Ny Fifaliana Miandry An’ireo Izay Mahita ny Fahamarinana
TAO amin’ny efitrano mifanolotra amin’ny tafo, ny lehilahy failandey iray dia nahita ilay boky hoe Le divin plan des âges. Natombony avy hatrany ny famakiana azy io ary tsy ela dia hoy izy anakampo: ‘Itỳ no fahamarinana; itỳ no fahamarinana.’ Rehefa nidina avy tao amin’ilay efitrano izy dia nilaza tamin’ny vadiny hoe: “Hitako ny fivavahana marina.”
Tsy mahazatra io zava-nitranga teo amin’ny fiainana io raha ny amin’ny fomba nahitan’io lehilahy io ny fahamarinana, kanefa, Vavolombelon’i Jehovah maro no afaka mitantara fihetsika mitovy amin’izany. Afaka milaza aminao ny amin’ny fifaliana entin’ny fahitana ny fahamarinana izy rehetra. Manasongadina izany ireto fitantarana zava-nitranga teo amin’ny fiainana manaraka ireto.
Mitondra fifaliana ireo fampianarana marina ao amin’ny Baiboly
Nihalehibe tany Munich, any Alemaina, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, i Margarita Königer. Zavatra fahita tamin’izany ireo trano voazera baomba ka nirehitra. Maty tamin’ilay ady ny zokiny lahy. Rehefa nanatrika ireo fotoam-pivavahan’ny eglizy katolika izy dia nandre ireo vavaka natao ho an’ireo miaramila alemanina sy ho an’ny führer (filoha) Hitler. Taorian’ilay ady, dia nahazo vatsim-pianarana mba handehanana tany amin’ny oniversite iray tany Etazonia izy tamin’ny fandaharana fifanakalozana mpianatra. Hitany fa naneho fisakaizana taminy ny olona, koa nanontany tena izy hoe inona no toa nanosika ny olona, izay ny hiaina amim-piadanana no faniriany voajanahary, tsy hifampatoky sy hifankahala mandritra ny fotoan’ny ady. Rehefa niverina tany Munich izy, dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tamin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo, dia hitany ny valin’ireo fanontaniany. Hoy izy: “Naseho tamiko avy tao amin’ny Baiboly fa tafiditra ireo fanahy ratsy (...) Antsoin’ny Baiboly hoe ‘mpanapaka itỳ tontolo itỳ’ izy ireny, ary, raha ny tena izy, dia lazainy fa ‘mamitaka ny tany onenana manontolo’ i Satana. (...) Rehefa jerena ireo zavatra ataon’ireo firenena sy vahoaka amin-karatsiam-panahy sy amin-kalozana, dia azon’ny saina ekena sy mahafa-po toy inona moa izany valiny izany!” — Efesiana 6:12, NW; Apokalypsy 12:9, NW.
Nanohy ny teniny toy izao i Margarita: “Nitondra fifaliana lehibe ho ahy ny nahafantatra ny fandaharan’Andriamanitra mba handaminana ireo zava-manahirana eto an-tany. Tsia, izany dia tsy ho amin’ny alalan’ny firehan-kevitra na ny fitondran’ny olombelona, araka ny fanoloran-kevitr’ireo mpanabe eo amin’izao tontolo izao. Asehon’ny Baiboly kosa fa handray an-tanana ireo raharahan’ny tany ny fitondram-panjakana vaovao iray any an-danitra. (...) Nampianatra ireo mpanara-dia azy hivavaka toy izao i Jesosy Kristy: ‘Ho tonga anie ny fanjakanao.’ (...) Nanomboka azoko fa tena fitondram-panjakana iray io fanjakana io ary amin’ny alalan’izy io ihany no hahatomombana ny tena fiadanana maneran-tany.” Nandritra ny efa ho 30 taona, i Margarita dia nanompo tamin’ny naha-misionera tany amin’ny tany afrikana dimy — ny 19 taona farany dia lany tamin’ny fitoriana ny fahamarinana tamin’ny olona manetry tena any Ouagadougou, atsy Burkina Faso.
Tsy maningana ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Margarita. Olona maro no nampiseho fihetsika tsara tsy misy hafa amin’izany rehefa hitan’izy ireo fa samy mivavaka amin’Andriamanitra mba hahazoana fandresena ny klerjy ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana eo amin’ny andaniny roa amin’ny ady. Hitan’ireo olona mahitsy fo fa azon’ny saina ekena ny fanazavan’ny Baiboly fa tsy manana anjara amin’ireo adin’ny olona Andriamanitra, fa mitranga kosa ireny ady ireny satria “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. Ianaran’ireny olona mitady ny fahamarinana ireny fa ‘tsy tokony ho naman’izao tontolo izao’ ireo Kristiana marina, fa tokony hitoetra hialanalana amin’ireo raharahan’izao tontolo izao kosa izy ireo. Noho ny fahatsapana fa mitana izany toerana izany ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanjary niaiky ireny olona nampiseho fahalianana vao haingana ireny fa nahita ny fahamarinana izy ireo. Mitombo amin’ny fanantenana sy ny fifaliana izy ireo arakaraka ny ahazoany fahalalana mitombo mikasika ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy sy ny fomba hampiorenan’Andriamanitra tsy ho ela ny fiadanana sy ny toe-piainana marina eto an-tany amin’ny alalan’ny Fanjakany. — 1 Jaona 5:19; Jaona 17:16; Matio 6:9, 10.
Mitondra fifaliana ireo fotopoto-pitsipika marina ao amin’ny Baiboly
Nihevitra i Daniel Rosero any Ekoatera fa tsy nisy heviny ny fiainana, koa nanomboka niboboka toaka izy. Nampianatra azy ny fiangonana izay nalehany fa ny hany zavatra tokony hantenainy dia ny fahafatesana sy ny afobe mirehitra. Izao no navaliny: “Mbola hirehitra ihany aho, koa avelao aho hisotro!” Nanana mpianakavy valo izay tsy novelominy izy, ary niady foana tamin’i Delia vadiny. Nitondra fiovana lehibe ny alahady maraina iray, rehefa notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ka nanomboka nianatra ny Baiboly. Tamin’ny nanatrehan’i Daniel voalohany ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia tsapany fa nahita ny fahamarinana izy. Hoy izy: “Nanohina ny foko ny fandaminana. Nifanaraka tsara ireo olona maro be. Afaka nahatsapa ny fitiavana tao amin’ilay vahoaka ianao. Tsy nisy nifoka sigara. Tsy nisy teny maloto. (...) Tadidiko aho nieritreritra hoe: ‘Itỳ no fahamarinana!’ Tsy ny tahotra ny fahafatesana na ny tahotra ny faran’izao tontolo izao no nanohina ahy. Izany kosa dia ny fahadiovan’ny fandaminana.”
Tonga Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviana Rosero manontolo. Nihatsara ny fiainam-pianakavian’izy ireo sy ny toe-bolany arakaraka ny nampiharany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Hoy i Delia Rosero: “Noho ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ange no nahazoako izany rehetra izany e. Iza no mahalala hoe taiza ho aiza no ho nisy ireo zanako raha tsy teo ny Tenin’Andriamanitra? Samy vita batisa avokoa izy fito sady mitoetra tsara. Nidika ho fiainam-baovao, fahasambarana vaovao, tanteraka ho ahy ny fahamarinana.”
Tsy maningana ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana Rosero. Olona maro amin’izao androntsika izao no sahiran-tsaina amin’ireo zava-manahirana. Ny antony iray dia satria tsy hajaina intsony amin’ny ankapobeny ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena omen’ny Baiboly, toy ny nanajan’ireo taranaka teo aloha azy ireny. Nanaraka izany fironana izany ny ankamaroan’ireo fivavahana, na noho ny fileferana na satria heverin’izy ireo fa lany andro ireo fari-pitsipi-pitondran-tena taloha noho ny fiovan’ny toetr’andro. Koa, tahaka ireo hafa, ry Rosero dia navela hitsapatsapa tao anatin’ny haizina tsy nisy fitarihana avy ao amin’ny Baiboly. Kanefa, rehefa manjary mahatakatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny fari-pitsipika sy ny fiainam-pianakaviana ireny olona manetry tena ireny, dia tsy mangataka andro mampihatra izay ianarany. Avy amin’ny tantaram-piainan’izy ireo, dia azontsika atao ny mahita ny vokatra tsara entin’ny fanaovana izany.
Tsy maintsy ambolena ny fifaliana
Tsy midika anefa izany fa ravoravo foana ny Kristiana iray. Miharihary fa mahazo an’ireo Kristiana koa ireo zava-manahirana izay atrehin’ny olona amin’ny ankapobeny, toy ny tsy fananana asa sy ny aretina ary ny fahafatesana. Tsy maintsy manao ady mitohy amin’ny tsy fahalavorariany sy ny fahalemeny manokana koa ireo Kristiana. Lazain’ny fitantaran’ny Baiboly fa i Lota dia “ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy” tao amin’ny tanànan’i Sodoma. Tsy afaka ny tsy hahatsapa toy izany ireo Kristiana mahatoky rehefa mahita fa mahazo vahana ireo toe-piainana ratsy. — 2 Petera 2:7, 8.
Kanefa, manana tombony ireo izay nahita ny fahamarinana. Ohatra, ny mpino iray izay malahelo ny olona iray maty dia tsy ho voatery ‘halahelo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana’. Tsy hoe tsy manam-petra ny alahelony. Marina izany rehefa mikasika ireo zava-manahirana hafa koa. Ilay olona izay nahita ny fahamarinana dia mahafantatra fa mihelina fotsiny ireo zava-tsarotra ankehitriny. Manamora ny fiaretana ao anatin’ireo zava-manahirana ny fanantenana. Manampy koa ny fomba fiaina mahay mandanjalanja iray. — 1 Tesaloniana 4:13.
Nanome ho an’ny Kristiana izao fampirisihana izao i Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.” (Filipiana 4:4). Asehon’izany fa na dia mety hahita fifaliana aza isika rehetra, dia mety tsy hanana azy io koa. Mety ho vato misakana ireo fanahiana eto amin’itỳ tontolo tranainy itỳ. Fanampin’izany, ny Baiboly dia milaza amintsika fa ilaintsika ny mamboly fifaliana, iray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22). Raha mandray tsy tapaka ny fahalalana momba ny fahamarinana sy mitadidy ireo harena ara-panahy nentiny sy mbola entiny ny tenanao, dia tsy hihena ny fifalianao. Hanjary ho mafy kokoa izy io arakaraka ny anatonantsika ilay fotoana izay ‘hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra’ amin’ny mason’ny olona sy ilay fotoana tsy hisian’ny “alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” intsony. — Apokalypsy 21:4.
[Sary, pejy 8]
Olona maro no talanjona mahita ny fifaliana sy ny fandaminan-javatra tsara any amin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah