FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/7 p. 4-7
  • Mpanapaka eo Amin’ny Tontolo Ara-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanapaka eo Amin’ny Tontolo Ara-panahy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Persona tena misy iray manohitra an’Andriamanitra
  • Ny antony namelana an’i Satana hanapaka
  • Kely sisa ny andron’i Satana!
  • Fifaliana eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Satana Devoly
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Satana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Satana
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/7 p. 4-7

Mpanapaka eo Amin’ny Tontolo Ara-panahy

IZA no manapaka izao tontolo izao? Moa ve misy karazana fanaraha-maso sasany ambony noho ny olombelona? Sa navelan’Andriamanitra ny olombelona hiahy ny tenany ihany? Eo am-pitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia aoka hodinihintsika aloha ny zava-nitranga iray nandritra ny fanompoan’i Jesosy Kristy teto an-tany.

Fotoana fohy taorian’ny batisany, i Jesosy dia nalain’ny zavaboary ara-panahy tsy hita maso iray, antsoina hoe Satana Devoly, fanahy. Rehefa manonona ny iray amin’ireo fakam-panahy ny Baiboly dia milaza hoe: “Ny devoly nitondra [an’i Jesosy] indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny”. (Matio 4:8). Avy eo dia hoy i Satana tamin’i Jesosy: “Homeko Anao izao [fahefana, NW ] rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.” — Lioka 4:6, 7.

I Satana dia nilaza ho nanana fahefana teo amin’ny fanjakana, na fitondram-panjakana rehetra, eo amin’itỳ tontolo itỳ. Nolavin’i Jesosy ve io filazana io? Tsia. Raha ny marina, dia nohamafisiny izany tamin’ny fotoana hafa iray, tamin’ny firesahana an’i Satana ho “ny mpanapaka izao tontolo izao”. — Jaona 14:30, NW.

Araka ny Baiboly, i Satana dia anjely ratsy fanahy iray manana hery lehibe. I Paoly, apostoly kristiana, dia mampifandray akaiky an’i Satana amin’ny “fanahy ratsy” ary miresaka azy ireo ho “mpanapaka ny tontolon’izao fahamaizinana izao”. (Efesiana 6:11, 12, NW ). Ambonin’izany, ny apostoly Jaona dia nilaza fa ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’. (1 Jaona 5:19). Manambara ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly, fa i Satana dia “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9). Amin’ny teny ara-panoharana, ny Apokalypsy dia milazalaza koa an’i Satana ho toy ny dragona iray izay manome “ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe” ho an’ny fandehan-javatra ara-politikan’izao tontolo izao. — Apokalypsy 13:2.

Ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao dia manaporofo koa fa misy hery ratsy iray miasa, mampiasa ny olombelona araka izay tiany mba hampiditra fahavoazana ho azy. Noho ny antony hafa inona no tsy ahombiazan’ireo fitondram-panjakan’olombelona eo amin’ny fampandrosoana ny fandriampahalemana? Zavatra hafa inona no nanosika ny olona hifankahala sy hifandringana? Tsiravina noho ny vonoana olona nisy ra nandriaka sy ny fahafatesana tamin’ny ady an-trano iray ny vavolombelona nanatri-maso iray ka nilaza hoe: “Tsy fantatro ny fomba nety ho nitrangan’io habibiana io. Mihoatra noho ny fankahalana ilay izy. Fanahy ratsy iray no mampiasa ireny olombelona ireny mba hifandringana.”

Persona tena misy iray manohitra an’Andriamanitra

Amin’izao andro izao, dia olona maro no tsy mino fa misy i Satana Devoly. Kanefa, izy io dia tsy ny fotopototry ny faharatsiana ao amin’ny taranak’olombelona fotsiny, araka ny finoan’ny sasany. Ny Baiboly sy ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao dia samy mampiseho fa persona tena misy izy io. Ankoatra izany, i Satana dia manohitra tanteraka an’i Jehovah Andriamanitra. Mazava ho azy, fa tsy mitovy amin’Andriamanitra i Satana. Koa satria i Jehovah no ilay Mpamorona mahery indrindra, dia izy no ilay Mpanapaka ara-dalàna eo amin’ny zavatra noforonina rehetra. — Apokalypsy 4:11.

Tsy namorona zavaboary ratsy fanahy iray hanohitra ny tenany Andriamanitra. Iray tamin’ireo “zanak’Andriamanitra” anjely kosa no nampitombo faniriana feno fitiavan-tena, handrombaka ho an’ny tenany ny fanompoam-pivavahana izay an’i Jehovah ara-dalàna. (Joba 38:7; Jakoba 1:14, 15). Nitarika azy hanaraka ny lalan’ny fikomiana tamin’Andriamanitra io faniriana io. Tamin’ny fikomiany, io zavaboary ara-panahy io dia nanao ny tenany ho Satana (midika hoe “mpanohitra”) sy Devoly (midika hoe “mpanendrikendrika”). Rehefa dinihina izany rehetra izany, dia mety hanontany tena ny amin’ny antony namelana an’i Satana hanapaka izao tontolo izao, ianao.

