FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/4 p. 3-4
  • Ny Fivavahana — Foto-dresaka Fady Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fivavahana — Foto-dresaka Fady Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fijerena akaiky ny fivavahana
    Mifohaza!—1990
  • Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/4 p. 3-4

Ny Fivavahana — Foto-dresaka Fady Ve?

“MISY foto-dresaka roa tsy resahiko mihitsy: ny fivavahana sy ny politika!” Izany no valin-teny azon’ny Vavolombelon’i Jehovah matetika rehefa miresaka amin’ny hafa momba ny Baiboly izy ireo. Ary mora takatra izany fiheverana izany.

Rehefa miady hevitra momba ny politika ny olona, dia mety hirehitra ny fahatezerana ka hiteraka fifamaliana. Olona maro no mahita ny any ambadik’ireo fampanantenana poaka aty ka mahatsapa fa, matetika dia mitady fahefana sy laza ary vola fotsiny ireo mpanao politika. Mampalahelo fa mitarika ho amin’ny herisetra indraindray ireo tsy fifanarahana ara-politika.

‘Kanefa’, hoy ny mety ho fanjohian-kevitrao, ‘tsy marina koa ve izany raha ny amin’ny fivavahana? Tsy niteraka ady maro amin’izao andro izao ve ny firehetana ara-pivavahana?’ Any Irlande Avaratra, dia nifandrafy hatramin’ny ela ireo Katolika sy Protestanta. Any amin’ireo tany balkanika, dia miady faritany ireo mpiangona ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana sy ireo Katolika ary ireo hafa. Inona no vokany? Habibiana sy fankahalana mitohy.

Eo anatrehan’ny fandrahonana ho faty, dia olona maro no miezaka ny hanafina ireo zavatra inoany manokana sy ny an’ireo fianakaviany. Atsy Afrika, ny fankahalana ara-pivavahana nandritra ny taonjato maro teo amin’ireo olona ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ireo mpanaraka fivavahana vahiny hafa ary koa ireo mpanaraka fivavaham-poko, dia nanosika an’ireo ray aman-dreny hanome ho an’ireo zanany, anarana roa izay nanome fiarovana sasany. Maharitra hatramin’izao andro izao izany fanao izany. Araka izany, ny zazalahy iray dia afaka mitonona ho mpiangona, na ho mpanaraka fivavahana hafa, amin’ny fampiasana ny anarana iray fa tsy ilay hafa. Rehefa mety hamoizan’ny olona iray ny ainy ireo zavatra inoany ara-pivavahana, dia tsy mahagaga raha misalasala ny handinika momba ny fivavahana an-karihary izy.

Ho an’ny hafa, ny fivavahana dia foto-dresaka fady, na dia tsy rahonana aza ny ainy. Matahotra izy ireo sao hitarika ho amin’ny ady hevitra tsy misy heviny ny fiaraha-mandinika momba ireo zavatra inoany amin’ny olona iray hafa finoana. Misy hafa koa mino fa tsara avokoa ny fivavahana rehetra. Raha mbola mahafa-po ny olona iray ny zavatra inoany, hoy izy ireo, dia raharaha tsy misy antony ny firesahana momba ireo tsy fitoviana.

Na dia ireo mpandinika lalina ny votoatin’ny fivavahana aza dia tsy mifanara-kevitra amin’izy samy izy. Miaiky toy izao ny The New Encyclopædia Britannica, ao amin’ilay lahatsorany hoe “Ny Fandinihana sy ny Fanasokajiana Ireo Fivavahana”: “Mahalana no (...) nisy firaisan-kevitra teo amin’ireo manam-pahaizana manokana raha ny momba ny votoatin’ny [fivavahana] (...) Araka izany, ilay foto-kevitra dia nahafaoka fifanolanana nandritra ny tantarany.”

Ny rakibolana iray dia mamaritra ny atao hoe fivavahana ho “fanehoana ny finoan’ny olona sy ny fanajany ara-pivavahana hery iray ambony noho ny olombelona, hery ekena ho mpamorona sy mpifehy izao rehetra izao”. Nitaky ny hitanan’ny fivavahana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainana izany. Eny tokoa, ny fivavahana dia anton-javatra mandaitra hatraiza hatraiza eo amin’ny famolavolana ny tantaran’olombelona. “Tsy nisy fiaraha-monina izay tsy nitady hanome filaminana sy heviny ho an’ny fiainana tamin’ny alalan’ny endri-pivavahana iray na hafa”, hoy ny fanamarihan’ny Oxford Illustrated Encyclopedia of Peoples and Cultures. Noho izy io mahafaoka zavatra fototra toy ny hoe “filaminana” sy “heviny” ho an’ny fiainana, dia azo antoka fa mendrika ny hanaovana zavatra hafa ankoatra ny fifandirana na ady hevitra ny fivavahana. Mendrika ny hanaovana fiaraha-midinika — izany hoe, fandinihana feno miaraka — amin’ny hafa kosa izy io. Kanefa, miaraka amin’iza, ary inona ny soa ho azo avy amin’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara