jaona 1:11, 12; Galatiana 6:16). Nanonona faminaniana iray momba ny Isiraely i Petera, ary nasehony fa izy io dia nihatra tamin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, ilay kongregasiona kristiana, rehefa nilaza izy hoe: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. — 1 Petera 2:9; Eksodosy 19:5, 6; Isaia 43:21; 60:2.
3. Inona no andraikitra voalohany indrindra ananan’ny Isiraelin’Andriamanitra sy ny “olona betsaka”?
3 Asehon’ny tenin’i Petera fa ny andraikitry ny Isiraelin’Andriamanitra voalohany indrindra dia ny hanao fanambarana ampahibemaso ny amin’ny voninahitr’i Jehovah. Amin’izao androntsika izao, io firenena ara-panahy io dia nohatevenin’ny “olona betsaka” vavolombelona izay manome voninahitra ampahibemaso an’Andriamanitra koa. Miantso amin’ny feo mafy toy izao izy ireo mba ho ren’ny rehetra: “Ny famonjena [dia azonay avy amin’Andriamanitray, NW ], Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy [avy amin’ny, NW ] Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:9, 10; Isaia 60:8-10). Ahoana no ahafahan’ny Isiraelin’Andriamanitra sy ireo namany manatontosa ny fanambarany? Amin’ny finoany sy ny fankatoavany.
Vavolombelona sandoka
4. Nahoana ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy no vavolombelona sandoka?
4 Ny finoana sy ny fankatoavana dia mahafaoka fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Hita ny maha-zava-dehibe izany ao amin’izay nolazain’i Jesosy momba ireo filoham-pivavahana jiosy tamin’ny androny. ‘Teo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no nipetrahan’izy ireny’ tamin’ny naha-mpampianatra ny Lalàna azy. Nandefa misionera mihitsy aza izy ireo mba hampiova tsy mpino. Kanefa dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.” Vavolombelona sandoka ireny mpivavaka ireny — nizahozaho sy nihatsaravelatsihy ary tsy nanam-pitiavana. (Matio 23:1-12, 15). Indray mandeha, dia hoy i Jesosy tamin’ny Jiosy sasany: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.” Nahoana izy no niteny zavatra toy izany tamin’ireo anisan’ny firenena voafidin’Andriamanitra? Noho izy ireo tsy nanaraka ny tenin’ilay Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra. — Jaona 8:41, 44, 47.
5. Ahoana no ahafantarantsika fa nanao fanambarana sandoka momba an’Andriamanitra ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
5 Tamin’ny fomba nitovy tamin’izany, nandritra ireo taonjato hatramin’ny andron’i Jesosy no mankatỳ, dia olona an-jato tapitrisany maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no nihambo ho mpianatr’i Jesosy. Tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra anefa izy ireo ary noho izany dia tsy neken’i Jesosy. (Matio 7:21-23; 1 Korintiana 13:1-3). Ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nandefa misionera izay tsy isalasalana fa tso-po ny maro taminy. Na dia izany aza, izy ireo dia nampianatra ny olona hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’andriamanitra Trinite izay mandoro ny mpanota any amin’ny afobe mirehitra, ary ny ankamaroan’ireo olona voaovan’izy ireo dia tsy nampiseho firy porofon’ny maha-Kristiana azy. Ohatra, i Rwanda, tany afrikana, dia saha nahavokatra ho an’ireo misionera katolika. Na dia izany aza, ireo Katolika rwandais dia nirotsaka tamin’ny fo manontolo tamin’ilay adim-poko vao haingana tany amin’io tany io. Ny vokatra tao amin’io saha misionera io dia mampiseho fa tsy nahazo fanambarana kristiana marina avy amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy io. — Matio 7:15-20.
Fiainana mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra
6. Amin’ny fomba ahoana avy ny fitondran-tena mahitsy no tapany iray tena lehibe eo amin’ny fanaovana fanambarana?
6 Mitondra fahafaham-baraka ho an’ny “làlan’ny fahamarinana” ny fitondran-tena ratsy ananan’ireo izay mihambo ho Kristiana. (2 Petera 2:2). Ny Kristiana marina iray dia miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Tsy mangalatra na mandainga na mamitaka na manao fahalotoam-pitondran-tena izy. (Romana 2:22). Azo antoka fa tsy mamono ny mpiara-monina aminy izy. Miandraikitra amim-pitiavana ny fianakaviany ireo lehilahy kristiana manambady. Manohana amim-panajana izany fiandraiketana izany ireo vehivavy manambady. Ireo ankizy dia tezain’ny ray aman-dreniny ka amin’izay dia voaomana ho tonga olon-dehibe kristiana mahatsapa andraikitra. (Efesiana 5:21–6:4). Marina fa samy tsy lavorary sy manao fahadisoana avokoa isika rehetra. Kanefa ny tena Kristiana dia manaja ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary manao ezaka marina mba hampiharana azy ireny. Mety ho voamariky ny hafa izany ary manao fanambarana tsara dia tsara. Indraindray ireo izay nanohitra ny fahamarinana teo aloha dia nandinika ny fitondran-tena mahitsy nananan’ny Kristiana iray ka nanjary nandray tsara. — 1 Petera 2:12, 15; 3:1.
7. Toy inona ny maha-zava-dehibe ny ifankatiavan’ny samy Kristiana?
7 Nampiseho lafiny iray tena lehibe amin’ny fitondran-tena kristiana i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ny tontolon’i Satana dia miavaka amin’ny “tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo — feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otripo — mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, [mpankahala an’Andriamanitra, fanamarihana ambany pejy], mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny”. (Romana 1:29, 30). Eo amin’ny tontolo iainana toy izany, ny fandaminana maneran-tany iray miavaka noho ny fitiavana dia ho porofo mahery ny amin’ny fanahin’Andriamanitra am-perinasa — fanambarana mandaitra iray. Mahaforona fandaminana toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. — 1 Petera 2:17.
Mpianatra ny Baiboly ny vavolombelona
8, 9. a) Tamin’ny ahoana ny mpanao salamo no nohatanjahin’ny fianarany ny Lalàn’Andriamanitra sy ny fisaintsainany izany? b) Amin’ny fomba ahoana avy no hanatanjahan’ny fianarana ny Baiboly sy ny fisaintsainana izany antsika mba hanohy hanao fanambarana?
8 Mba hahombiazana amin’ny fanaovana fanambarana tsara dia tsara, ny Kristiana iray dia tsy maintsy mahafantatra sy tia ireo fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah ary tena mankahala ny fahasimban-toetran’izao tontolo izao. (Salamo 97:10). Mahay mandresy lahatra izao tontolo izao eo amin’ny fampandrosoana ny fomba fisainany manokana, ary mety ho sarotra toherina ny toe-tsainy. (Efesiana 2:1-3, NW; 1 Jaona 2:15, 16). Inona no afaka manampy antsika hitana toe-tsaina araka ny tokony ho izy? Ny fianarana tsy tapaka sy misy heviny ny Baiboly. Namerimberina imbetsaka ny fitiavany ny Lalàn’i Jehovah ny mpanoratra ny Salamo faha-119. Namaky izany izy ary nisaintsaina izany lalandava, “mandrakariva”. (Salamo 119:92, 93, 97-105). Ho vokatr’izany dia afaka nanoratra toy izao izy: “Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; ny lalànao no tiako.” Ambonin’izany dia nanosika azy hiasa ny fitiavany lalina. Hoy izy: “Impito isan-andro no iderako Anao noho ny fitsipikao marina.” — Salamo 119:163, 164.
9 Amin’ny fomba mitovy amin’izany, ny fianarantsika tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ny fisaintsainantsika izany dia hanohina ny fontsika ka hanosika antsika ‘hidera azy’ — hijoro ho vavolombelona ho an’i Jehovah — matetika, hatramin’ny “impito isan-andro” mihitsy aza. (Romana 10:10). Mifanaraka amin’izany, dia milaza ilay mpanoratra ny salamo voalohany fa izay misaintsaina tsy tapaka ny tenin’i Jehovah dia “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona (...) izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:3). Nampiseho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Ny soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra sady mahasoa ho fampianarana, ho fananarana, ho fandaminan-javatra, ho fifehezana amin’ny rariny, mba hanana fahaizana feno, ho tena ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra, ny olon’Andriamanitra.” — 2 Timoty 3:16, 17, NW.
10. Inona no miharihary momba ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro farany izao?
10 Mampiseho ny fitahian’i Jehovah ny fitomboana haingana eo amin’ny isan’ireo mpivavaka marina amin’izao taonjato faha-20 izao. Tsy misy isalasalana fa, amin’ny maha-antokon’olona azy, ireny vavolombelona ho an’ny fiandrianan’Andriamanitra amin’ny andro maoderina ireny dia namboly fitiavana ny lalàn’i Jehovah tao am-pony. Sahala amin’ilay mpanao salamo, dia voatosika hankato ny lalàn’i Jehovah izy ireo ka hanao fanambarana amim-pahatokiana ny amin’ny voninahitr’i Jehovah “andro aman-alina”. — Apokalypsy 7:15.
Asa lehibe nataon’i Jehovah
11, 12. Inona no notontosain’ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy?
11 Tamin’ny taonjato voalohany, ny fanahy masina dia nanome fahefana ireo vavolombelona kristiana nahatoky mba hanao fahagagana izay nanome porofo mahery fa marina ny fanambarana nataon’izy ireo. Fony izy tany an-tranomaizina, dia naniraka ny mpianany i Jaona Mpanao Batisa mba hanontany an’i Jesosy hoe: “Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?” Tsy namaly hoe eny na tsia i Jesosy. Hoy kosa izy hoe: “Mandehana hianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.” (Matio 11:3-6). Ireny asa lehibe ireny dia niasa ho toy ny vavolombelona tamin’i Jaona fa i Jesosy tokoa “Ilay ho avy”. — Asan’ny Apostoly 2:22.
12 Tamin’ny fomba nitovy tamin’izany, ny sasany tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia nanasitrana ny marary sy nanangana olona tamin’ny maty mihitsy aza. (Asan’ny Apostoly 5:15, 16; 20:9-12). Ireny fahagagana ireny dia toy ny fanambarana avy amin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ho azy ireo. (Hebreo 2:4). Ary ny asa toy izany dia nampiseho ny hery tsy toha ananan’i Jehovah. Ohatra, marina fa i Satana, ilay “andrianan’izao tontolo izao”, dia manana ny herin’ny fahafatesana. (Jaona 14:30; Hebreo 2:14). Kanefa rehefa nanangana tamin’ny maty an’ilay vehivavy nahatoky atao hoe Dorkasy, i Petera, dia tsy ho afaka nanao izany izy raha tsy noho ny herin’i Jehovah, satria Izy irery ihany no afaka mamerina ny aina. — Salamo 16:10; 36:9; Asan’ny Apostoly 2:25-27; 9:36-43.
13. a) Amin’ny fomba ahoana no mbola anamarinan’ireo fahagagana ao amin’ny Baiboly ihany ny herin’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana ny fahatanterahan’ireo faminaniana no manana anjara lehibe eo amin’ny fanaporofoana ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah?
13 Tsy miseho intsony amin’izao andro izao ireny asa misy fahagagana ireny. Tratra ny zavatra nokendren’izy ireny. (1 Korintiana 13:8). Na dia izany aza, dia mbola ananantsika ny firaketana an-tsoratra momba azy ireny ao amin’ny Baiboly, izay nohamarinin’ny mpitazana maro. Rehefa manintona ny saina ho amin’ireny filazana ara-tantara ireny ny Kristiana amin’izao andro izao, dia mbola manao fanambarana mandaitra ny amin’ny herin’i Jehovah ihany ireny asa ireny. (1 Korintiana 15:3-6). Fanampin’izany, hatrany amin’ny andron’i Isaia, i Jehovah dia nilaza fa ny faminaniana iray araka ny marina dia porofo miavaka ny amin’ny maha-Andriamanitra marina azy. (Isaia 46:8-11). Faminaniana maro ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly no eo am-pahatanterahany amin’izao andro izao — ny maromaro tamin’izy ireny dia tanteraka tamin’ny kongregasiona kristiana. (Isaia 60:8-10; Daniela 12:6-12; Malakia 3:17, 18; Matio 24:9; Apokalypsy 11:1-13). Ankoatra ny fampisongadinany fa miaina amin’ny “andro farany” isika, ny fahatanterahan’ireny faminaniana ireny dia manamarina an’i Jehovah ho ilay hany Andriamanitra marina. — 2 Timoty 3:1, NW.
14. Amin’ny fomba ahoana avy ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina no fanambarana mahery fa i Jehovah no Tompo Manam-piandrianana?
14 Farany, dia mbola manao zava-dehibe sy zava-mahagaga ho an’ny vahoakany ihany i Jehovah. Ilay fahazavana mihamitombo eo amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia tarihin’ny fanahin’i Jehovah. (Salamo 86:10; Apokalypsy 4:5, 6). Ireo fitomboana miavaka nanaovana tatitra maneran-tany dia porofo fa ‘manafaingana izany amin’ny fotoany’ i Jehovah. (Isaia 60:22). Rehefa nipoaka nitety tany ny fanenjehana mafy mandritra ny andro farany manontolo, dia azo natao ny fiaretana tamin-kerim-po teo amin’ny vahoakan’i Jehovah noho ny fanohanan’ny fanahy masina izay nampahatanjaka. (Salamo 18:1, 2, 17, 18; 2 Korintiana 1:8-10). Eny, ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina mihitsy aza dia efa fanambarana mahery fa i Jehovah no Tompo Manam-piandrianana. — Zakaria 4:6.
Ilay vaovao tsara tokony hotorina
15. Fanambarana niitatra inona no tokony ho nataon’ny kongregasiona kristiana?
15 Nanendry ny Isiraely ho vavolombelony teo amin’ireo firenena i Jehovah. (Isaia 43:10). Kanefa dia Isiraelita vitsivitsy ihany no nodidian’Andriamanitra handeha hitory tany amin’ireo tsy Isiraelita, ary izany dia mazàna mba hanambarana ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Jeremia 1:5; Jona 1:1, 2). Na dia izany aza, dia asehon’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo fa hampitodika ny sainy any amin’ireo firenena amin’ny fomba miitatra i Jehovah indray andro any, ary izany dia efa nataony tamin’ny alalan’ny Isiraelin’Andriamanitra. (Isaia 2:2-4; 62:2). Talohan’ny niakarany tany an-danitra, dia nandidy ireo mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra”. (Matio 28:19). Raha nifantoka tamin’ireo “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” i Jesosy, ireo mpanara-dia azy kosa dia nirahina ho any amin’ny “firenena rehetra”, “hatramin’ny faran’ny tany” mihitsy aza. (Matio 15:24; Asan’ny Apostoly 1:8). Tokony ho ren’ny taranak’olombelona manontolo ilay fanambarana kristiana.
16. Asa nanirahana inona no notanterahin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary tonga hatraiza izany?
16 Nasehon’i Paoly fa nahazo tsara ny hevitr’izany izy. Tamin’ny taona 61 am.f.i., dia afaka niteny izy fa ny vaovao tsara dia “mitondra vokatra sy mitombo manerana izao tontolo izao”. Ilay vaovao tsara dia tsy voafetra fotsiny ho an’ny firenena iray na antokom-pivavahana iray toy ilay nanaraka ‘fanompoam-pivavahana tamin’ny anjely’. Fa izy io kosa dia “notorina [an-karihary] tamin’ny zavatra noforonina rehetra atỳ ambanin’ny lanitra”. (Kolosiana 1:6, 23; 2:13, 14, 16-18, NW ). Araka izany, ny Isiraelin’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany dia nanatanteraka ny asa nanirahana azy ‘mba hilaza ny hatsaran’Ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’.
17. Ahoana no itohizan’ny fahatanterahan’ny Matio 24:14 amin’ny fomba miitatra?
17 Na dia izany aza, io asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany io dia vao sava ranonando fotsiny ny amin’izay hotontosaina mandritra ny andro farany. Raha niandrandra indrindra ny andro misy antsika i Jesosy dia niteny hoe: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW; Marka 13:10). Tanteraka ve io faminaniana io? Izany dia izany tokoa. Nanomboka tamin’ny fiandohana kely tamin’ny 1919, ny fitoriana ny vaovao tsara izao dia niitatra hatrany amin’ny tany maherin’ny 230. Ilay fanambarana dia re any Avaratra mamanala sy any amin’ireo tropika manevokevoka. Anaovana fanambarana any amin’ireo kontinenta lehibe, ary karohina ireo nosy lavitra mba hahafahan’ireo mponina ao aminy hahazo fanambarana. Na dia eo anivon’ny fikorontanana lehibe, toy ny ady any Bosnia-Herzegovina aza, dia mitohy ny fitoriana ny vaovao tsara. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia mitondra vokatra “manerana izao tontolo izao” ny fanambarana. Ny vaovao tsara dia ambara an-karihary amin’ny “zavatra noforonina rehetra atỳ ambanin’ny lanitra”. Inona no vokatr’izany? Voalohany, ireo sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra dia nangonina “avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra”. Faharoa, ny “olona betsaka” an-tapitrisany maro dia nanomboka nampidirina avy tamin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 5:9; 7:9). Mitohy ny fahatanterahan’ny Matio 24:14 ka izany dia amin’ny fomba miitatra.
18. Inona avy no zavatra sasany tontosaina amin’ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsara?
18 Ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsara dia manampy mba hanaporofoana fa efa nanomboka ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha-Mpanjaka azy. (Matio 24:3, NW ). Ankoatra izany, dia fitaovana lehibe indrindra ijinjana ny “vokatry ny tany” izy io satria mitarika ny olona ho amin’ilay hany fanantenana marina ho an’ny taranak’olombelona, dia ny Fanjakan’i Jehovah. (Apokalypsy 14:15, 16). Koa satria ireo Kristiana marina ihany no mandray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, io asa lehibe io dia manampy mba hanavahana ny Kristiana marina amin’ireo sandoka. (Malakia 3:18). Amin’izany fomba izany, izy io dia mitondra famonjena ho an’ireo izay mitory ary koa ho an’ireo izay mandray tsara. (1 Timoty 4:16). Ny zava-dehibe indrindra dia ny hoe ny fitoriana ny vaovao tsara dia mitondra fiderana sy voninahitra ho an’i Jehovah Andriamanitra, dia ilay nandidy ny hanaovana azy io sady mpanohana ireo izay manao izany no sady mahatonga azy io hitondra vokatra. — 2 Korintiana 4:7.
19. Fahatapahan-kevitra inona no ampirisihana mba hananan’ny Kristiana rehetra eo am-pidiran’izy ireo amin’ny taom-panompoana vaovao?
19 Tsy mahagaga raha voatosika hiteny toy izao ny apostoly Paoly: “Lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” (1 Korintiana 9:16). Mitovy fihetseham-po amin’izany ny Kristiana amin’izao andro izao. Tombontsoa lehibe sy andraikitra lehibe ny ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra”, mandefa ny fahazavan’ny fahamarinana eo amin’itỳ tontolo maizina itỳ. (1 Korintiana 3:9; Isaia 60:2, 3). Ilay asa izay nanana fiandohany kely tamin’ny 1919 izao dia nahatratra halehibe mahatalanjona. Kristiana efa ho dimy tapitrisa no vavolombelona ho an’ny fiandrianan’Andriamanitra rehefa nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa isan-taona mba hitondrana ilay hafatra momba ny famonjena tany amin’ny hafa. Fifaliana toy inona moa ny fananana anjara amin’io asa fanamasinana ny anaran’i Jehovah io! Eo am-pidirantsika ao amin’ny taom-panompoana 1996, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny tsy hampiadam-pandeha. Harahintsika mbola tsy nisy toy izany kosa ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty manao hoe: “Mitoria ny teny, manaova izany amim-pahadodonana.” (2 Timoty 4:2, NW ). Eo am-panaovantsika toy izany, dia mivavaka amin’ny fontsika manontolo isika mba hanohizan’i Jehovah hitahy ny ezaka ataontsika.
Tadidinao Ve?
◻ Iza no nisolo toerana ny Isiraely tamin’ny naha-‘vavolombelon’i’ Jehovah azy teo amin’ireo firenena?
◻ Amin’ny ahoana ny fitondran-tena kristiana no mandray anjara amin’ny fanaovana fanambarana?
◻ Nahoana ny fianarana ny Baiboly sy ny fisaintsainana azy io no tena ilaina ho an’ny Vavolombelona kristiana?
◻ Ahoana no anaporofoan’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina fa i Jehovah no Andriamanitra marina?
◻ Inona no tontosa amin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
[Sary, pejy 15]
Tsy voafepetra velively ny vaovao tsara fa ambara amin’ny “zavatra noforonina rehetra atỳ ambanin’ny lanitra” izao