Ny antony namelana an’i Satana hanapaka

Tsaroanao ve izay nolazain’i Satana tamin’i Jesosy momba ny fanapahana eo amin’ny tany? “Homeko Anao izao fahefana rehetra izao (...) fa efa natolotra ahy izany”, hoy i Satana. (Lioka 4:6, NW ). Io fanambarana io dia mampiseho fa tsy mampihatra fahefana afa-tsy noho ny famelan’Andriamanitra i Satana Devoly. Kanefa, nahoana Andriamanitra no mandefitra amin’i Satana?

Ny valin’io fanontaniana io dia mifandray amin’ireo fisehoan-javatra tao amin’ny sahan’i Edena, izay nanombohan’i Satana ny asa nofidiny hatao eo amin’ny fiainana amin’ny maha-mpanapaka izao tontolo izao. Tao i Satana dia nanolo-kevitra fa Andriamanitra dia nanapaka tamin’ny fomba ratsy tamin’ny fanesorana zavatra tsara tamin’ilay lehilahy sy vehivavy voalohany, dia i Adama sy i Eva. Araka ny hevitr’i Satana, raha nihinana tamin’ilay voankazo nandraran’Andriamanitra izy ireo dia ho nafahana. Ho olona afaka i Adama sy i Eva, ary tsy hiankina amin’i Jehovah. Ho tahaka an’Andriamanitra mihitsy izy ireo! — Genesisy 2:16, 17; 3:1-5.

Tamin’ny filazana lainga tamin’izany fomba izany, sy tamin’ny fitaomana tamim-pitaka an’i Eva ary tamin’ny alalany dia nitarika an’i Adama handika ny lalàn’Andriamanitra, i Satana dia nitondra ny mpivady olombelona voalohany ho eo ambany fitarihany sy fifehezany. Araka izany dia tonga andriamaniny ny Devoly, dia ilay nanohitra an’i Jehovah. Kanefa, tsy fanafahana no hitan’i Adama sy i Eva, fa fanandevozan’i Satana sy fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana kosa. — Romana 6:16; Hebreo 2:14, 15.

Mifanaraka amin’ny rariny tonga lafatr’i Jehovah, dia ho azony natao ny namono ho faty avy hatrany an’i Satana sy ireo mpanara-dia vaovao roa azy. (Deoteronomia 32:4). Kanefa, nisy raharaha ara-pitondran-tena niadian-kevitra tafiditra. Nihaika ny maha-ara-dalàna ny fomba fanapahan’i Jehovah i Satana. Noho ny fahendreny, Andriamanitra dia namela ny fotoana handalo mba hanaporofoana fa mitondra ho amin’ny loza ny tsy fiankinana aminy. Namela ireo mpikomy hanohy ho velona nandritra ny fotoana sasany i Jehovah, ka namela an’i Adama sy i Eva hanana taranaka. — Genesisy 3:14-19.

Na dia tsy nanaiky ny fanapahan’i Jehovah aza ny ankamaroan’ny taranak’i Adama, ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ireo mpivavaka taminy dia nampiharihary ny fahambonian’izy io. Mitondra fahasambarana sy tena tsy fananana ahiahy ny fanekena araka ny tokony ho izy ny fahefan’i Jehovah. Etsy an-danin’izany, dia fahoriana be sy fananana ahiahy no vokatry ny fanapahan’olombelona eo ambany fitaoman’i Satana. Eny, ‘nanapaka ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy’. (Mpitoriteny 8:9). Tsy nahita ny tena tsy fananana ahiahy sy ny fahasambarana maharitra ny olombelona teo ambany fanapahan’olombelona, eto amin’itỳ tontolo eo ambany fanapahan’i Satana itỳ. Kanefa misy antony marim-pototra maha-be fanantenana.

Kely sisa ny andron’i Satana!

Mihelina ihany ny fitaoman’i Satana eto an-tany. Tsy handefitra ela intsony amin’ny fanapahan’i Satana i Jehovah! Tsy ho ela dia tsy havela hanao zavatra intsony ny Devoly. Handray ny fifehezana ny tany ny mpanapaka vaovao iray, dia mpanjaka marina iray nofidin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy. I Jesosy Kristy io Mpanjaka io. Mahakasika ny nandraisany fiandrianana tany an-danitra, dia hoy ny Apokalypsy: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny”. (Apokalypsy 11:15). Ny fandaharan-taonan’ny Baiboly, miaraka amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina, dia manaporofo fa nitranga tamin’ny taona 1914 io fisehoan-javatra io. — Matio 24:3, 6, 7.

Ny Baiboly dia milazalaza koa izay nitranga fotoana fohy taorian’ny nandraisan’i Jesosy fiandrianana. Hoy izy: “Nisy ady tany an-danitra: Mikaela [Jesosy Kristy] sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona [Satana Devoly]; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” — Apokalypsy 12:7-9.

