Rahoviana no Hifarana ny Tahotra?
HAHAGAGA anao ve ny hahafantatra fa ny tena tsy fananana ahiahy dia misy ifandraisany amin’ny lehilahy iray izay niaina 2 000 taona lasa izay? Rehefa nampiseho ny ilana fitiavana i Jesosy Kristy dia nilaza fanoharana niavaka iray hoe: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ny jiolahy, dia nendahiny ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.” Na dia nody tsy nahita ilay niharam-pahavoazana aza ny mpandalo roa, dia naneho famindram-po kosa ny Samaritana tsara fanahy iray. Iza anefa no mihevitra ireo iharam-pahavoazana noho ny heloka bevava amin’izao andro izao? Inona no fanafahana amin’ny tahotra azontsika antenaina? — Lioka 10:30-37.
Na dia milaza tena ho mino an’Andriamanitra aza ny olona maro, dia mihevitra fa ny olombelona no tokony hanao izay hampiharana ny lalàna sy ny filaminana. Kanefa moa ve ny sazy an-tranomaizina henjana kokoa na ny fisian’ny polisy maro kokoa sy tsara karama kokoa no hamarana ireo heloka bevava feno herisetra? Tena mino tokoa ve ianao fa hanafoana ny zavatra toy ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny heloka bevava voalamina ary ny fahantrana ireo sampan-draharaha manao izay hampiharana ny lalàna, na dia eo aza ireo ezaka amim-pahatsorana hanome tsy fananana ahiahy amin’ny fetra antonintoniny? Kanefa dia tsy voatery ho very maina akory ny hanoanantsika sy ny hetahetantsika ny fahamarinana. — Matio 5:6.
Hoy ny Salamo 46:1: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” Ho hitantsika fa tsy tononkalo kanto fotsiny akory ireo teny ireo.
Araka ny fantatrao, ireo vaovao amin’ny fampitam-baovao dia manao tatitra isan’andro ny amin’ny famonoana tsy mifaditra ovana amin’ireo ady an-trano sy ireo fanafihan’ny mpampihorohoro. Any amin’ny faritra sasany amin’izao tontolo izao, dia nanjary fahita ny fandripahana ankizy na vavolombelona tsy irina. Nahoana ny aina no nanjary tsy nisy vidiny firy toy izany? Na dia mety hisy aza antony maro samihafa mahatonga izany herisetra izany, dia misy antony iray tsy tokony hodiantsika tsy hita.
Araka ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, “izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Raha ny marina, i Jesosy Kristy dia tsy nampahafantatra an’i Satana Devoly ho mpandainga fotsiny, fa ho “mpamono olona” koa. (Jaona 8:44). Mitaona ny taranak’olombelona amin’ny fomba maro samihafa io zavaboary ara-panahy mahery io, ka mampandroso ny fitomboan’ny herisetra amin’izao andro izao. “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”, hoy ny Apokalypsy 12:12. Soa ihany anefa fa itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ dia hosoloana amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. — 2 Petera 3:13.
Ho fanampin’io fanantenana mahatalanjona ny amin’ny tontolo vaovao iray io, dia fanampiana inona no ananantsika dieny izao?
Alohan’ny hijerena ilay valiny mazava ny amin’izany, dia tsara ny mitadidy fa na dia ireo Kristiana marina aza dia tsy manana antoka fa ho voaro amin’ny heloka bevava izy ireo. Ny apostoly Paoly dia nilazalaza ny amin’ireo nety ho loza sasany natrehiny manokana. Izy dia “saiky nahita loza tamin’ny ony, saiky nahita loza tamin’ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ny tompon-tany nama[ny], saiky nahita loza tamin’ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ny tanàna (...), saiky nahita loza tany an-efitra (...), saiky nahita loza tany amin’ny ranomasina”. (2 Korintiana 11:26). Tafavoaka velona tamin’ireny loza ireny anefa i Paoly. Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao; amin’ny fahamalinana, dia mbola afaka manatontosa ara-dalàna ny asantsika araka izay azo atao ihany isika. Aoka isika handinika zavatra sasany izay hanampy.
Raha miaina eo amin’ny fiaraha-monina iray mampidi-doza ny tena, dia mety ho fiarovana ny fitondran-tena tsara dia tsara, satria mandinika akaiky ny hafa ny olona. Na dia mamolavola sy manatanteraka heloka bevava aza ny mpandroba, dia maro no mihevitra ny tenany ho olon-tsotra. Halaviro ny manakiana izay ataony, ary aza manandrana mamantatra izay maha-voarohirohy azy. Amin’izay ianao dia afaka mampihena ny mety hahatonga anao hiharan’ny valy faty. Tadidio ao an-tsaina fa ny mpangalatra dia miezaka mamantatra hoe iza no nividy zavatra vaovao, na hoe iza no handeha hanao vakansy ka noho izany dia tsy ho ao an-tranony. Koa aoka ianao hahatam-bava raha ny amin’izay ambaranao amin’ny hafa.
Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nahita fa ny lazan’izy ireo amin’ny maha-mpitory dia nanolotra ho azy fiarovana be ihany. Matetika ireo mpanao heloka bevava no nampiseho fa hajainy ny Kristiana toy izany izay mahafoy tena tsy misy fiangarana mba hanampiana ny olona eo amin’ny fiaraha-monina. Ny Vavolombelona dia tsy mpamono olona na mpangalatra, ary tsy “mpiraharaha ny an’olona”, ka noho izany dia tsy fandrahonana izy ireo. — 1 Petera 4:15.
Tsy fananana ahiahy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra
Malahelo isika noho ny “fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna” nambaran’i Jesosy Kristy mialoha, kanefa dia tsy manahy tafahoatra isika fa afaka matoky kosa fa hanongotra tsy ho ela itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ Andriamanitra. Ankoatra ny fanambarana mialoha ny amin’ny asa fitoriana maneran-tany “itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ”, dia nampahatsiaro ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 24:12-14, NW.
Afaka mahazo antoka isika fa hofoanana ireo izay manao an-keriny amin’ny hafa, indraindray amin-kabibiana tsy mampino. Hoy ny Ohabolana 22:22, 23: “Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady; fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny. Ary hanimba ny ain’izay manimba azy.” Hofoanan’i Jehovah ireo mpanao ratsy toy ny mpandroba sy ny mpamono olona ary ireo mamoafady eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ankoatra izany, dia tsy hodiany tsy hita ireo iharam-pahavoazana noho ny heloka bevava toy izany. Hanonitra izay nafoin’izy ireo i Jehovah ary hamerina amin’ny laoniny ny fahasalaman’izy ireo.
Tsy azo lavina fa ireo izay ‘manalavitra ny ratsy ka manao ny soa’ dia hahazo fiainana mandrakizay, na amin’ny fahatafitana velona amin’ilay fahoriana lehibe ho avy, na amin’ny fitsanganana amin’ny maty. “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:27-29). Ho azo raisina ny soa toy izany noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jaona 3:16). Fa hanao ahoana anefa ny fiainana ao amin’ilay Paradisa tafaverina amin’ny laoniny?
Ho tena fahafinaretana ny fiainana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manambara mialoha toy izao i Jehovah: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. (Isaia 32:18). Izay rehetra mahazo fiainana mandrakizay dia ho efa nanitsy ny toetra maha-izy azy. Tsy hisy olona ho ratsy na hanao ny tsy rariny, ary tsy hisy koa olona hiharam-pahavoazana noho ny olona toy izany. Hoy i Mika mpaminany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. (Mika 4:4; Ezekiela 34:28). Mifanohitra toy inona amin’ny manodidina mampidi-doza amin’izao andro izao moa izany!
[Efajoro, pejy 6]
AOKA IANAO HO MALINA
Mpanao heloka bevava maro no miasa manontolo andro, ka manao ny heloka bevava ho fototr’asa. Mety hiasa manao andiany misy olona roa na telo izy, na dia ny iray monja aza no manambana basy anao. Mihamiharihary hatrany fa arakaraka ny maha-tanora an’ilay mpanao heloka bevava no mahatonga azy hampidi-doza kokoa. Inona no azonao atao raha manjary iharam-pahavoazana ianao?
Mitoera ho tony mba tsy hampihendratrendratra an’ilay mpangalatra — mety hahafaty anao ny fihetsiny tsy voahevitra. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia ampahafantaro fa toy izany ny tenanao. Kanefa dia aoka ianao ho vonona hanolotra izay irin’ilay mpangalatra. Raha mitaredretra ianao, dia mitombo ny loza. Aoriana kokoa, dia mety ho tsapanao fa tsy ahitan-doza ny mangataka ny hamerenany ny kara-panondronao na ny saran-dalana handehananao aotobisy.
Matetika ianao dia tsy afaka milaza hoe iza no mpanao heloka bevava. Ny mpangalatra sasany dia mpidoroka zava-mahadomelina na mpangalatra matihanina, ny hafa dia maniry hahazo vola hihinanan-kanina fotsiny. Na manao ahoana na manao ahoana, dia aza mitondra vola be. Halaviro ny mampirantiranty firavaka, peratra volamena, na famantaranandro lafo vidy. Mandehana tsotra fotsiny, tsy mampiseho tahotra. Aza mibanjina olona toy ny hoe maniry ny hamantatra azy. Raha misy fifampitifirana eny amin’ny arabe, dia midaboha amin’ny tany; azo diovina ny akanjo aorian’izany. — Polisy taloha ao Rio de Janeiro.
[Sary, pejy 5]
Mitoera ho tony ary atolory izay irin’ilay mpangalatra. Raha mitaredretra ianao, dia mitombo ny loza