Ny Lova Ara-panahy Tondraka Anananay
NOTANTARAIN’I PHILLIP F. SMITH
“Nisy fanilo narehitra izay hanazava manerana an’i Afrika ao anatin’ny haizim-pito.” Faly toy inona moa izahay namaky ireo teny etsy ambony, tao amin’ny pejy faha-75 amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1992! Ireo teny ireo dia nosoratan’i Frank W. Smith, raibenay, tamin’ny 1931, tao amin’ny taratasy iray ho an’ny Rahalahy Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay. Nanoratra i Dadabe mba hanao tatitra momba ny dia fitoriana iray nataony niaraka tamin’ny zandriny lahy.
NANAZAVA toy izao ny Diary 1992: “Niainga ho any Afrika Atsinanana Britanika i Gray Smith sy i Frank, zokiny lahy, minisitra mpisava lalana mahery fo roa avy tao Le Cap [Afrika Atsimo], mba hizaha ny fahafahana hampiely ny vaovao tsara. Naka fiara De Soto iray izy ireo, izay novany ho roulotte (trano fiara), naondrany an-tsambo niaraka tamin’ny baoritra 40 nisy boky izy io, ary dia niondrana ho any Mombasa, seranan-tsambon’i Kenya, izy ireo.”
Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Rahalahy Rutherford, i Dadabe dia nilazalaza toy izao ilay dia avy tao Mombasa nankany Nairobi, renivohitr’i Kenya: “Nanomboka ny dia faran’izay ratsy nataoko tamin’ny fiara hatramin’izay, izahay. Efatra andro maninjitra no nanaovanay ny [580 kilaometatra] (...). Isaky ny iray kilaometatra aho dia voatery nivoaka ny fiara, nitondra lapelina mba handravona ny mikitoantoana sy hanototra ireo lavaka ary hikapa farinomby goatemala sy hazo koa, mba hanotofana honahona ka ho afaka hamikitra mafy ny pne.”
Rehefa tonga tao Nairobi i Frank sy i Gray dia niasa nandritra ny 21 andro nisesy mba hizara ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nananany. “Araka ny renay”, hoy i Dadabe nanoratra, “dia niteraka fahataitairana be teo amin’ireo mpivavaka tao Nairobi ilay asa fanambarana.” Rehefa afaka izany, dia dodona i Dadabe hody tany amin’i Donovan, zanany lahy roa taona, sy i Phyllis, vadiny, izay bevohoka ny zanak’izy ireo faharoa, dia i Frank, rainay. Niondrana tamin’izay sambo voalohany azo noraisina avy tao Mombasa i Dadabe, nefa dia matin’ny tazo talohan’ny nahatongavany tany an-trano izy.
Rehefa nisaintsaina an’io fitantaran’ny Diary io izahay sy ny anabaviko ary ny zandriko lahy, dia nitodika tany amin’i Dada malalanay ny eritreritray. Tamin’ny 1991, volana vitsivitsy monja talohan’ny nahazoanay ny Diary 1992, dia maty vokatry ny fihasarotan’ny fandidiana fo natao taminy izy. Na dia mbola tsy nifankahita mihitsy tamin’ny rainy aza izy, dia nanana koa ilay fitiavana lalina an’i Jehovah nananan’ny rainy. Ho nifaly toy inona moa i Dadabe raha nahalala fa 28 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1959, ny zanany lahy dia nanaraka ny diany tamin’ny naha-minisitra kristiana nankany Afrika Atsinanana!
Ny Fiainan’i Dada tany am-boalohany
Teraka tamin’ny 20 Jolay 1931, tany Le Cap, ny rainay, roa volana taorian’ny nahafatesan’ny rainy, izay nandraisany ny anarany. Hatry ny fony vao zaza i Dada dia nampiseho ny fitiavany an’i Jehovah. Fony izy vao sivy taona monja, dia nijoro tao amin’ny gara lehibe indrindran’i Le Cap, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny filanjana takelaka misy soratra, na dia nanao azy ho fihomehezana aza ireo mpiara-mianatra taminy. Fony izy 11 taona, dia nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, izy. Indraindray i Dada dia notendrena hiasa irery tao amin’ny lalana iray manontolo, teo amin’ny fanompoana. Rehefa 18 taona izy, dia nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny antokona anabavy kristiana zokiolona, tao amin’ny faritanàna iray manamorona an’i Le Cap.
Tamin’ny 1954 ny Fikambanana Watch Tower dia nanambara fa halamina ny hisian’ny fivoriambe niraisam-pirenena ny taona nanaraka, tany Eoropa. Naniry mafy ny handeha tany i Dada, saingy tsy nanana vola ampy hanaovana ilay dia, avy tao Le Cap, izy. Koa nanao fanekena mba hiasa nandritra ny telo volana tamin’ny naha-simista, tao amin’ny toeram-pitrandrahana varahina, tany Rhodésie Avaratra (Zambia ankehitriny), àry izy. Ireo trano fanaovana tsikera ny akorana metaly dia tany anaty kirihitr’ala afrikana.
Fantatr’i Dada fa nisy Vavolombelona afrikana maro be tany Rhodésie Avaratra, koa rehefa tonga izy dia nikaroka ka nahita azy ireo ary fantany ny toerana nanaovan’izy ireo ny fivoriany. Na dia tsy nahay ny fiteny teo an-toerana aza izy, dia nifanerasera tamin’izy ireo ihany, ary nanatrika tsy tapaka ny fivorian’ny Kongregasiona Mine, an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo Eoropeana tao amin’ny toeram-pitrandrahana dia nanao fitsarana an-tendrony ara-pirazanana ary matetika dia nampiseho ny fitsarany an-tendrony tamin’ny fitenenan-dratsy ny Afrikana. Kanefa i Dada dia tsara fanahy foana.
Tamin’ny fifaranan’ireo telo volana, dia nanatona an’i Dada ny mpiasa afrikana iray izay tsy Vavolombelona ary nanontany toy izao: “Fantatrao ve ny iantsoanay anao?” Nitsiky ilay lehilahy ary nilaza hoe: “Antsoinay hoe Bwana [Atoa] Tilikambo Fiambenana ianao.”
Tamin’ny 1955, dia afaka nanatrika ny Fivoriambe “Le Royaume triomphant” tany Eoropa, i Dada. Tany izy dia nifankahita tamin’i Mary Zahariou izay tonga vadiny ny taona nanaraka. Taorian’ny fampakaram-badiny dia niorim-ponenana tao Parma, Ohio, any Etazonia, izy ireo.
Nankany Afrika Atsinanana
Nandritra ny fivoriamben’ny distrika iray tany Etazonia, dia nisy fanasana natao tamin’ireo mpamonjy fivoriambe mba hanompo tany amin’izay nilana mpitory bebe kokoa. Nanapa-kevitra ny handeha hankany Afrika Atsinanana ireo ray aman-dreninay. Araka izay hevitra natoron’ny Fikambanana Watch Tower mihitsy no nataony. Nanangona vola ampy mba hividianana karatra amin’ny saran-dalana mandroso sy miverina izy ireo, sao dia tsy hahazo asa i Dada, satria ireo nanana fahazoan-dalana hiasa ihany no navela hijanona tao amin’io faritany io.
Rehefa nahazo pasipaoro sy visas, ary natao vaksiny, tamin’ny Jolay 1959, i Dada sy i Neny, dia niondrana tamin’ny sambo mpitondra entana iray avy tao New York nankany Mombasa, nandalo tany Le Cap. Naharitra efatra herinandro ny dian’izy ireo. Tao Mombasa, tao amin’ilay seranana, izy ireo dia nahazo fandraisana mafana avy tamin’ireo rahalahy kristiana izay tonga talohany mba hanompo tany amin’izay nila fanampiana bebe kokoa. Rehefa tonga tao Nairobi izy ireo, dia nahita taratasy iray niandry azy i Dada. Valin’ny fangatahany toerana ho simista tao amin’ny Geological Survey Department tao Entebbe, any Ouganda, ilay izy. Nandray fiarandalamby nankany Kampala, any Ouganda, i Dada sy i Neny, toerana izay nanadinadinana an’i Dada ka nandraisana azy hiasa. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona hafa iray tao amin’ny faritr’i Entebbe-Kampala, dia i George Kadu.
Nandoa ny vola nianaran’i Dada ny fiteny luganda, fiteny teo an-toerana, ny fitondram-panjakan’ny mpanjana-tany. Faly be izy satria efa nikasa hianatra azy io ihany, mba hahafahany hahita fahombiazana bebe kokoa teo amin’ny fanompoana. Tatỳ aoriana aza i Dada dia nanampy tamin’ny fandikana ilay bokikely hoe: “Ity Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Ity”, tamin’ny fiteny luganda.
Tsy nanan-tahotra i Dada teo amin’ny fanaovana fanambarana tamin’ny hafa. Niresaka tamin’ireo Eoropeana rehetra tao amin’ny sampan-draharaha nisy azy izy, ary nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fitoriana tamin’ireo Ougandais. Nanao fanambarana tamin’ny lehiben’ny mpisolovava afrikana tany Ouganda mihitsy aza i Dada. Tsy vitan’ny hoe nihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana fotsiny ilay rangahy, fa nanasa an’i Dada sy i Neny hiara-misakafo antoandro taminy koa.
Teraka tamin’ny 1960 i Anthe, anabaviko, ary izaho dia tamin’ny 1965. Nanjary tena niraiki-po be tamin’ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay kongregasiona kely nefa nitombo, tao Kampala renivohitra, ny fianakavianay. Tamin’ny naha-hany Vavolombelona fotsy hoditra tao akaikin’i Entebbe anay, dia nanana fanandraman-javatra mampihomehy sasany izahay. Indray mandeha ny naman’i Dada iray dia nanao fijanonana tsy nampoizina tamin’ny diany tao Entebbe, ary nanandrana nitady an’i Dada. Tsy nahomby izy mandra-panontaniny hoe: “Fantatrao ve ilay mpivady eoropeana eto, izay Vavolombelon’i Jehovah?” Avy hatrany ilay olona dia nitondra azy nivantana tany an-tranon’i Dada sy i Neny.
Nanana fanandraman-javatra sarotra koa izahay, anisan’izany ny fiaretana fikomiana roa nisy fampiasana fitaovam-piadiana. Nisy fotoana nitifiran’ireo miaramilan’ny fitondram-panjakana na iza na iza anisan’ilay antokom-pirazanana voafaritra tsara. Andro aman’alina dia nisy tifitra vary raraka. Koa satria nisy fe-potoana tsy azo nivezivezena nanomboka tamin’ny enina ora hariva ka hatramin’ny enina ora maraina, dia natao tamin’ny tolakandro tao an-tranon’ny ray aman-dreniko, tao Entebbe, ny fivoriana.
Tatỳ aoriana, rehefa nifarana ny fe-potoana nampiharana ny tsy fahazoana mivezivezy, dia nitondra anay tany Kampala ho amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, i Dada. Nisy miaramila iray nanambana anay tamin’ny basy sy nampijanona ny fiaranay ary nitaky ny hahafantatra izay halehanay. Vao zazakely aho tamin’izay, ary dimy taona i Anthe. Rehefa nanazava mora i Dada, tamin’ny fampisehoana tamin’ilay miaramila ireo Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra teny aminay, dia namela anay handeha izy.
Tamin’ny 1967, taorian’ny efa ho valo taona tany Ouganda, dia nanapa-kevitra ny hiverina teto Etazonia ny ray aman-dreniko noho ny zava-nanahirana ara-pahasalamana sy ny andraikitra ara-pianakaviana. Tonga anisan’ny Kongregasiona Canfield, Ohio, izahay, toerana izay nanompoan’i Dada tamin’ny naha-loholona. Tao ireo ray aman-dreniko dia nitombo tamin’ny fitiavana lalina ny rahalahy, sahala amin’ny nitiavany ilay kongregasiona kely tany Kampala.
Fanabeazana kristiana feno fitiavana
Tamin’ny 1971 dia teraka i David, zandriko lahy. Rehefa nihalehibe izahay dia nobeazina tao anatin’ny rivo-piainana feno fitiavana sy hafanana. Tsy isalasalana fa izany dia nipoitra avy tamin’ny fifandraisana feno fitiavana nisy teo amin’ny ray aman-dreninay.
Fony izahay mbola kely, i Dada dia namaky foana tantara iray tao amin’ny Baiboly taminay, tamin’ny fotoana fatoriana, nivavaka, ary avy eo, zavatra izay tsy fantatr’i Neny, dia nanome anay vatomamy nifono mavomavo namirapiratra. Nianatra foana Ny Tilikambo Fiambenana niaraka tamin’ny naha-fianakaviana izahay, na taiza na taiza no nisy anay. Nandritra ny fialan-tsasatry ny fianakaviana, indray mandeha izahay dia nianatra azy io teo amin’ny tehezan-tendrombohitra iray, ary tamin’ny fotoana hafa iray dia teo am-pitazanana ny ranomasimbe. Matetika i Dada dia nanamarika fa ireny no sasany tamin’ireo fahatsiarovana nahafinaritra azy indrindra. Nilaza izy fa nalahelo an’ireo izay tsy mba mahazo ny fifaliana lehibe entin’ny fianaram-pianakaviana.
Raha ny amin’ny fampisehoana fitiavana an’i Jehovah, dia nampianatra tamin’ny alalan’ny ohatra i Dada. Na oviana na oviana no tonga ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! vaovao, na nahazo zavatra vita an-tsoratra hafa navoakan’ny Watchtower izahay, dia namaky tamim-pahadodonana ny tao anatiny i Dada. Nianaranay taminy fa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia tsy tokony horaisina ho tsinontsinona, fa tokony hoheverina ho harena sarobidy. Iray amin’ireo fanananay sarobidy indrindra dia ny Baiboly Misy Fakan-teny an’i Dada. Saika ny pejy rehetra dia feno fanamarihana notsimponina avy tamin’ireo fianarana nataony. Ankehitriny izahay rehefa mamaky ireo fanamarihana eny an-tsisim-pejy nataony, dia toy ny mbola afaka mandre azy mampianatra sy manome torohevitra anay ihany.