Inona no ho vokatry ny fandroahana an’i Satana avy tany an-danitra? Afaka nifaly ny tany an-danitra, kanefa ahoana ny amin’ny mponina amin’ny tany? “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina”, hoy ny Apokalypsy 12:12, “fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Tsy azo lavina fa nitondra loza ho an’ny tany ny fanipazana an’i Satana avy tany an-danitra. Manambara toy izao ny The Columbia History of the World: “Ny loza nahatsiravina lehibe nentin’ny Ady Efa-taona tamin’ny 1914–1918 (...) dia nampiseho tamin’ny tontolo tandrefana fa izy io dia tsy afaka niaro ny sivilizasiona tamin’ny hadalan’ny tenany na ny hery ratsy nanosika azy. Mbola tsy tena sitrana tamin’izany fahasimbana lehibe izany ny tanjaka ara-tsain’ny Tandrefana.”

Voamariky ny zavatra be lavitra noho ny toe-tsaina simba ny loza hitan’itỳ taranaka itỳ. Naminany toy izao i Jesosy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” Nanambara mialoha areti-mandringana koa izy. (Matio 24:7, 8; Lioka 21:11). Ambonin’izany, ny Baiboly dia milaza fa amin’ny ‘andro faran’ny’ fandehan-javatr’i Satana, dia maro no “ho tia tena, ho tia vola, (...) tsy manoa ray sy reny, (...) mpanontolo fo”. Ny olona dia ho “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra” koa. — 2 Timoty 3:1-5.

Ny ady, ny areti-mandringana, ny mosary, ny horohoron-tany sy ny fiharatsian’ny fari-pitondran-tena — ireo zavatra rehetra ireo dia nitranga tamin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany nanomboka tamin’ny 1914, araka ny nanambaran’ny Baiboly azy mialoha tokoa. Izy ireo dia manambara fa ilay fahavalo romotr’Andriamanitra sy ny olona — i Satana Devoly — dia natsipy avy tany an-danitra, ary ankehitriny izy dia tsy maintsy mametra ny fahatezerany ho amin’ny faritry ny tany. Mampiseho koa anefa ny Baiboly, fa tsy havela hiasa ela intsony i Satana. Tsy manana afa-tsy ‘andro kely sisa’ tavela izy mandra-pahatongan’ny Haramagedona, rehefa handrava ny fandehan-javatr’itỳ tontolo itỳ fehezin’i Satana, Andriamanitra.

Inona no hitranga amin’i Satana avy eo? Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona, dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny”. (Apokalypsy 20:1-3). Ho fanamaivanana re izany ho an’ny olombelona mijaly!

Fifaliana eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana

Rehefa tsy ho afaka hisalovana intsony i Satana, dia handray ny fifehezana feno ny raharahan’ny olombelona ilay Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy. Tsy hisy fitondram-panjakana maro eto an-tany, fa fitondram-panjakana any an-danitra tokana ihany kosa no hitoetra mba hanapaka ny planeta manontolo. Ho zavatra momba ny lasa ny ady, ary hanjaka hatraiza hatraiza ny fandriampahalemana. Eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hiara-monina amim-pirahalahiana feno fitiavana ny rehetra. — Salamo 72:7, 8; 133:1; Daniela 2:44.

Hiharihary ho karazana mpanapaka manao ahoana moa i Jesosy? Fony teto an-tany izy, dia nampiseho fitiavana lalina ny olona. Nanome, tamim-pangoraham-po, sakafo ho an’ireo noana i Jesosy. Nositraniny ny marary ary naveriny tamin’ny laoniny ny fahitan’ny jamba, ny fahaiza-mitenin’ny moana sy ny fahasalaman’ny rantsambatan’ny mandringa. Namerina mihitsy ny maty ho amin’ny fiainana indray aza i Jesosy! (Matio 15:30-38; Marka 1:34; Lioka 7:11-17). Ireo fahagagana ireo dia topy maso mialoha ny amin’ireo zavatra mahatalanjona mbola hataony amin’ny maha-mpanjaka azy. Hahafinaritra toy inona moa ny hanana mpanapaka mpanao soa toy izany!

Hanandrana fitahiana tsy hanam-pahataperana ireo manaiky ny fiandrianan’i Jehovah. Mampanantena toy izao ny Soratra Masina: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:5, 6). Rehefa nanondro mialoha izany andro lehibe izany ny apostoly Jaona dia nanoratra toy izao: “Nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:3, 4.

Ny haravoana hatolotry ny fanapahan’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany, i Jesosy Kristy, dia hanao mihoatra noho ny hanonitra ny fijaliana rehetra nety ho hitantsika teto amin’itỳ fandehan-javatra ankehitriny fehezin’i Satana Devoly itỳ. Ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ny olona dia tsy hanontany tena hoe: ‘Iza marina no manapaka?’ (2 Petera 3:13). Ho sambatra ny olombelona mankato ary tsy hanana ahiahy ao amin’ny faritra eto an-tany hotapahin’ireo Mpanapaka be fitiavana, ao amin’ny tontolo ara-panahy, dia i Jehovah sy i Kristy. Nahoana no tsy raisina ny fanantenana ho anisan’ny olom-pehezin’izy ireo?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

NASA photo

[Sary, pejy 7]

Tsy hanana ahiahy ny olombelona ao amin’ny faritra eto an-tany hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara