Mpiara-monina eo Amin’ny “Tany” Iray Tafaverina Amin’ny Laoniny
“Hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo”. — ISAIA 61:6.
1, 2,. a) Nanao ahoana ny tarehin-javatra nisy ny proselyta tany Isiraely? b) Toe-tsaina manao ahoana no asehon’ny mpikambana amin’ny “olona betsaka” amin’ny andro maoderina?
TAMIN’NY andro fahiny, ny Isiraely, fony nahatoky, dia niasa tamin’ny naha-vavolombelon’ny voninahitr’i Jehovah teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao. (Isaia 41:8, 9; 43:10). Olona hafa firenena maro no namaly ka tonga nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah niaraka tamin’ny vahoaka voafidiny. Raha ny marina, izy ireo dia nilaza tamin’ny Isiraely izay nolazain’i Rota tamin’i Naomy hoe: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”. (Rota 1:16). Nanaiky ny fepetra tamin’ny faneken’ny Lalàna izy ireo, ka noforana ny lehilahy taminy. (Eksodosy 12:43-48). Nanambady Isiraelita ny vehivavy sasany taminy. Tonga razamben’i Jesosy Kristy i Rahaba avy tao Jeriko sy i Rota Moabita. (Matio 1:5). Anisan’ny kongregasionan’ny Isiraely ireny proselyta ireny. — Deoteronomia 23:7, 8, NW.
2 Nitovy tamin’ny proselyta teo amin’ny Isiraely, ny “olona betsaka” amin’izao andro izao dia nilaza tamin’ny sisa voahosotra hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Apokalypsy 7:9; Zakaria 8:23). Manaiky izy ireo fa ireny Kristiana voahosotra ireny no ‘mpanompon’i Jehovah mahatoky sy malina’, ary miara-miasa akaiky aoka izany aminy izy ireo, hany ka ‘andiany iray sady iray ihany ny Mpiandry’ ny voahosotra sy ny “ondry hafa”. (Matio 24:45-47, NW; Jaona 10:16). Inona no hitranga amin’ny olona betsaka rehefa handray ny valisoany any an-danitra ny rahalahiny voahosotra rehetra? Tsy mila ny hatahotra izy ireo. Mandritra izao “andro farany” izao, i Jehovah dia nanao fanomanana ho amin’izany fotoana izany. — 2 Timoty 3:1, NW.
“Tany” ara-panahy iray
3. Inona moa ny “lanitra vaovao” voalazan’ny faminanian’i Petera, ary oviana izy io no naorina?
3 Voalazan’ny faminanian’ny apostoly Petera ny amin’ilay fandaharam-pitondrana any an-danitra izay hanana ny Kristiana voahosotra 144 000 ho anisany. Hoy izy: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Naorina tamin’ny 1914 io “lanitra vaovao” io, fony nomena seza fiandrianana ho Mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra i Kristy. Kanefa ahoana ny amin’ny “tany vaovao”?
4. a) Fisehoan-javatra tsy nampoizina inona no nitranga tamin’ny 1919? b) Inona moa ilay ‘firenena natao indray niteraka’, ary inona ilay ‘tany nateraka’?
4 Tamin’ny 1919, i Jehovah dia nitondra ny sisa voahosotra nivoaka avy tamin’ny fahababoana tao Babylona Lehibe. (Apokalypsy 18:4). Ho an’ireo mpitondra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia tsy nampoiziny tanteraka io fisehoan-javatra nanaitra io. Mikasika azy io, dia hoy ny Baiboly: “Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka?” (Isaia 66:8). Rehefa nipoitra tampoka teo anatrehan’ireo firenena tamin’ny naha-vahoaka afaka ny kongregasiona voahosotra, dia tena firenena iray ‘natao indray niteraka’ tokoa izy io. Inona anefa ilay “tany”? Amin’ny heviny iray, izy io dia ny nifandanja ara-panahy tamin’ny tanin’ny Isiraely fahiny. Izy io dia ny faritra hiasana nomena ilay “firenena” vao teraka, toerana iray izay ahitana ny fahatanterahana maoderina, ara-panahin’ireo faminaniana momba ny Paradisa ao amin’ny bokin’i Isaia. (Isaia 32:16-20; 35:1-7; ampitahao amin’ny Hebreo 12:12-14.) Na aiza na aiza no misy ny tenan’ny Kristiana iray, dia ao amin’io “tany” io izy.