Nahatoky hatramin’ny farany
Tamin’ny 16 May 1991, fony i Dada tany amin’ny fanompoana teo amin’ny saha, dia voan’ny fihetsehan’ny aretim-po tampoka izy. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nampiharana fandidiana fo izay toa nahomby izy. Kanefa tamin’ilay alina nanaraka ny fandidiana, dia nahazo antso an-telefaonina avy tamin’ny hopitaly, izahay. Voan’ny lotsi-dra i Dada, ary tena velom-panahiana ny dokotera. Nentina niverina indroa tany amin’ny efitrano fandidiana izy tamin’io alina io mba hanandramana hampijanona ny fandehanan’ny ra, nefa tsy nahomby izany. Tsy nety nandry ny ran’i Dada.
Ny ampitson’iny, rehefa niharatsy haingana ny toe-pahasalaman’i Dada, dia niresaka nitokana tamin’ny reniko aloha ny dokotera, ary avy eo dia tamin’ny zandriko lahy, mba hanandramana hanery azy ireo hanaiky fampidiran-dra ho an’i Dada. Kanefa i Dada dia efa nilaza mialoha tamin’ny dokotera fa tsy hanaiky fampidiran-dra izy, na toy inona na toy inona toe-javatra. Nohazavainy tamin’izy ireo ny antony araka ny Soratra Masina nandavany ra, nefa kosa nilaza izy fa hanaiky fitsaboana hafa tsy ampiasana ra. — Levitikosy 17:13, 14; Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
Ny fankahalana fototra teo amin’ny mpiasan’ny fitsaboana sasantsasany dia niteraka rivo-piainana tena henjana tao amin’ilay sampan-draharaha mikarakara ny marary mafy. Izany, niaraka tamin’ny fiharatsian’ny toe-pahasalaman’i Dada, indraindray dia nihoatra noho ny azonay nozakaina. Nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah izahay ary niezaka koa nampihatra ireo fanoloran-kevitra azonay. Koa rehefa nitsidika ny sampan-draharaha mikarakara ny marary mafy izahay, dia niakanjo tsara foana ary feno fanajana an’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Naneho fahalianana narisika tamin’ny toe-pahasalaman’i Dada izahay, tamin’ny fanaovana fanontaniana tena nisy heviny, ary nisaoranay ny mpiasa rehetra tafiditra tamin’ny fikarakarana an’i Dada.
Tsy hoe tsy voamariky ny mpiasan’ny fitsaboana akory ny ezaka nataonay. Tao anatin’ny andro vitsy dia niova ho rivo-piainana nampiseho hatsaram-panahy ilay rivo-piainana henjana teo. Ireo mpitsabo mpanampy niahy ny amin’i Dada dia nanara-maso hatrany ny fihatsarany, na dia tsy voatendry intsony hikarakara azy aza izy ireo. Na dia ny dokotera iray izay tena tsy nahalala fomba taminay aza, dia nihanalefaka ka tonga hatramin’ny fanontaniana an’i Neny hoe nanao ahoana izy izay. Nanohana anay tamim-pitiavana koa ny kongregasionanay sy ny havanay. Nandefa sakafo sy cartes fampiononana maro izy ireo, ary nivavaka ho anay.
Nampalahelo fa tsy nandaitra mihitsy tamin’i Dada ny fitsaboana. Maty izy folo andro taorian’ny fandidiana azy voalohany. Nalahelo mafy an’i Dada izahay. Indraindray dia manafotra ny fahatsapana famoizana. Soa ihany fa mampanantena ilay Andriamanitsika fa ‘hitondra ny entantsika isan’andro isan’andro’ izy, ary nianatra niantehitra taminy mbola tsy nisy toy izany izahay. — Salamo 68:19.
Izahay rehetra dia tapa-kevitra fa hanohy hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana koa mba hanananay ny fifaliana hahita an’i Dada ao amin’ny tontolo vaovao. — Marka 5:41, 42; Jaona 5:28; Asan’ny Apostoly 24:15.
[Sary, pejy 21]
Frank Smith sy Phyllis reniny, tany Le Cap
[Sary, pejy 22]
Dada sy Neny tamin’ny fotoan’ny fampakaram-badiny
[Sary, pejy 23]
Tamin’ny batisa voalohany tao Entebbe, dia nanofa ny dobon’ny lehibe afrikana iray ireo rahalahy
Fiarahabana araka ny fomba amam-panao
[Sary, pejy 24]
Dada sy Neny fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’i Dada