Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Soeda
AO AMIN’NY ilany atsinanan’ny saikinosy scandinave no misy an’i Soeda ary miitatra hatrany ambonin’ny Faribolan-tendron-tany Arktika. Malaza maneran-tany noho ireo ala mandrobona maitso lalandava ary koa ireo farihy sy ireo tendrombohitra mandrakotra azy i Soeda, sady iray amin’ireo tany any Eoropa vitsy mponina indrindra. Kanefa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitady ary nahita tamin’ny fomba nahomby ireo olona tia ny fahamarinana tao amin’io tany io, hatramin’ny faramparan’ireo taona 1800. Diniho ny ohatra iray vao haingana.
Ny vehivavy iray dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona, kanefa tsy tian’ny vadiny izany. Nilaza taminy ny vadiny mba hampitsahatra ny fianarana, ary izany no nataon’ilay vehivavy. Io lehilahy io dia niasa tamin’ny trano iray fitahirizana labiera. Indray andro, ny saoferan’ny kamiao iray dia tonga tao amin’ilay trano fitahirizana labiera niaraka tamin’ny zafikeliny lahy folo taona. Nangatahin’ilay raibe ilay lehilahy mba hijerijery io zazalahy io eo am-pibatany entana ao anatin’ny kamiao. Mba hoe hanombohana resaka aminy fotsiny, dia nanontanian’ilay lehilahy izay fanomezana azony tamin’ny andro fitsingerenan’ny nahaterahany vao haingana. Gaga ilay lehilahy fa nilaza taminy ilay zazalahy fa tsy mankalaza ny andro fitsingerenan’ny nahaterahana izy sy ny fianakaviany satria izy ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza taminy koa ilay zazalahy fa mahazo fanomezana izy amin’ny fotoana hafa amin’ny taona, ka tsy mahatsapa izy hoe misy zavatra tsy ampy, satria manana fianakaviana mafana sy be fitiavana tokoa izy. Tsy misy fanomezana misy vidiny noho ny fianakaviana iray mafana sy be fitiavana, hoy ny teny nanampiny.
Niverina tany imbetsaka niaraka tamin’ny dadabeny ilay zazalahy. Isaky ny nandalo izy ireo, dia nanao fanontaniana be dia be tamin’ilay zazalahy ilay lehilahy, ary tena nanohina azy lalina ny fomba nanomezan’ilay zazalahy valin-teny marina sy mivantana tsy tamim-pisalasalana. Tohina koa izy tamin’ny fahatakaran’ilay zazalahy tsara ireo tena zava-tsarobidy marina. Indray alina, taorian’ny nijereny fandaharana iray tamin’ny televiziona izay nampiseho ireo toe-piainana mahonena maneran-tany, dia tsapany fa tokony hihevitra ho zava-dehibe kokoa ireo zavatra ara-panahy izy. Niantso an-telefaonina ilay Vavolombelona izay niara-nianatra tamin’ny vadiny izy, ary nangataka azy mba hiverina. Tsy ela ilay lehilahy dia nampianarin’ny Vavolombelona iray, ary nanao fandrosoana haingana. Natao batisa tamin’ny 10 Aprily 1994 izy. Ny vadiny dia vita batisa koa ankehitriny.
Mitaky fanorenana ny fitomboana
I Soeda dia tany fonenan’ny mpitsoam-ponenana maro avy amin’ny tany hafa, ary ireo Vavolombelona soedoa dia nahita vokatra tsara tamin’ny fitoriana tamin’izy ireo. Tamin’ny ankapobeny dia nahita fahombiazana tokoa ny asa, hany ka nanjary nilaina ny Efitrano Fanjakana vaovao mba hisian’ny toerana ho an’ny fitomboana. Nanomboka tamin’ny 1986 ka hatramin’ny 1993, dia nisy Efitrano Fanjakana 37 naorina tamin’ny alalan’ny fomba fanorenana vita haingana, ary tao anatin’izany fotoana izany ihany dia nisy efitrano 8 nitarina sy nohavaozina. Tamin’ny 1994 monja, dia Efitrano Fanjakana fito fanampiny no naorina, ary nisy telo nohavaozina.
Ankehitriny dia misy kongregasiona 65 miandry fanampiana mba hanorina Efitrano Fanjakana vaovao na hanitatra na hanavao ny misy azy ankehitriny. Mpiasa an-tsitrapo 2 500 eo ho eo no manohana izany tetik’asa fanorenana izany, ary mankasitraka indrindra ny fanampiana feno fitiavana asehony ireo kongregasiona.
Ny tapany avaratr’i Soeda, izay miitatra eo ambonin’ny Faribolan-tendron-tany Arktika dia antsoina indraindray hoe ny tany misy masoandro amin’ny misasak’alina. Izany dia satria mandritra ny tapany amin’ny fahavaratra dia tsy milentika mihitsy ny masoandro any. Manerana an’i Soeda anefa dia manohy mamirapiratra mazava ny fahazavan’ny fahamarinana. Omban’ny fitahian’i Jehovah, dia tsy hihamanjavozavo na oviana na oviana izany fahazavana ara-panahy izany fa hamirapiratra hihamazava hatrany hatrany.
[Efajoro, pejy 8]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1994
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 24 246
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 362
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 40 372
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 2 509
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 1 306
ISAN’NY NATAO BATISA: 850
ISAN’NY KONGREGASIONA: 358
BIRAON’NY SAMPANA: ARBOGA
[Sary, pejy 9]
Ny biraon’ny sampana sy ny Betela any Arboga
Nampiasa itỳ minibus itỳ ireo Vavolombelona tany am-boalohany tao Hjo mba hitsidihana ny faritany iray teo amin’ny 5 000 kilaometatra toradroa