5. Inona no ilay votoaty nanjary nisy tamin’ny 1919? Hazavao.
5 Inona no nifandraisan’izany tamin’ilay “tany vaovao” voalazan’ny faminanian’i Petera? Io “firenena” vaovao io, teraka tamin’ny 1919 tao amin’ny “tany” iray tafaverina tamin’ny laoniny, dia tokony hitombo ka ho tonga fandaminana maneran-tany iray voaforona mpidera an’i Jehovah voahosotra sy tsy voahosotra. Ho tafita velona amin’ny Haramagedona io fandaminana io ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Amin’izany lafiny izany no azo iheverana an’io firenena io ho votoatin’ny fitambaran’olona marina, ny tany vaovao, izay hisy aorian’ny fandravana ny tontolon’i Satana.a Teo antenatenan’ireo taona 1930, ireo voahosotra, tamin’ny fitambarany, dia nangonina ho ao amin’ilay tany tafaverina tamin’ny laoniny. Nanomboka tamin’izay, dia nantitranterina ny fanangonana ny olona betsaka amin’ny ondry hafa, izay miisa efa ho dimy tapitrisa amin’izao andro izao. (Apokalypsy 14:15, 16). Be loatra ve ny mponina ao amin’ilay “tany”? Tsia, azo itarina lavitra araka izay ilaina ny sisin-taniny. (Isaia 26:15). Eny tokoa, mampientana ny mahita ny mponina ao aminy mihamitombo arakaraka ny amenoan’ny sisa voahosotra ilay “tany” amin’ny ‘vokatra’ — sakafo ara-panahy mahasalama, mampahatanjaka. (Isaia 27:6). Kanefa, inona no toeran’ireny anisan’ny ondry hafa ireny ao amin’ilay “tany” tafaverina amin’ny laoniny misy ny vahoakan’Andriamanitra?
Hafa firenena miasa ao amin’ilay “tany”
6. Ahoana no iasan’ny hafa firenena ao amin’ilay “tany” misy ny vahoakan’Andriamanitra?
6 Tsy nisy hafa tamin’ny naneken’ny proselyta tao amin’ny tanin’ny Isiraely ny Lalàn’i Mosesy, no ankatoavan’ny olona betsaka ao amin’ilay “tany” tafaverina amin’ny laoniny ny didin’i Jehovah amin’izao andro izao. Ampianarin’ny rahalahiny voahosotra izy ireo, ka mifady ny fivavahan-diso amin’ny endriny rehetra ary mitandrina ny fahamasinan’ny ra. (Asan’ny Apostoly 15:19, 20; Galatiana 5:19, 20; Kolosiana 3:5). Tia an’i Jehovah amin’ny fony, ny sainy, ny fanahiny, sy ny heriny rehetra izy ireo ary tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany. (Matio 22:37; Jakoba 2:8, NW ). Teo amin’ny Isiraely fahiny, ny proselyta dia nanampy tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Solomona sy nanohana ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. (1 Tantara 22:2; 2 Tantara 15:8-14; 30:25). Amin’izao andro izao, ny olona betsaka dia mandray anjara koa amin’ny tetik’asa fanorenana. Ohatra, manampy amin’ny fampitomboana kongregasiona sy fizaran-tany izy ireo, tsy resahina intsony ny amin’ny fanatontosana tetik’asa fanorenana, toy ireo Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary tranon’ny sampana.
7. Inona no nitranga tao Jerosalema taorian’ny sesitany rehefa tsy ampy ny Levita nanatanteraka ireo fanompoana tao amin’ny tempoly?
7 Tamin’ny 537 al.f.i., rehefa niverina avy tamin’ny sesitany tany Babylona ny Isiraely, dia nanomboka nandamina ny fanompoana tao amin’ilay tempoly naorina indray. Kanefa, tsy dia maro ny Levita niverina. Noho izany, ny Netinima — vahiny voafora izay nanampy ny Levita teo aloha — dia nomena tombontsoa nitombo teo amin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly. Tsy nitovy lenta tamin’ny mpisorona voahosotra taranak’i Arona anefa izy ireo.b — Ezra 7:24; 8:15-20; Nehemia 3:22-26.
8, 9. Ahoana no andraisan’ny ondry hafa anjara mihamitombo amin’ny asa fanolorana fanompoana masina mandritra ny andro farany?
8 Nanaraka izany modely izany ny Kristiana voahosotra amin’izao andro izao. Arakaraka ny nandrosoan’ny “andro farany”, dia nanjary nihavitsy hatrany ny sisa voahosotra eo amin’ilay “tany” misy ny vahoakan’Andriamanitra. (Daniela 12:9; Apokalypsy 12:17). Noho izany, ankehitriny ny olona betsaka dia manatanteraka ny ankabeazan’ny asa fanolorana “fanompoana masina”. (Apokalypsy 7:15, NW ). Amin’ny fanarahana ny fitarihan’ireo rahalahiny voahosotra, izy ireo dia ‘manatitra ny fanati-piderana ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany’. ‘Tsy manadino hanao soa sy hiantra’ izy ireo, satria fantany fa “fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra”. — Hebreo 13:15, 16.
9 Ambonin’izany, noho ny olona betsaka mihamitombo ana hetsiny maro isan-taona, dia mitombo hatrany koa ny fiandraiketana ilaina. Tamin’ny lasa, dia nosahanin’ny Kristiana voahosotra irery ihany izany. Ankehitriny, ny fiandraiketana ny ankamaroan’ny kongregasiona, ary koa ny fizaran-tany sy ny distrika ary ny sampana, dia voatery nankinina tamin’ny ondry hafa. Tamin’ny 1992, dia vitsivitsy tamin’izy ireo no nomena tombontsoa hanatrika ny fivorian’ireo komitin’ny Fitambara-mpitantana sy ho mpanampy tsy manapa-kevitra. Na dia izany aza, dia mitoetra ho tsy mivadika amin’ny Kristiana voahosotra namany ny ondry hafa ary mahatsiaro tena ho manana tombontsoa manohana azy amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah mahatoky sy malina azy. — Matio 25:34-40.
‘Toy ny loham-pirenena’
10, 11. Tamin’ny fanarahana ny modelin’ny Filistina sasany, tamin’ny fomba ahoana no niova fo ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra taloha sasany? Inona no vokatr’izany?
10 Ny fomba nampiasan’ny mpanompo mahatoky sy malina ny ondry hafa teo amin’ny toerana misy andraikitra dia efa voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 9:6, 7. Izao no vakintsika ao: “Hofoanako ny reharehan’ny Filistina. Hesoriko eny am-bavany ny rany, sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ny nifiny; ary izy koa ho sisa ho an’Andriamanitsika sy ho toy ny lohany amin’ny firenen’i Joda, ary Ekrona ho toy ny Jebosita”.c Fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah ny Filistina, toy ny tontolon’i Satana amin’izao andro izao. (1 Jaona 5:19). Tsy nisy hafa tamin’ny nanafoanana ny Filistina tamin’ny naha-vahoaka azy tamin’ny farany, no hampiharana tsy ho ela amin’itỳ tontolo itỳ, miaraka amin’ny tapany aminy ara-pivavahana sy ara-politika ary ara-barotra, ny fahatezerana mandravan’i Jehovah. — Apokalypsy 18:21; 19:19-21.
11 Kanefa, araka ny tenin’i Zakaria, dia nisy Filistina sasany niova fo, ary izany dia tandindon’ny hoe hisy olon’izao tontolo izao sasany tsy hitoetra handrafy an’i Jehovah amin’izao andro izao. Hitsahatra tsy hanao fanompoan-tsampy ara-pivavahana miaraka amin’ireo fombafombany mahatsiravina sy sorony maharikoriko izy ireo ka ho voadio eo imason’i Jehovah. Amin’izao androntsika izao, ireny “Filistina” niova ireny dia hita eo amin’ny olona betsaka.
12. Amin’ny andro maoderina, ahoana no nahatonga an’i “Ekrona” “ho toy ny Jebosita”?
12 Araka ilay faminaniana, ilay tanàna lehiben’ny Filistina atao hoe Ekrona dia ho tonga “toy ny Jebosita”. Efa fahavalon’ny Isiraely koa taloha ny Jebosita. Teo am-pelatanan’izy ireo i Jerosalema mandra-pamabon’i Davida azy io. Na dia izany aza, ny sasany tamin’ireo tafita velona tamin’ireo ady nifanaovana tamin’ny Isiraely dia niharihary fa tonga proselyta. Nanompo tao amin’ny tanin’ny Isiraely tamin’ny naha-andevo izy ireo ary nanana tombontsoa mihitsy aza niasa tamin’ny fanorenana ny tempoly. (2 Samoela 5:4-9; 2 Tantara 8:1-18). Amin’izao andro izao, ny “Ekronita” izay mitodika ho amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah dia manana tombontsoam-panompoana koa ao amin’ilay “tany”, eo ambanin’ny fiandraiketan’ny mpanompo mahatoky sy malina.
13. Inona no natao hoe loham-pirenena teo amin’ny tontolo fahiny?
13 Milaza i Zakaria fa ho toy ny loham-pirenena iray any Joda ny Filistina. Ny teny hebreo hoe ʼal·luphʹ, rehefa adika hoe “loham-pirenena”, dia midika hoe “mpifehy arivo” (na “chiliarque”). Toerana tena ambony izany. Toa tsy nanana afa-tsy loham-pirenena 13 monja ny firenen’i Edoma tany am-boalohany. (Genesisy 36:15-19). Ny teny hoe “loham-pirenena” dia tsy ampiasaina matetika rehefa miresaka ny amin’ny Isiraely, fa miseho matetika kosa ilay fitenenana hoe “mpifehy arivo”. Rehefa nampiantso ireo solontenan’ny firenen’ny Isiraely i Mosesy, dia niantso an’ireo “mpifehy arivo amin’ny Isiraely” izy.d Nisy 12 izy ireo, ka niharihary fa nanarakaraka avy hatrany an’i Mosesy izy ireo. (Nomery 1:4-16). Nitovy tamin’izany koa fa tao amin’ny rafitry ny tafika, ireo mpifehy arivo dia nanarakaraka avy hatrany ny jeneraly na ny mpanjaka. — 2 Samoela 18:1, 2; 2 Tantara 25:5.
14. Ahoana no nahatonga ny “Filistina” ho toy ny loham-pirenena iray amin’izao andro izao?
14 Tsy naminany akory i Zakaria hoe ho tena loham-pirenena tokoa teo amin’ny Isiraely ny Filistina nibebaka. Tsy ho nety izany, satria tsy teraka Isiraelita izy. Kanefa ho toy ny loham-pirenena iray izy, hitana toerana misy fahefana azo nampitahaina tamin’ny an’ny loham-pirenena iray. Ary izany tokoa no nitranga. Raha eo am-pihenana ny isan’ny sisa amin’ny Kristiana voahosotra, sady voafetran’ny fitomboan’ny taona koa moa ny maro amin’ireo mbola velona, dia mameno ny tsy ampy ny ondry hafa tsara ofana, raha azo atao ny milaza izany. Tsy maniry ny haka an-keriny ny toeran’ny rahalahiny voahosotra izy ireo. Kanefa, manome azy ireo fahefana araka izay ilaina eo amin’ilay “tany” ny mpanompo mahatoky sy malina mba hahafahan’ny fandaminan’Andriamanitra manohy mandroso amin’ny fomba voalamina. Mbola hita ao amin’ny faminaniana hafa koa ny momba izany fandrosoana izany.
Mpisorona sy mpiasa tany
15. a) Ho fahatanterahan’ny Isaia 61:5, 6, iza no “mpisoron’i Jehovah”, ary rahoviana izy ireo no hanompo eo amin’io toerana io amin’ny heviny feno? b) Iza moa ireo “vahiny” izay manao ny asa fambolen’ny Isiraely, ary — amin’ny heviny ara-panahy — inona no tafiditra amin’io asa io?
15 Vakina toy izao ny Isaia 61:5, 6: “Ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo, fa hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo; ho lasanareo ny haren’ny firenena, ary handimby voninahitra azy hianareo.” Amin’izao andro izao, ny “mpisoron’i Jehovah” dia ireo Kristiana voahosotra. Amin’ny heviny farany sy feno, dia hanompo amin’ny maha-“mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika”, ao amin’ny Fanjakana any an-danitra izy ireo. (Apokalypsy 4:9-11). Iza moa ireo “vahiny” tompon’andraikitra amin’ny asa fambolena? Izy ireo dia ny ondry hafa, izay monina ao amin’ilay “tany” misy ny Isiraelin’Andriamanitra. Inona no asa fiandrasana sy asa tany ary asa fanamboarana tanimboaloboka ankinina amin’izy ireo? Amin’ny heviny lehibe ara-panahy, ireo asa ireo dia misy ifandraisana amin’ny fanampiana sy ny famahanana ary ny fanangonana olona. — Isaia 5:7; Matio 9:37, 38; 1 Korintiana 3:9; 1 Petera 5:2.
16. Iza amin’ny farany no hisahana ny asa rehetra ao amin’ilay “tany” misy ny vahoakan’Andriamanitra?
16 Ankehitriny, dia Isiraelita ara-panahy vitsy no tavela eto an-tany ka mandray anjara amin’ny asa fiandrasana ara-panahy sy ny asa tany ara-panahy ary ny asa fanamboarana tanimboaloboka ara-panahy. Rehefa ho tafaray amin’i Kristy amin’ny farany ny kongregasiona voahosotra manontolo, dia havela amin’ny ondry hafa izany asa rehetra izany. Na dia ny fiandraiketan’olombelona ilay “tany” aza amin’izay dia ho eo am-pelatanan’ny ondry hafa mahafeno fepetra, izay tondroina ho kilasin’ny mpanapaka ao amin’ny bokin’i Ezekiela. — Ezekiela, toko faha-45, 46, Kat.e
Maharitra ilay “tany”
17. Fanomanana inona avy no ataon’i Jehovah mandritra izao andro farany izao?
17 Eny, tsy mila ny hatahotra ny olona betsaka! Nanao fanomanana maro be ho azy ireo i Jehovah. Ny fisehoan-javatra anisan’ny lehibe indrindra teto an-tany nandritra izao andro farany izao dia ny fanangonana sy ny fanisiana tombo-kase ny voahosotra. (Apokalypsy 7:3). Raha mbola eo am-pamitana izany anefa i Jehovah, dia nitondra ny ondry hafa hiaraka tamin’ny voahosotra ao amin’ny tany ara-panahy iray tafaverina amin’ny laoniny, izy. Tao dia nofahanana tamin’ny lafiny ara-panahy sy nampiofanina ny amin’ny fomba fiaina kristiana izy ireo. Ankoatra izany, izy ireo dia nomena fototra tsara teo amin’ny fanompoana masina, anisan’izany ny fiandraiketana. Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah sy ny rahalahiny voahosotra izy ireo noho izany.
18. Mandritra ny fisehoan-javatra inona avy no hitoetra tsy hivadika ao amin’ilay “tany” nisy ny Isiraely ara-panahy ny ondry hafa?
18 Rehefa hanao ny fanafihany farany ny vahoakan’Andriamanitra i Goga avy any Magoga, ny ondry hafa dia hitana ny tsy fivadihany hiaraka amin’ny sisa voahosotra ao amin’ilay “tany izay misy tanàna tsy mimànda”. Mbola ho ao amin’io “tany” io ny ondry hafa rehefa ho tafita velona amin’ny fandringanana ireo firenena ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Ezekiela 38:11; 39:12, 13; Daniela 12:1; Apokalypsy 7:9, 14). Noho izy ireo hitoetra hahatoky, dia tsy ho voatery handao na oviana na oviana io toerana mahafinaritra io izy. — Isaia 11:9.
19, 20. a) Ao amin’ny tontolo vaovao, fiandraiketana lehibe inona no ho azon’ny mponin’ilay “tany”? b) Inona no andrandraintsika amim-panantenana lehibe?
19 Notapahin’ny mpanjaka olombelona sy nanana Levita mpisorona ny Isiraely fahiny. Ao amin’ny tontolo vaovao, ny Kristiana dia ho eo ambanin’ny fiandraiketana lehibe lavitra. Eo ambanin’ny fitondran’i Jehovah Andriamanitra, izy ireo dia ho olom-pehezin’i Jesosy Kristy, Mpisoronabe sady Mpanjaka lehibe, sy ireo mpisorona sady mpanjaka miaraka aminy 144 000 — izay ny sasany aminy dia efa fantatr’izy ireo taloha tamin’ny naha-rahalahiny sy anabaviny kristiana teto an-tany. (Apokalypsy 21:1). Hiaina eo amin’ny tany iray naverina ho paradisa ara-bakiteny ireo mponina mahatoky ao amin’ilay tany ara-panahy, ka ho finaritra amin’ireo fitahiam-panasitranana harotsaka amin’ny alalan’i Jerosalema Vaovao. — Isaia 32:1; Apokalypsy 21:2; 22:1, 2.
20 Koa satria mandroso amin’ny fomba tsy azo sakanana ny kalesy lehiben’i Jehovah any an-danitra mba hanatanterahana ny fikasany, isika rehetra dia miandrandra amim-panantenana mafy ny hanatontosa ny anjara hanendrena antsika. (Ezekiela 1:1-28). Rehefa ho tanteraka amin’ny farany ireny fikasana ireny, dia eritrereto hoe amim-pifaliana toy inona no hankalazana ny fanamasinana an’i Jehovah amim-pandresena! Amin’izay ilay hira fiderana mahery voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 5:13 dia hohirain’ny zavaboary rehetra: “Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”! Na ho any an-danitra ny toerantsika na ho eto an-tany, moa ve isika tsy maniry mafy ny ho ao, ka hampiray ny feontsika amin’io amboaran-kira fiderana faran’izay kanto io?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny “De nouveaux cieux et une nouvelle terre”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1957, pejy faha-322-323.
b Mba handinihana izany amin’ny fomba feno, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Fandaharana Nataon’i Jehovah ‘Ireo Nomena’ ” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1992.
c Jereo ny Le paradis rétabli parmi les hommes — grâce à la Théocratie!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1977, pejy faha-266-271.
d Hebreo: raʼ·shehʹ ʼal·phehʹ Yis·ra·ʼelʹ, nadika hoe khi·liʹar·khoi Is·ra·elʹ “chiliarques-n’ny Isiraely” ao amin’ny Septante.
e Jereo ny “Les nations sauront que je suis Jéhovah” — Comment?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1974, pejy faha-402-407.
Ahoana no Havalinao?
◻ “Tany” inona no naverina tamin’ny laoniny tamin’ny 1919, ary ahoana no namenoana mponina azy io?
◻ Ahoana no nanomezana andraikitra nitombo ho an’ny ondry hafa ao amin’ilay “tany” misy ny vahoakan’Andriamanitra tafaverina ao amin’ny taniny?
◻ Amin’ny ahoana ny mpikambana amin’ny olona betsaka no “toy ny Jebosita”? ‘toy ny loham-pirenena ao Joda’?
◻ Haharitra hafiriana ny ondry hafa mahatoky no hitoetra ao amin’ilay “tany”?
[Sary, pejy 23]
Ny Filistina maoderina dia ho ‘toy ny loham-pirenena ao Joda’
[Sary, pejy 24]
Miara-manompo ao amin’ilay tany ara-panahy ny voahosotra sy ny ondry hafa